2010–2019
Ray aman-dreny: Mpampianatra Voalohany ny Filazantsara ho an’ny Zanany
Okt 2014


9:39

Ray aman-dreny: Mpampianatra Voalohany ny Filazantsara ho an’ny Zanany

Raha ny marina dia ny tokantrano no toerana tsara indrindra hampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Izao no nolazain’i Ben Carson mahakasika azy hoe: “Izaho no tsy nahay indrindra tamin’ireo mpianatra tao amin’ny kilasy fahadimy.” Nanao fitsapam-pahaizana momba ny matematika izay nahitana lazaolana miisa 30 i Ben indray andro. Notsarain’ilay mpianatra nipetraka tao aoriany izany dia naveriny avy eo. Nanomboka niantso ny anaran’ny mpianatra tsirairay ilay mpampianatra, Ramatoa Williamson, mba hahalalany ny naoty azon’ny tsirairay. Nony farany dia tonga teo amin’i Ben ny fanontaniany. Noho ny fahamenarany dia niteny moramora kely izy mba tsy hahenoana tsara ny valiny. Noheverin-dRamatoa Williamson fa niteny hoe “9” i Ben ka dia namaly izy hoe fivoarana tsara no nataon’i Ben raha toa ka 9 amin’ny 30 ny naotiny. Ka dia nihiakiaka ilay mpianatra tao aorian’ny Ben hoe: “Tsy sivy izany! … Tsy nisy … marina ny zavatra nataony.” Nilaza i Ben fa nisitrika tany ambanin’ny tany izy raha azony natao.

I Sonya renin’i Ben koa anefa tamin’izay fotoana izay dia nanana ny olany manokana. Efatra amby roapolo izy mpiray tampo, ary teo amin’ny kilasy fahatelo izy no nijanona nianatra ka tsy nahay namaky teny. Nanambady izy rehefa 13 taona, dia nisara-panambadiana taty aoriana ary nanan-janaka roalahy izay notaizany tany amin’ny fari-toerana tsy milamina sy sahirana tany Détroit. Na dia izany aza dia tena nahay nizaka tena izy ary nanana finoana mafy orina fa hampian’Andriamanitra izy sy ireo zanany lahy raha toa ka manao ny anjarany izy ireo.

Indray andro dia nisy toe-javatra nitranga izay nitondra fiovana teo amin’ny fiainan’izy sy ny zanany. Tonga saina izy fa nanana tranomboky ireo olona tafita izay niasany amin’ny maha-mpanadio trano azy—namaky boky izy ireo. Rehefa avy niasa izy dia nody tany an-trano ary namono ilay fahitalavitra nojeren’i Ben sy ny rahalahiny. Izao no nolazainy raha tsorina: Mijery fahitalavitra be loatra ianareo roalahy. Manomboka izao dia fandaharana telo ihany no azonareo jerena ao anatin’ny herinandro. Mandeha mankany amin’ny tranomboky ianareo amin’iny fotoana mampalalaka anareo iny—mamakia boky roa isan-kerinandro dia omeo tatitra aho.

Nivarahontsana izy roalahy. Nilaza i Ben fa tsy mbola namaky boky velively izy teo amin’ny fiainana iray manontolo raha tsy hoe nangatahina hanao izany tany am-pianarana. Nanohitra izany sy nimenomenona izy ireo ary nila ady saingy tsy nisy vokany izany. Dia nieritreritra i Ben hoe: “Napetrany mazava tsara ny fitsipika. Tsy tiako ilay izy saingy nanova ny lalam-piainako ny finiavany te hahita anay hivoatra.”

Dia niteraka fiovana lehibe tokoa izany. Lasa voalohany tao amin’ny kilasiny izy tany amin’ny kilasy fahafito. Nanohy fianarana tao amin’ny Oniversite Yale izy rehefa nahazo vatsim-pianarana, avy eo izy dia nianatra tao amin’ny sekoly fianarana ho mpitsabo Johns Hopkins, ary tao izy, nony 33 taona, no lasa lehiben’ny neurochirurgie pédiatrique sy mpandidy malaza eran-tany. Ahoana no nahatanterahan’izany? Ny antony lehibe indrindra dia noho ny renim-pianakaviana iray izay nilofo tamin’ilay antsony amin’ny maha-ray aman-dreny azy na dia tsy nanan-karena teo amin’ny fiainana aza.

Miresaka momba ny andraikitry ny ray aman-dreny ny soratra masina—hoe andraikitr’izy ireo ny mampianatra ny zanany ny “fotopampianarana momba ny fibebahana, ny finoana an’i Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona, ary momba ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina,” (F&F 68:25).

Amin’ny maha-ray aman-dreny antsika dia isika no tokony ho mpampianatra voalohany ny filazantsara ho an’ny zanatsika sy ho ohatra ho azy ireo—tsy ny eveka na ny ao amin’ny Sekoly Alahady, na ny ao amin’ny Zatovovavy, na ny Zatovolahy, fa ireo ray aman-dreny. Amin’ny maha-tompon’andraikitra antsika voalohany amin’ny fampianarana azy ireo dia azontsika ampianarina azy ireo ny herin’ny Sorompanavotana sy ny tena fisiany marina—ny mikasika ny hoe iza marina izy ireo ary inona ilay hoavy araka an’Andriamanita miandry azy—ary rehefa manao izany isika dia manome fototra mafy mba hiorenan’izy ireo. Raha ny marina dia ny tokantrano no toerana tsara indrindra hampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Nirahina handeha ho any Beyrouth, Liban aho herintaona lasa izay. Rehefa tonga tany aho dia nahafantatra ny momba ny ankizivavy iray 12 taona nantsoina hoe Sarah. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny ray aman-dreniny sy ny zokiny anankiroa fony izy ireo tany Roumanie saingy voatery niverina ho any an-tanindrazany izy ireo raha mbola 7 taona monja i Sarah. Tsy nisy Fiangonana, na vondrona natsangana, na Sekoly Alahady, na fandaharan’asan’ny Zatovovavy tany an-tanindrazany. Dimy taona taty aoriana dia naheno ny fisian’ny sampana iray tany Beyrouth ity fianakaviana ity ary taloha kelin’ny nahatongavako dia nalefan’izy ireo tany i Sarah izay 12 taona niaraka tamin’ireo zokiny mba hatao batisa. Nanao fampaherezam-panahy momba ny drafitry ny famonjena aho rehefa tonga tany. Nanangan-tanana matetika i Sarah mba hamaly ireo fanontaniana.

Taorian’ny fivoriana aho rehefa nahafantatra fa zara raha nifandray tamin’ny Fiangonana izy dia nanatona azy aho ary nanontany hoe: “Ahoana ry Sarah no nahafantaranao ny valin’ireny fanontaniana rehetra ireny?” Tonga izy dia namaly hoe, “Ny reniko no nampianatra ahy.” Tsy nisy Fiangonana tany amin’ny toerana nipetrahan’izy ireo saingy nanana ny filazantsara tao an-tranony izy ireo. Ny reniny no mpampianatra voalohany ny filazantsara ho azy.

I Enôsa no nilaza hoe: “Ny teny izay efa reko matetika notenenin-draiko momba ny fiainana mandrakizay sy ny fifalian’ny olomasina dia tafalatsaka lalina tato am-poko” (Enôsa 1:3). Mazava be hoe iza no mpampianatra voalohany ny filazantsara ho an’i Enôsa.

Tsaroako ny raiko nitsotsotra teo akaikin’ny cheminée sady namaky soratra masina sy boky mahasoa hafa, dia mba nitsotsotra teo akaikiny koa aho. Tsaroako ireo karatra kely notehiriziny tao am-paosin’ny lobany izay nahitana teny avy ao amin’ny soratra masina sy teny nolazain’i Shakespeare ary teny vaovao hafa izay nataony tsianjery ary nohalalininy. Tsaroako ireo fanontaniana sy fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara natao teo ambony latabatra nandritra ny sakafo hariva. Tsaroako ireo fotoana maro nitondran’ny raiko ahy hamangy be antitra—ny fijanonanay hividy gilasy ho an’ny anakiray na akoho atao sakafo hariva ho an’ny iray hafa na ny fandraisany tanan’olona iray hanao veloma sady manisika vola kely. Tsaroako ilay fahatsapana zavatra tsara sy ny faniriana mba ho toa azy.

Tsaroako ny reniko tamin’izy 90 taona teo ho eo izay nahandro sakafo tao amin’ilay lakozian’ny trano iombonany amin’olon-kafa, dia avy eo izy nivoaka niaraka tamin’ny vilia fisaka lehibe nisy sakafo. Nanontaniako azy izay halehany, dia novaliany hoe: “Handeha hanatitra sakafo kely ho an’ny be antitra aho.” Dia hoy aho tao an-tsaiko hoe: “Mama a! Ianao anie no be antitra e!” Ho feno fankasitrahana foana ny ray aman-dreniko aho noho izy ireo mpampianatra voalohany ny filazantsara ho ahy.

Ny iray amin’ireo zavatra manan-danja indrindra azontsika atao ho an’ny zanatsika dia ny mampianatra azy ireo ny herin’ny vavaka fa tsy ny fahazarana mivavaka fotsiny. Fony aho 17 taona teo ho eo, dia nandohalika teo akaikin’ny fandriako aho mba hanao ny vavaka hariva. Hay! ny reniko nijoro teo am-baravarana fa tsy hitako. Rehefa nahavita ilay vavaka aho dia hoy izy hoe: “Mba mangataka ny Tompo hanampy anao hahita vady tsara ve ianao ry Tad?”

Tena nanaitra ahy ilay fanontaniany. Izany no zavatra faran’izay lavitry ny saiko indrindra. Ny basket sy ny fianarana no tao an-tsaiko. Ka dia namaly aho hoe, “Tsia,” izay novaliany hoe, “Tokony hanao izany ianao anaka; izany no fahapahan-kevitra lehibe indrindra horaisinao. Tafalatsaka lalina tao am-poko ireo teny ireo, ka noho izany aho, nanditra ny enin-taona manaraka, dia nivavaka mba hanampian’Andriamanitra ahy hahita vady tsara. Ary eny, tena novaliany tokoa moa izany vavaka izany.

Amin’ny maha-ray aman-dreny antsika dia afaka mampianatra ny zanatsika isika mba hivavaka momba ireo zavatra hisy vokany maharitra mandrakizay—hivavaka mba hanana hery ho madio ara-pitondrantena ao anatin’ity izao tontolo izao izay feno zava-tsarotra ity, ary mba hankato sy ho sahy hijoro amin’ny fahamarinana.

Tsy hisalasalana fa manao vavaka hariva ny ankamaroan’ny tanorantsika, saingy mety maro amin’izy ireo no sahirana amin’ny fizarana manao vavaky ny tena manokana isa-maraina. Afaka manitsy izany isika amin’ny maha-ray aman-dreny mpampianatra voalohany ny filazantsara ho azy ireo. Ray aman-dreny iza moa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no mba namela fotsiny ny zanany handeha any amin’ny vavan’ny ady tsy misy saron-tratra sy ampinga ary sabatra mba hiarovana azy ireo amin’ny fanafihana mety tena hahafaty hataon’ny fahavalo? Kanefa firy amintsika no mamela ny zanatsika hivoaka ny trano isa-maraina handeha any amin’ireo sahan’ady mampidi-doza indrindra, hiatrika an’i Satana sy ireo fakam-panahiny tsy tambo isaina nefa tsy manao ireo saron-tratra sy ampinga ary sabatra ara-panahy izay azo avy amin’ilay hery miaro entin’ny vavaka? Hoy ny Tompo hoe: “Mivavaha mandrakariva, … mba hahazoanao mandresy an’i Satana” (F&F 10:5). Afaka manampy ny zanatsika isika amin’ny maha-ray aman-dreny antsika hampifaka ao anatiny ny fahazarana manao vavaka maraina sy ny hery entin’izany.

Afaka manampy ny zanatsika koa isika hampiasa ny fotoany amim-pahendrena. Ilaintsika indraindray, tahaka an’i Sonya Carson, ny mandray fanapahan-kevitra amim-pitiavana nefa hentitra mba hametra ny fotoana hijeren’ny zanatsika ny fahitalavitra sy hampiasany ireo fitaovana elekitrônika hafa, izay matetika no mandany ny ankamaroan’ny fotoan’izy ireo. Mety ilaintsika kosa anefa ny mampifantoka indray ny fotoan’izy ireo amin’ny zavatra mahasoa kokoa miompana amin’ny filazantsara. Mety hisy ny fanoherana sy fimenomenonana amin’ny voalohany, saingy mila manana fijery lavitra isika sy fahavononana hanohy izany hatrany, tahaka an’i Sonya Carson. Hahatakatra sy hankasitraka ny zavatra nataontsika ny zanatsika indray andro any. Raha tsy hanao izany isika dia iza moa no hanao azy eo?

Mety manontany tena isika rehetra hoe: Moa ve ny zanatsika mahazo ny fanampiana tsara indrindra ara-panahy sy ara-pahalalana ary ara-pamoronana avy amintsika sa ny ambinkambin’ny fotoantsika sy ny talentantsika no atolotsika azy ireo rehefa natolotsika ho an’ny antsontsika aty am-piangonana sy ny asa fivelomantsika ny ankamaroan’ny herintsika? Tsy haiko raha haharitra any amin’ny fiainana ho avy izany antso hoe eveka na filohan’ny Fikambanana Ifanampiana izany, fa ny fantatro dia hipetraka sy ho hajaina foana any amin’ny tontolo tsisy fiafarana ilay anarana entina hoe vady, ary ray sy reny. Izany no antony iray maha-zava-dehibe tokoa ny fanajana ny andraikitsika amin’ny maha-ray aman-dreny eto an-tany mba hahafahantsika hiomana hiatrika adidy lehibe kokoa nefa mitovy ihany any amin’ny fiainana ho avy.

Amin’ny maha-ray aman-dreny antsika dia afaka manohy ny ezaka isika miaraka amin’ny fahatokiana fa tsy hamela antsika ho irery velively Andriamanitra. Tsy manome andraikitra ho antsika velively Andriamanitra raha tsy manolotra fanampiana avy an-danitra—azoko ijoroana ho vavolombelona izany. Enga anie isika eo amin’ilay anjara asantsika masina amin’ny maha-ray aman-dreny antsika sy mpiara-miasa amin’Andriamanitra mba ho lasa mpampianatra voalohany ny filazantsara ho an’ny zanatsika sy ho ohatra ho azy ireo. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Ben Carson, Gifted Hands: The Ben Carson Story (1990).