2010–2019
Ny fitenin’ny filazantsara
Aprily 2017


NaN:NaN

Ny fitenin’ny filazantsara

Ny fampianarana mandresy lahatra dia faran’izay manan-danja mba hitehirizana ny filazantsara ao amin’ny fianakaviantsika, ary mitaky zotom-po sy ezaka izany.

Taorian’ny niantsoana ahy ho Manampahefana Ambony dia niala tao Costa Rica ka nifindra teto Salt Lake City niaraka tamin’ny fianakaviako aho mba hanatanteraka ny asa nampanaovina ahy voalohany. Nahazo fahasoavana aho teto Etazonia fa afaka namangy olona mahafinaritra izay manana tantara sy kolontsaina momba ny foko samihafa niaviany avy. Maro amin’izy ireo no tahaka ahy izay teraka tany amin’ireo firenena ao Amérique Latine.

Tsikaritro fa ny maro amin’ireo taranaka voalohany manana firazanana Espaniôla eto dia mampiasa ny teny Espaniôla ho fiteny fototra ary mampiasa ny teny Anglisy ilaina hahafahana mifanerasera amin’ny hafa. Ny taranaka faharoa, izay na teraka teto Etazonia na tonga teto tamin’ny fahazazany mba hianatra, dia miteny Anglisy tsara ary angamba miteny Espaniôla sadasada. Ary matetika rehefa tonga eo amin’ny taranaka fahatelo dia tsy ampiasain’izy ireo intsony ny teny Espaniôla, izay fitenin’ny razamben’izy ireo.1

Araka ny fomba fiteny amin’ny haitsikerafiteny dia antsoina amin’ny fomba tsotra hoe “fahaverezan’ny fiteny” izany. Ny fahaverezan’ny fiteny dia mety hitranga rehefa mifindra any amin’ny tany vahiny izay tsy ampiasan’ny besinimaro ny fitenin-drazan’izy ireo ireo fianakaviana. Tsy eo anivon’ireo olona manana firazanana Espaniôla ihany izany no mitranga, fa eo anivon’ireo mponina manerana izao tontolo izao ihany koa izay ahitana ny fanoloana ny tenin-dreny mba hanomezana vahana ny fiteny vaovao iray.2 Na i Nefia aza, izay mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia nanahy ny amin’ny hahavery ny fitenin-drazany rehefa niomana ny hifindra tany amin’ny tany nampanantenaina izy. Nanoratra i Nefia hoe: “Ary indro, fahendren’ Andriamanitra ny hahazoantsika ireo rakitsoratra ireo mba hahazoantsika mitahiry ny fitenin’ny razantsika ho an’ny zanatsika.3

Fa i Nefia dia nanahy ihany koa ny amin’ny hahaverezan’ny karazam-piteny iray hafa. Notohizany ao amin’ny andininy manaraka hoe: “Ary koa mba hahazoantsika mitahiry ho azy ny teny naloaky ny vavan’ny mpaminany masina rehetra, izay efa natolotra azy ireny tamin’ny alalan’ny Fanahy sy ny herin’ Andriamanitra, hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka hatramin’izao fotoana ankehitriny izao.”4

Tsikaritro fa misy zavatra itovizana ny fitehirizana ny tenin-dreny sy ny fitehirizana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika.

Anio, ao anatin’ny fifanahafana ataoko, dia te hanamafy fiteny iray aho. Tsy fiteny iray manokana eto an-tany izany fa fiteny iray mandrakizay izay tsy maintsy tehirizina ao amin’ny fianakaviantsika ka tsy avela ho very mihitsy. Ny fitenin’ny5 filazantsaran’i Jesoa Kristy no resahiko. Ny tiako holazaina amin’ny hoe “fitenin’ny filazantsara” dia ny fampianarana rehetra avy amin’ireo mpaminanintsika, ny fankatoavantsika ireo fampianarana ireo, ary ny fanarahantsika fomba amam-panao mendrika.

Hiresaka fomba telo azo hitehirizana io fiteny io aho.

Voalohany: Mazoto sy mikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny Tompo dia nanasa mpikambana maro nanana ny maha-izy azy tao amin’ny Fiangonana, ka anisan’izany i Newel K. Whitney, mba handamina ny tokantranony. Hoy ny Tompo hoe: “Newel K. Whitney mpanompoko … dia tokony hanarina sy handamina ny ankohonany koa ka hanao izay hahatonga azy ireo hazoto sy hikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano ary hivavaka mandrakariva fa raha tsy izany dia hoesorina hiala amin’ny toerany izy ireo.”6

Antony iray mahatonga ny fahaverezan’ny fiteny ny tsy fanokanan’ny ray aman-dreny fotoana hampianarana an’ireo zanany ny fitenin-drazany. Tsy ampy ny miteny fotsiny an’ilay fiteny ao an-tokantrano. Raha maniry ny hitahiry ny fiteniny ireo ray aman-dreny dia tsy maintsy ampianarina izany. Ny fikarohana natao dia nahitana fa ireo ray aman-dreny manao ezaka an-tsitrapo mba hitahiry ny fitenin-drazany dia mizotra mankany amin’ny fahombiazana amin’ny fanaovana izany.7 Koa inona ary ny ezaka an-tsitrapo azo atao hitehirizana ny fitenin’ny filazantsara?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampitandrina fa “ny tsy fahampian’ny fampianarana ny filazantsara sy ny fanehoana ohatra ao an-trano” dia antony iray manana hery lehibe izay mety hampitsahatra ny fanohizan’ireo taranaka maro mifandimby ao amin’ny fianakaviana hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana.8

Noho izany dia azontsika fintinina avy amin’izany fa ny fampianarana mandresy lahatra dia faran’izay manan-danja mba hitehirizana ny filazantsara ao amin’ny fianakaviantsika, ary mitaky zotom-po sy ezaka izany.

Efa nasaina imbetsaka isika mba hanorina fahazarana hanao fandalinana soratra masina isan’andro iarahana amin’ny fianakaviana sy ataon’ny tena manokana.9 Maro ireo fianakaviana manao izany no manjary lasa miray hina bebe kokoa isan’andro sy lasa manana fifandraisana akaiky kokoa amin’ny Tompo.

Ray sy ny zanany vavy mandalina ny filazantsara

Amin’ny fotoana manao ahoana no hitranga ny fandalinana soratra masina? Hitranga izany rehefa mandray andraikitra hanao fandalinana soratra masina ireo ray aman-dreny ary manasa amim-pitiavana ny fianakaviana mba hiaraka hivory hanao fandalinana. Sarotra ny hieritreritra ny hitrangan’izany fandalinana izany amin’ny fomba hafa.

Fianakaviana mandalina ny soratra masina

Ry ray aman-dreny, aza avela ho very fotsiny ny fahafahana hahazo ireo fitahiana lehibe ireo. Aza miandry hoe efa tsy misy azo atao intsony!

Faharoa: Ny fanehoana ohatra mafonja ao an-tokantrano

Ny manampahaizana iray amin’ny haitsikerafiteny dia nanoratra fa, mba hitehirizana ny fitenin-drazana iray dia “mila manao izay hahatonga ilay fiteny ho mahaliana ny zanakareo ianareo.”10 “Manao izay hahatonga ilay fiteny ho mahaliana” isika rehefa miara-miasa ny fampianarantsika sy ny fanehoantsika ohatra.

Fony aho mbola kely dia niasa tao amin’ny orinasan-draiko aho nandritra ny fialan-tsasatra. Ny fanontaniana voalohany napetraky ny raiko hatrany rehefa avy nandray ny karamako aho dia ny hoe: “Inona izao no hataonao amin’ny volanao?”

Fantatro ny valiny ka mamaly aho hoe: “Mandoa ny fahafolonkarenako sy manao tahiry hanaovako asa fitoriana.”

Rehefa avy niara-niasa taminy nandritra ny valo taona teo aho, ary namaly tsy tapaka ilay fanontaniany dia nihevitra ny raiko fa nampianatra ahy mikasika ny fomba handoavako ny fahafolonkarenako izy. Ny zavatra tsy fantany dia hoe tao anatin’ny faran’ny herinandro iray monja no nianarako io fitsipika manan-danja io. Mamelà ahy hilaza aminareo ny fomba nianarako izany fitsipika izany.

Taorian’ny trangan-javatra vitsivitsy nifandray tamin’ny ady an-trano iray tao Amerika Afovoany dia bankirompitra ny orinasan’ny raiko. Niainga tamin’ny fananana mpiasa 200 niasa tamin’ny fotoana feno izy ary niafara tamin’ny mpanjaitra latsaky ny dimy izay niasa tao amin’ny efitra fiantsonan’ny fiara tao an-tranonay rehefa nilaina. Indray andro, tao anatin’izany fotoan-tsarotra izany, dia reko niresaka ireo ray aman-dreniko raha toa izy ireo ka tokony handoa fahafolonkarena na hividy sakafo ho an’ny zanany.

Ny alahady dia nanaraka ny raiko aho mba hijery izay hataony. Taorian’ny fotoam-pivavahana dia hitako izy naka valopy iray dia nametraka ny fahafolonkarenany tao anatin’izany. Ampahany tamin’ilay lesona fotsiny izay. Ny fanontaniana mbola nilako valiny dia ny hoe inona no hohaninay.

Ny alatsinainy vao maraina be dia nisy olona vitsivitsy nandondona ny varavaranay. Rehefa novohako ny varavarana dia nanontany izy ireo raha tao ny raiko. Niantso azy aho, ary rehefa tonga izy dia niresaka taminy momba ny fisian’ny zavatra zairina izay ilain’izy ireo faran’izay haingana ireo mpitsidika. Nolazain’izy ireo azy fa tena ilaina maika ilay zavatra zairina ka handoa ny vidin’izany mialoha izy ireo. Tamin’izay andro izay aho dia nianatra ny fitsipika momba ny fandoavana fahafolonkarena sy ny fitahiana azo avy amin’izany.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao ny Tompo dia miresaka mikasika ny fanehoana ohatra. Hoy Izy hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ny Ray dia toy izany koa ny ataon’ny Zanaka.”11

Mankany amin’ny tempoly

Tsy ampy ny miresaka fotsiny amin’ny zanatsika momba ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana any amin’ny tempoly, ny fifadian-kanina, ary ny fitandremana ny andro Sabata ho masina. Tokony ho hitany isika mampiditra ao anatin’ny fandaharam-potoantsika ny fankanesana any amin’ny tempoly im-betsaka araka izay azontsika atao. Mila mahita ny fanolorantenantsika hifady hanina tsy tapaka 12 sy hihazona ny tontolo andron’ny Sabata ho masina izy ireo. Raha toa ireo zatovontsika ka tsy mahavita mifady hanina mandritra ny fotoam-pisakafoanana roa misesy, tsy mahavita mandalina tsy tapaka ny soratra masina, ary tsy mahavita mamono ny fahitalavitra mandritra ny lalao ara-panatanjahan-tena iray lehibe rehefa alahady, moa ve izy ireo hanana ny fitsipi-pifehezana ara-panahy an’ny tena manokana mba hanoherana ny fakam-panahy mahery vaika eto amin’ity tontolo feno olona ankehitriny ity, ka anisan’izany ny fakam-panahin’ny pôrnôgrafia?

Fahatelo: Ny fomba amam-panao

Fomba iray mety hampiova na hahavery ny fiteny iray ny fampifangaroana ireo fiteny sy fomba amam-panao hafa amin’ny fitenin-drazana iray.13

Tao anatin’ireo taona voalohandohany taorian’ny nitsanganan’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia nanasa mpikambana maro nanana ny maha-izy azy tao amin’ny Fiangonana ny Tompo mba handamina ny tokantranon’izy ireo. Natombony tamin’ny firesahana fomba roa mety hamoizantsika ny fahazavana sy ny fahamarinana ao an-tokantranontsika ny fanasany: “Ary tonga ilay ratsy ka manaisotra amin’ ny zanak’ olombelona ny fahazavana sy ny fahamarinana, amin’ny alalan’ny tsy fankatoavana, sy noho ny fomban-drazany.14

Amin’ny maha-fianakaviana antsika dia mila miala amin’izay mety ho fomban-drazana hanakana antsika amin’ny fitandremana ny andro sabata ho masina isika na amin’ny fanaovana fandalinana soratra masina sy vavaka ao an-tokantrano. Mila mandray fepetra isika mba tsy hidiran’ny pôrnôgrafia sy ny fitarihana ratsy hafa rehetra ao an-tranontsika amin’ny alalan’ny fitaovana elektrônika ampiasaintsika. Mba handresena ny fomba amam-panaon’izao tontolo izao ankehitriny dia mila mampiasa ny soratra masina sy ny feon’ireo mpaminany maoderina isika mba hampianarana an’ireo zanatsika mikasika ny maha-zanak’Andriamanitra azy ireo, ny tanjony eo amin’ny fiainana, ary ny asa masina nanirahana an’i Jesoa Kristy.

Famaranana

Mahita ohatra maro momba ny “fahaverezan’ny fiteny” 15isika ao amin’ny soratra masina. Ohatra:

“Ankehitriny ny zava-nitranga dia nisy maro tamin’ny taranaka vao misondrotra, izay tsy nety nahatakatra ny tenin’i Benjamina mpanjaka noho izy mbola ankizy madinika tamin’ny fotoana nitenenany tamin’ny olony; ary tsy nino ny fomban-drazany izy. …

“Ary ankehitriny noho ny tsy finoany dia tsy nety nahatakatra ny tenin’Andriamanitra izy; ary nohamafisina ny fony.”16

Lasa fiteny tsy hay ny filazantsara ho an’ny taranaka vao misondrotra. Ary raha toa ka hiadian-kevitra indraindray ny tombontsoa azo avy amin’ny fitazonana ny fitenin-drazana iray, dia tsy misy adihevitra ny amin’ny vokatra mandrakizay ateraky ny fahaverezan’ny fitenin’ny filazantsara ao an-tokantranontsika, raha ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena no jerena.

Reny miaraka mivavaka amin’ny zanany lahy

Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika dia olona tsy lavorary miezaka mianatra fiteny lavorary isika.17 Tahaka ny reny iray izay mangoraka ireo zanany mbola kely, ny Raintsika any An-danitra dia manana faharetana amin’ny tsy fahalavorariantsika sy ny fahadisoantsika. Sarobidy Aminy sy takany tsara ny tsy fahaizantsika miteny rehefa mivavaka, izay tononina amin-kitsim-po, ka toy ireny hoe tononkalo tena tsara ireny izany. Mahafaly Azy ny mandre ny tenin’ny filazantsara tononintsika voalohany. Mampianatra antsika amin’ny fitiavana tonga lafatra Izy.

Fianakaviana miara-mivavaka

Tsy misy fahatontosana eto amin’ity fiainana ity, na dia tena lehibe toy ny inona aza izany, izay hanan-danja raha tsy mahay ny fitenin’ny filazantsara ny fianakaviantsika.18 Mijoro ho vavolombelona aho fa hitahy antsika amin’ny ezaka ataontsika ny Ray any An-danitra rehefa miezaka manaiky ny fiteniny isika, mandra-pahatonga antsika ho tena mahay tsara io fomba fifandraisana avo lenta io mihitsy aza, izay efa fitenin-drazantsika hatrizay. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Eo anivon’ireo manana firazanana Espaniôla, rehefa tonga eo amin’ny taranaka fahatelo, “Ny tahan’ny fampiasana ny teny Anglisy fotsiny ihany dia … 72 isan-jato” (Richard Alba, “Bilingualism Persists, but English Still Dominates,” Migration Policy Institute, 1 feb. 2005, migrationpolicy.org/article/bilingualism-persists-english-still-dominates).

  2. “Ny tsy fitenenana afa-tsy ny teny Anglisy no ohatra arahana izay mahazo vahana indrindra eo amin’ny taranaka fahatelo” (Alba, “Bilingualism Persists, but English Still Dominates”).

  3. 1 Nefia 3:19; nampiana fanamafisana.

  4. 1 Nefia 3:20; nampiana fanamafisana.

  5. Ny fiteny iray dia azo faritana ho toy ny “rafitra hoentina mifanerasera ampiasain’ny firenena na fiarahamonina iray voafaritra tsara” (Oxford Living Dictionaries, “language,” oxforddictionaries.com).

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:50; nampiana fanamafisana.

  7. “Azo atao tsara [ny mitahiry ny fitenin-drazana iray], saingy mila fanolorantena sy famolavolana drafitra izany” (Eowyn Crisfield, “Heritage Languages: Fighting a Losing Battle?” onraisingbilingualchildren.com/2013/03/25/heritage-languages-fighting-a-losing-battle). “Ohatra: ireo olona miteny Alemana any amin’ny Midwest dia nahomby tamin’ny fitazonana ny fitenin-drazany tao anatin’ireo taranaka maro nifandimby” (Alba, “Bilingualism Persists, but English Still Dominates”).

  8. David A. Bednar, “Taranaka maro mifandimby ao amin’ny fianakaviana,” ao amin’ireo fivoriana ho an’ny mpitarika mandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana maneran-tany, apr. 2015, broadcasts.lds.org.

  9. Misy ohatra maoderina iray izay torolalana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany: “Manoro hevitra ny ray aman-dreny sy ny zanaka izahay mba hanao ho laharampahamehana ny vavaky ny mpianakavy, ny takarivan’ny mpianakavy, ny fandalinana sy ny fampianarana ny filazantsara, ary ireo fiaraha-mientana mahasoa ataon’ny mpianakavy” (First Presidency letter, 11 feb. 1999).

  10. “Mila manao izay hahatonga ilay fiteny ho mahaliana ny zanakareo ianareo mba hahafahan’izy ireo mahatakatra izany sy mifanerasera amin’ny hafa ary mahatsapa ho isan’ireo olona izay asehon’izany fiteny izany ny maha-izy azy ”(Crisfield, “Heritage Languages: Fighting a Losing Battle?”; nampiana fanamafisana).

  11. Jaona 5:19.

  12. “Amin’ny ankapobeny, ny fanajana ny andro fifadian-kanina araka ny tokony ho izy dia ahitana ny tsy fihinanana sakafo sy fisotroana zava-pisotro mandritra ny fotoam-pisakafoanana roa misesy ao anatin’ny fe-potoana 24 ora, ny fanatrehana ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona, ary ny fanomezana fanatitra amin’ny fifadian-kanina amin-kalalahan-tanana mba hanampiana ireo sahirana” (Boky torolalana 2: Fitantanana ny Fiangonana [2010], 21.1.17).

  13. Jereo ny Ômnia 1:17.

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:39; nampiana fanamafisana.

  15. Ao amin’ny sahan-kevitr’ity lahateny ity dia ny fomba mety hahavery ny filazantsara no tiana holazaina amin’ny hoe “fahaverezan’ny fiteny” (jereo ny Mpitsara 2:10; Ômnia 1:17; 3 Nefia 1:30).

  16. Môsià 26:1, 3; nampiana fanamafisana.

  17. Jereo ny Matio 5:48; 3 Nefia 12:48.

  18. Jereo ny Matio 16:24–26.