Finoana ny amin’ny Hoavy
Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora
Alahady, 5 mey 2024
Misaotra betsaka anareo ry Loholona sy Rahavavy Gilbert amin’ny fanamarihana sy fijoroana ho vavolombelona nomenareo. Ary tsaroako izany traikefa tany Pérou izany sy ireo fampianaranareo ary ny fitahiana azonay sy azon’izy ireo noho ireo fampianaranareo tamin’izany andro izany.
Te hamintina ireo fanehoan-kevitro amin’ny teny tokana aho: fanantenana.
Inoako fa mora kokoa ho antsika olona zokinjokiny ny mahafantatra ny tanan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika noho ny an’ny tanora. Satria efa niaina taona maro kokoa isika ary nanana traikefa maro kokoa tamin’ny lasantsika, dia afaka mitodika any aoriana isika ary mahita ireo tanan’ny Ray any An-danitra be fitiavana iray izay mitarika antsika sy miaro antsika mandritra ny fiainantsika.
Rehefa manao jery todika aho ankehitriny, dia tsapako fa tao anatin’ny fotoana maro izay niheverako fa irery aho, dia tsy irery aho. Hitako ankehitriny fa rehefa nikatona ny varavarana sasany ary nanontany tena aho hoe nahoana sady nitaraina momba izany, rehefa nieritreritra aho fa tsy voavaly ny vavaka nataoko; raha ny marina, varavarana iray hafa, amin’ny fotoana hafa, na any amin’ny toerana hafa no nisokatra ho amin’ny lalana tsara kokoa. Tsy hitako anefa izany tamin’izany andro izany. Hitako izany ankehitriny, eo am-pitodihana ny lasa.
Nihevitra aho tamin’ny fotoana maro hafa fa nandray fanapahan-kevitra hendry ny tenako na niaraka tamin’i Mônica, nihevitra fa izaho no ilay olon-kendry manorina ny hoaviko mamirapiratra. Afaka mahita aho ankehitriny ny tanana tsy hita maso, ao amin’ny mangingina, mitarika ahy sy miaro ahy amin’ireo fahadisoana mety hitranga. Hitako fa teo foana Izy ho ahy.
Izany no antony ahafahako mijoro ho vavolombelona fa manana Ray izay any an-danitra isika izay mahafantatra antsika sy miahy antsika. Afaka mijoro ho vavolombelona aho fa manana Mpamonjy izay tia antsika isika ary vonona ny hanampy antsika amin’ireo toe-javatra rehetra eo amin’ny fiainantsika.
Mety hieritreritra ny sasany aminareo indraindray fa tsy misy mahalala ny zavatra lalovanareo eo amin’ny fiainanareo, ary mety ho marina ny anareo; tsy haintsika izany. Kanefa ny Mpamonjy mahalala. Nampianatra antsika ny Loholona Bednar:
“Tsy mbola nisy fanaintainana ara-batana, na fahorian’ny fanahy na fijalian’ny fanahy na aretina na fahalemena izay iainanao na iainako mandritra ity dia eto an-tany ity ka tsy efa niainan’ny Mpamonjy aloha. Izaho sy ianao rehefa ao anatin’ny fotoan’ny fahalemena dia afaka mihiaka hoe: ‘Tsy mba misy olona mahatakatra izany. Tsy mba misy na iray aza mahafantatra izany.’ Angamba tsy mba misy olombelona mahafantatra izany. Saingy ny Zanakalahin’ Andriamanitra dia mahafantatra sy mahatakatra, satria Izy dia nahatsapa sy nilanja ny enta-mavesantsika talohan’ny nahatsapantsika sy nilanjantsika izany. Ary satria nandoa ilay sarany faratampony Izy sy nilanja ilay enta-mavesatra dia tena mahatakatra tanteraka ny zavatra tsapantsika ary manolotra amintsika ny sandrin’ny famindram-pony eo amin’ny lafin-javatra maro ao anatin’ny [fiainantsika].”
Mianatra isika ao amin’ny Alma 7 ny fomba sy ny antony ahafahan’ny Mpamonjy manome izany karazana fanampiana izany.
“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy afahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony Izy.”
Araka izany, tsy nijaly noho ny helotsika fotsiny ny Mpamonjy fa nijaly koa noho ny tsy rariny, ny fanaintainana, ny fangirifiriana, ary ny fahasahiranana ara-pihetseham-po rehetra izay mety ho lalovantsika eo amin’ny fiainantsika.
Ary avy eo namarana i Almà hoe:
“Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.”
Manana fijoroana ho vavolombelona ho ahy manokana momba izany fanampiana avy any an-danitra izany aho. Efa niainako izany nandritra ny naha-zatovo ahy, ny fanambadiako, ny maha-ray aman-dreny ahy ary ny fiainako amin’ny maha-mpitarika. Fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy ary afaka manana fanantenana sy fifaliana isika eto amin’ity fiainana ity ary fianakaviana mandrakizay any amin’ny manaraka, amin’ny alalan’ny fahasoavany sy ireo fitahian’ny Sorompanavotany.
Ary mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho, amin’ny fitiavako manontolo, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.