2010–2019
Tsy Manadino Anao ny Tompo
Oktobra 2012


2:3

Tsy Manadino Anao ny Tompo

Mahafantatra sy tia antsika ny Raintsika any an-danitra sy ny Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy. … Afaka mahatsapa ny Fitiavany sy ny fangorahany antsika isika mandritra ilay fijaliantsika.

Raha nihaona tamin’ireo rahavavy manerana izao tontolo izao izahay dia variana tamin’ny tanjaky ny fijoroanareo ho vavolombelona. Maro aminareo no taranaka voalohany mpikamban’ny Fiangonana na taranaka faharoa. Mahita rahavavy izahay izay manana antso maromaro, manao dia lavitra mba handehanana miangona ary manao fahafoizan-tena mba hanaovana sy hitandremana ireo fanekempihavanana masin’ny tempoly. Maneho haja anareo izahay. Mpisava lalan’ny Tompo amin’izao andro izao ianareo!

Vao haingana izay izaho sy ny vadiko, Mel no nihaona tamin’ny mpitondra mpitsidika miasa an-tsitrapo antsoina hoe Mollie Lenthal rehefa nitsidika tranom-bakoka iray tany Australie izahay. Fantatray tamin’izany fa i Mollie izay vehivavy 70 taona mahery maha-te ho tia dia tsy manan-janaka ary tsy mba nanambady mihitsy.Vavy tokana izy ary efa maty taona maro lasa ny ray aman-dreniny. Ny fianakaviana tena akaiky azy dia olona roa zanaky ny iray tampo amin’ny ny iray amin’ny rainy na ny reniny izay mipetraka any amin’ny kaontinanta hafa. Tampoka teo dia nanenika ahy ny Fanahy nijoro ho vavolombelona tamiko, tahaka ireny hoe ny Ray any an-danitra ireny mihitsy no niteny nanao hoe: “Tsy irery i Mollie! Zana ko vavy i Mollie! Rainy aho! Zanakavavy manan-danja ao amin’ny fianakavia ko izy ary tsy ho irery na oviana na oviana!!”

Ny tantaran’i Lazarosy no iray amin’ireo tantara tiako indrindra avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy. Manambara amintsika ny soratra masina hoe “Jesosy tia an’i Marta … sy ny rahavaviny [Maria] ary [ny rahalahiny] Lazarosy.”1 Nampilazaina i Jesoa fa marary mafy i Lazarosy, kanefa tsy nandeha nankany avy hatrany i Jesoa. Mbola nijanona roa andro fanampiny Izy, sady nilaza hoe: “izany aretina izany, … [dia] hampisehoana ny voninahitr’Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’Andriamanitra.”2

Rehefa nandre i Marta fa ho avy i Jesoa dia “nandeha nitsena Azy”3 izy ary nilaza Taminy ny zava-nitranga. “Nilevina hefarana”4 i Lazarosy. Tao anatin’ny alahelo no nihazakazahan’i Marta nody tany an-trano mba hilaza amin’i Maria fa tonga ny Tompo.5 Nihazakazaka nanatona an’i Jesoa i Maria izay novesaran’ny alahelo ary niankohoka teo an-tongony sy nitomany.6

Nolazaina tamintsika hoe: “Ary Jesosy, nony nahita [an’i Maria] nitomany, … dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy,” ary nanontany hoe aiza no nandevenan’ireo azy.

“Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.”7

Ary dia mamaky ireo teny izay anisan’ny maneho fangorahana sy fitiavana be tokoa ao amin’ny soratra masina isika hoe: “Jesosy nitomany.”8

Nanoratra ny Apôstôly James E. Talmage hoe: “Ny fahitana ireo vehivavy roa novesaran’ny alahelo, … dia nahatonga an’i Jesoa ho nalahelo [niaraka tamin’izy ireo], ka vonto ny fanahiny ary sahiran-tsaina lalina Izy.”9 Izany zava-niseho izany dia mijoro ho vavolombelona mikasika ny fangorahana, ny fahalalana ara-po ary ny fitiavan’ny Mpamonjy, sy ny Raintsika any an-danitra antsika tsirairay avy isaky ny vesaran’ny ahiahy, ny ota, ny fahoriana sy ny fijalian’ny fiainana isika.

Ry rahavavy malala, mahafantatra sy tia antsika ny Raintsika any an-danitra sy ny Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy. Fantatr’izy ireo rehefa ory sy mijaly isika. Tsy miteny Izy ireo hoe: “Tsy maninona raha mijaly ianareo ankehitriny satria atsy ho atsy dia hirindra ny zava-drehetra. Ho sitrana ianareo, na hahita asa ny vadinareo, na hiverina hody ireo zanakareo adala.” Mahatsapa ny hamafin’ny fijaliantsika izy ireo, ary afaka mahatsapa ny Fitiavany sy ny fangorahany antsika isika mandritra ilay fijaliantsika.

Nijoro ho vavolombelona i Almà hoe:

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ ny olony Izy.

Ary haka ny … rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po, … mba hahafantarany … ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.”10

Rehefa manontany tena isika hoe moa ve fantatry ny Mpamonjy antsika sy ny Raintsika any an-danitra isika na hoe hatraiza ny tena fahafantaran’Izy ireo antsika manokana, dia tokony hotsaroantsika ny tenin’ny Mpamonjy tamin’i Oliver Cowdery:

“Raha maniry vavolombelona fanampiny ianao, dia avereno ao an-tsainao ilay alina izay nitalahoanao Tamiko tao am-ponao, mba hahafantaranao ny momba ny fahamarinan’ ireto zavatra ireto.”11

Talohan’io dia niteny taminy ny Mpamonjy hoe: “Fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra ihany no mahalala ny eritreritrao sy ny fisaintsainan’ ny fonao.”12

Nampahatsiahivin’ny Mpamonjy an’i Oliver fa fantany ny antsipirian’izany vavaka feno fitalahoana izany—ary tsaroany—ilay fotoana marina nanaovana azy, tamin’izay alina izay mihitsy.

Taona maro lasa izay dia nararin’ny aretina tsy mahazatra loatra ny vadiko. Rehefa nandalo ireo herinandro ary nihanarary mafy izy dia toa niharesy lahatra aho fa ho faty izy. Tsy nolazaiko na tamin’iza na tamin’iza ny tahotro. Nanana fianakaviana lehibe izahay izay fianakaviana mandrakizay mbola misy ankizy ary fanambadiana niaina tao anatin’ny fitiavana, ka ilay eritreritra hoe hamoy ny vadiko sy hamelona irery ny zanako dia nameno fahatsapana ho irery tao anatiko, sy fahakiviana ary hatezerana mihitsy aza. Menatra aho hilaza fa nanalavitra ny Raiko any an-danitra. Tsy nivavaka aho nandritra ny andro maromaro. Tsy nanao na inona na inona aho. Nitomany aho. Farany dia tonga saina aho fa tsy hahavita izany zavatra izany irery.

Vao voalohany tao anatin’ny andro maromaro no nandohalihako sy namborahako ny tao am-poko tamin’ny Raiko any an-danitra, nangatahiko famelan-keloka tamin’ny fanalavirako Azy, nilazako Taminy ny zavatra tena tsapako lalina, ary farany dia nilaza aho fa raha izany no tena tiany hataoko dia hanao izany aho. Fantatro fa tsy maintsy nanana drafitra ho an’ny fiainanay Izy.

Raha mbola teo am-pandohalihana namboraka ny tao am-poko iny aho dia nisy fahatsapan-javatra faran’izay tsara, sy faran’izay tena mitondra fiadanana sy fitiavana nanenika ahy. Tahaka ireny nofonosin’ny lamba firakotry ny fitiavana ireny aho. Toy ireny hoe tsapako izany ny Ray any an-danitra miteny amiko hoe: “Izay ihany no tiako ho fantatra.” Nanapa-kevitra ny tsy hanalavitra Azy intsony aho. Nanomboka nihatsara tsikelikely sy tamim-pahagagana ny vadiko dia sitrany tanteraka avy eo.

Taona maro taty aoriana dia nandohalika teo anilan’ny zanakay vavy 17 taona izaho sy ny vadiko ary nitalaho hitsimbinana ny ainy. Tamin’ity fotoana ity dia tsia ny valiny, saingy ilay fahatsapana fitiavana sy fiadanana izay nampanantenain’ny Mpamonjy anay dia mahery tokoa, ary dia fantatray fa hilamina ny zava-drehetra na dia nantsoin’ny Ray any an-danitra hody any Aminy aza izy. Lasa nahafantatra ny dikan’izany hoe manolotra ny enta-mavesatray any amin’ny Tompo izahay, ary nahafantatra fa tiany isika ary mahatsapa fangorahana ho antsika Izy ao anatin’ny fahoriantsika sy ny fijaliantsika.

Iray amin’ireo fotoana mamy nifampizaran’ny ray sy ny zanakalahy iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny fizaran’i Almà Zanany ny fijoroany ho vavolombelona tamin’i Helamàna. Nofariparitan’i Almà ny “horohoro tsy hay lazaina” izay tsapany teo am-pakana sary an-tsaina ny fanatrehany an’Andriamanitra mba hotsaraina amin’ireo fandikan-dalany maro. Taorian’ny fahatsapany ny havesatry ny otany rehetra nandritra ny telo andro sy telo alina dia nibebaka sy nangataka famindram-po tamin’ny Mpamonjy izy. Nolazainy tamin’i Helamàna avy eo ny fifaliana “mamy sy feno” noho ny tsy fahatsiarovany “intsony” ny fijaliany. Nahazo fahitana “an’ Andriamanitra mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianany” i Almà raha tokony hahatsapa “horohoro tsy hay lazaina” eo am-pakana sary an-tsaina ny fandrosoana eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra ary nanambara izy hoe: “Nirian’ ny fanahiko ny hankeo.”13

Tsy toy izany ve ry rahavavy malalako no tsapantsika rehefa mibebaka isika sy mandinika ny fitiavana sy ny famindram-po ary ny fankasitrahana izay tsapantsika amin’ny Raintsika any an-danitra sy ny Mpamonjy antsika—ka “maniry ny hankeo” koa isika, mba hofihinin’ilay sandrim-pitiavan’Izy ireo indray?

Tahaka ny nijoroan’ny Tompo ho vavolombelona tamiko fa tsy nanadino ny zanakavaviny sarobidy Mollie Lenthal Izy no ijoroako ho vavolombelona aminareo fa tsy manadino anareo Izy! Na inona na inona fahotanareo na fahalemenareo na fijalianareo, na inona na inona fahasahiranana na fitsapana atrehanareo dia fantany sy takany ny miseho amin’ireny fotoana ireny. Tiany ianareo! Ary hanohana anareo Izy ao anatin’ireo fotoana ireo tahaka ny nataony tamin’i Maria sy Marta. Nanonitra ny sarany Izy mba hahafantarany ny fomba hamonjeny anareo. Atolory Azy ny enta-mavesatrareo. Lazao amin’ny Rainareo any an-danitra ny zavatra tsapanareo. Zarao Aminy ny fijalianareo sy ny fahorianareo ary atolory Azy izany. Halalino isanandro ny soratra masina. Hahazo fampiononana sy fanampiana goavana koa ianareo.

Nanontany ny Mpamonjy antsika hoe:

“Fa moa mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hanana fangorahana ny zanakalahy naloaky ny kibony? Eny, mety manadino izy kanefa Izaho tsy hanadino anao. …

“… Efa vitako tombokavatsa eo amin’ ny felatanako ianao.”14

“Efa nandidy Aho mba tsy hisy aminareo handeha hiala, fa efa naleoko kosa nandidy ny hankanesanareo aty Amiko ka hahazoanareo mitsapa sy mahita; dia toy izany koa no hataonareo amin’ izao tontolo izao.”15

Izany no andraikitsika. Tokony hahatsapa sy hahita ho an’ny tenantsika manokana isika ary avy eo hanampy ny zanaky ny Ray any an-danitra rehetra hahatsapa sy hahita ary hahafantatra fa tsy ny fahotantsika rehetra fotsiny no nentin’ny Mpamonjy antsika fa ny fanaintainantsika sy ny fijaliantsika ary ny fahoriantsika koa mba hahafantarany ny zavatra tsapantsika sy ny fomba hampaherezana antsika. Mijoro ho vavolombelona momba Azy aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.