Ny soratra masina
Mosesy 3


Toko 3

(Jona–Ôktôbra 1830)

Noharian’ Andriamanitra ara-panahy ny zava-drehetra talohan’ny nisiany araka ny vatana teto an-tany—Nohariany ralehilahy, ilay nofo voalohany teto an-tany—Ravehivavy dia mpanampy sahaza ho an-dralehilahy.

1 Dia toy izany no nahavitan’ny lanitra sy ny tany, mbamin’izay rehetra ao aminy.

2 Ary tamin’ny andro fahafito, Izaho Andriamanitra dia namarana ny asako sy ny zavatra rehetra izay efa nataoko; ary nitsahatra tamin’ny asako rehetra Aho tamin’ny andro fahafito, ary ny zavatra rehetra izay efa nataoko dia vita, ary Izaho Andriamanitra dia nahita fa tsara izany;

3 Ary Izaho Andriamanitra dia nitahy ny andro fahafito ary nanamasina izany; satria tamin’izany no nitsaharako tamin’ny asako rehetra izay efa nohariako sy nataoko Izaho Andriamanitra.

4 Ary ankehitriny indro, lazaiko aminao fa izany no niandohan’ny lanitra sy ny tany fony izy ireo nohariana, tamin’ny andro izay nanaovako Izaho Tompo Andriamanitra ny lanitra sy ny tany,

5 Ary ny zavamaniry rehetra teny an-tsaha talohan’ny nisiany teto an-tany, ary ny anana rehetra teny an-tsaha talohan’ny naniriany. Fa Izaho Tompo Andriamanitra dia nahary ara-panahy ny zavatra rehetra izay efa noteneniko ny aminy, talohan’ny nisiany ara-batana teto ambonin’ny tany. Fa Izaho Tompo Andriamanitra dia tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin’ny tany. Ary Izaho Tompo Andriamanitra dia efa nahary ny zanak’olombelona rehetra; ary tsy mbola nisy olona hiasa ny tany; fa tany an-danitra no nohariako izy ireo; ary tsy mbola nisy nofo teto an-tany, na tao amin’ny rano, na teny amin’ny rivotra;

6 Fa Izaho Tompo Andriamanitra dia niteny, ary nisy zavona niakatra avy tamin’ny tany ka nandena ny tany rehetra.

7 Ary Izaho Tompo Andriamanitra dia namorona ny olona avy tamin’ny vovo-tany, ary nofofoniko fofonaina mahavelona ny vavorony; ka tonga fanahy velona ny olona, ny nofo voalohany teto an-tany, ny lehilahy voalohany ihany koa; kanefa dia efa nohariana taloha ny zava-drehetra; saingy ara-panahy no nahariana sy namoronana azy ireo araka ny teniko.

8 Ary Izaho Tompo Andriamanitra dia nanao saha tao atsinanana, tao Edena, ary tao no nametrahako an-dralehilahy izay efa noforoniko.

9 Ary tao amin’ny tany no nampaniriako, Izaho Tompo Andriamanitra ho azy ny hazo rehetra izay fahafinaretana ho an’ny mason-dralehilahy, ary afaka nitazana izany ralehilahy. Ary tonga fanahy velona koa izany. Fa ara-panahy izany tamin’ny andro izay nahariako azy; fa izany dia mitoetra ao amin’ny tontolo izay nahariako, Izaho Andriamanitra azy, eny, dia ny zavatra rehetra izay nomaniko ho fampiasan-dralehilahy; ary nahita ralehilahy fa tsara ho fihinana izany. Ary Izaho Tompo dia namboly ny hazon’aina koa teo afovoan’ny saha, ary koa ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.

10 Ary Izaho Tompo Andriamanitra dia nahatonga ny renirano hivoaka avy tao Edena mba handena ny saha; ary hatreo izy dia nizara ka nisampana tonga efatra.

11 Ary Izaho Tompo Andriamanitra dia nanao ny anaran’ny voalohany hoe Pisona, ary izany dia mandeha manodidina ny tany Havila rehetra izay nahariako, Izaho Tompo Andriamanitra, volamena betsaka;

12 Ary tsara ny volamena tamin’izany tany izany, ary nisy bedola sy vato ôniksa tao.

13 Ary ny anaran’ny renirano faharoa dia natao hoe Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Etiôpia rehetra.

14 Ary ny anaran’ny renirano fahatelo dia Hidekela; io no mandeha mankany atsinanan’i Asiria. Ary ny renirano fahefatra dia Eofrata.

15 Ary Izaho Tompo Andriamanitra dia nitondra an-dralehilahy ka nametraka azy tao amin’ny Saha Edena, hiasa sy hikarakara azy.

16 Ary Izaho Tompo Andriamanitra dia nandidy an-dralehilahy, nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana malalaka,

17 Fa ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia tsy hihinananao, kanefa dia mahazo mifidy ho an’ny tenanao ianao satria omena anao izany; saingy tsarovy fa mandrara izany Aho, fa amin’ny andro izay ihinananao aminy dia ho faty marina tokoa ianao.

18 Ary Izaho Tompo Andriamanitra dia niteny tamin’ny Lahitokako fa tsy tsara raha irery ralehilahy; koa hanaovako mpanampy sahaza ho azy izy.

19 Ary avy amin’ny tany no namoronako, Izaho Tompo Andriamanitra, ny biby rehetra any an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka; dia nodidiko ny handehanan’izy ireo any amin’i Adama hahitana izay hiantsoany azy avy; ary ireo koa dia fanahy velona; fa Izaho Andriamanitra dia nifofo tao amin’izy ireo ny fofonaina mahavelona ary nandidy fa izay hiantsoan’i Adama ny zavamananaina tsirairay dia izay no ho anarany.

20 Ary nomen’i Adama anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voron’ny habakabaka ary ny bibidia rehetra any an-tsaha; saingy raha ny amin’i Adama dia tsy hita ny mpanampy sahaza ho azy.

21 Ary Izaho Tompo Andriamanitra dia nahasondrian-tory lalina an’i Adama; dia natory izy ka nalaiko ny anankiray tamin’ny taolan-tehezany, ary nakomboko teo amin’ny toerany ny nofo;

22 Ary ny taolan-tehezana izay nalaiko, Izaho Tompo Andriamanitra, tamin-dralehilahy dia nataoko vehivavy ary nentiko teo amin-dralehilahy.

23 Ary hoy i Adama: Fantatro ankehitriny fa ity dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko; hataoko hoe vehivavy izy satria lehilahy no nanalana azy.

24 Koa handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo.

25 Ary nitanjaka izy ireo, ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra.