“Mankanesa aty Amiko”
Nampiseho antsika ny fomba hanakaikezana Azy i Kristy tamin’ny alalan’ny teniny sy ny ohatra nomeny.
Feno fankasitrahana aho miaraka aminareo eto amin’ity fihaonamben’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ity. Fiangonany ity. Mitondra ny Anarany eo amintsika isika rehefa miditra ny fanjakany. Andriamanitra Izy, ilay Mpahary, ary tonga lafatra Izy. Mety maty isika ary iharan’ny fahafatesana sy fahotana. Kanefa noho ny fitiavany antsika sy ny fianakaviantsika dia manasa antsika hanakaiky Azy Izy. Indreto ny teniny: “Manakaikeza Ahy dia hanakaiky anareo Aho; tadiavo fatratra Aho dia hahita Ahy ianareo; mangataha dia hahazo ianareo; dondòny dia hovohana ianareo”1
Amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao dia ampahatsiahivina ny antony hitiavantsika Azy isika, sy ny fampanantenana nataony tamin’ireo mpanara-dia mahatoky Azy ho tonga namana malalany. Nanao izany fampanantenana izany ny Mpamonjy ary nilaza tamintsika ny fomba hankanesany aty amintsika ao anatin’ny fanompoantsika Azy. Ohatra iray ny fanambarana nomena an’i Oliver Cowdery rehefa nanompo ny Tompo niaraka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna izy: “Indro ianao ny Oliver, ary efa niteny taminao Aho noho ny fanirianao; koa raketo ao am-ponao ireto teny ireto. Aoka ho mahatoky sy ho mazoto amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra ianao dia hisakambina anao amin’ny sandrim-pitiavako Aho.”2
Niaina ny fifalian’ny fanakaikezana ny Mpamonjy aho sy ny fanakaikezany tena matetika ahy amin’ny alalan’ny fankatoavana tsotra ireo didy.
Nanana traikefa toy izany ihany koa ianao. Mety tamin’ny nisafidiananao hanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo izany. Ho ahy dia tamin’ny Sabata iray fony aho tanora izany. Tamin’izany dia nandray ny fanasan’ny Tompo nandritra ny fivoriana natao hariva izahay. Mbola mampanakaiky ahy amin’ny Mpamonjy ny fahatsiarovana andro iray efa mihoatra ny 65 taona lasa izao, rehefa nankatò ny didy hiangona miaraka amin’ny fianakaviako sy ireo Olomasina aho.
Maizina sy nangatsiaka tany ivelany tamin’izay. Tadidiko fa nahatsapa hazavana sy hafanana aho tao anatin’ilay trano fiangonana niaraka tamin’ny fianakaviako tamin’izay hariva izay. Nandray ny fanasan’ny Tompo, izay nokarakarain’ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna izahay ary nanao fanekempihavanana tamin’ny Raintsika any an-danitra ny hahatsiaro mandrakariva ny Zanany sy hitandrina ny didiny.
Nihira ny “Demeure auprès de moi, Seigneur” izahay tamin’ny faran’ilay fivoriana niaraka tamin’ilay toniny tao anatiny manao hoe: “Seigneur, reste avec moi ce soir.”3
Nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fanakaikezany ahy kokoa aho tamin’izay hariva izay. Ary nahatsapa ny fampiononan’ny Fanahy Masina aho.
Te handrehitra indray ireo fahatsapana ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fanakaikezany izay tsapako nandritra izany fivoriana fanasan’ny Tompo tamin’ny fahatanorako izany aho. Koa nankatò didy iray hafa aho vao haingana izay. Nandinika ny soratra masina aho. Tao anatin’izany dia nahafantatra aho fa afaka ny hiverina hanana ny Fanahy Masina indray aho hamela ahy hahatsapa ny tsapan’ireo mpianatry ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty rehefa nanaiky ny fanasan’izy ireo handeha any an-tranony sy hitoetra hiaraka amin’izy ireo Izy.
Namaky ny momba ny andro fahatelo taorian’ny Fanomboana sy fandevenana Azy aho. Nisy vehivavy nahatoky sy olona hafa nahita ny vato nakodiadia lavitra ny fasana ary nijery fa tsy tao ny vatany. Tonga hanosotra menaka ny vatany izy ireo noho ny fitiavany Azy.
Nisy anjely roa nijoro teo akaiky teo ka nanontany ny antony nampatahotra azy ireo, nilaza hoe:
“Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona?
“Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia,
“Hoe, Ny Zanak’ olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota ka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ ny andro fahatelo.”4
Manampy ilay torolalana avy tamin’ny iray amin’ireo anjely ny Filazantsaran’i Marka: “Fa mandehana, lazao amin’ ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo.”5
Nivory tany Jerosalema ireo Apôstôly sy ireo mpianatra. Tahaka ny mety hiseho raha teo isika, dia natahotra izy ireo sy nanontany tena rehefa nifampiresaka momba ny dikan’ny fahafatesana sy ireo tatitra momba ny fitsanganany tamin’ny maty ho azy ireo.
Nandeha an-tongotra avy any Jerosalema tamin’ny lalan’i Emaosy ny anankiroa tamin’ireo mpianatra tamin’izay tolakandro izay. Niseho teo amin’ilay lalana i Kristy nitsangana tamin’ny maty ary nandeha niaraka tamin’izy ireo. Nanatona azy ireo ilay Tompo.
Mamela antsika handeha hiaraka amin’izy ireo ny bokin’i Lioka:
“Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.
“Nefa ny mason’ ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.
“Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
“Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin’ izao andro izao?”6
Niteny Azy momba ny alahelony izy ireo fa maty i Jesoa rehefa nahatoky izy ireo fa Izy no ho ilay Mpanavotra an’i Isiraely.
Tsy maintsy nisy fanehoam-pitiavana ny feon’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty rehefa niresaka tamin’ireto mpianatra nalahelo sy nidonam-pahoriana ireto.
“Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ ny mpaminany.
“Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin’ ny voninahiny?
“Dia nanomboka hatramin’ i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ ny Soratra Masina rehetra.”7
Dia tonga ny fotoana iray izay nanohina ny foko hatramin’ny naha zazalahy kely ahy:
“Ary efa mby teo akaikin’ ny vohitra izay efa halehan’ izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa.
“Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy.”8
Nanaiky ny fanasan’izy ireo hiditra ny tranon’ireo Mpianany teo akaikin’ny vohitr’i Emaosy ny Mpamonjy tamin’izay alina izay.
Nipetraka niara-nisakafo tamin’izy ireo Izy. Nandray mofo Izy, nitahy izany, namaky izany, ary nanome izany azy ireo. Nahiratra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy. Dia nanjavona tsy hitan’izy ireo Izy. Noraketin’i Lioka ho antsika ireo zavatra tsapan’ireo mpianatra voatahy ireo: “Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?”9
Nihazakazaka niverina tany Jerosalema ireo mpianatra anankiroa tamin’izany ora izany ihany hilaza amin’ireo Apôstôly iraika ambin’ny folo ny zava-nitranga tamin’izy ireo. Niseho indray ny Mpamonjy tamin’izay fotoana izay.
Naveriny indray ireo faminaniana mikasika ny asany nanirahana Azy mba hanonitra ny fahotan’ny zanaky ny Rainy rehetra sy hanapaka ny famatoran’ny fahafatesana.
“Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ ny maty amin’ ny andro fahatelo;
‘Ary mba hotorina amin’ ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.
“Ary hianareo no vavolombelon’ izany.”10
Marina na ho antsika na ho an’ireo mpianany tamin’izany ny tenin’ny Mpamonjy. Vavolombelon’izany isika. Ary nazavain’ny mpaminany Almà an-jato taona maro lasa izay teo amin’ny ranon’i Môrmôna ny antso feno voninahitra nekentsika rehefa natao batisa tato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany isika:
“Ary ny zava-nitranga dia hoy izy taminy: Indro, inty no ranon’i Môrmôna (fa izany no niantsoana azy) ary ankehitriny, satria maniry ianareo ny ho tonga ao amin’ny valan’Andriamanitra sy hantsoina hoe vahoakany ary te hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany;
“Eny, ary te hiara-malahelo amin’izay malahelo; eny, ary hampionona ireo izay mila fampiononana sy hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra izay mety hisy anareo, na dia hatramin’ny fahafatesana aza, mba hahatonga anareo ho voaisa miaraka amin’ireo ao amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany, ka hahazoanareo ny fiainana mandrakizay—
“Ankehitriny, lazaiko aminareo, raha izany no fanirian’ny fonareo, inona no misakana ny tsy hanaovana batisa anareo amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona eo anoloany fa efa nanao fanekempihavanana Taminy ianareo, fa hanompo Azy sy hitandrina ny didiny mba hahazoany mampidina bebe kokoa ny Fanahiny aminareo?
“Ary ankehitriny, nony efa nandre izany teny izany ny vahoaka dia niteha-tanana noho ny fifaliana ary niantso hoe: Izany no fanirian’ny fonay.”11
Eo ambanin’ilay fanekempihavanana mba hanampy ireo sahirana sy mba ho vavolombelon’ny Mpamonjy isika mandra-pahafatintsika.
Tsy ho afaka ny hanao izany am-pahombiazana isika raha tsy rehefa mahatsapa fitiavana ho an’ny Mpamonjy sy ny fitiavany antsika. Rehefa mahatoky amin’ireo fampanantenana nataontsika isika, dia hahatsapa fa mitombo ny fitiavantsika Azy. Hitombo izany satria tsapantsika ny heriny sy ny fanakaikezany antsika ao amin’ny fanompoantsika Azy.
Nampahatsiahy matetika antsika ny fampanantenan’ny Tompo ho an’ireo mpianany mahatoky ny Filoha Monson: “Ary na zovy na zovy no mandray anareo, dia ho eo koa Aho, fa Izaho handeha eo anoloanareo. Ho eo ankavananareo sy ho eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo.”12
Misy fomba iray hafa nahatsapako sy nahatsapanao Azy nihananakaiky antsika. Manakaiky an’ireo izay tiantsika ao amin’ny fianakaviantsika Izy rehefa manompo am-pahazotoana Azy isika. Isaky ny nantsoina hifindra na handao ny fianakaviako aho tao anatin’ny fanompoana ny Tompo, dia nanjary hitako fa nitahy ny vady aman-janako ny Tompo. Nanomana mpanompony tia sy fahafahana hampanatona ny fianakaviako Azy Izy.
Nahatsapa fitahiana toy izany ianareo teo amin’ny fiainanareo. Maro aminareo no manana olon-tiana izay diso lalana fa tsy eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Manontany tena ianareo hoe inona no zavatra azonareo atao mba hitondrana azy ireo hiverina indray. Afaka miankina amin’ny Tompo ianareo hanakaikezana azy ireny rehefa manompo Azy amim-pinoana.
Tadidinareo ny fampanantenan’ny Tompo tamin’i Joseph Smith sy Sidney Rigdon rehefa lavitra ireo fianakaviany izy ireo teo am-panompoana Azy: “Ry Sidney sy Joseph; salama tsara ny ankohonanareo; eo an-tanako izy ireo ary hataoko aminy izay heveriko ho tsara; fa ato Amiko ny hery rehetra.”13
Tahaka an’i Almà sy ny Mpanjaka Môsià, dia misy ireo ray aman-dreny mahatoky izay nanompo tsara ny Tompo hatry ny ela no manana zanaka izay diso lalana na dia eo aza ny fahafoizan-tena atolotr’ireo ray aman-dreniny ho an’ny Tompo. Nanao izay vitany izy ireny nefa toa tsy nisy vokany mivaingana, na dia niaraka tamin’ny fanampiana avy tamin’ny olona be fitiavana sy mahatoky mihitsy aza izany.
Nivavaka ho an’ny zanany sy ny zanak’i Môsià i Almà, dia nisy anjely tonga. Hitondra ny mpanompon’ny Tompo hanampy ny olona ao amin’ny fianakavianao ireo vavakao sy ny vavak’ireo izay mampiasa finoana. Hanampy azy ireo hisafidy ny lalana mody any amin’Andriamanitra izy ireo, na dia rehefa enjehin’i Satana sy ny mpanara-dia azy, izay ny handrava ny fianakaviana eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay no tanjon’izy ireo.
Tadidinareo ireo teny nolazain’ilay anjely tamin’i Almà zanany sy ny zanak’i Môsià tao anatin’ny fikomian’izy ireo: “Ary hoy indray ilay anjely: Indro, ny Tompo dia efa nandre ny fivavaky ny olony ary koa ny fivavak’i Almà mpanompony izy rainao; efa nivavaka tamim-pinoana be momba anao izy hahazoana mitondra anao mankamin’ny fahalalana ny marina; koa noho izany antony izany no efa nahatongavako mba handresy lahatra anao ny amin’ny hery sy fahefan’Andriamanitra, hahazoana mamaly ny fivavaky ny mpanompony arakaraka ny finoany.”14
Tsy hoe hahazo ny fitahiana rehetra izay mety irianareo ho an’ny tenanareo sy ny fianakavianareo ny fampanantenako ho anareo izay mivavaka sy manompo ny Tompo. Fa afaka mampanantena anareo aho fa hanakaiky anareo sy hanome anareo sy ny fianakavianareo ny tsara indrindra ny Mpamonjy. Hanana ny fampiononan’ny fitiavany ianareo ary hahatsapa ny fanakaikezany anareo ho valin’ny vavaka nataonareo rehefa maninjitra ny sandrinareo amin’ny fanompoana ny hafa ianareo. Rehefa manakatona ny ferin’ireo sahirana sy manolotra ny fanadiovan’ny Sorompanavotany ho an’ireo malahelo ao amin’ny fahotana ianareo, dia hanohana anareo ny herin’ny Tompo. Miara-mihinjitra amin’ny sandrinareo ny sandriny hanampiana sy hitahiana ny zanaky ny Raintsika any an-danitra, sy ireo ao amin’ny fianakavianareo.
Misy fitsenana manetriketrika nomanina ho antsika. Dia hahita ny fahatontosan’ilay fampanantenan’ny Tompo tiantsika isika. Izy no hitsena antsika ao amin’ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy sy ny Raintsika any an-danitra. Namaritra izany tamin’izao fomba izao i Jesoa Kristy:
“Katsaho ny hampiroborobo sy ny hampiorina an’i Zionako. Tandremo ny didiko amin’ny zavatra rehetra.
“Ary raha mitandrina ny didiko ianao ary maharitra hatramin’ny farany, dia ho azonao ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’Andriamanitra rehetra.”15
“Fa ireo izay velona dia handova ny tany, ary ireo izay maty dia hikatsaka amin’ny asany rehetra, ary ny asany hanaraka azy; ary horaisiny ny satro-boninahitra ao amin’ny fitoeran’ny Raiko, izay efa nomaniko ho azy.”16
Mijoro ho vavolombelona aho fa afaka manaraka ny fanasan’ny Raintsika any an-danitra hoe: “Inty no Zanako Malalako. Henoy Izy!”17 amin’ny alalan’ny Fanahy isika.
Nampiseho antsika ny fomba hanakaikezana Azy i Kristy tamin’ny alalan’ny teniny sy ny ohatra nomeny. Ny tsirairay amin’ny zanak’Andriamanitra izay nisafidy ny hiditra teo amin’ny vavahadin’ny batisa ho ato amin’ny Fiangonany dia hanana fahafahana eto amin’ity fiainana ity hahazo fampianarana momba ny filazantsarany sy haheno avy amin’ireo mpanompo nantsoiny ilay fanasany hoe: “Mankanesa atỳ amiko.”18
Ny mpanompony vita fanekempihavanana tsirairay ao anatin’ny fanjakany eto an-tany, sy any amin’ny tontolon’ny fanahy, dia hahazo fitarihana avy amin’ny Fanahy rehefa mitahy sy manompo ny hafa ho Azy izy ireo. Ary hahatsapa ny fitiavany sy hahita fifaliana amin’ny fanakaikezany Azy.
Izaho dia tena vavolombelon’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty toy ireny hoe teo aho tamin’ilay hariva niaraka tamin’ireo mpianatra roa tao amin’ilay trano teo amin’ny lalan’i Emaosy. Fantatro fa velona Izy tahaka ny nahafantaran’i Joseph Smith izany rehefa nahita ny Ray sy ny Zanaka tao anatin’ilay hazavana niseho tao anatin’ny maraina namirapiratra iray tao amin’ny ala kely iray tao Palmyra izy.
Ity no Fiangonana marina an’i Jesoa Kristy. Ao anatin’ny fanalahidin’ny fisoronana hazonin’ny Filoha Thomas S. Monson ihany no misy ny fahefana mba hahafahantsika ho voafehy amin’ny fianakaviana mba hiaina mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any an-danitra sy ny Tompo Jesoa Kristy. Hijoro eo anoloan’ny Mpamonjy hanatrika Azy isika amin’ny andro fitsarana. Ho an’ireo izay nanakaiky Azy tamin’ny fanompoana Azy teto amin’ity fiainana ity izany. Ho fifaliana ny hihaino ny teny hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky.”19 Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny maha vavolombelon’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika nitsangana tamin’ny maty ahy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.