Fampaherezam-panahy 2024
Lesona nosintonina avy amin’ny fiainana fony tanora


Lesona nosintonina avy amin’ny fiainana fony tanora

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 5 mey 2024

Teny fanolorana

Loholona Carlos A. Godoy: Misaotra anareo miaraka aminay anio eto amin’ity toerana kanto sy manan-tantara ity. Voninahitra ho ahy ny miaraka aminareo eto anio. Misaotra anareo miaraka aminay avy any amin’ny vazan-tany efatr’izao tontolo izao. Tianay ny miaraka amin’ny tanora. Manana anjara asa lehibe ianareo ato amin’ny Fiangonana ary miaina ao anatina fotoana iray tena manan-danja eo amin’ny fiainanareo. Hisy fiantraikany goavana amin’ny hoavinareo ireo fanapahan-kevitra raisinareo amin’izao fotoana izao. Noho izany amin’ity takariva ity dia manantena ny hanampy zavatra mahasoa amin’ireo hafatra tena tsara maro efa noraisinareo nandritra ireo fampaherezam-panahy hafa izahay.

Fifaliana ho ahy ny miaraka amin-drahalahy Chad Webb sy i Kristi vadiny ary ny Loholona Clark Gilbert sy i Christine vadiny ho namako eto. Misaotra anareo miaraka aminay eto androany.

Mahafaly ahy koa ny maha eo an’i Mônica miaraka amiko ao anatin’ity fampaharezam-panahy ity. Fiarahana mampianatra no fomba hampiasainay ary manantena izahay fa ho tianareo izany.

Ao anatin’ny hafatray dia hizara horonan-tsary fohy miendrika sarimiaina namboarin’ny Fiangonana izay maneho anay fony tanora izahay. Nanodidina ny taonanareo izaho sy i Mônica tamin’izany.

Manantena izahay, amin’ny alalan’io horonan-tsary io, ny hampianatra anareo fitsipika vitsivitsy izay azo ampiharina eo amin’ny fiainanareo amin’izao fotoana izao. Horonan-tsary maharitra dimy minitra izany izay hahitanareo ireo fotoana samihafa niseho teo amin’ny fiainanay. Miangavy anareo mba handinika tsara izany sy hiezaka ny hitady ireo fitsipika izay inoanareo fa miantefa aminareo. Hiverina hiresaka ny sasany amin’izy ireo isika afaka kelikely eo. Mety ve?

[horonan-tsary]

Tsy nitady velively ny filazantsara na ny Fiangonana aho. Fony aho 16 taona dia nisy naman’ny zokiko lahy tonga tao an-tranonay ary nanasa ny zandrinay vavy hanatrika fiaraha-mientana karakarain’ny fiangonana satria nieritreritra izy fa izaho sy ny rahalahiko dia tsy liana amina fiangonana. Rehefa tonga tany am-piangonana izahay dia nilalao tao anatina fiaraha-mientana tena tsotra izy ireo ary tena nandray anjara tao anatin’izany kilalao izany izy ireo sy nihomehimehy. “Fa nahoana izy ireto no tena faly toa izao?” hoy aho tany an-tsaiko.

Noho izany, roa andro taty aoriana, dia nandray ireo lesona zarain’ny misiônera tany amin’ny trano fiangonana aho, satria tsy dia liana ny handray ireny ny fianakaviako. Faly tamin’ny filazantsara aho. Fantatro fa marina izany, ka nahatonga ahy ho vonona ny hatao batisa na dia tsy niaraka tamin’ny ray aman-dreniko aza. Saingy sarotra ny niezaka nanana ny toeran’ny tena.

Tsy nanana namana aho ka nipetraka tany amin’ny seza faramparan’ny efitrano fiangonana nandritra ny fotoana maharitra; nijery, dia nihaino ary nandeha nody. Vitanao ihany ny manao izany mandritra ny fotoana elaela kely, saingy rehefa tsy manana namana ianao dia sarotra izany, indrindra rehefa manana namana any ivelany ianao izay miantso anao mba hiverin-dalana.

Nandeha tany am-piangonana aho indray alahady, toy ireny hoe handeha indray mandeha farany ireny, ary nameno taratasy izy ireo. Nanontany aho hoe, “Inona ity?”

“Fihaonambe ho an’ny zatovo io,” hoy izy. “Tokony mba mandeha ianao.”

“Eny ary e! Mba hanandrana izany aho,” hoy aho. Rehefa afaka kelikely nandritra ilay fihaonamben’ny zatovo dia nilalao sy nihira ary nandihy ireo zatovo rehetra ireo ary tampoka teo dia nisy feo avy ao amin’ny fitaovana fanamafisam-peo niteny hoe, “’Ndeha isika hanolotra ny vavaka voalohany.”

Naneho fanajana tampoka ireo olona rehetra be tabataba teo. Ary nieritreritra aho hoe, “Tsy mampino? Fa inona ity mitranga eto ity?” Ahoana no ahafahan’ity vondron-jatovo ity ho be tabataba ary tampoka teo dia nanaja fatratra tokoa noho ny vavaka iray? Noho izany dia tena hoe oay e! tena niavaka tokoa izy ireo. Te ho toa azy ireo aho. Ho ahy, dia ny Tompo no nandefa hafatra tamiko indray hoe: “Carlos a! Aza milavo lefona. Eto no toerana tokony hisy anao.”

Ny ampitson’io raha nandehandeha aho dia nisy zatovovavy iray nitsoka sodina irery. Raha nahita ilay vehivavy aho dia niteny hoe: “Oay e!” Dia nanomboka nidobodoboka haingana ny foko. Dia naniry ny hiresaka taminy aho. Ary tena tsotra sy sariaka izy. Nanomboka niresaka tamiko tamim-pandraisana ahy ho toy ny olona tsotra fotsiny izy. Ary lasa namako izy, ilay hany namako. Ary afaka nahazo namana hafa aho tamin’ny alalany.

Nanapa-kevitra aho taorian’ny fihaonamben’ny zatovo fa hanohy hiangona. Nifindra tany amin’ny faritra iray hafa tao amin’ilay tanàna ny fianakaviako. Nandeha niangona tany amin’ny trano fiangonana akaikin’ny trano fonenako aho, dia iza hoy ianareo no tao?—I Mônica! Tao no paroasy nisy azy. Ary rehefa nifarana ny fivoriana dia nisy rahavavy iray nanatona ahy ary niteny hoe, “Mpikamban’ny Fiangonana ve ianao?”

Efa zatra naheno izany fanontaniana izany aho. Hoy aho hoe, “Eny, izay aloha no fandraisako azy; mazava ho azy fa mpikambana aho.”

“Hay! Tokony hanatrika seminera ianao” hoy izy.

Dia nieritreritra aho hoe, raha avy tany amin’ny niaviako, ny seminera dia natao mba hahatongavana ho pretra, mompera.

Noho izany dia niteny aho hoe: “An, an, an! Hitanao, te hanambady sy hanan-janaka aho.”

Ary hoy izy hoe: “An an an! Hitanao, ny seminera dia natao mba hianaran’ny zatovo ny filazantsara. Vitsy ny zatovo ato amin’ny paroasinay. Anankitelo izy ireo amin’izao fotoana izao: i Adriana Weber, i Carlos Arthur Lencini, ary i Mônica Brandão.

Hoy aho tany an-tsaiko hoe: “Hay! Tsy fantatro hoe inona izany fa te hanatrika izany aho.”

Ary nandray izany teny mahasoa avy amin’ Andriamanitra izany isa-maraina aho. Nanome ahy fahatakarana momba ny tenako izany, sy tanjaka hanohizana ny tolona sy hanohizana ny dingan’ny fiovam-poko.

Avy eo aho dia notendrena ho mpiaraka manao famangiana isan-tokantrano tamin’ny filohan’ny Zatovolahy. Ary na dia tsy dia nahafantatra zavatra loatra momba ny filazantsara aza aho, dia nomeny andraikitra mba hampianatra foana. Natoky ahy mihoatra noho ny fatokiako ny tenako izy tamin’izany fotoana izany raha ny eriteritro.

Ary nisy zavatra iray nahaliana koa tao anatin’izany— izy no rain’i Mônica. Tsetsatsetsa tsy aritra aloha, i Mônica ilay tovovavy anjely noresahiko fa teo nanampy ahy, dia lasa vadiko taty aoriana. Rehefa samy nahavita ny asa fitoriana ny filazantsara izahay, dia nivady tany amin’ny tempoly, ary amin’izao fotoana izao dia renin-janaka miisa efatra izy ary reniben’ny zafikely miisa fito. Mbola anjely eo amin’ny fiainako izy.

Rehefa mijery ny manodidina ianao dia tsy isalasalako fa ho afaka ny hahita ireo izay mila ny fanampian’ny anjely ianao. Mila anao ny Tompo. Noho izany rehefa mijery ny tenanao eo amin’ny fitaratra ianao, dia aza hadino fa: ao anatinao ao dia misy fanahy tena tsara izay zanakalahy na zanakavin’ny Ray any An-danitra miaraka amin’ireo toetra tsara sy hery ahafahana manao zavatra ireo ao anatinao.

[tapitra ny horonan-tsary]

Loholona Godoy: Tiako mihitsy io tao volo io. Eny ary e! Izao isika dia hiresaka momba ny sasany amin’ireo lohahevitra ireo. Ka ny maha irery no ho voalohany.

Tsy irery ianao!

Rahavavy Mônica Godoy: Mino aho fa fotoana tena tsara eto mba hijanonana sy hifanakalozana hevitra mikasika ny zavatra nitranga. I Carlos, fony izy zatovo, dia nahatsapa ho irery ary kivy.

Mety misy sasantsasany aminareo izay nahatsapa ho irery sy hadino toy ny nitranga teto. Tsy mora ny mahatsapa hoe tsy misy mahita isika na zara raha omena lanja isika. Ho an’ireo izay ao anatina toe-javatra toy izany, dia aza avela handrendrika anareo izany. Tsy irery ianao. Mety tsy mifandray aminao na tsy mandray anao araka ny mba hitiavanao azy ny hafa. Toe-javatra mampalahelo izany. Saingy tsarovy anefa fa tsy irery ianao satria efa teo foana ny Mpamonjy ho anao. Fantany ianao, fantany ny zavatra mitranga eo amin’ny fiainanao, tia anao Izy ary eo Izy isaky ny mila Azy ianao. Miangavy anao mba tsy hilavo levona amin’ny fiezahanao mba hanana ny toeranao. Handefa anjely hanampy anao izy.

Loholona Godoy: Ankehitriny dia ity ny hafatra ho antsika rehetra izay akaikin’ireo olona mahatsapa ho irery sy hadino ireo. Tokony ho isika ireo anjely ireo. Miangavy anareo mba hijery manodidina sy hijery mihoatra an’ilay vondrona namana mahazatra anananareo. Eo izy ireo, sy efa teo, ary mety tsy tsikaritrareo angamba. Sahirana tamin’ny fiainanareo sy ireo namanareo mahafinaritra ianareo ka tsy hitanareo ireo izay manantena ny mba hahatsapa fitiavana sy ho voaray tsara. Mitady finamanana sy manantena ny hanana ny toerany anefa izy ireo. Mety mipetraka any amin’ny seza faramparan’ny efitrano fiangonana na eny an-joron’ny efitrano fianarana izy ireo. Azo inoana fa tsy hanao lobaka fotsy sy karavato izy ireo na hanao akanjo lava tsara tarehy fanao isaky ny alahady. Saingy manao izay tsara indrindra vitany izy ireo mba hanana ny toerany. Mba tolory tanana izy ireo. Mila ny tsikinareo sy ny fihin-tananareo ary ny finamananareo izy ireo. ity misy teny iray nambaran’ny Filoha Spencer W. Kimball momba izany:

“Tena mahita antsika Andriamanitra ary miambina antsika. Saingy matetika amin’ny alalan’ny olona anankiray hafa no hanomezany izay ilaintsika.”

Eny ary e! Fifankahafantarana. Raiki-pitia.

Raiki-pitia

Rahavavy Godoy: Eny ary, ity misy zavatra iray hafa tsara resahina: ny fotoana naha-raiki-pitia anao tamiko.

Loholona Godoy: Fantatro fa hisafidy izany ianao.

Rahavavy Godoy: Mazava ho azy! Fotoana nahafinaritra izany ary misy lesona iray tokony hozaraina eto. Ny sasany aminareo dia ho raiki-pitia ary hahafantatra mora foana ilay olon-tianareo eo amin’ny fiainanareo. Tonga dia ho raiki-pitia ianareo vao mifankahita.

Loholona Godoy: Izany no nitranga tamiko raha ny fahitako azy. Jereo anie ny endriko e!

Rahavavy Godoy: Tsy izany anefa no nitranga tamiko.

Loholona Godoy: Fantatro mihitsy.

Rahavavy Godoy: Tsy tokony hanantena ny hahita ilay ho vadintsika mandrakizay tahaka ny nahitan’ny hafa ny azy isika. Ho mazava sy mahery vaika izany ho an’ny sasany. Mety hitaky fotoana sy ezaka ary faharetana bebe kokoa izany ho an’ny hafa. Hiharihary kokoa izany rehefa manohy manao ezaka ianareo eo amin’ilay fifandraisanareo. Aza milavo lefona haingana noho ny tsy fanananareo fahatsapana mahery vaika tany am-boalohany. Ny traikefa hita dia mampianatra antsika fa ny fanambadiana mahomby sasantsasany dia nanomboka tamina zavatra madinika sy nandeha tsikelikely araka ny fotoanany.

Loholona Godoy: Marina ny nolazain’i Mônica. Izany no fisehony farafaharatsiny raha ho anay. Nihetsi-po lalina aho raha vao nahita azy. Ho ahy dia toy ny nahita andrim-pahazavana aho. Izy anefa tetsy ankilany tsy nahatsapa zavatra manokana tany am-boalohany. Nila niasa mafy nandritra ny volana vitsivitsy aho mandra-pahatsapany fa afaka ny ho safidy tsara aho. Lasa mpinamana akaiky izahay tamin’ny voalohany, ary taorian’ireo fotoana maro nanaovana fifankahafantarana dia nahatsapa izy tamin’ny farany fa raiki-pitia tamin’ilay zatovolahy “mahafatifaty.” Eo ho eo ihany.

Io zavatra niainana io dia mampianatra antsika fitsipika iray hafa: ny fomba fandraisantsika fanambarana. Ny dingana arahina amin’ny fitadiavana ilay olona tiana dia mitovy amin’ny dingana arahina amin’ny fandraisana fanambarana.

Tiako ny fampianaran’ny Loholona Bednar momba ny fanambarana. Nampiasa ohatra ahitana toe-javatra anankiroa misy ifandraisany amin’ny hazavana izay efa niainan’ny ankamaroantsika izy.

Noresahiny ilay zavatra iainana rehefa “niditra efitra maizina iray isika ka nandrehitra ny jiro. … Poa toy izay ny namenoan’ilay firotsahana mamirapiratry ny havazana an’ilay efitrano ary nahatonga ny haizina hanjavona. … Ny jiro arehitra ao amin’ny efitra maizina iray dia tahaka ny fandraisana hafatra avy amin’ Andriamanitra amin’ny fomba haingana … ary indray mandeha miaraka.” Izany no nitranga mahakasika ny zavatra tsapako momba an’i Mônica.

Ilay zavatra iainana iray hafa dia “rehefa nahita ny alina niova ho maraina isika. … Ny fahazavana avy amin’ny masoandro niposaka dia tsy niseho tampoka avy hatrany, izay mifanohitra amin’ny fandrehetana jiro ao amin’ny efitra maizina iray. Nitombo tsikelikely sy tsy an-kiato [kosa] ny herin’ny fahazavana ary … farany dia niposaka avy teny amin’ny faravodilanitra ny masoandro. …

“Ny fitomboan’ny fahazavana tsikelikely miparitaka avy amin’ny masoandro miposaka dia tahaka ny mandray hafatra avy amin’ Andriamanitra —andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika—(2 Nefia 28:30).”Izany no nitranga tamin’i Mônica teo am-pahitana fa izaho ilay olona natao ho azy. Nitaky fotoana elaela izany.

Nofaranan’ny Loholona Bednar izany tamin’ny hoe: “Ny fanambarana raha ny tena matetika dia mitombo tsikelikely rehefa mandeha ny fotoana ary atolotra arakaraka ny faniriantsika sy ny fahamendrehantsika ary ny fiomanantsika.”

Rahavavy Godoy: Zavatra mitovy amin’izany no azo lazaina mikasika ny fandraisana fanamafisana ara-panahy momba ny ho vadintsika mandrakizay. Ho tonga tsikelikely izany rehefa mihaona amin’olona isika ary manokana fotoana hiarahana.

Hery ara-panahy

Loholona Godoy: Avelao izaho no hiresaka momba izany. Araka ny hitanareo tao amin’ilay horonan-tsary, dia fanapahan-kevitra lehibe ho ahy ny fanatrehana seminera. Na dia noho ilay zatovovavy tsara tarehy aza no antony nanatrehana izany tany am-boalohany fa tsy noho ireo lesona momba ny filazantsara, dia nisy fiantraikany lalina teo amin’ny fiovam-poko sy ny dia ara-panahy nataoko izany.

Noho ireo fatrana fampianarana momba ny filazantsara noraisina isan’andro ireo, dia afaka nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona nananako aho sy afaka nanohitra ireo fakam-panahy nandritra ny androko iray manontolo. Nanampy ahy izany mba hahatakatra fa zanak’ Andriamanitra aho ary manana drafitra ho ahy Izy eto amin’ity fiainana ity.

Rahavavy Godoy: Miantefa amin’ny institiota koa io fitsipika io. Nanana ny toerany tao anatin’ireo fotoana nifankahafantaranay koa izany. Manantena izahay fa manararaotra io loharano tena tsara io ianareo. Tsy hoe hahita ny fahamarinana ao amin’ny filazantsara fotsiny ianareo ao fa hahita ireo tena namana koa. Jereo ny zavatra nolazain’ny Filoha Nelson momba ny institiota:

Horonan-tsary: “Ry rahalahy sy anabavy malala isany, tiako ianareo. Mieritreritra anareo sy mivavaka matetika ho anareo aho. Miaina ao anatina fotoana tsy mbola nisy toa izany ianareo. Ao anatina taona andraisanareo fanapahan-kevitra tena manan-danja ianareo, fanapahan-kevitra hisy fiantraikany eo amin’ny andro sisa iainanareo eto an-tany sy ny fiainanareo mandrakizay. Mety ho toy ny mandreraka na mampatahotra mihitsy aza ny mandray ireo fanapahan-kevitra ireo. Kanefa mampientanentana koa izany satria miaina ao anatina fotoana manan-tantara isika.

“Azoko asaina ve ianareo hanao zavatra izay vitsy ihany ny zavatra hafa afaka hanampy anareo toy izany? Manatreha institiota! Izaho izao efa nahita ireo zanako, ny zafikeliko ary ny maro amin’ireo zafindohaliko nanatrika institiota. Nanova fiainana ny fanatrehana institiota ho azy ireo.

“Nanampy azy ireo ny institiota, ary hanampy anareo hahalalim-paka ny fiovam-ponareo ho an’i Jesoa Kristy. Ny fanatrehana institiota dia hanampy anareo hahatsapa kokoa ny fitiavana lehibe tsapan’ny Ray any An-danitra ho anareo. Hanome anareo mpampianatra manentana ny fanahy, namana mahatoky ary fahatsapana ho manan-toerana ny institiota. Hanampy anareo izany mba hahatakatra hoe nahoana ny fiainana ny filazantsara no mitondra any amin’ny fahasambarana tsy misy fiafarana. Ny fanatrehana institiota dia hanampy anareo hiaina ny filazantsara sy hahatsapa fifaliana kokoa, izao ankehitriny izao.

  • Raha tianao ny hahafantatra ny marina momba ny hoe iza marina ianao, dia manatreha institiota.

  • Raha tianao ny hahafantatra ny tanjon’ny fiainana, dia manatreha institiota.

  • Raha te hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ianao, dia manatreha institiota.

  • Raha tianao ny hianatra ny fomba hamelana an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao, dia manatreha institiota.

  • Raha te ho mpampihavana ianao, dia manatreha institiota.

“Mampanantena ireo tsodrano ireo anareo aho ary maneho ny fitiavako anareo, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.”

Loholona Godoy: Noho isika mbola ato amin’ilay fizarana momba ny hery ara-panahy dia mamela ahy mba hiresaka momba ny zavatra niainako mikasika ny fampianarana isan-tokantrano.

Araka ny hitanareo tao amin’ilay horonan-tsary niendrika sarimiaina dia notendrena mba hanompo aho na dia tsy nanan-javatra firy atolotra aza. Nahatonga ahy hahatsapa ho manan-danja ny fanompoana. Nanomana ahy hanampy ny hafa izany ary ny vokany dia nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona nananako izany. Ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra mba hanatsarana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny olona iray dia amin’ny alalan’ny fizarana izany. Manantena aho fa mandray anjara amim-pahavitrihana ao anatin’ireo fahafahana manao asa fanompoana ianareo. Mety ho fanompoana amin’ny maha-rahalahy na rahavavy manompo izany, na tantaram-pianakaviana, na fanompoana momba ny tempoly, na izay mety ho asa ampiandraiketina hafa ao amin’ny Fiangonana ka hanadinoanareo ny tenanareo sy hanampianareo ny hafa. Hitahy anareo sy hampatanjaka anareo ary hiaro anareo izany.

Tiako ilay soratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay manantitrantitra io fitsipika io:

“Lazaiko marina tokoa, fa ny olona dia tokony hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara, ary hanao zavatra maro amin’ny nahim-pony ka hahatonga fahamarinana fatratra.”

Ity misy tsetsatsetsa tsy aritra kely: tena tiako loatra ilay mpiara-manao fampianarana isan-tokantrano tamiko ka nalaiko ho vady ny zanany vavy. Lasa rafozandahiko izy. Izy no rain’i Mônica. Tena navitrika tamin’ny fanatanterahana ny andraikitro momba ny fampianarana isan-tokantrano aho. Tany an-tranony aho isam-bolana mba hanao famangiana isan-tokatrano.

Rahavavy Godoy: Ny fitahiana iray izay ananan’ity taranaka ity nefa tsy nanananay, dia ny tempoly izay akaiky. Ny hany tempoly tany Brezila tamin’ny andron’ny fahatanoranay dia tany São Paulo, izay lavitra dia lavitra ny toerana nisy anay. Tamin’izany fotoana izany dia rehefa handeha hanao asa fitoriana ny filazantsara na hanambady ireo tanora tokan-tena vao nandeha tany amin’ny tempoly. Soa ihany ny Filoha Nelson fa nanantitrantitra amin’izao fotoana izao ny maha-zava-dehibe ny fandraisana ao anatin’ny fotoana iray manokana ny fanafiana masina anareo fa tsy amin’ny fotoana handehanana hanao asa fitoriana ny filazantsara na hanambadiana. Mahakasika kokoa ny fiomanana izany fa tsy zavatra hafa. Manantena izahay fa handinika tsara izany ianareo.

Mitondra fitahiana koa ny fandehanana matetika any amin’ny tranon’ny Tompo. Mandray fampianarana izay manampy antsika handresy izao tontolo izao isika any amin’ny tempoly. Tiako ny zavatra nolazain’ny Filoha Nelson momba ny tempoly nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana farany teo:

Horonan-tsary: “Tsy misy na inona na inona hanampy anareo kokoa hifikitra mafy amin’ilay anja-by mihoatra noho ny fitsaohana tsy tapaka ao amin’ny tempoly araka izay hamelan’ny toe-java-misy iainanareo. Tsy misy na inona na inona hiaro anareo kokoa rehefa tojo ny zavon’ny haizin’izao tontolo izao ianareo. Tsy misy na inona na inona hanamafy ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Sorompanavotany na hanampy anareo hahatakatra kokoa ny drafitr’ Andriamanitra mahatalanjona. Tsy misy na inona na inona hampitony kokoa ny fanahinareo mandritra ny fotoam-pahoriana. Tsy misy hanokatra ireo lanitra kokoa. Tsy misy!”

Loholona Godoy: Misaotra anao ry Filoha Nelson noho ireo fampianaranao. Tianay be tokoa ianao. Eny ary, ny lohahevitra manaraka dia ny fanaovana asa fitoriana ny filazantsara.

Fanaovana asa fitoriana ny filazantsara

Rahavavy Godoy: Eny ary, tonga ny fotoana hiresahana ny fanaovana asa fitoriana ny filazantsara. Enim-bolana taorian’ny nandehanan’i Carlos nanao asa fitoriana, dia nandeha nanao asa fitoriana koa aho.

Loholona Godoy: Tena fifanandrifian-javatra izany.

Sister Godoy: Tsy fifanandrifian-javatra izany. Samy naniry ny hanompo ny Tompo izahay ary samy naniry hoavy izay hahitana anay hiaraka. Noho izany dia fomba tsara iray hampifaliana ny Mpamonjy no fahitanay ny asa fitoriana nataonay sady fotoana koa niomananay tamin’ny fiainam-panambadianay. Fantatray fa hitondra ihany koa ireo fitahiana izay tena nilainay rehefa lasa mpivady vao herotrerony izany.

Loholona Godoy: Tsy isalasalana fa nitondra fitahiana teo amin’ny fiainanay tokoa ny fanaovanay asa fitoriana ny filazantsara. Noho ny asa fitoriana nataonay dia nihanatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona nanananay momba ny Mpamonjy, nitombo ny fahalalanay momba ny filazantsara ary nanampy anay teo amin’ny asa fivelomanay ny fahaiza-manao mikasika ny fifandraisana sy ny fitarihana nianarana tany. Saingy ambonin’izany rehetra izany dia faly izahay fa afaka nanatanteraka ilay asa fitoriana ny filazantsara nantenain’ny Tompo avy taminay.

Rahavavy Godoy:Saingy manana fanontaniana ho anareo aho. Ahoana ny mikasika ireo izay tsy afaka mandeha manao asa fitoriana ny filazantsara na tsy nahavita ny asa fitoriana ny filazantsara nataony noho ny antony maro samihafa? Mbola afaka manantena ny hanana hoavy mamirapiratra ve izy ireo?

Loholona Godoy: Mazava ho azy! Ho eo foana ilay Ray any An-danitra be fitiavana ho azy ireo. Isika dia tsy tokony hitsaratsara ireo izay niaina zavatra hafa nandritra asa fitoriana ny filazantsara nataony na ireo izay tsy niaina mihitsy ilay fanaovana asa fitoriana ny filazantsara. Raha ny marina, na dia afaka ny ho fotoana iray lehibe eo amin’ny fiainantsika ahafahana mianatra zavatra aza ny fitoriana ny filazantsara ary andraikitra ao amin’ny fisoronana ho an’ny zatovolahy, dia tsy ôrdônansin’ny filazantsara izany, ary tsy misy olona hiharan’ny fanasaziana ao anatin’ny fivoarany eto amin’ity fiainana ity na hamoy ireo fitahiana any amin’ny mandrakizay noho izany.

Rahavavy Godoy: Faly aho fa nanana fahafahana nitory ny filazantsara ary manoro hevitra anareo rehetra aho mba hanao izany. Kanefa araka ny efa fantatsika dia raisina an-tanan-droa ny tovovavy ary tena ilaina izy ireo, saingy tsy terena izy ireo hanompo.

Loholona Godoy: Feno fankasitrahana koa aho noho ny zavatra niainako nandritra ny asa fitoriana ny filazantsara nataoko. Mino aho fa nanana fahavononana kokoa hiatrika ny fiainana aho rehefa niverina taorian’ireo roa taona ireo. Sy nanao hety volo tsara kokoa.

Rahavavy Godoy: Rehefa niresaka momba ny fiverenana avy nanao asa fitoriana ny filazantsara ihany isika, dia nahoana raha resahina amin’izay ny momba ny fanambadiana?

Loholona Godoy: Eny ary e! Ndeha hatrehintsika ilay lohahevitra.

Fanorenana fianakaviana

Rahavavy Godoy: Indreo ary izahay, misiônera anankiroa avy nanao asa fitoriana ny filazantsara samy latsa-pitia, nanana drafitra maro, fa tsy nanam-bola.

Loholona Godoy: Ie! Tsaroako.

Rahavavy Godoy: Rehefa manao jery todika izany aho amin’izao fotoana izao, dia tsapako fa tena tsara ny fomba nanombohanay ny fiainam-panambadianay sy ny fiarahanay nanatratra ireo tanjonay ara-pianarana sy arak’asa ary ara-batana. Niara-niatrika izany izahay ary ireo zavatra niainana sy ireo olana ireo dia vao mainka nampanakaiky anay.

Loholona Godoy: Tsaroako ary miombon-kevitra aho. Ireo taona nanorenana ny fiainantsika sy nanatratrarana ireo tanjontsika ireo dia lasa fahatsiarovana sarobidy ho antsika. Tsy midika izany hoe tsy tsara ny manomboka fiainam-panambadiana ao anatin’ny fananam-bola tomombana tsara. Te hizara hafatra fotsiny izahay ho an’ny sasany aminareo izay tsy miroso ao anatin’ny fiarahanareo fa miandry ny hanananareo izay ilainareo. Ny ilainareo dia ireo zavatra fototra ivelomana, ianareo roa, ary ny Tompo eo anilanareo. Ny zavatra hafa rehetra dia azonareo iarahana manatratra izay hanamafy orina ny fanambadianareo. Ary mitady olona vitsivitsy toy izany aho amin’ireo mpanatrika eto.

Rahavavy Godoy:Hiresaka lafin-javatra iray isika fa hijanona ao anatin’ity lohahevitra ity ihany, izay fanamarihana iray hafa momba ny fiainam-panambadiana: ianareo tanora rehefa mijery anay, ireo olona nahaorina tokantrano sy fianakaviana, dia mety mieritreritra fa efa toy izany foana ny fiainanay, fa milamina foana ny zava-drehetra ary mora ny fiainana hatrizay ho anay. Mety marina izany ho an’ny sasantsasany fa tsy ho an’ny ankamaroany.

Loholona Godoy: Tsy marina aloha izany farafaharatsiny ho anay.

Rahavavy Godoy: Ny fiainam-panambadiana dia fianaran-javatra iray izay antenaina hihatsara rehefa mivoatra isika. Ny fitiavana dia efa nisy hatrany am-boalohany, saingy miorina tsikelikely ny fifanarahan-tsaina isan’andro. Mila mifanara-tsaina isika, mihomehy sy mitomany etsy sy eroa; hitondra fifaliana sy aretin’andoha ny zanaka, ho tonga amintsika ny aretina indraindray, ary mety tsy hisy ny vola indraindray. Fa inona hoy ianareo? Izay no tena fisehon’ny fiainana.

Loholona Godoy: Ity anefa misy zavatra iray azo antoka. Raha entitsika ao anatin’izany toe-javatra izany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia ho mora kokoa sy ho feno fifaliana kokoa ny fiainam-panambadiana.

Rahavavy Godoy: Koa ny fanontaniana faharoa dia ny hoe: Ahoana ny momba ireo izay tsy hanana fahafahana ny hanambady eto amin’ity fiainana ity? Manana teny holazaina ho azy ireo ve ianao?

Loholona Godoy: Manana mihitsy. Tiako ny torohevitry ny Filoha Hinckley ho an’ireo anabavy izay inoako fa mihatra amin’ny rehetra. ‘Ndeho hojerentsika ny nolazainy:

Horonan-tsary: “Ny sasany aminareo dia indrisy fa tsy hanambady velively eto amin’ity fiainana ity. Izay no zava-mitranga indraindray. Raha mitranga izany dia aza mandany ny androm-piainanareo hamoy fo noho izany. Mbola mila ny talentanareo izao tontolo izao. Mila ny anjara birikinareo izany. Mila ny finoanareo ny Fiangonana. Mila ilay tananareo matanjaka sy manolotra fanampiana izany. Ny fiainana dia tsy faharesena velively raha tsy hoe isika no miantso azy ho toy izany. Maro dia maro ireo mila ny tananareo manolotra fanampiana, ny tsikitsikinareo feno fitiavana, ny fiahianareo amim-pahalem-panahy. Mahita vehivavy maro dia maro mahavita azy sy tsara tarehy ary mahafinaritra aho izay tsy mba nanana anjara tamin’ny fitiavana. Tsy azoko izany, saingy fantatro fa ao anatin’ny drafitr’ilay Tsitoha, ilay drafitra mandrakizay izay antsointsika hoe drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana, dia hisy fahafahana manao zavatra azo araraotina sy valisoa ho an’ireo izay mikatsaka izany.”

Loholona Godoy:Misy soratra masina iray izay maneho izany fampanantenana izany koa ao amin’ny Môzià 2:41.

“Ary ankoatra izany dia mba maniry aho ny hisaintsainanareo ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Fa indro izy ireo dia tahiana amin’ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy; ary raha mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany izy ireo dia raisina any an-danitra, fa amin’izany no hahazoany miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana. Ô tsarovy, tsarovy fa ireo zavatra ireo dia marina; fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany.”

Ho famintinana, dia izao no hafatra, raha ampiasaina ny teny nambaran’ny Loholona Bednar: mila manao izay hahatongavana ho tovovavy hendry na tovolahy hendry fotsiny ianao sy mitandrina ny didy, dia hisahana ny zavatra rehetra ny Tompo. Homena ny mahatoky ny fitahiana rehetra amin’ny farany.

Manana fanamarihana entina hamaranana ve ianao ry Môni?

Rahavavy Godoy: Ie! Te hamarana amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona ananako aho.

Fantatro fa zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra be fitiavana iray isika. Fantatro fa i Jesoa no ilay Kristy ary velona Izy. Fantatro fa izao no fotoana hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra. Fantatro fa mitarika antsika Izy ary manomana ny lalana. Tsy irery isika. Fantatro fa ny tempoly dia tranon’ny Tompo ety an-tany. Misy toerana iray izay azontsika andraisana fahalalana sy fanentanam-panahy eo amin’ny fiainantsika. Fantatro fa manana mpaminany iray isika amin’izao androntsika izao ary mampianatra sy mitarika antsika izy.

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Loholona Godoy: Misaotra betsaka. Tiako ny niara-nampianatra taminao. Ary tiako ianao.

Ary mba ahoana ny aminareo ry Gilbert mivady? Manana teny na fampianarana holazaina amin’ireto mpanatrika mahafinaritra ireto ve ianareo?

Hamoaka printy