Avia, Ianareo Zanakalahin’Andriamanitra Rehetra
Enga anie isika tsirairay handalina amim-pahazotoana ny soratra masina, hanao drafitra arahina tanjona ho an’ny fiainana, hampianatra ny fahamarinana miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona, ary hanompo ny Tompo amim-pitiavana
Indroa isan-taona ity Foiben’ny Fihaonamben’ny Fiangonana mahafinaritra ity no toa miteny amintsika, amin’ilay feony mandresy lahatra manao hoe: “Avia, ianareo zanakalahin’Andriamanitra rehetra izay nandray ny fisoronana.”1 Misy fahatsapana miavaka izay manenika ity fivoriamben’ny fisoronana ato amin’ny Fiangonana ity.
Anio alina dia mpihazona fisoronana an’alin-kisa manerana izao tontolo izao no manompo ny Tompo amin’ny maha misiônerany azy ireo. Araka ny nolazaiko tamin’ny hafatro aninkeheo maraina dia manana misiônera 65.000 izao isika eny amin’ny sahan’ny misiona, ary misy an’arivony maro no miandry ny hiditra ny foibe fanofanana ny misiônera na efa eo andalam-piandrasana ny valin’ny taratasy fangatahana ho misiônera. Tianay ary derainay ireo izay manam-piniavana sy ireo izay efa tsindrian-daona ny hanompo.
Ny soratra masina dia tsy ahitana fanambarana manan-danja kokoa, sy andraikitra mamatotra kokoa, ary torolalana mivantana kokoa noho ilay didy nomen’ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty tamin’Izy niseho tamin’ireo mpianany iraikambinifolo tany Galilia. Hoy Izy:
“Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
“Sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.”2
Io didy masina io, miaraka amin’ny fampanantenana feno voninahitra miaraka aminy, no teny filamatsika ankehitriny toy ny tamin’ny fotoana niainan’i Jesoa tety an-tany. Ny asa fitoriana dia rafitra iray hamantarana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Efa toy izany foana hatramin’izay; ary mbola ho toy izany hatrany. Araka ny voalazan’ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Rehefa nodinihana ny zava-drehetra, dia ny mitory ny Filazantsara no adidy manan-danja indrindra.”3
Ato anatin’ny roa taona monja dia hahavita ny asany daholo ireo misiônera amin’ny fotoana feno izay manompo ankehitriny ato amin’ity tafik’Andriamanitra ity, ary ho tafaverina any an-tokantrano misy azy eo anivon’ireo malalany. Ho an’ireo lehilahy, ny handimby azy ireo dia hita eto androany alina eo anivon’ny Fisoronana Aharôna an’ny Fiangonana. Ry zatovolahy isany, vonona hamaly ny antso ve ianareo? Vonona ny hiasa ve ianareo? Vonona hanompo ve ianareo?
Amin’ny fomba fijery tsara indrindra ny asa fitoriana dia mitaky fanitsiana hentitra eo amin’ny fomba fiainana. Mitaky asa betsaka sy fanoloran-tena lehibe, fahafoizan-tena hanadinoana ny tena sy vavaka feno hafanam-po. Ho vokany, ny asa fanompoana feno fanoloran-tena hitoriana dia ahazoana tombony, dia fifaliana mandrakizay, izay mitohy mandritra ny androm-piainana sy hatrany amin’ny mandrakizay.
Ny fanamby ho antsika dia ny ho mpanompo mahasoa kokoa ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo. Mihatra amintsika rehetra izany, na firy taona na firy taona, ary tsy natokana ho an’ireo izay miomana ny ho misiônera amin’ny fotoana feno fotsiny ihany, satria miantefa amintsika rehetra ilay didy hoe hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Te handroso fomba iray aho hiantohana ny fahombiazantsika: voalohany, halalino amim-pahazotoana ny soratra masina; faharoa, manaova drafitra arahina tanjona ho an’ny fiainanao (ary azoko ampiana hoe asio drafitra ny fiainanao na firy taona ianao na firy taona); fahatelo, ampianaro miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona ny fahamarinana; ary fahaefatra, manompoa ny Tompo amim-pitiavana.
Andeha ho dinihantsika ireo ampahany tsirairay ao amin’io fomba io.
Voalohany, halalino amim-pahazotoana ny soratra masina.
Ny soratra masina dia mijoro ho vavolombelon’Andriamanitra ary ahitana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.
Ny ifantohan’ireo fandaharam-pampianaran’ny Fiangonana dia ny soratra masina, norafetina sy narindra tamin’ny alalan’ny ezaka fandrindrana. Amporisihana ihany koa isika handalina ny soratra masina isan’andro na samirery na miaraka amin’ny fianakaviantsika.
Soratra masina iray ihany no hatolotro, izay ahitana fampiharana mivantana eo amin’ny fiainantsika. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ao amin’ny Almà 17, dia hitantsika ny fitantarana ny fifalian’i Almà raha nahita indray ireo zanakalahin’i Môsià izy ary nanamarika ny fanolorantenan’izy ireo tamin’ny filazantsara. Milaza amintsika ny rakitsoratra hoe: “Nihanahery tamin’ ny fahalalana ny marina izy ireo; fa izy ireo dia olon’ ny fahalalana tsy misy tomika ary efa nodinihiny tamim-pahazotoana tokoa ny soratra masina hahazoany mahalala ny tenin’Andriamanitra.
“Nefa tsy izay ihany; efa nanokan-tena ho amin’ ny fivavahana fatratra sy ny fifadian-kanina izy ireo; noho izany dia nananany ny fanahin’ ny faminaniana sy ny fanahin’ ny fanambarana, ary rehefa nampianatra izy ireo dia nampianatra tamin’ ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra.”4
Ry rahalahy isany, Halalino amim-pahazotoana ny soratra masina.
Faharoa eo amin’ny raikipohy: manaova drafitra arahina tanjona ho an’ny fiainanao.
Angamba tsy mbola nisy taranaka tanora izay niatrika fanapahan-kevitra misy fiantraikany lavitra tahaka ireo tanora ankehitriny. Tsy maintsy asiana fiomanana ho an’ny fianarana, sy ny misiona ary ny fanambadiana. Ho an’ny sasany dia ampidirina ao koa ny fanompoam-pirenena any amin’ny tafika.
Manomboka aloha be ny fiomanana ho an’ny misiona. Ambonin’ny fiomanana ara-panahy dia hanome fahafahana ny zananilahy ny ray aman-dreny hendry hanaovany tahiry ho an’ny asa fitoriana hataony. Azo amporisihana ihany koa izy rehefa mandeha ny taona mba hianatra teny vahiny iray, mba ho azo ampiasaina, raha ilaina, ny fahaizany teny vahiny. Farany dia tonga ilay andro lehibe izay hiantsoan’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka azy hitafa sy hidinika. Tombantombanana ny fahamendrehana; ary dia fenoina ny fangatahana hampandrosoana azy ho misiônera.
Tsy misy fotoana hafa maha-tsindrian-daona kokoa ny fianakaviana manontolo noho ilay mitazana sy miandry ny mpizara taratasy sy ilay taratasy misy ny adiresin’ny mpandefa hoe 47 East South Temple, Salt Lake City, Utah. Tonga ilay taratasy; fitaintainana tsy misy ohatr’izany; vakiana ilay antso. Matetika dia lavitry ny toerana onenana ny faritra voatendry hiasana. Na aiza na aiza anefa ilay toerana dia mitovy foana ny valintenin’ilay misiônera vonona sy mpankatò: “Handeha aho hanompo.”
Manomboka ny fiomanana hanainga. Ry zatovolahy isany, antenaiko fa ankasitrahanareo ny fahafoizan-tena izay ataon’ireo ray aman-dreny am-piniavana tokoa mba hanompoana anareo. Hanohana anareo ny asan’izy ireo, hankahery anareo ny finoan’izy ireo, hiaro anareo ny fivavak’izy ireo. Raharahan’ny mpianakavy ny asa fitoriana. Na dia sarahin’ny kaontinanta na ranomasimbe maro aza dia toy ny iray ihany ny fo.
Ry rahalahy isany, rehefa manomana ny fiainanao miaraka amin’ny tanjona ianao dia tsarovy fa ny fahafahana mitory filazantsara dia tsy voafetran’ny fotoan’ny antso ôfisialy. Ho anareo izay manao fanompoana any amin’ny tafika dia mety hahasoa ary tokony hahasoa izany fotoana izany. Isan-taona ireo zatovolahintsika any amin’ny tafika dia mitondra fanahy maro ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanajana ny fisoronany, sy ny fanarahana ireo didin’Andriamanitra, ary ny fampianarana ny tenin’ny Tompo amin’ny hafa.
Aza tsinontsinoavina ny tombontsoa hahafahanao ho tonga misiônera rehefa mandranto fianarana ianao. Hodinihin’ny olona ny ohatra asehonao amin’ny maha Olomasin’ny Andro Farany anao, ka ho tsaraina ary matetika halain-tahaka.
Ry rahalahy, na firy taona ianareo na firy, na manao ahoana toe-javatra iainanareo na manao ahoana, mitaona anareo aho hanao drafitra arahina tanjona ho an’ny fiainanareo.
Ny zavatra fahatelo eo amin’ny raikipohy dia hoe: ampianaro miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona ny fahamarinana.
Ankatoavy ny torohevitry ny Apôstôly Petera izay nitaona hoe: “Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo.”5 Asandrato ny feonareo ary mijoroa ho vavolombelon’ny tena toetoetran’Andriamanitra. Ambarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna. Ampahafantaro ireo fahamarinana be voninahitra sy kanto hita ao amin’ny drafitry ny famonjena.
Fony aho filohan’ny misiona tany Kanadà 50 taona mahery lasa izay, dia nisy misiônera vao erotrerony iray izay avy amin’ny tanàna kely iray tany amin’ny tontolo ambanivohitra, ary talanjona tamin’ny haben’i Toronto. Fohy izy raha ny halavany fa lava raha ny fijoroany ho vavolombelona. Tsy ela taorian’ny nahatongavany dia niaraka tamin’ny mpiara-mitory taminy izy nankany an-tranon’i Elmer Pollard, tany Oshawa, Ontario, Kanadà. Nalahelo an’ireto tovolahy izay nitety trano nandritra ny rivo-mahery miaro oram-panala ireto Andriamatoa Pollard, ka nanasa ireto misiônera handroso ao an-tranony. Natolotr’ireto misiônera taminy ny hafatra nentin’izy ireo. Tsy nahatsapa ny fanahy izy. Afaka kelikely dia nangatahiny izy ireo handeha ary tsy hiverina intsony. Ny teny farany nataony tamin’ireo misiônera raha iny handao ny tokonam-baravarana iny izy ireo dia nifangaro fanarabiana: “Tsy afaka miteny amiko ianareo hoe tena mino marina tokoa fa mpaminanin’Andriamanitra i Joseph Smith!”
Nikatona ilay varavarana. Nandeha nidina tamin’ilay lalana ireto misiônera. Nilaza tamin’ny namany ilay tovolahy tambanivohitra hoe: “Elder, tsy namaly an’Andriamatoa Pollard isika. Nilaza izy hoe tsy mino isika fa mpaminany marina i Joseph Smith. Andao hiverina ary hijoro ho vavolombelona aminy.” Tamin’ny voalohany dia nisalasala ilay misiônera efa nanana traikefa kokoa, fa nony farany dia nanaiky hanaraka ny mpiara-mitory aminy izy. Tamin-tahotra no nanatonan’izy ireo ilay varavarana izay vao avy nandroahana azy ireo. Nandondòna izy ireo, ka nifanatrika tamin’Andriamatoa Pollard, niandry nandritra ny fotoana nampitebiteby, ary avy teo, nahazo hery avy tamin’ny Fanahy ilay misiônera tsy nanana traikefa ka niteny hoe: “Andriamatoa Pollard, hoy ianao hoe tsy tena mino izahay hoe mpaminany marina i Joseph Smith. Mijoro ho vavolombelona aminao aho fa tena mpaminany i Joseph. Tena nandika ny Bokin’i Môrmôna izy. Nahita an’Andriamanitra Ray izy sy Jesoa Kristy Zanany. Fantatro izany.”
Fotoana elaela taty aoriana dia nitsangana Andriamatoa Pollard, izay efa lasa Rahalahy Pollard, nandritra ny fivorian’ny fisoronana ary nanambara hoe: “Tsy nahita tory aho io alina io. Mbola naheno foana tato an-tsofiko ireo teny hoe: ‘Tena mpaminanin’Andriamanitra i Joseph Smith. Fantatro izany. Fantatro izany. Fantatro izany.’ Ny ampitson’io aho dia niantso ireo misiônera ary nangataka azy ireo hiverina. Ny hafatr’izy ireo, miaraka amin’ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona, dia nanova ny fiainako sy ny fiainan’ny fianakaviako.” Ry rahalahy isany, ampianaro miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona ny fahamarinana.
Ny raikipohy farany dia ny fanompoana ny Tompo amim-pitiavana. Tsy misy azo asolo ny fitiavana. Ireo misiônera mahomby dia tia ny mpiara-mitory aminy, sy ireo mpitarika ao amin’ny misiona ary ireo olona sarobidy izay ampianarin’izy ireo. Ao amin’ny fizarana fahefatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia napetraky ny Tompo ny fepetra takiana ho an’ny asa fanompoana. Andeha isika tsy hijery afa-tsy andininy vitsivitsy:
“Ô ianareo izay mirotsaka amin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra, ataovy izay hanompoanareo Azy amin’ ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjakareo rehetra, mba hahazoanareo mijoro tsisy tsiny eo anoloan’ Andriamanitra amin’ ny andro farany. …
“Ary ny finoana, ny fanantenana, ny fiantrana ary ny fitiavana mbamin’ ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra no mahalany azy ho amin’ ny asa.
“Tsarovy ny finoana, ny fahatsaran-toetra, ny fahalalana, ny fahononam-po, ny faharetana, ny fifankatiavan’ ny mpirahalahy, ny toetra araka an’ Andriamanitra, ny fiantrana, ny fanetren-tena ary ny zotom-po.”6
Rariny loatra ianareo izay maheno ahy raha mety hanontany tena hoe “Moa ve aho androany nitombo finoana, sy hatsaran-toetra, sy fahalalana, sy toetra araka an’Andriamanitra, ary fitiavana?”
Amin’ny alalan’ny fanoloran-tenanao ao an-trano sy any ivelany, dia mety ireo fanahy izay nampianao mba ho voavonjy ireo no mety ihany koa ho ireo fanahy izay tianao indrindra.
Taona maro lasa izay dia niditra tao amin’ny biraoko i Craig Sudbury sy i Pearl reniny, izay namako akaiky, talohan’ny fotoana hanaingan’i Craig ho any amin’ny Misionan’i Melbourne Australie. Niavaka be ny tsy naha-teo an’i Fred Sudbury, rain’i Craig. Dimy amby roapolo taona talohan’io dia nanambady an’ny renin’i Craig i Fred izay tsy mba tia ny Fiangonana tahaka azy, ary marina tokoa fa tsy mpikambana.
Noborahin’i Craig tamiko ny fitiavany lalina sy maharitra an’ireo ray aman-dreniny, ary ny fanantenany fa indray andro any, hisy fomba hahafahan’ny rainy ho voakasiky ny Fanahy sy hanokatra ny fony ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nivavaka aho mba hahazo fitaomam-panahy mikasika ny fomba ahafahan’izany faniriana izany ho tanteraka. Tonga ilay fitaomam-panahy ary dia hoy aho tamin’i Craig hoe: “Manompoa ny Tompo amin’ny fonao rehetra. Aoka ianao ho mpankatò amin’ny antsonao masina. Manorata taratasy ho an’ny ray aman-dreninao isan-kerinandro; ary indraindray manorata ho an’i Dada manokana, ary ampahafantaro azy hoe hatraiza ny fitiavanao azy, ary lazao azy ny antony maha velom-pankasitrahana anao noho ny maha zananilahy anao.” Nisaotra ahy izy dia nivoaka ny birao niaraka tamin’ny reniny.
Efa tsy nahita ny renin’i Craig nandritra ny 18 volana teo ho eo aho, kanjo tonga tao amin’ny biraoko izy ary sady nitomany no nilaza tamiko, nanao hoe: “Efa saika ho roa taona izao no nandehanan’i Craig nanao asa fitoriana. Tsy tapaka mihitsy izy nanoratra taty aminay isan-kerinandro. Vao tsy ela izay i Fred vadiko no sambany nitsangana nandritra ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona ary nanaitra ahy ary nanohina ny rehetra nanatrika teo raha nanambara fa nanapa-kevitra izy ny ho tonga mpikamban’ny Fiangonana. Nilaza izy fa handeha ho any Australie izaho sy izy hijery an’i Craig amin’ny fahavitan’ny asa fitoriany mba hahafahan’i Fred ho tonga amin’ilay batisa farany ataon’i Craig amin’ny maha misiônera amin’ny fotoana feno azy.”
Tsy mbola nisy misiônera faly kokoa noho i Craig Sudbury raha nanampy ny rainy izy, tany Australie lavitra tany, handroso tao amin’ny rano hatreo am-balahana, ary nanangana ny sandriny havanana toy ny sokera, ka namerina ireto teny masina ireto: “Frederick Charles Sudbury, rehefa nomen’i Jesoa Kristy fahefana aho, izaho dia manao batisa anao amin’ ny anaran’ny Ray, sy ny an’ny Zanaka, ary ny an’ny Fanahy Masina.”
Azon’ny fitiavana ny fandreseny. Manompoa ny Tompo amim-pitiavana.
Ry rahalahy isany, enga anie isika tsirairay handalina amim-pahazotoana ny soratra masina, hanao drafitra arahina tanjona ho an’ny fiainana, hampianatra ny fahamarinana miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona, ary hanompo ny Tompo amim-pitiavana.
Ilay Mpiandry ondry tonga lafatra ho an’ny fanahintsika, ilay misiônera izay nanavotra ny zanak’olombelona, dia nanolotra antsika ny fanomezan-toky masina avy Aminy:
“Raha toa aza ka miasa amin’ ny andronareo rehetra ianareo hitory fibebahana amin’ ity vahoaka ity ary mitondra olona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ ny fanjakan’ ny Raiko!
“Ary ankehitriny, raha lehibe ny fifalianareo miaraka amin’ ny fanahy iray izay nentinareo ho Ahy ho ao amin’ ny fanjakan’ ny Raiko, akory ny ho halehiben’ ny fifalianareo raha mitondra fanahy maro ho Ahy!”7
Momba Ilay niteny ireo teny ireo no hanambarako ny fijoroako ho vavolombelona hoe: Izy no Zanakalahin’Andriamanitra, Mpanavotra sy Mpamonjy antsika.
Mivavaka aho mba hahafahantsika mamaly hatrany ny fanasany hoe: “Manaraha ahy hianao.”8 Amin’ny Anarany masina—dia ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo—amena.