2010–2019
Ilay Mpiandry Tsarantsika
Aprily 2017


NaN:NaN

Ilay Mpiandry Tsarantsika

I Jesoa Kristy, ilay Mpiandry Tsarantsika, dia mahita fifaliana amin’ny fahitana ny fivoaran’ireo ondriny marary mankany amin’ny fahasitranana.

Mahatakatra ny toetran’ny Raintsika any An-danitra isika rehefa fantatsika ny fangorahana lehibe ananany ho an’ny mpanota ary ankasitrahantsika ny fanavahana ataony eo amin’ny ota sy ireo izay manota. Izany fahatakarana izany dia manampy antsika hanana “[fahatakarana] marina ny toetoetrany sy ny fahalavorariany ary ireo toetra tsara ananany”1 sy fototry ny fampiasana ny finoana Azy sy i Jesoa Kristy Zanany. Ny fangorahan’ny Mpamonjy, na eo aza ireo tsy fahalavorariantsika, dia mitondra antsika hanakaiky Azy sy mandrisika antsika ao anatin’ireo fahasahirantsika tsy tapaka mba hibebaka sy haka tahaka Azy. Rehefa tonga tahaka Azy bebe kokoa isika dia mianatra mandray ny hafa araka ny ataony, na inona na inona toetra na fihetsika hita ety ivelany.

Ny vokatry ny fanavahana ny toetran’ny olona iray ety ivelany sy ilay olona mihitsy no ivon’ilay tantara Les Misérables, nosoratan’ilay mpanoratra frantsay Victor Hugo.2 Eo am-panombohan’ilay tantara dia nampahafantatra an’i Bienvenu Myriel, izay evekan’i Digne ny mpanoratra, ary niresadresaka ny olana iray atrehan’ilay eveka. Tokony hitsidika lehilahy iray izay nilaza ho tsy mino an’ Andriamanitra sy halan’ny fiarahamonina noho ny fihetsika nataony taloha tamin’ny Revôlisiona Frantsay ve izy?3

Nilaza ilay mpanoratra fa afaka nahatsapa ho azy fankahalana mafy an’ilay lehilahy ilay eveka. Dia nametraka fanontaniana tsotra ny mpanoratra avy eo hoe: “Moa ve ny lagalin’ny ondry tokony hahatonga ny mpiandry ondry hitakemotra?”4 Raha namaly teo amin’ny toeran’ilay eveka ny mpanoratra dia nanolotra valinteny farany hoe “Tsia,” dia nanampy fanamarihana mampihomehy avy eo hoe: “Fa ondry inona re ity e!”5

Eo amin’ity andalana ity, i Hugo dia mampitaha ny “fahotan’”ilay lehilahy amin’ny aretin-koditra eo amin’ny ondry sy mampitaha ilay eveka amin’ny mpiandry ondry izay tsy nitakemotra rehefa niatrika ondry narary. Nitsetra ilay eveka ary taty aoriana ao amin’ilay tantara dia naneho fangorahana nitovy tamin’izany tamin’ny lehilahy iray, ilay tena mpandray anjara fototra ao anatin’ilay tantara, olona voaheloka taloha izay nikororosy, dia i Jean Valjean. Ny indrafo sy fitseran’ilay eveka dia nandrisika an’i Jean Valjean hanova ny lalam-piainany.

Satria Andriamanitra dia mampiasa ny aretina toy ny sarin-teny ilazana ny ota manerana ny soratra masina dia azo atao ny manontany hoe: “Inona no fihetsik’i Jesoa Kristy rehefa miatrika ireo aretintsika—ireo fahotantsika?” Efa niteny koa mantsy ny Mpamonjy fa Izy dia “tsy afaka hijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra”;6 koa amin’ny fomba ahoana no ahafahany mijery antsika, izay tsy lavorary tokoa, ka tsy hitakemotra ao anatin’ny horohoro sy rikoriko?

Tsotra sy mazava ny valiny. Amin’ny maha-Mpiandry Tsara azy,7 i Jesoa Kristy dia mijery ny aretina eo amin’ireo ondriny ho toy ny toe-javatra izay mila fanasitranana sy fikarakarana ary fangorahana. Io mpiandry ondry io, ilay Mpiandry Tsarantsika, dia mahita fifaliana amin’ny fahitana ny fivoaran’ireo ondriny marary mankany amin’ny fahasitranana.

Nilaza mialoha ny Mpamonjy fa Izy dia “hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry,”8 “[hitady] ny very, … [hampody] ny voaroaka, … [hamarana izay] folaka, ary … [hampatanjaka] ny malemy.”9 Na dia voafariparitra ho voadotra tamin’ny “ratra sy dian-kapoka ary fery vao”10 noho ny fahotana aza Isiraely janga dia nankahery sy nandrisika ary nampanantena fahasitranana11 ny Mpamonjy.

Mamariparitra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tokoa ny fitiavana sy ny fangorahana ary ny fitserana. Tsy nandeha nianjonanjona teo amin’ireo lalana mamovok’i Galilia sy i Jodia i Jesoa ka nitakemotra rehefa nahita ireo mpanota. Tsy nisintaka tamin’izy ireo tamin’ny rikoriko be Izy. Tsia, niara-nisakafo tamin’izy ireo Izy.12 Nanampy sy nitsodrano Izy, nampitraka sy nankahery, ary nosoloiny fanantenana sy fifaliana ny tahotra sy ny famoizam-po. Amin’ny maha-tena mpiandry tsara Azy dia mitady antsika sy mahita antsika Izy mba hanolotra fanampiana sy fanantenana.13 Ny fahatakarana ny fangorahany sy ny fitiavany dia manampy antsika hampihatra finoana Azy: hibebaka sy ho sitrana.

Ny Filazantsaran’i Jaona dia nirakitra ny vokatry ny fitseran’ny Mpamonjy tamin’ny mpanota iray. Nitondra vehivavy iray izay tratra ambodiomby teo am-pijangajangana nankeo amin’ny Mpamonjy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Nihevitra ireo mpiampanga fa tokony hotoraham-bato izy, araka ny lalàn’i Mosesy. Ho valin’ny fanontaniana tsy tapaka dia hoy Jesoa tamin’izy ireo nony farany: “Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany.”

Lasa ireo mpiampanga, “ary Jesosy irery ihany no sisa teo sy ilay vehivavy teo.

“Ary rehefa nitraka Jesosy dia hoy Izy taminy; Ravehivavy, aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?

“Ary hoy izy: Tsy misy, Tompoko. Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony.”14

Azo antoka fa tsy namela ilay fijangajangana ny Mpamonjy. Kanefa tsy nanameloka ilay vehivavy koa Izy. Namporisika azy hanova ny fiainany Izy. Vonona ny hiova izy noho ny fangorahany sy ny famindram-pony. Ny Baiboly Dikantenin’i Joseph Smith dia manamarina ny maha-mpianatra azy taorian’izay: “Ary nanomboka tamin’izay ora izay dia nanome voninahitra an’ Andriamanitra ilay vehivavy, sady nino ny anarany.”15

Raha toa ka mitsetra Andriamanitra dia tsy tokony hino am-pahadisoana isika fa manaiky ny fahotana sy malala-tsaina amin’izany Izy. Tsy manao izany Izy. Tonga teto an-tany mba hamonjy antsika amin’ny fahotantsika ny Mpamonjy, ary manan-danja indrindra, dia tsy hamonjy antsika ao anatin’ny fahotantsika Izy.16 Indray mandeha nisy mpametra-panontaniana matihanina iray antsoina hoe Zezrôma, niezaka namandrika an’i Amioleka rehefa nanontany hoe: “Hamonjy ny olona ao anatin’ny fahotany va [ilay Mesia izay ho avy]? Ary namaly i Amioleka sady nanao taminy hoe: Lazaiko aminao fa tsy hanao izany Izy, satria tsy azony atao ny mandà ny teniny. … Tsy afaka mamonjy azy ao amin’ny fahotany Izy.”17 Nilaza fahamarinana manan-danja iray i Amioleka fa mba hamonjena antsika amin’ny fahotantsika dia tsy maintsy manaiky “ny fepetran’ny fibebahana,” izay mitondra mankamin’ny herin’ny Mpanavotra ho famonjena ny fanahintsika isika.18

Misintona antsika ho any Aminy ny fangorahana sy ny fitiavana ary ny famindram-pon’ny Mpamonjy.19 Tsy te hitoetra ao amin’ny toetry ny fahotana intsony isika noho ny Sorompanavotany.20 Mazava ny hevitr’Andriamanitra ny amin’izay marina sy azony ekena sy ny amin’izay diso sy ny fahotana. Izany dia tsy hoe satria iriany ny hanana mpanara-dia tsy mieritreritra sy mpankatò. Tsia, irian’ny Raintsika any An-danitra ny hisafidianan’ny zanany amim-pahafantarana sy an-tsitrapo ny ho tonga tahaka Azy21 sy ho mendrika ilay karazana fiainana izay ananany.22 Manatanteraka ny tanjona masin’izy ireo ireo zanany ka tonga mpandova ny zavatra rehetra izay ananany amin’ny fanaovanao izany.23 Noho izany antony izany no tsy ahafahan’ireo mpitarika ny Fiangonana manova ireo didin’ Andriamanitra na fotopampianarana hifanohitra amin’ny sitrapony, mba ho eken’ny maro na halaza.

Eo amin’ny fikatsahantsika hanaraka an’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainantsika anefa dia hita fa tena mampianatra ny ohatra nasehony teo amin’ny hatsaram-panahy tamin’ireo izay nanota. Isika, izay mpanota, dia tsy maintsy manampy ny hafa amin’ny fangorahana sy fitiavana, tahaka ny Mpamonjy. Anjara asantsika ihany koa ny manampy sy mitahy, mampitraka sy mankahery ny hafa ary manolo ny tahotra sy ny famoizam-po amin’ny fanantenana sy fifaliana.

Nobedesin’ny Mpamonjy ireo olona tsirairay izay nisintaka ny hafa izay noheverin’izy ireo ho maloto na nitsaratsara ny hafa ho mpanota kokoa noho ny tenan’izy ireo.24 Izany no lesona misongadina nampianarin’ny Mpamonjy tamin’ny “sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa.” Nanao ity fanoharana ity Izy:

“Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan’ ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.

“Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.

“Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin’ izay azoko rehetra aho.

“Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.”

Dia nofaranan’i Jesoa hoe: “Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.”25

Mazava ny hafatra ho antsika: manakaiky kokoa an’ Andriamanitra ny mpanota iray izay mibebaka noho ny olona mihevi-tena ho marina iray izay manameloka izany mpanota izany.

Nisy tamin’ny andron’i Almà ihany koa ny fironan’ny zanak’olombelona hihevi-tena ho marina sy ho mpitsaratsara fahatany. Ary ny vahoaka “nanomboka nampiorina ny fiangonana ho amin’ny fahafenoany kokoa … dia nanomboka niavonavona ny vahoakan’ny fiangonana, … ny olon’ny fiangonana dia nanomboka nanandra-tena tao amin’ny avonavon’ny masony , … nanomboka nifanebaka izy samy izy sy nanomboka nanenjika ireo izay tsy nino araka ny sitrapony sy ny safidiny.”26

Voarara manokana izany fanenjehana izany: “Ankehitriny dia nisy lalàna henjana teo anivon’ny vahoakan’ny fiangonana mba tsy hisy olona iray isan’ny ny fiangonana hitsangana ary hanenjika ireo izay tsy isan’ny fiangonana ary mba tsy hisy fifanenjehana eo amin’izy samy izy.”27 Mitovy amin’izany ny fitsipika arahina ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Tsy tokony ho meloka amin’ny fanenjehana an’iza na iza ao anaty sy ivelan’ny Fiangonana isika.

Fantatr’ireo izay nenjehina noho ny antony samihafa ny hoe ahoana izany tsy rariny sy fanavakavahana izany. Fony aho zatovo nipetraka tany Eorôpa tamin’ny 1960 dia tsapako fa nohanihaniana sy norabirabiana imbetsaka aho satria aho amerikana ary satria aho mpikamban’ny Fiangonana. Ny sasany tamin’ireo mpiara-mianatra tamiko dia nandray ahy ho tomponandraikitra mivantana tamin’ireo fehezan-dalàna amerikana tsy malaza any ivelany. Noraisina ho fihantsiana ireo firenena ihany koa ny fivavahako satria samy hafa tamin’ny fiangonana notohanan’ny firenena izany. Taty aoriana, tany amin’ireo firenena maro manerana izao tontolo izao, dia nahazo an-tsaina kelyny haratsin’ny fitsaratsarana sy ny fanavakavahana niainan’ireo izay niantefan’izany noho ny volon-koditra na ny fokom-piaviana aho.

Miseho amin’ny endriny maro ny fanenjehana: fanesoana, na sotasota, na fanilikilihana sy fanavakavahana na fanarabiana na fankahalana ny hafa. Tsy maintsy mitandrina amin’ny fankahalana izay manandratra fitondrantena ratsy amin’ireo izay mihazona hevitra tsy mitovy amin’ny antsika isika. Miseho ny fanavakavahana, amin’ny ampahany, amin’ny tsy fahavononana hanome fahafahana mitovy amin’ny fanehoan-kevitra.28 Manana ny zo haneho ny heviny eo imasom-bahoaka ny olona rehetra, anisan’izany ireo olom-pivavahana. Kanefa tsy misy na iray aza manana fanomezan-dalana hankahala ny hafa rehefa aseho ny hevitr’izy ireo.

Manome porofo mazava ny tantaran’ny Fiangonana ny amin’ireo mpikambana ato amintsika izay nentina tamin’ny fankalahana sy fanavakavahana. Ho mampalahelo tokoa raha toa ka entintsika tahaka ny nitondrana antsika ny hafa. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Kanefa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.”29 Raha te hangataka fanajana isika dia tsy maintsy maneho fanajana. Ankoatra izany, ny tena fiovam-pontsika dia mitondra “fahalemem-panahy sy fietren’ny fo,” izay manasa “ny Fanahy Masina [ary mameno antsika amin’ny] fitiavana tanteraka,”30 izay “fitiavana maharitra”31 ho an’ny hafa.

Tsy miova ilay Mpiandry Tsarantsika ary mbola mitovy ihany ankehitriny ny fahatsapany momba ny fahotana sy ny mpanota tahaka izay tsapany fony izy teto an-tany. Tsy nisintaka antsika Izy satria manota isika, eny na dia misy fotoana aza indraindray tsy maintsy hieritreretany hoe: “Fa ondry inona re ity e!” Tena tia antsika Izy ka nanome antsika ny fomba hibebahana sy hahatongavana ho madio mba hahafahantsika miverina any Aminy sy ny Raintsika any An-danitra.32 Rehefa nanao izany i Jesoa Kristy dia nametraka ny ohatra harahintsika ihany koa, dia ny mba hampisehoana fanajana ho an’ny rehetra ary tsy fankahalana na iza na iza.

Amin’ny maha-mpianany antsika dia handeha isika hampiseho ny fitiavany sy hifankatia malalaka sy feno tanteraka ka tsy hisy olona hahatsapa ho navela, na ho irery, na tsy misy fanantenana. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no ilay Mpiandry Tsarantsika, izay tia sy miraharaha ny amintsika. Fantany isika ary nanolotra ny ainy hamonjy ny ondriny Izy.33 Miaina ho antsika koa Izy ary tiany isika hahafantatra Azy sy hampihatra finoana Aminy. Tiako sy ankamamiako Izy, ary tena feno fankasitrahana lalina noho ny Aminy aho, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Lectures on Faith (1985), 38.

  2. Ilay tantara Les Misérables, nosoratan’i Victor Hugo (1802–85), dia milaza ny tantaran’i Jean Valjean izay nanao heloka madinika tamin’ny fangalarana mofo iray hamelomana ny fianakavian’ny anabaviny. Voaheloka higadra 5 taona izy kanefa nandany 19 taona nanao asa mafy noho ny fiezahana handositra in-efatra, izay tsy nahitam-pahombiazana. Lehilahy be dohika sy masiaka izy no nivoaka ny fonja.

    Tsy afaka nahita asa sy sakafo ary trano itoerana i Valjean noho ny taratasy firaketana ny heloka vitany. Rehefa reraka sy rera-tsaina izy dia nomena trano itoerana ihany nony farany tao amin’ny evekan’i Digne, izay nampiseho hatsaran-toetra sy fangorahana tamin’i Valjean. Nitambesaran’ny fahatsapana famoizam-po i Valjean nandritra ny alina ary nangalatra ny fitaovam-pisakafoana volafotsin’ilay eveka ka nandositra.

    Voasambotra i Valjean ka naverina tao amin’ny eveka. Tsy hay hazavaina sy nifanohitra tamin’ny zavatra nandrasan’i Valjean fa nilaza tamin’ireo mpitandro filaminana ilay eveka fa nomena an’i Valjean ireo fitaovam-pisakafoana volafotsy ary nisisika ny hakan’i Valjean ireo fitoeran-jiro volafotsy roa koa izy. (Jereo ny Hugo, Les Misérables [1987], boky 2, toko 10–12.)

  3. Jereo ny Hugo, Les Misérables, boky 1, toko 10.

  4. Nanontany ilay mpanoratra hoe: Toutefois, la gale de la brebis doit-elle faire reculer le pasteur? (Hugo, Les Misérables [1985], boky 1, toko 10, pejy 67). Ny lagaly, eo amin’ny resaka fitsaboam-biby, dia ilazana karazan’aretin-koditra vokatry ny katsentsitra kongona ary miseho amin’ny alalan’ny fihitsanam-bolo sy tako-pery mibontsimbontsina (“mange” amin’ny teny anglisy). Nadika tamin’ny fomba maro tamin’ny teny anglisy io fehezan-teny io.

  5. Ny lahatsoratra fanehoan-kevitra mampihomehy nataon’ilay mpanoratra momba ilay voaheloka dia hoe: Mais quelle brebis! Indraindray izy io no nadika hoe: “Fa dia ondry mainty inona re ity e!”

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:31.

  7. Jereo ny Jaona 10:11, 14; Almà 5:38; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:44.

  8. Isaia 40:11.

  9. Ezekiela 34:16.

  10. Isaia 1:6.

  11. Jereo ny Isaia 1:18.

  12. Jereo ny Lioka 15:1–2.

  13. Jereo ny Matio 18:11.

  14. Jereo ny Jaona 8:3–11.

  15. Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 8:11 .

  16. Jereo ny D. Todd Christofferson, “Hitoetra ao amin’ny fitiavako,” Liahona, nôv. 2016, 48.

  17. Almà 11:34, 37.

  18. Jereo ny Helamàna 5:10–11.

  19. Jereo ny 3 Nefia 27:14–15.

  20. Tamin’ny fotoana maoderina ny Mpamonjy dia nanazava hoe: “Izay mandika lalàna sy tsy mandray ny lalàna fa mitady ny ho lalàna ho an’ny tenany ary te hitoetra ao amin’ny fahotana, ary mitoetra tanteraka ao amin’ny fahotana, dia tsy azo hamasinina amin’ny lalàna, na amin’ny famindram-po, na ny fitsarana. Koa tsy maintsy mbola mijanona ho maloto izy.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:35).

  21. Jereo ny 2 Nefia 2:26–27.

  22. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7; 132:19–20, 24, 55.

  23. Jereo ny Romana 8:16–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:38.

  24. Jereo ny Matio 23:13.

  25. Lioka 18:9–14.

  26. Almà 4:4, 6, 8.

  27. Almà 1:21.

  28. Jereo ny Oxford English Dictionary, “bigotry” sy “intolerance,” oed.com

  29. Matio 7:12.

  30. Môrônia 8:26.

  31. 1 Petera 1:22.

  32. Jereo ny Fanekem-pinoana 1:3.

  33. Jereo ny Jaona 10:11–15.