Ny soratra masina
Mosesy 6


Toko 6

(Nôvambra—Desambra 1830)

Nitana bokim-pahatsiarovana ny taranak’i Adama—Nitory fibebahana ny taranany marina. Naneho ny Tenany tamin’i Enoka Andriamanitra—Nitory ny filazantsara i Enoka—Nambara tamin’i Adama ny drafitry ny famonjena—Nandray ny batisa sy ny fisoronana izy.

1 Ary nihaino ny feon’ Andriamanitra i Adama ka niantso ireo zanakalahiny hibebaka.

2 Ary i Adama nahalala ny vadiny indray, izay niteraka zazalahy, ary izy dia nanao ny anarany hoe Seta. Ary nankalaza ny anaran’ Andriamanitra i Adama; fa hoy izy: Efa nomen’ Andriamanitra zaza iray hafa aho ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina.

3 Ary naneho ny tenany tamin’i Seta Andriamanitra, ary tsy nikomy izy fa nanatitra fanatitra ankasitrahana tahaka an’i Abela rahalahiny. Ary izy koa dia niteraka zazalahy iray, ary ny anarany nataony hoe Enôsa.

4 Ary tamin’izay ireo lehilahy ireo no nanomboka niantso ny anaran’ny Tompo, ary nitahy azy ireo ny Tompo;

5 Ary notanana ny bokim-pahatsiarovana izay nosoratana tamin’ny fitenin’i Adama, fa nomena ireo rehetra izay niantso an’ Andriamanitra ny hanoratra amin’ny alalan’ny fanahin’ny fitaomana;

6 Ary tamin’ny alalan’izy ireo no nampianarana ny zanany hamaky sy hanoratra, ary nanana fiteny izay madio sy tsy voaloto izy.

7 Ankehitriny ity Fisoronana ity ihany izay efa tany am-piandohana no ho any am-piafaran’izao tontolo izao koa.

8 Ankehitriny, dia izao faminaniana izao no notenenin’i Adama raha nentanin’ny Fanahy Masina izy ary notanana ny tetiaran’ny zanak’ Andriamanitra. Ary izao no bokin’ireo taranak’i Adama, manao hoe: Tamin’ny andro izay naharian’ Andriamanitra ny olona, dia manahaka an’ Andriamanitra no nahariany azy;

9 Manahaka ny vatany ihany, lahy sy vavy, no nahariany azy ireo, dia notahiny izy ireo ary nataony hoe Adama no anarany tamin’ny andro izay nahariana azy ireo, ary tonga fanahy velona izy ireo teo amin’ny tany izay fitoeran-tongotr’ Andriamanitra.

10 Ary telopolo amby zato ny andro niainan’i Adama raha niteraka zazalahy nanahaka azy izy, araka ny endriny, ary nataony hoe Seta ny anarany.

11 Ary ny andron’i Adama, taorian’ny niterahany an’i Seta dia valonjato taona, ary niteraka zazalahy sy zazavavy maro izy;

12 Ary ny andro rehetra izay niainan’i Adama dia telopolo amby sivinjato taona, dia maty izy.

13 Dimy amby zato taona ny andro niainan’i Seta raha niteraka an’i Enôsa izy ka naminany tamin’ny androny rehetra ary nampianatra an’i Enôsa zanakalahiny tamin’ny fomban’ Andriamanitra; koa naminany koa i Enôsa.

14 Ary fito amby valonjato taona ny andro niainan’i Seta taorian’ny niterahany an’i Enôsa, ary niteraka zazalahy sy zazavavy maro izy.

15 Ary sesehena ny zanak’olombelona tambonin’ny tany manontolo. Ary tamin’izany andro izany dia nanan-kery fatratra teo anivon’ny olona i Satana sady romotra tao am-pon’izy ireo; ary hatramin’izany fotoana izany dia nisy ny ady sy ny fandatsahan-dra; ary ny tanan’ny olona dia namely ny rahalahiny ihany ka nahatonga fahafatesana noho ny asa miafina hikatsahana fahefana.

16 Ny andro rehetra niainan’i Seta dia roa ambin’ny folo sy sivinjato taona, dia maty izy.

17 Ary sivifolo taona ny andro niainan’i Enôsa raha niteraka an’i Kenana izy. Ary i Enôsa sy ny sisa amin’ny vahoakan’ Andriamanitra dia nivoaka niala teo amin’ny tany izay natao hoe Solôna ka nonina teo amin’ny tany nampanantenaina, izay nampitondrainy ny anaran’ny zanakalahiny izay nataony hoe Kenana no anarany.

18 Ary dimy ambin’ny folo sy valonjato taona ny andro niainan’i Enôsa taorian’ny niterahany an’i Kenana, ka niteraka zazalahy sy zazavavy maro izy. Ary ny andro rehetra niainan’i Enôsa dia dimy amby sivinjato taona, dia maty izy.

19 Ary fitopolo taona ny andro niainan’i Kenana raha niteraka an’i Mahalalila izy; ary efapolo sy valonjato taona ny andro niainan’i Kenana taorian’ny niterahany an’i Mahalalila, ka niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ary ny andro rehetra niainan’i Kenana dia folo amby sivinjato taona, dia maty izy.

20 Ary dimy amby enimpolo taona ny andro niainan’i Mahalalila raha niteraka an’i Jareda izy; ary telopolo sy valonjato taona ny andro niainan’i Mahalalila taorian’ny niterahany an’i Jareda, ka niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ary ny andro rehetra niainan’i Mahalalila dia dimy amby sivifolo sy valonjato taona, dia maty izy.

21 Ary roa amby enimpolo amby zato taona ny andro niainan’i Jareda raha niteraka an’i Enoka izy; ary valonjato taona ny andro niainan’i Jareda taorian’ny niterahany an’i Enoka, ka niteraka zazalahy sy zazavavy izy. Ary nampianarin’i Jareda an’i Enoka ny lalan’ Andriamanitra rehetra.

22 Dia izany no tetiaran’ireo zanakalahin’i Adama izay zanakalahin’ Andriamanitra, izay niresahan’ Andriamanitra Izy tenany.

23 Ary mpitory ny fahamarinana izy ireo ka niteny sy naminany ary niantso ny olon-drehetra, na taiza na taiza, hibebaka; ary nampianarina ny zanak’olombelona ny finoana.

24 Ary ny zava-nitranga dia roa amby enimpolo sy sivinjato taona ny andro rehetra niainan’i Jareda dia maty izy.

25 Ary ny andro niainan’i Enoka dia dimy amby enimpolo taona raha niteraka an’i Metosela izy.

26 Ary ny zava-nitranga dia nandeha teo amin’ny tany i Enoka, teo anivon’ny vahoaka; ary raha nandeha izy dia nidina avy tany an-danitra ny Fanahin’ Andriamanitra ary nitoetra teo aminy.

27 Ary izy dia nandre feo avy tany an-danitra, nanao hoe: Ry Enoka, zanako, maminania amin’ity vahoaka ity ka lazao aminy hoe:—Mibebaha fa izao no lazain’ny Tompo: tezitra amin’ity vahoaka ity Aho, ary ny fahatezerako mivaivay dia mirehitra aminy; fa efa mihamafy ny fony ary nihadonto ny sofiny ary tsy mahita lavitra ny masony;

28 Ary mandritra ireto taranaka maro ireto, hatramin’ny andro izay nahariako azy ireo no efa naniasia izy ireo ary nandà Ahy ka nikatsaka ny toroheviny ihany tao amin’ny maizina; ary tao amin’ny fahavetavetany no efa namolavolany vonoan’olona ka tsy nitandremany ireo didy izay nomeko an’i Adama rainy.

29 Koa efa nianiana tsy to izy ireo ary tamin’ny fianianany no efa nitondrany fahafatesana ho an’ny tenany; ary ny helo no efa nomaniko ho azy ireo raha tsy mibebaka izy ireo;

30 Ary izany no didim-pitondrana izay efa nalefako avy teo am-bavako, tamin’ny fiandohan’izao tontolo izao hatry ny fanorenana azy, ary tamin’ny vavan’ireo mpanompoko, rainareo, no efa nandidiako izany, dia toy ny handefasana izany eo amin’izao tontolo izao, hatrany am-paran’ny tany.

31 Ary nony efa nandre ireo teny ireo i Enoka dia niankohoka tamin’ny tany teo anoloan’ny Tompo ary niteny teo anoloan’ny Tompo hoe: Nahoana aho no nahita sitraka teo imasonao na dia mbola zatovolahy aza aho ary mankahala ahy ny vahoaka rehetra; fa miadam-piteny aho; koa nahoana aho no mpanomponao?

32 Ary hoy ny Tompo tamin’i Enoka: Mandehana ary ataovy izay efa nandidiako anao ary tsy misy olona hanagorobaka anao. Sokafy ny vavanao dia hofenoina izany ary homeko izay holazainao, fa eo an-tanako ny nofo rehetra, ary Izaho dia manao araka izay heveriko fa tsara.

33 Lazao amin’ity vahoaka ity hoe: Fidionareo anio ny hanompo ny Tompo Andriamanitra izay nanao anareo.

34 Indro mby eo aminao ny Fanahiko, koa ny teninao rehetra dia hohamariniko; ary ny tendrombohitra dia handositra eo anoloanao, ary ny renirano dia hivily amin’ny lalany; ary hitoetra ato Amiko ianao ary Izaho ao aminao; koa miaraha-mandeha Amiko.

35 Ary niteny tamin’i Enoka ny Tompo ary nilaza taminy hoe: Hosory tanimanga ny masonao ka sasao dia hahita ianao. Ary nataony izany.

36 Dia tazany ireo fanahy izay efa noharian’ Andriamanitra; ary tazany koa ireo zavatra izay tsy mety ho hitan’ny maso ara-nofo; ary hatramin’izay fotoana izay dia niely teo amin’ny tany ny filazana fa: Mpahita iray no efa natsangan’ny Tompo ho an’ny vahoakany.

37 Ary ny zava-nitranga dia nandeha teo amin’ny tany i Enoka, tany anivon’ny vahoaka, nijoro teo amin’ny vohitra sy ny toerana avo ka nihiaka tamin’ny feo mahery nijoro ho vavolombelona nanohitra ny asan’izy ireo; ary tafintohina ny olon-drehetra noho ny aminy.

38 Dia nivoaka izy ireo mba handre azy teny amin’ny toerana avo ka nilaza tamin’ny mpiandry lay hoe: Mitomoera eto ianareo ary andraso ny lay fa izahay kosa handeha ho eny hizaha ny mpahita, fa mamin’ny izy ary misy zavatra hafahafa eo amin’ny tany; efa tonga eto anivontsika ny olon-dia.

39 Ary ny zava-nitranga nony nandre azy izy dia tsy nisy olona naninjitra ny tanany taminy; fa tonga tamin’izay rehetra nihaino azy ny tahotra; fa niara-nandeha tamin’ Andriamanitra izy.

40 Ary nisy lehilahy iray nanatona azy, izay i Mahijà no anarany ary hoy izy taminy: Lazao mazava tsara aminy hoe iza ianao ary avy aiza no niavianao?

41 Ary hoy izy taminy: Nivoaka avy any amin’ny tany Kenana aho, ny tanin’ireo raiko, tanin’ny fahamarinana mandraka androany. Ary ny raiko dia nampianatra ahy tamin’ny lalan’ Andriamanitra rehetra.

42 Ary ny zava-nitranga raha niainga avy tao amin’ny tany Kenana aho, niazo ny ranomasina atsinanana, dia nahita fahitana; ary indro, nahita ny lanitra aho ary niteny tamiko ny Tompo sady nanome ahy didy; koa noho izany antony izany, ho fitandremana ny didy, dia niteny ireny teny ireny aho.

43 Ary nanohy ny lahateniny i Enoka, nanao hoe: Ny Tompo izay niteny tamiko, Izy no Andriamanitry ny Lanitra, ary Izy no Andriamanitro sy Andriamanitrareo ary ianareo dia rahalahiko, ary nahoana no mitoky amin’ny tenanareo ianareo ka mandà ny Andriamanitry ny lanitra?

44 Izy no nanao ny lanitra; ny tany no fitoeran’ny tongony; ary ny fototra iorenany dia Azy. Indro, Izy no nandatsaka izany, ary sesehena ny olona nampitoeriny teo amboniny.

45 Ary efa tonga teo amin’ireo raintsika ny fahafatesana; kanefa isika dia mahafantatra azy ireo ary tsy afaka mandà izany, ary na dia ilay voalohany amin’izy rehetra aza, dia i Adama izany, dia fantatsika.

46 Fa ny bokim-pahatsiarovana dia efa nosoratantsika teo anivontsika araka ny toromarika efa nomen’ny rantsantanan’ Andriamanitra; ary omena antsika amin’ny fitenintsika izany.

47 Ary raha niteny ny tenin’ Andriamanitra i Enoka dia nangovitra ny vahoaka ka tsy nahajoro teo anatrehany.

48 Ary hoy izy taminy: Koa satria lavo i Adama dia misy isika; ary tamin’ny fahalavoany no nahatongavan’ny fahafatesana; ary atao mpandray anjara amin’ny fahantrana sy ny fahoriana isika.

49 Indro fa efa tonga eo anivon’ny zanak’olombelona i Satana ka maka fanahy azy ireo hidera azy; ary ny olona dia nanjary nanarana ny vatana, ny filan-dratsy ary devoly toetra ka nosarahina hiala avy teo anatrehan’ Andriamanitra.

50 Fa efa nampahafantarin’ Andriamanitra ireo raintsika fa tsy maintsy mibebaka ny olon-drehetra.

51 Azy Izy dia efa niantso an’i Adama raintsika tamin’ny alalan’ny feony, nanao hoe: Izaho no Andriamanitra; Izaho no nanao izao tontolo izao sy ny olona talohan’ny nahatongavany ho nofo.

52 Ary hoy koa Izy taminy: Raha mitodika Amiko ianao ary mihaino ny feoko sy mino ary mibebaka amin’ny fandikanao lalàna rehetra sy atao batisa amin’ny rano, amin’ny anaran’ny Zanaka Lahitokako, izay feno fahasoavana sy fahamarinana, izay i Jesoa Kristy, ilay hany anarana izay homena ety ambanin’ny lanitra, izay hahatongavan’ny famonjena amin’ny zanak’olombelona, dia handray ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao, ka hangataka ny zava-drehetra amin’ny Anarany, ary na inona na inona hangatahinao, dia homena anao izany.

53 Ary niteny tamin’ny Tompo i Adama raintsika ka nanao hoe: Nahoana no tsy maintsy mibebaka ny olona ary atao batisa amin’ny rano? Ary hoy ny Tompo tamin’i Adama: Indro efa navelako ny fandikanao lalàna tao amin’ny Saha Edena.

54 Avy amin’izany no nielezan’ny filazana tany anivon’ny vahoaka fa ny Zanak’ Andriamanitra dia efa nanonitra ny fahotana fototra ka ny fahotan’ny ray aman-dreny dia tsy azo valina eo ambonin’ny lohan’ireo zanaka, fa madio ireo hatry ny fanorenana izao tontolo izao.

55 Ary niteny tamin’i Adama ny Tompo nanao hoe: Koa satria notorontoronina tao amin’ny fahotana ny zanakao, dia torontoronina ao am-pony toy izany koa ny fahotana rehefa manomboka mitombo izy, ary dia andramany ny mangidy mba hahaizany mankamamy ny tsara.

56 Ary omena azy ny hanavaka ny tsara amin’ny ratsy; koa manao araka izay safidiny izy ary efa nomeko anao ny lalàna sy ny didy iray hafa.

57 Koa ampianaro ny zanakao izao fa ny olona rehetra, na aiza na aiza, dia tsy maintsy mibebaka, fa raha tsy izany dia tsy afaka mandova mihitsy ny fanjakan’ Andriamanitra izy, fa tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra ao na mitoetra eo anatrehany; fa amin’ny fitenin’i Adama dia Lehilahin’ny Fahamasinana no anarany ary ny anaran’ny Lahitokany dia Zanak’Olona, dia i Jesoa Kristy, Mpitsara marina izay ho avy amin’ny mitataovovon’ny fotoana.

58 Koa omeko didy ianao mba hampianatra malalaka ny zanakao amin’izany zavatra izany manao hoe:

59 Fa noho ny fandikan-dalàna dia tonga ny fahalavoana, fahalavoana mitondra fahafatesana, ary toy ny efa nahaterahanareo teo amin’izao tontolo izao tamin’ny rano sy ny ra ary ny fanahy, izay nataoko, ka tonga fanahy velona avy amin’ny vovo-tany, dia toy izany koa no tsy maintsy ahaterahanareo indray ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, amin’ny rano sy ny amin’ny Fanahy ary hanadiovana anareo amin’ny ra, dia ny ran’ny Lahitokako; mba ho azo hamasinina hiala amin’ny fahotana rehetra ianareo ka hankamamy ny tenin’ny fiainana mandrakizay eo amin’ity izao tontolo izao ity ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy, dia voninahitra tsy mety maty;

60 Fa amin’ny rano no itandremanareo ny didy; amin’ny Fanahy no hamarinina ianareo ary amin’ny ra no hamasinina ianareo;

61 Koa omena izany mba hitoetra ao aminareo: ny tenivavolombelon’ny lanitra; ny Mpampionona; ny zavatra mandry fahizay momba ny voninahitra tsy mety maty; ny fahamarinan’ny zava-drehetra, izay mamelona ny zava-drehetra; izay manome aina ny zava-drehetra; izay mahalala ny zava-drehetra ary manana ny hery rehetra araka ny fahendrena, ny famindram-po, ny fahamarinana, ny fahitsiana ary ny fitsarana.

62 Ary ankehitriny indro, lazaiko aminao: Izany no drafitry ny famonjena ho an’ny olon-drehetra, amin’ny alalan’ny ran’ny Lahitokako izay ho avy amin’ny mitataovovonan’ny fotoana.

63 Ary indro ny zava-drehetra dia manana izay tahafiny, ary ny zavatra rehetra dia nohariana sy natao mba ho vavolombelona manambara Ahy, na ny zavatra izay ara-nofo izany, na ny zavatra izay ara-panahy; zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony sy zavatra izay ety an-tany, ary zavatra izay ao amin’ny tany sy zavatra izay ambanin’ny tany, na ambony na ambany: ny zavatra rehetra dia vavolombelona manambara Ahy.

64 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy niresaka tamin’i Adama raintsika ny Tompo, dia niantso ny Tompo i Adama ka nentin’ny Fanahin’ny Tompo izy ary nampidinina teo amin’ny rano sy nasitrika tao ambany rano ary navoaka avy tao anaty rano.

65 Ary dia toy izany no nanaovana batisa azy ary nidina teo aminy ny Fanahin’ Andriamanitra ka nateraky ny Fanahy toy izany izy ary novelomina ny toe-panahy tao anatiny.

66 Ary izy dia nandre feo avy tany an-danitra, nanao hoe: Vita batisa tamin’ny afo sy ny Fanahy Masina ianao. Izao no tenivavolombelon’ny Ray sy ny Zanaka hatramin’izao ka ho mandrakizay;

67 Ary ianao dia araka ny lamin’ilay tsy nisy fiandohan’andro na fiafaran-taona, hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.

68 Indro ianao dia iray ato Amiko, zanak’ Andriamanitra; dia toy izany no mety hahatonga ny rehetra ho zanako. Amena.