Avia Fa Ho Hitanareo
Hatrizay ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia fiangonana mitory ny filazantsara ary ho toy izany foana rahatrizay.
Miantefa manokana amin’ireo olona tsirairay izay tsy mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny hafatro. Hiresaka momba ny fanontaniana iray tena manan-danja aho, izay mety manitikitika ny ankamaroanareo: “Nahoana ireo Olomasin’ny Andro Farany no feno fahazotoana hiresaka amiko momba ny zavatra inoany sy hanasa ahy hianatra ny momba ny fiangonan’izy ireo?”
Mivavaka aho mba hanampy ahy ny Fanahy Masina hampita amim-pahombiazana ny hafatro ary hanampy anareo koa hahatakatra mazava tsara ny valinteny entiko ho an’izany fanontaniana lehibe izany.
Fanendrena avy amin’Andriamanitra
Hatrizay ireo mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanolorantena dia misiônera mazoto hatrany ary ho toy izany foana rahatrizay. Ny misiônera dia mpanaradia an’i Kristy izay mijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-Mpanavotra Azy sy manambara ireo fahamarinan’ny Filazantsarany.
Hatrizay ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia fiangonana mitory ny filazantsara ary ho toy izany foana rahatrizay. Ireo mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy dia nanaiky ilay andraikitra sarobidy hanampy amin’ny fanatanterahana ilay fanendrena avy amin’Andriamanitra nomen’ny Tompo ireo Apôstôliny, araka ny voasoratra ao amin’ny Testamenta Vaovao:
“Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina:
“Sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Amena” (Matio 28:19–20).
Manan-danja lehibe ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany io andraikitra io, dia ny hampianatra ny olona rehetra any amin’ny firenena rehetra momba an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Mino izahay fa ilay Fiangonana naorin’ny Mpamonjy taloha dia naveriny indray ety an-tany amin’ny andro farany. Ny fotopampianarana, sy ireo fitsipika, sy ny fahefan’ny fisoronana, sy ireo ôrdônansy ary ireo fanekempihavanan’ny Filazantsarany dia misy ao amin’ny Fiangonany ankehitriny.
Rehefa manasa anareo izahay handeha hiangona miaraka aminay na hianatra amin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno, dia tsy miezaka mivarotra entana amidy aminareo akory no ataonay. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anay, dia tsy mahazo loka tsy akory izahay na mahazo salanisa tombony ho anay ao anaty fifaninanana masina. Tsy hoe mikatsaka fotsiny ny hampitombo ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana izahay. Ary ny zava-dehibe indrindra dia tsy miezaka manery anareo hino izay zavatra inoanay izahay. Manasa anareo izahay handre ireo fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny mba hahafahanareo mandalina, sy misaintsaina, sy mivavaka, ary mahafantatra ho anareo manokana raha toa ka marina ireo zavatra zarainay aminareo.
Mety hamaly ny sasany aminareo hoe: “Efa mino an’i Jesoa sy manaraka ny fampianarany aho,” na “Tsy azoko antoka hoe tena misy Andriamanitra.” Ny fanasanay anareo dia tsy fikasana hanamaivana ny fomba fivavahanareo hatrizay sy ny zavatra efa niainanareo. Hazòny izay rehetra fantatrareo fa marina, sy tsara ary mendri-piderana—ary andramo ny hafatra entinay. Tahaka ny nitaoman’i Jesoa ireo mpianany roa hoe “avia fa ho hitanareo” (Jaona 1:39), no hamporisihanay anareo koa ho avy ka hahita raha toa ka manampy sy mampitombo izay efa inoanareo ho marina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny.
Eny tokoa, mahatsapa ho manana andraikitra goavana izahay ny hitondra ity hafatra ity ho any amin’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra. Ary izany indrindra no ataonay amin’izao fotoana izao miaraka amin’ny andiana misiônera miisa 88.000 mahery izay miasa any amin’ny firenena mahaleo tena mihoatra ny 150 manerana izao tontolo izao. Ireo tovolahy sy tovovavy tena miavaka ireo dia manampy ireo mpikamban’ny Fiangonanay hanatanteraka ilay andraikitra manokana nomen’Andriamanitra izay mipetraka aminay tsirairay dia ny hanambara ilay filazantsara maharitra mandrakizain’i Jesoa Kristy (jereo ny F&F 68:1).
Mihoatra noho ny Adidy Ara-panahy
Ny fahavitrihanay manambara io hafatra io anefa dia tsy noho ny fahatsapanay ny adidy ara-panahy iantsorohanay fotsiny. Fa ny fanirianay hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny aminareo kosa dia taratry ny maha-zava-dehibe an’ireo fahamarinana ireo aminay. Mino aho fa amin’ny alalan’ny fitantarako ny zavatra niainanay sy ny vadiko taona maro lasa izay niaraka tamin’ny roa amin’ireo zanakay lahy dia afaka haneho mazava tsara aho hoe nahoana izahay no tsy mihambahamba rehefa miezaka ny manazava ireo zavatra inoanay aminareo.
Indray takariva izaho sy i Susan dia nitazana avy eo akaikin’ny varavarankely ny roa amin’ireo zanakay lahy izay nilalao teo an-tokontany. Tao anatin’ny filalaovan’izy ireo, dia naratra kely noho ny voina madinika ilay zandriny. Tsy ela dia fantatray fa tsy voa mafy izy, ary nanapa-kevitra izahay ny tsy hanampy avy hatrany. Naniry izahay ny hitazana sy hijery raha nisy latsa-paka ny fifanakalozan-kevitry ny mpianakavy nataonay momba ny fifankatiavan’ny mpirahalahy. Ny zava-nitranga taorian’izay dia sady nahaliana no nitondra fampianarana.
Nanambitamby sy nanao izay rehetra hanampiany ilay zandriny hiditra tao an-trano ilay zoky lahy. Nankeo akaikin’ny lakozia izaho sy i Susan mba hahafahanay mahita ny zavatra nitranga avy teo, ary vonona ny hirotsaka an-tsehatra avy hatrany izahay raha toa nisy fahavoazana ara-batana hafa mety ho nitranga na voina nananontanona.
Nisintona seza ho eo amin’ny fanovozan-drano tao an-dakozia ilay zoky lahy. Niakatra teo ambonin’ilay seza izy, ary nanampy ilay rahalahiny hankeo amin’ilay seza, nalefany ny rano ary norarahany ranon-tsavony fanasana lovia teo amin’ilay sandrin’ny zandriny voakiaka. Nanao izay ho afany izy nanesorana ny loto. Ny hany mahalaza ny fihetsik’ilay zandriny manoloana izany zavatra nataony izany dia ny filazan’ny soratra masina manao hoe: “Ary ireo dia hanana antony hidradradradrana sy hitomaniana ary hitaraindrainana sy hikitroa-nify” (Môsià 16:2). Ary nidradradradra tokoa anie izy e!
Rehefa avy nokosehina ilay sandriny dia nohamainina tsara tamin’ny servieta. Ary nijanona ihany ilay kiakiaka nony farany. Avy eo ilay zokiny dia niakatra teo amin’ny latabatra fiasana ao an-dakozia, ary nanokatra vata kely, ka nahita fanafody mbola vaovao fanosotra amin’ny fery tao anatin’izany. Na dia tsy lehibe na hoe nivelatra aza ny kiaka tamin’ny zandriny, dia saika nataon’ilay zokiny teo amin’ilay sandry naratra avokoa ilay fanafody. Tsy nikiakiaka intsony ilay zandriny satria naleony lavitra ilay fampitoniana nentin’ilay fanafody toy izay ilay fandiovan’ny ranon-tsavony fanasana lovia.
Niverina indray nankeo amin’ilay vata kely nangalany ilay fanafody ilay zokiny ary nahita boaty vaovao feno famehezana ratra. Avy eo dia nosokafany izany ka namonosany ny sandrin’ilay rahalahiny—avy eo amin’ny hatotanana ka hatreo amin’ny kiho. Rehefa vita ny famonjena tamin’ilay voina, sady niparitaka eran’ny lakozia ny roatran-tsavony sy ny fanafody ary ny fitaovana famehezana ratra, dia nitsambikina nidina avy eo amin’ny seza ireo zazalahy roa ary tsiky sy hafaliana no teny amin’ny endriny.
Ny zava-nitranga taorian’izay no tena manan-danja indrindra. Nangonin’ilay zazalahy naratra ny ambin’ireo fitaovana famehezana ratra sy ilay tranom-panafody nisy menaka fanosotra amin’ny fery izay efa ho lany ary nandeha nivoaka ny trano izy. Nitady faingana ireo namany izy ary nanomboka nanisy fanafody sy famehezana ratra teny amin’ny sandrin’izy ireo. Samy talanjona izaho sy i Susan noho ny fahitsiana sy fahazotoana ary fahamailahana teo amin’ny fihetsika nasehony.
Nahoana io zazalahy io no nanao izany? Mba jereo anie fa avy hatrany izy dia naniry ho azy ny hanome ho an’ireo namany ilay zavatra nanampy azy fony izy narary. Tsy nila namporisihana, na notsapaina, na notaomina, na noterena hanao zavatra io zazalahy io. Ny faniriany hizara dia vokatry ny zavatra iray niainany izay nanampy sy nitondra soa ho azy tsotra izao.
Maro amintsika no manana fihetsika mitovy amin’izany amin’ny maha-olon-dehibe antsika rehefa nahita fitsaboana na fanasitranana izay nanamaivana ny aretina nijaliantsika ela isika, na rehefa nahazo torohevitra izay nanampy antsika hiatrika olana tamin-kerimpo sy hiatrika fotoan-tsarotra tamim-paharetana. Tsy mahagaga mihitsy ny mizara amin’ny hafa ireo zavatra izay manan-danja indrindra amintsika na nanampy antsika.
Ny zavatra toy izany dia miharihary indrindra rehefa mahakasika zavatra manan-danja sy vokatra ara-panahy lehibe. Ohatra, misy tantara iray ao amin’ny rakitsoratra masina antsoina hoe ny Bokin’i Môrmôna izay mampianatra momba ny nofy voarain’i Lehia mpaminany sy mpitarika iray fahiny. Ny tena resahina ao amin’ilay nofin’i Lehia dia ny hazon’aina—izay maneho ny “fitiavan’Andriamanitra” izay “mahatsiriritra indrindra amin’ny zava-drehetra” sy “mampiravoravo indrindra ny fanahy” (1 Nefia 11:22–23; jereo koa ny 1 Nefia 8:12, 15).
Nanazava i Lehia hoe:
“Ary ny zava-nitranga, dia nanatona aho ka nihinana tamin’ny voany; ary nahita aho fa tena mamy izany, manoatra noho izay rehetra efa nandramako hatramin’izay. Eny, ary nahita aho fa fotsy ny voany, manoatra noho ny hafotsiana rehetra izay efa hitako hatramin’izay.
“Ary raha nihinana tamin’ny voany aho, dia nofenoiny fifaliana mitafotafo tokoa ny fanahiko; koa manomboka nangetaheta aho ny mba hihinanan’ny ankohonako amin’izany koa” (1 Nefia 8:11–12; nampiana fanamafisana).
Ny asa fanompoana tety an-tany sy ny sorompanavotana ary ny Fitsanganana amin’ny maty notanterahin’i Jesoa Kristy Tompo no fanehoana lehibe indrindra ny fitiavan’Andriamanitra ho an’ireo Zanany. Ilay voa teo amin’ilay hazo dia azo raisina ho toy ny fanehoana ireo fitahiana entin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.
Ny fihetsika nasehon’i Lehia avy hatrany rehefa avy nihinana ilay voan’ny hazo sy nahatsapa fifaliana lehibe izy dia faniriana mivaivay hizara izany tamin’ny fianakaviany sy hanompo azy ireo. Araka izany, rehefa nitodika tany amin’i Kristy izy, dia nitodika tamin’ny hafa ihany koa tamin’ny fitiavana sy ny fanompoana azy ireo.
Misy tranga iray hafa manan-danja ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay maneho ny zavatra nitranga tamin’ny lehilahy iray antsoina hoe Enôsa rehefa nohenoin’Andriamanitra sy novaliny ny vavaka lalina feno fitalahoana izay nataony.
Hoy izy:
“Dia mosarena ny fanahiko; ary nandohalika teo anoloan’ny Mpanao ahy aho ary nitalaho taminy sady nahery nivavaka no nitaraina ho an’ny fanahiko ihany; ary nandritra ny manontolo andro no nitalahoako taminy; eny, ary rehefa tonga ny alina dia mbola nanandratra avo ny feoko aho ka nahatakatra ny lanitra izany.
“Ary nisy feo tonga tamiko, nanao hoe: Ry Enôsa, voavela ny fahotanao ary hotahiana ianao.
“Ary izaho Enôsa dia nahafantatra fa tsy afaka mandainga Andriamanitra; noho izany, dia nofafana ny hadisoako.
“Ary hoy aho: Ahoana no mahatò izany, Tompo ô?
“Ary hoy Izy tamiko: Noho ny finoanao an’i Kristy izay tsy mbola henonao na hitanao na oviana na oviana … Koa mandehana, ny finoanao no efa namonjy anao.
“Ankehitriny, ny zava-nitranga, nony efa nandre ireo teny ireo aho, dia nanomboka nahatsapa faniriana ho an’ny fiadanan’ny Nefita rahalahiko; koa, ho azy no namborahiko tamin’Andriamanitra ny tao am-poko manontolo” (Enôsa 1:4–9; nampiana fanamafisana).
Rehefa nitodika tany amin’ny Tompo i Enôsa “[t]amin’ny finiavan’ny fon[y] manontolo” (2 Nefia 31:13), dia nitombo niaraka tamin’izay ny fieritreretany ny amin’izay hahasoa ny fianakaviany, sy ireo namany ary ireo akaiky azy.
Ny lesona mitoetra foana azo tsoahina avy amin’ireo tantara roa ireo dia ny maha-zava-dehibe ny miaina eo amin’ny fiainanay manokana ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy alohan’ny hanaovanay fanompoana tena marina sy amin-kitsimpo izay mihoatra lavitra noho ny “manao zavatra noho ny fahazarana fa tsy vokatry ny fo.” Tsisy hafa amin’i Lehia sy i Enôsa ary ilay zazalahy notantaraiko, izahay mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia nahatsapa fangirifiriana miaraka amin’ny fisalasalana ara-panahy sy fahotana. Izahay koa dia nahatsapa ny fanadiovana, ny filaminan’ny feon’ny fieriteretana, ny fanasitranana sy fihavaozana ara-panahy ary ny fitarihana izay tsy azo raha tsy amin’ny fianarana sy fiainana ireo fitsipiky ny filazantsaran’ny Mpamonjy.
Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manome ny hery fandiovana izay ilaina mba ho lasa tsisy pentina sy madio, ny hery fanasitranana mba hanasitrana ireo ratra ara-panahy sy hanaisotra ny fahamelohana, ary ny fiarovana izay mahatonga antsika ho mahatoky na sarotra na tsia ny fotoana lalovana.
Misy ireo Fahamarinana Tsy Iadian-kevitra
Ho anareo havana na namana izay tsy mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia niezaka aho ny nanazava ireo antony fototra mahatonga anay ho misiônera.
Misy ireo fahamarinana tsy iadian-kevitra eto amin’izao tontolo izao na dia hamaivanina sy ailika aza izy ireny. Any aoriana any dia, “[handohalika] ny lohalika rehetra” ary “[hanaiky] ny lela rehetra fa Jesoa Kristy no Tompo, ho voninahitr’Andriamanitra Ray” (Filipiana 2:10–11). Tena tsy iadian-kevitra fa i Jesoa Kristy no Zanaka Lahitokan’Ilay Ray Mandrakizay. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonany anay, dia mijoro ho vavolombelona izahay fa velona Izy ary naverina tamin’ny laoniny amin’ny fahafenoany ny Fiangonany amin’izao andro farany izao.
Ny fanasana ataonay aminareo mba hianatra sy hitsapa ny hafatra zarainay dia vokatr’ireo zava-tsoa nentin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainanay. Indraindray izahay mety mitavozavoza na mivantambantana na mikiry mafy mihitsy aza amin’ny fanaovana izany. Ny hany fanirianay dia ny hizara aminareo ireo fahamarinana izay sarobidy tokoa aminay.
Amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo ahy, ary amin’ny herin’ny fanahiko manontolo, dia mijoro ho vavolombelona aho fa Andriamanitra Izy ary tena misy. Ary manasa anareo aho mba “ho avy sy hahita” (Jaona 1:39), amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.