Fampaherezam-panahy 2024
Fanehoan-kevitry ny Loholona sy Rahavavy Gilbert


Fanehoan-kevitry ny Loholona sy ny Rahavavy Gilbert

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

Alahady 5 mey 2024

Loholona Clark G. Gilbert: Misaotra anareo ry Loholona sy Rahavavy Godoy. Niteny taminʼny vadiko aho tany am-piandohanʼity herinandro ity hoe nanasa antsika hiresaka mandritra ny iray minitra ry Godoy mivady. Dia hoy izy hoe: “Eny ary, firy ny olona ho avy ao?” Nilaza aho hoe: “Ô! olona anʼarivony vitsivitsy no ao aminʼny Tabernakely, ary anʼhetsiny manerana izao tontolo izao. Tsy misy tokony hampiahiahy.”

Nampianarina taminʼny fomba mahery vaika tokoa ianareo androany hariva. Misaotra anareo ry Loholona sy Rahavavy Godoy nampianatra tsara tokoa ireo tanora. Feno fankasitrahana izaho sy i Christine noho ireo fahafahana be dia be anananay hianatra sy hifanerasera amin’ireo tanora manerana ny Fiangonana. Nahafinaritra ny nihaino anʼi Godoy mivady taminʼity hariva ity. Te hitovy amin-dry Godoy mivady izahay rehefa any aoriana. Mazava fa tsapanʼizy ireo ireo zavatra ilain’ireo tanora sy ny zavatra manahiran-tsaina azy ireo, ary tena tia be anareo izy ireo.

Talanjona aho fa ny hafatrʼizy ireo dia tena nifantoka tokoa tamin’i Kristy ary nifototra tamin’ny faminaniana. Rehefa nihaino azy ireo aho tamin’ity takariva ity dia toy ny hoe akonʼireo hafatra feno faminaniana taminʼireo fampaherezam-panahy maneran-tany hafa ho an’ny tanora nozarainʼny Filoha Nelson sy ny Filoha Oaks ary ireo apôstôly mpitarika hafa maro. Andao hiato kely vetivety ary hisaintsaina ireo lohahevitra izay nampahafantarin-dry Godoy mivady anareo tamin’ity takariva ity:

  1. Miombona ao amin’i Kristy sy ireo fanekempihavanantsika

  2. Fampiarahana

  3. Fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana

  4. Ireo lamin’ny asa fanompoana

    • Ny tempoly

    • Fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno

  5. Fitsiriam-pitiavana sy fanambadiana

  6. Ny maha-zava-dehibe ny fanatrehana institiota

Tsy vitan’ny hoe nizara taminareo fotsiny ny lalam-piainany ry Godoy mivady; fa nanao izany tamin’ny fomba miavaka sy manokana izy ireo. Manantena aho fa horaisinareo ho fanehoany fitiavana sy fiahiana anareo izany. Izy ireo ihany koa dia nizara ny hafatr’izy ireo tamin’ny fomba izay nampisongadina ny torohevitry ny mpaminany ary nampahatsiahy antsika fa manao an’izao rehetra izao isika ao amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy amin’ny alalany.

Rahavavy Christine Gilbert: Iray amin’ireo sary ankafiziko indrindra tamin’ity takariva ity ny sarin-dry Godoy fony mpivady mbola tanora. Ohatra ny hoe feno fanantenana be i Mônica, fa i Carlos kosa somary mitebiteby!

Izao dia ampitahao izany amin’ny sarin-dry Godoy miaraka aminʼny fianakaviana manontolo.

Manontany tena aho raha toa ka afaka naka sary an-tsaina an’ireo zanaka ho avy sy ireo vinanto vaovao ary ireo zafikely i Carlos sy Mônica raha mbola tanora, taona maro lasa tany aloha. Mety ho azon’izy ireo sary an-tsaina ve ny sekoly ambaratonga famaranana, ny asa, ny fanombohana sy ny fitaizana fianakaviana, ny asa fanompoana ao amin’ny Fiangonana, ny fonenana any am-pita manerana an’izao tontolo izao, ary ankehitriny ny antso manan-danjan’izy ireo amin’ny maha mpitarika eo anivon’ny Fiangonana? Tianay ny Loholona sy ny Rahavavy Godoy. Izy ireo dia raisinay ho toy ny namana sy ohatra alaina tahaka amin’ny fitandremana fanekempihavanana sy fiainana ny filazantsara ary ny fampandraisana anjara ny Tompo eo amin’ny dia izay atao. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mampiditra ny Tompo an-tsehatra isika dia hampianatra ny faniriantsika Izy ary hampitombo ny ezaka tsara indrindra ataontsika.

Loholona Gilbert: Ny fisaintsainana ny lalam-piainan-dry Godoy sy ny fomba nampandraisany anjara ny Tompo dia nampahatsiahy ahy ny zavatra niainako manokana niaraka tamin’ny Loholona Godoy enin-taona lasa izay.

Filohan’ny BYU–Pathway Maneran-tany aho tamin’izany, ary ny Loholona Godoy no Filohan’ny Vondromparitra Amerika Atsimo Avaratra Andrefana, izay tany Lima, Pérou no foibeny.

I Pérou dia faritra iray miavaka ato amin’ny Fiangonana izay ahitana tsatòka 40 mahery sy tempoly roa ankehitriny. Manana mpianatry ny BYU–Pathway an’arivony izahay ao Pérou. Tamin’izay alina izay, toy ny tamin’ity alina ity, dia nangataka ny Loholona Godoy izahay mba hiresaka amin’ireo tanora mikasika ny lalam-pianarany.

Nanomana lahateny ny Loholona Godoy, saingy rehefa nipetraka teo amin’ny lampihazo nijery ny mpianatra rehetra izahay dia heniky ny fihetseham-po izy tamin’ny zavatra nasainay ho ataon’izy ireo. Nihetseham-po be izy rehefa nieritreritra momba ireo tanora ireo izay mianatra teny anglisy, mianatra taranja any amin’ny oniversite, ary izy rehetra dia miasa amin’ny fotoana feno ary mianatra fiteny faharoa. Heniky ny fihetseham-po ny Loholona Godoy ka nanolo ny lahateny nomaniny, dia nitsangana ka nanambara tamim-pahasahiana hoe: “Sarotra ireo zavatra angatahinay hataonareo—indrindra raha miezaka manao izany irery ianareo. Ny hany fomba azonao hanaovana izany dia ny fampidirana an-tsehatra ny Tompo amin’ny fianaranareo. Ataovy mpiara-miasa aminareo ny Tompo, dia ho tonga aminareo amin’ny fotoanany ny zava-tsoa rehetra.”

Fantatry ny Loholona Godoy tamin’izay fotoana izay ny zavatra mety tsy takany tanteraka nandritra ireo taona lasa efa ela ireo fony izy mbola tanora nonina tao Brésil niakanjo patte dʼéléphant: ny hany fomba hahatongavanao ho ilay tokony hahatongavanao sy hahitana fifaliana ao anatin’ilay dia, dia ny fampidirana ny Tompo an-tsehatra. Nahita vavolombelona ny amin’izany fitsipika izany isika androany alina. Ohatra velona i Carlos sy Mônica Godoy aminʼireo zavatra azontsika rehetra atao rehefa mametraka ny fitokisantsika amin’ny Tompo sy mandray Azy ho mpiara-miasa amintsika.

Tianay ireo mpivady ireo ary derainay ny hafatr’izy ireo ho anareo. Mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananay izaho sy i Christine fa rehefa mampandray anjara ny Tompo amin’ny ezaka ataonareo ianareo dia hanao fahagagana eo amin’ny fiainanareo Izy. Ataonay izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy