Manavotra ao anatin’ny Firaisankina
Mba hanampiana ny Mpamonjy dia mila miara-miasa ao anatin’ny firaisankina sy filaminana isika. Manan-danja ny olona rehetra sy ny toerana iandraiketana rehetra ary ny antso rehetra.
Matetika isika no maheno ny Filoha Thomas S. Monson miteny hoe: “Mandehana manavotra” Tonga ato an-tsaiko ny tantara iray ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ohatra tsara indrindra amin’ny fomba ahafahan’ny mpikambana sy ny misiônera miara-miasa ao anatin’ny firaisankina izany amin’ny alalan’ireo filankevitry ny paroasy mba handeha ka hanavotra. Hita ao amin’ny Marka 2:1–5 ilay tantara. Hitako fa tena mitaona fanahy sy mora takarina foana ireo zavatra niainana nampiasain’i Jesoa mba hampianarana antsika fotopampianarana sy fitsipika sasantsasany.
Anisan’ireo olona ao amin’ity tantara ity ny lehilahy iray mararin’ny paralysisa, olona tsy afaka nihetsika raha tsy nisy mpanampy. Tsy nahavita afa-tsy ny mijanona ao an-trano izy, miandry olona hanavotra.
Amin’izao androntsika izao dia mety ho toy izao no fitrangan’izany. Olona efatra no nanatanteraka asa nampandraiketin’ny evekany azy mba hamangy lehilahy iray izay voan’ny paralysisa any an-tranony. Azoko sary an-tsaina ny iray amin’izy ireo avy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, ny iray avy ao amin’ny kôlejin’ny loholona, ny iray avy ao amin’ny Fisoronana Aharôna, ary ny iray farany fa tsy ny kely indrindra, misiônera amin’ny fotoana feno. Nandritra ny filankevitry ny paroasy farany indrindra, rehefa avy nifanakalo hevitra momba ny zavatra ilaina tao amin’ny paroasy izy ireo dia nampiandraikitra asa “fanavotana” ny eveka. Nasaina hanampy ity lehilahy mararin’ny paralysisa ity ireto olona efatra ireto. Tsy afaka niandry azy ho tonga irery any am-piangonana izy ireo. Nila nandeha nankany an-tranony izy ireo hamangy azy. Nila nitady azy izy ireo, ka dia nandeha. Nentina ho eo amin’i Jesoa ilay lehilahy.
“Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin’ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain’efa-dahy” (Marka 2:3).
Hipoka anefa ilay efitrano. Tsy afaka niditra tao avy teo am-baravarana izy ireo. Azoko antoka fa nanandrana izay rehetra tonga tao an-tsainy izy ireo, saingy tsy tafiditra tsotra izao. Tsy nizotra mora foana araka ny neritreretin’izy ireo ny fandehan-javatra. Nisy vato misakana teny amin’ny lalan’izy ireo handeha “hanavotra.” Saingy tsy nilavo lefona izy ireo. Tsy navelan’izy ireo teo am-baravarana ilay lehilahy mararin’ny paralysisa. Niara-nikaon-doha izy ireo ny amin’ny zavatra hatao manaraka—ahoana no fomba ahafahan’izy ireo mitondra ilay lehilahy eo amin’i Jesoa Kristy mba hositranina? Ho azy ireo aloha, dia tsy sarotra be na oviana na oviana ny asa mba hanampy an’i Jesoa Kristy amin’ny fanavotana fanahy. Nahita drafitra iray izy ireo—drafitra tsy mora, saingy notanterahany izany.
“Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan’ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon’ny trano nitoeran’i Jesoa, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian’ilay nararin’ny paralysisa (Marka 2:4).
Nentin’izy ireo tany ambony tafo izy. Raha atao hoe tsy nisy tohatra niakarana avy any ivelany dia mety ela ihany izy rehetra vao tafakatra teo ambony tafo. Mieritreritra aho hoe mety ho toy izao no fitrangan’izany: nihanika voalohany tany an-tafon-trano aloha ilay zatovolahy avy ao amin’ny paroasiny. Noho izy tanora sy feno tanjaka dia tsy dia ho sarotra loatra taminy izany. Nanosika mafy avy aty ambany ilay mpiara-mamangy aminy avy ao amin’ny kôlejin’ny loholona sy ilay misiônera manompo amin’ny fotoana feno izay lava sy matanjaka. Nampatsiahy azy ireo mba hitandrina ilay rahavavy avy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ary nanome teny fankaherezana ho azy ireo. Dia nanaisotra ny tafo ireo lehilahy raha ilay rahavavy kosa nanohy nankahery ilay lehilahy izay niandry hositranina—mba ho afaka hihetsika irery ka ho afaka.
Nila ny fiaraha-miasan’ny olona rehetra io asa fanavotana io. Tao anatin’ny fotoana tena sarotra dia nilaina ny fifandrindrana tsara ny fampidinana ilay lehilahy mararin’ny paralysisa avy any ambony tafo. Nila niasa tao anatin’ny firaisankina sy ny firindrana izy efatra. Tsy nisy toerana ho an’ny fifandirana teo amin’izy ireo. Nilaina nampitoviana ny hafainganan’ny fampidinan’izy ireo ilay lehilahy mararin’ny paralysisa. Raha toa ka nisy olona iray namotsotra ny tady haingana kokoa noho ireo telo hafa dia ho nianjera avy teo amin’ny fandriany ilay lehilahy. Tsy ho afaka nitazona izy noho ny toe-batany malemy.
Mba hanampiana ny Mpamonjy dia mila miara-miasa ao anatin’ny firaisankina sy firindrana isika. Manan-danja ny olona rehetra sy ny toerana iandraiketana rehetra ary ny antso rehetra. Mila miray hina ao amin’i Jesoa Kristy Tompontsika isika.
Farany dia napetraka teo anoloan’i Jesoa ilay lehilahy mararin’ny paralysia. “Ary Jesoa, nony nahita ny finoan’izy ireo, dia nanao tamin’ilay mararin’ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.” Nampiseho famindram-po taminy i Jesoa ka nanasitrana azy—tsy ara-batana ihany fa ara-panahy koa: “Anaka, voavela ny helokao” (Marka 2:5). Tsy mahafinaritra ve izany? Tsy tiantsika hitranga amintsika rehetra koa ve izany? Tiako hitranga amiko izany.
Mahafantatra olona mararin’ny paralysisa ara-panahy ve isika eo amin’ny fiainantsika, olona izay tsy afaka miverina irery fotsiny izao any am-piangonana? Mety ho iray amin’ireo zanatsika izany, iray amin’ireo ray aman-drenintsika, na vady, na namana.
Noho ireo misiônera amin’ny fotoana feno betsaka lavitra kokoa hita any amin’ny vondrona tsirairain’ny Fiangonana ankehitriny dia tsara raha ampiasain’ny eveka sy ny filohan’ny sampana amin’ny fomba tsara kokoa ny filankevitry ny paroasy sy ny sampan’izy ireo. Afaka manasa ny mpikambana tsirairay ao amin’ny filankevitry ny paroasy ny eveka mba hitondra ny lisitry ny anaran’ireo izay mety mila fanampiana. Hiara-hikaon-doha tsara mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo manampy amin’ny fomba tsara indrindra ireo mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy. Hihaino tsara ireo tolokevitra ny eveka dia hizara andraikitra.
Loharano lehibe ho an’ny paroasy amin’ireo asa fanavotana atao ireo ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Tanora izy ireo ary feno tanjaka. Tian’izy ireo ny manana lisitra misy ny anaran’ireo olona hanaovana asa. Ankafizin’izy ireo ny fiarahana miasa amin’ny mpikambana ao amin’ny paroasy. Fantatr’izy ireo fa fomba tena tsara ahafahan’izy ireo mahita olona izany. Feno fanolorantena izy ireo amin’ny fananganana ny fanjakan’ny Tompo. Manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka izy ireo fa ho tonga tahaka an’i Kristy bebe kokoa rehefa mandray anjara amin’ireo asa fanavotana ireo.
Ho famaranana dia te hizara aminareo harena miafina iray fanampiny aho izay hita ao amin’ity tantara ao amin’ny soratra masina ity. Ao amin’ny andininy faha 5 izany: “Ary Jesoa, nony nahita ny finoan’ireo (nampiana fanamafisana). Tsy tandriko io taloha—ny finoan’ireo. Ny finoantsika mitambatra dia hitondra soa koa eo amin’ny fiainan’ny hafa.
Iza moa ireo olona izay nolazain’i Jesoa ireo? Azo ampidirina tsara ao anatin’izany ireo olona efatra nilanja ilay lehilahy mararin’ny paralysisa, sy ilay lehilahy marary, sy ny olona izay nivavaka ho azy, ary ireo olona rehetra izay nihaino ny fampianaran’i Jesoa sy nifaly mangina tany am-pon’izy ireo ny amin’ilay fahagagana ho avy tsy ho ela. Azo ampidirina ao koa ny vady, ny ray aman-dreny iray, na zanakalahy na zanakavavy iray, misiônera iray, ny filohan’ny kôlejy iray, ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana iray, ny eveka iray, ary ny namana lavitra iray. Afaka mifanampy isika rehetra. Tokony hazoto hirotsaka hatrany amin’ny fikatsahana hanavotra ireo sahirana isika.
Mijoro ho vavolombelona aho fa Andriamanitry ny fahagagana i Jesoa Kristy. Tia antsika rehetra i Jesoa Kristy ary manana hery hanavotana sy hanasitranana antsika Izy, na ara-batana na ara-panahy. Rehefa manampy Azy isika amin’ny asa fanavotana fanahy ataony dia havotana ihany koa isika ao anatin’izany dingana izany. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.