Ny Sorompanavotana
Na aiza na aiza mety alehan’ny mpikambana sy ny misiônera ato amintsika, ilay hafatra zaraintsika dia ny finoana sy fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy.
Ny hafatro dia mitodika any amin’ireo olona eo anivontsika izay mijaly, vesaran’ny fahatsapana fahamelohana, fahalemena, tsy fahombiazana, ary alahelo sy hakiviana.
Tamin’ny 1971 dia notendrena aho hiandraikitra fihaonamben’ny tsatòka vitsivitsy tany Samoa Andrefana ka tao anatin’izany ny fanorenana tsatòka vaovao tany amin’ny nosy Upolo. Taorian’ny fanaovana dinidinika dia nanofa fiaramanidina kely izahay handehanana any amin’ny nosy Savaii mba hiatrehana fihaonamben’ny tsatòka iray tany. Nipetraka teo amin’ny toerana feno bozaka iray tany Faala ilay fiaramanidina ary tsy maintsy miverina ny ampitso tolakandro mba hitondra anay hiverina any amin’ny nosy Upolo.
Rehefa tonga ny andro tokony hiverenanay avy any Savaii dia avy ny orana. Fantatray fa tsy ho afaka hipetraka eo amin’ilay toerana mando ilay fiaramanidina ka dia nandeha nitondra fiara tany amin’ny faritra farany andrefan’ilay nosy izahay izay nahitana karazana lalam-piaramanidina teo an-tampon’ny faritra iray misy akorandriaka. Niandry mandrapahamaizin’ny andro izahay saingy tsy nisy fiaramanidina tonga. Farany, henonay tamin’ny radiô fa nisy oram-baratra ka tsy afaka niainga ilay fiaramanidina. Namaly tamin’ny alalan’ny radiô izahay fa ho avy amin’ny sambo. Misy olona hihaona aminay any Mulifanua.
Rehefa niala teo amin’ilay seranan-tsambon’i Savaii izahay dia nanontany ny filohan’ny misiôna ny kapitenin’ilay sambo (mirefy 12 m) raha nanana fanilo elektrika izy. Soa ihany fa nanana izy ary nataony fanomezana ho an’ilay kapiteny izany. Nandeha (21 km) niampita ilay ranomasina mahery nankany amin’ny nosy Upolo izahay. Tsy nisy nahafantatra izahay hoe nisy oram-baratra mahery vaika namely an’ilay nosy ary hiditra mivantana ao anatin’izany izahay.
Tonga teo amin’ny seranan-tsambon’i Mulifanua izahay. Misy faritra tery kely tsy maintsy andalovanay manaraka an’ilay harambato. Mampahafantatra ny fisian’ilay faritra tery ny jiro iray eny amin’ilay havoana eo ambonin’ny moron-dranomasina sy ny jiro faharoa izay ambanimbany kokoa. Rehefa ahodina amin’ny fomba izay mba hampifanandrify ho ambony sy ambany an’ireo jiro roa ny sambo iray, dia mahitsy araka ny tokony ho izy izay ilay sambo mba handalo ilay harambato mampidi-doza mitandahatra ao amin’ilay lalana.
Saingy tsy nisy afa-tsy jiro iray ihany tamin’izay alina izay. Nisy elder roa niandry tany am-piantsonana mba hitsena anay; saingy ela kokoa noho ny mahazatra ny fandalovana izany. Rehefa niandry nandritra ny ora maro mba hahita famantarana an’ilay sambonay ireo elder ireo dia vizana ka resin-tory ary dia nanadino ny nandrehitra ilay jiro faharoa, dia ilay jiro izay ambany kokoa izany. Tsy nazava vokatr’izany ny lalana nandalovana an’ilay harambato.
Nentin’ilay kapiteny araka izay vitany nifanitsy tamin’ilay jiro ambony teny amin’ny morony ilay sambo ary nisy mpiasa iray teny an-tsambo izay nihazona teny amin’ny lohan’ny sambo ilay jiro elektrika nindramina mba hitadiavana an’ireo vato mitranga eo anoloana. Henonay ireo onja midona amin’ilay harambato. Rehefa nanakaiky izahay ka nahita azy ireo tsara niaraka tamin’ilay jiro elektrika, dia nitroatra nihiaka hoe tsy maintsy miverin-dalana ny kapiteny ary dia lasa nihemotra mba hanandrana hitady indray ilay lalana izahay.
Taorian’ny fanandramana maro dia fantany fa tsy ho hita mihitsy ilay lalana. Ny hany azonay atao dia manao izay hahatongavana any amin’ny toeram-piantsonana iray tany Apia izay 64 km lavitra avy teo. Tsy nanan-kery izahay teo anatrehan’ilay oram-baratra mahery vaika. Mbola tsy tsaroako hoe tany amin’ny toerana tena maizim-be noho izany aho hatramin’izay.
Tsy nandroso lavitra izahay nandritra ny adiny iray voalohany, na dia efa nampiasa ny heriny iray manontolo aza ilay maotera. Nitolona mafy teny ambonin’ny onja avo ilay sambo ary dia nijanona noho ny harerahana teo an-tampon’izany miaraka amin’ireo tangolimihodina any ivelan’ny rano. Nanozongozona mafy an’ilay sambo toy ireny ho potipotika ireny ny fihovitrovitr’ilay tangolimihodina talohan’ny nigorisany teny amin’ny faritra ilany.
Nandry miaraka amin’ny tanana sy ny tongotra mivelatra izahay tao ambanin’ny saron’ny fitoeran’entana, ka nitazona ny sisiny teny amin’ny ilany ny tananay ary ny rantsantongotray mifaraingoka amin’ilany iray hafa mba tsy hipitihanay any ivelan’ny sambo. Tsy nahafikitra tsara Rahalahy Mark Littleford ka nipitika teny amin’ilay arofanintsambo ambany izay vy. Naratra ny lohany saingy nihazona azy tsy ho tafavoaka ny arofanintsambo.
Nandroso ihany izahay ary tonga teo amin’ny toeram-piantsonana tany Apia tamin’ny farany rehefa hadiva ho maraina ny andro. Nampifamatorana ireo sambo mba hiarovana azy. Voabahan’ireo sambo ireo tanteraka ny fefilohan-tseranana. Nandroso tsimoramora teny amin’izy ireo izahay ary niezaka ny tsy nanaitra an’ireo natory teo amin’ny tokontanin-tsambo. Lasa nandeha tany Pesega izahay ary nanamaina ny akanjonay dia lasa tany Vailuutai mba hanorina tsatòka vaovao.
Tsy fantatro hoe iza no niandry anay teo amoron-dranomasin’i Mulifanua. Nolaviko ny hilazan’izy ireo tamiko hoe iza izy ireo. Saingy marina fa raha tsy nisy ilay jiro ambany kokoa dia mety efa maty izahay.
Ao amin’ny fihirantsika dia misy hira efa tena ela iray ary tsy dia hiraina matetika izay tena manan-danja ho ahy.
Mamirapiratra ery ilay famindrampon’ny Ray
Ary ho toy izany foana avy eny amin’ilay tranony misy jiro mpitsilo lalana,
Saingy nasainy nikarakara
Ireo jiro eny amin’ny morondrano isika.
Avelao ireo jiro ambany kokoa hirehitra;
Ka handefa hazavana manerana ny onja.
Misy tantsambo be fanetren-tena sy vizana ary sahirana
Mety azonao avotana sy vonjena.
Maizina ilay alin’ny fahotana;
Mitrena mafy ireo onja masiaka.
Ireo maso efa tsindrindaona mitady sy maniry
An’ireo jiro eny amin’ny morondrano.
Karakarao tsara ny fanilonao rahalahy;
Misy tantsambo sasantsasany ratsy vintana sy nasian’ny rivotra mafy,
Miezaka ny hamonjy ny toeram-piantsonana amin’izao fotoana izao,
Mety very ao anatin’ny haizina.1
Androany aho dia hiresaka amin’ireo izay mety very ary mitady ilay jiro ambany kokoa mba hitarika azy ireo hiverina.
Efa takatsika tany am-piandohana fa tsy ho afaka ny ho tonga lafatra isika eto amin’ny fiainana an-tany. Tsy nantenaina tamintsika ny hoe hiaina ka tsy handika lalàna sasantsasany.
“Fa ny olona araka ny nofo dia fahavalon’Andriamanitra ary efa toy izany hatramin’ny fahalavoan’i Adama ary mbola ho toy izany mandrakizay mandrakizay raha tsy manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina izy ary manaisotra ny maha olona araka ny nofo azy sy tonga olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo.”2
Fantatsika avy ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy fa “tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra [ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra],”3 ary noho izany dia nisy fomba iray nomena an’ireo rehetra izay manota mba hibebaka sy ho lasa mendrika ny ho eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra indray.
Nisy ny fisafidianana Mpanalalana sy Mpamonjy iray izay hanana fiainana tonga lafatra sy tsy hanota ary hanolotra “ny tenany ho sorona noho ny fahotana mba hanefana ny fitakian’ny lalàna ho an’ireo rehetra izay manana fo torotoro sy fanahy manenina; ary tsy ho azo efaina amin’olon-kafa afa-tsy Aminy ny fitakian’ny lalàna.”4
Nianatra mikasika ny maha-zava-dehibe ny Sorompanavotana isika ao amin’i Almà, “Fa ilaina ny hanaovana sorompanavotana; … fa raha tsy izany dia tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy hahafaty ny olombelona rehetra.”5
Raha tsy nanao hadisoana ianao dia tsy mila ny Sorompanavotana. Raha nanao hadisoana ianao, isika rehetra dia nanao izany, na kely izany na lehibe, dia tena mila mitady mafy ny fomba hamafana azy ireo ianao mba tsy hijanonanao ao amin’ny haizina intsony.
“I [Jesoa Kristy] no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao.”6 Rehefa mampifantoka ny saintsika Aminy sy amin’ny fampianarany isika dia hotarihina any amin’ny toeram-piantsonan’ny fiarovana ara-panahy.
Manambara an’izao ny fanekem-pinoana fahatelo: “Mino isika fa noho ny Sorompanavotana nataon’i Kristy, dia azo vonjena ny olombelona rehetra amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara.”7
Nampianatra ny Filoha Joseph F. Smith hoe: “Tsy afaka mamela ny fahotany manokana ny olona. Tsy afaka manadio ny tenany vokatr’ireo fahotany izy ireo. Afaka mijanona tsy manota intsony ny olona sy afaka manao ny marina amin’ny hoavy ary hatreo aloha, noho ny fihetsiny izay azo ekena eo anatrehan’ny Tompo dia lasa mendrika ny ho heverina ny amin’izy ireo. Saingy iza no hanitsy ny tsy mety nataon’izy ireo tamin’ny tenany sy tamin’ny hafa, izay toa tsy ho vitan’ny tenan’izy ireo velively ny hanitsy azy? Ho voadio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fahotan’ireo izay nibebaka, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy [jereo ny Isaia 1:18]. Izany no fampanantenana omena anao.”8
Tsy fantatsika mazava tsara ny fomba nanatanterahan’ny Tompo ny Sorompanavotana. Saingy fantatsika fa ilay fampijalijaliana tsy misy antra tao anatin’ny fanomboana dia ampahany fotsiny tamin’ilay fanaintainana mahatsiravina izay nanomboka tao Getsemane—izay toerana masin’ny fijaliana—ary nifarana tany Golgota.
I Lioka dia nirakitra hoe:
“Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe:
“Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
“Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.
“Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany.”9
Hatreto aloha raha araka izay azoko nolazaina dia tsy nisy afa-tsy fitantarana iray izay avy amin’ny tenin’ny Mpamonjy manokana no mamaritra ny zavatra nozakainy tao amin’ny Sahan’i Getsemane. Ny fanambarana dia mirakitra hoe:
“Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra ireo ho an’ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka;
“Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy;
“Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra.”10
Nandritra ny fiainanareo dia mety nisy fotoana izay nandehananareo tany amin’ny toerana tsy tokony ho nandehananareo velively na nanaovanareo zavatra izay tsy tokony ho nataonareo velively. Raha manalavitra ny fahotana ianareo dia ho afaka indray andro any hahafantatra ilay fiadanana izay azo avy amin’ny fanarahana ilay lalan’ny fibebahana tanteraka.
Na inona na inona fandikan-dalàna nataontsika ary na dia tena nanafintohina ny hafa aza ny zavatra nataontsika dia azo esorina izany fahatsapana fahamelohana izany. Ho ahy, ny fehezan-teny tsara indrindra ao amin’ny soratra masina rehetra angamba dia tamin’ny Tompo nilaza hoe: “Indro, izay efa nibebaka tamin’ny fahotany dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.”11
Izany no fampanantenan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotana: Maka izay tonga sy izay hiditra ary mampiaina zavatra iray azy ireo, ka any amin’ny fiafaran’ny fiainany izy ireo dia afaka hiampita ny voaly ary efa nibebaka tamin’ny fahotany sy voadio tamin’ny alalan’ny ran’i Kristy.12
Izany no ataon’ny Olomasin’ny Andro Farany manerana an’izao tontolo izao. Izany ilay Hazavana izay atolotsika an’ireo ao anatin’ny haizina ary tsy mahita ny lalany. Na aiza na aiza mety alehan’ny mpikambana sy ny misiônera ato amintsika, ilay hafatra zaraintsika dia ny finoana sy fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy.
Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nanoratra ny tonon’ilay fihirana hoe “Moa ve lava ny dia?” Namako akaiky izy. Ahitana fampaherezana sy fampanantenana ho an’ireo izay mikasa ny hanaraka ny fampianaran’ny Mpamonjy izany:
Moa ve lava ny dia,
Sarotra sy mideza ve ny lalana?
Misy zavamaniry misy tsilo ve eny an-dalana?
Misy vato maranitra mandratra ny tongotrao ve
Rehefa miezaka mafy ny hitsangana ianao?
Rehefa eny amin’ny tampony indrindra ianao sy ao anatin’ilay fotoana tena mampafana ny andro,
Moa ve trotraka sy malahelo ny fonao?
Moa ve osa ilay fanahy ao anatinao
Rehefa miasa mafy ao ambanin’ilay enta-mavesatra lanjainao ianao?
Moa ve mavesatra ny entana?
Moa ve ianao voatery tsy maintsy hitondra izany ankehitriny?
Moa ve tsy misy olona azo izarana ilay enta-mavesatra?
Aza avela ho trotraka ny fonao
Amin’izao nanombohanao ilay dia izao;
Dia misy Olona iray izay mbola miantso anao.
Noho izany mitrakà amim-pifaliana
Ary tazony ny tanany;
Hitarika anao any amin’ny toerana ambony izay vaovao Izy—
Tany masina madio iray,
Izay ifaranan’ny fijaliana rehetra,
Ary tsy hisy fahotana intsony ny fiainanao,
Tsy hisy hitomany intsony any,
Satria tsy hisy alahelo ho tavela.
Raiso ny tanany ary midira miaraka aminy.13
Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.