Matokia an’i Jehovah fa aza miankina amin-javatra hafa
Afaka mampifantoka ny fiainantsika amin’ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny famantarana Azy, dia handamina ny lalantsika Izy.
Nisy rahavavy malala iray nanatona ahy nandritra ny dia nataoko tany Azia. Namihina ahy izy dia nanontany hoe: “Tena mino ve ianao fa marina io filazantsara io?” Fantatro fa marina izany ry rahavavy malala. Matoky ny Tompo aho.
Hitantsika ao amin’ny Ohabolana 3:5–6 ity torohevitra ity:
“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao.
“Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.”
Ity soratra masina ity dia ahitana fananarana roa, fampitandremana iray, ary fampanantenana feno voninahitra iray. Ireo fananarana roa dia hoe “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra” ary “maneke Azy amin’ny alehanao rehetra.” Ilay fampitandremana dia hoe: “Aza miankina amin’ny fahalalanao.” Ary ilay fampanantenana feno voninahitra kosa dia hoe: “Izy handamina ny làlanao.”
Andeha aloha horesahantsika ilay fampitandremana. Mahatonga antsika hisaintsaina lalina ny fahitantsika izany ao an-tsaina. Ilay fampitandremana dia hita amin’ny fampitahana ny fitsipika momba ny “fianteherana”amin’ny zavatra iray amin’ny fiankinana ara-bakiteny amin’ny zavatra iray mba hanohana ny tena. Ny dikanteny amin’ny teny anglisy dia mampiasa ny teny hoe lean izay mifono hevitra hoe mitongilana na mikisaka any amin’ny ankavia na ankavanana. Rehefa miankina ara-batana any amin’ny havia na havanana na amin’ny toerana hafa isika dia miala eo afovoany, tsy tafajoro mahitsy tsara intsony, ary mitanila isika. Rehefa miankina ara-panahy amin’ny fahalalantsika isika dia mitanila miala ny Mpamonjintsika. Raha miankina isika dia tsy eo afovoany. Tsy mijoro tsara intsony isika. Tsy mifantoka amin’i Kristy isika.
Ry rahavavy, tsarovy, tany amin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana dia nanohana ny Mpamonjy isika. Natoky Azy isika. Naneho ny fanohanantsika sy ny fientanentanantsika ary ny hafaliantsika noho ny drafitry ny fahasambarana napetraky ny Raintsika any An-danitra isika. Tsy nitongilana isika. Niady tamin’ny alalan’ny fampiasana ny fijoroana ho vavolombelona nananantsika isika ary “niaraka tamin’ireo tafik’ Andriamanitra, ary ireo tafika ireo dia nandresy.”1 Nifindra eto an-tany io ady eo amin’ny tsara sy ny ratsy io. Mbola manana ny andraikitra masina indray isika ny hijoro ho vavolombelona sy hametraka ny fitokiantsika amin’ny Tompo.
Tokony hanontany isika tsirairay avy hoe: Ahoana no hijanonako eo afovoany fa tsy hiankina amin’ny fahalalako? Ahoana no ahafantarako sy anarahako ny fitarihan’ny Mpamonjy rehefa mandresy lahatra tokoa ny fitarihan’izao tontolo izao? Ahoana no anorenako fahatokiana ny Mpamonjy ato anatiko?
Mamelà ahy hanolotra fomba telo hampitomboana ny fahalalantsika sy ny fahatokiantsika ny Mpamonjy. Ho hitanareo eo fa tsy vaovao ireo fitsipika ireo, kanefa manana anjara asa fototra izy ireo. Hiraina ao amin’ny hiran’ny Kilonga rehetra izy ireo, resahina ao amin’ny leson’ny Zatovovavy, ary mamaly fanontaniana maro izay ananan’ny Fikambanana Ifanampiana. Fitsipika mampijoro tsara, fa tsy mampitongilana izy ireo.
Voalohany dia afaka mahafantatra ny Tompo sy mahatoky Azy isika rehefa “[mivoky] amin’ ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’ i Kristy.”2
Volana maro lasa izay dia nanao fandalinan’ny mpianakavy soratra masina izahay. Nipetraka teo am-pofoako ny zafikelilahiko roa taona teo am-pamakianay soratra masina. Tena nankafy ny maha-renibe ahy aho, ary nankafy tokoa ny fitsidihan’ny fianakavian’ny zanako lahy.
Rehefa vita ny fandalinanay soratra masina dia nakomboko ny bokiko. Fantatry ny zafikeliko fa afaka fotoana fohy dia hatory amin’izay. Niandrandra nijery tamin’ireo masony manga nitory hafanam-po izy dia nilaza fahamarinana mandrakizay iray hoe: “Andao isika mbola hamaky soratra masina ry Bebe a!”
Ny zanako lahy izay ray tsara sady tsy miovaova dia nampitandrina ahy hoe: “Neny a! aza mety adalainy amin’izany. Miezaka mitady fomba tsy hatoriana fotsiny izy.”
Kanefa rehefa mangataka ny hamakina soratra masina bebe kokoa ny zafikeliko dia mamaky soratra masina bebe kokoa izahay! Ny famakina soratra masina bebe kokoa dia manazava ny saintsika, mikolokolo ny fanahintsika, mamaly ny fanontaniantsika, mampitombo ny fahatokiantsika ny Tompo ary manampy antsika hampifantoka ny fiainantsika eo Aminy. “[Tsarovy] ny hanadihady azy ireny amim-pahazotoana tokoa, fa mety hahazo tombontsoa amin’ izany ianareo.”3
Faharoa dia afaka mahafantatra ny Tompo sy matoky Azy amin’ny alalan’ny vavaka isika. Fitahiana lehibe tokoa ny fahafahana mivavaka amin’ny Andriamanitsika! “Mivavaha amin’ ny Ray amin’ ny herin’ ny fo manontolo.”4
Manana fahatsiarovana mamy momba ny vavaka iray tena sarobidy amiko aho. Nanaiky hanao asa iray tany Texas aho tamin’ny iray tamin’ireo fialan-tsasatra tamin’ny fotoam-pahavaratra tao amin’ny oniversite. Tsy maintsy namily ilay fiarako efa antitra an-jato kilaometatra maro avy any Idaho nankany Texas aho. Izany fiara izany dia nomeko anarana tamim-pitiavana hoe Vern. Feno entana hatrany amin’ny tafony i Vern, ary izaho dia vonona ny handeha hizaha zava-baovao.
Rehefa iny handeha hivoaka ny varavarana iny aho dia nofihiniko ny reny malalako, dia hoy izy hoe: “Andao isika hivavaka alohan’ny handehananao.”
Nandohalika izahay dia nanomboka nivavaka ny reniko. Nitalaho tamin’ny Ray any An-danitra izy mba tsy ho azon-doza aho. Nivavaka ho an’ilay fiarako izay tsy nisy fitaovana mpanatsara rivotra izy, ary nangataka mba handeha araka izay ilaiko ilay fiara. Nangataka ny mba hiarahan’ny anjely amiko mandritra ilay fotoam-pahavaratra izy. Nivavaka izy dia nivavaka dia nivavaka.
Ny fiadanana tonga avy tamin’izany vavaka izany dia nanome ahy ny herim-po hatoky ny Tompo ka tsy hiankina tamin’ny fahalalako. Nitarika ny lalako tamin’ireo fanapahan-kevitra maro noraisiko tamin’izay fotoam-pahavaratra izay ny Tompo.
Raha ataontsika fahazarana ny fanatonana ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka dia hahafantatra ny Mpamonjy isika. Ho lasa mahatoky Azy isika. Ho tonga bebe kokoa tahaka ny Azy ny faniriantsika. Isika dia ho afaka ny hahazo fitahiana, izay efa tian’ Andriamanitra omena, ho antsika sy ho an’ny hafa raha toa isika ka mangataka amim-pinoana.5
Fahatelo dia afaka mahafantatra ny Tompo sy matoky Azy isika rehefa manompo ny hafa. Ity tantara manaraka ity dia zaraiko rehefa avy nahazoako lalana avy amin’i Amy Wright, izay lasa nahatakatra ny fitsipiky ny asa fanompoana na dia teo anivon’ny aretina mampatahotra sy maningotra aina aza. Toy izao no nosoratan’i Amy:
“Tamin’ny 29 ôktôbra 2015 no nahafantarako fa voan’ny homamiadana aho. 17 isan-jato ny taha-pahavelomana nananako noho io homamiadana nahazo ahy io. Tsy tsara ny tahan’ny fahafahako ho sitrana. Fantatro fa tsy maintsy hanao ezaka mafy ny handresy ny fitsapana mafy indrindra eo amin’ny fiainako aho. Tapakevitra aho ny hanome izay rehetra ananako hanaovana izany ady izany, tsy ho ahy fotsiny ihany, fa ny tena zava-dehibe dia ho an’ny fianakaviako. Nanomboka nanao chimio aho ny volana desambra. Efa fantatro tsara ny maro amin’ireo voka-dratsy tsy nirina ateraky ny fanafody fiadiana amin’ny homamiadana, saingy tsy fantatro fa ny olona iray dia afaka ny ho mbola velona ihany na dia marary mafy aza.
“Nisy fotoana nilazako fa ny chimiothérapie dia fanitsakitsahana ny zon’olombelona. Nilaza tamin’ny vadiko aho fa tsy mahavita izany intsony. Hijanona aho! Tsy hiverina any amin’ny hôpitaly intsony aho. Noho ny fahendrena nananany dia nihaino tamim-paharetana ny malalako ary avy eo dia namaly hoe: “Dia mila mitady olona hotompoina izany isika.’”
Ahoana tsara? Tsy teo angaha izy ka tsy nahafantatra fa voan’ny homamiadana ny vadiny ka tsy mahavita miaritra fahatsapana ho maloiloy intsony na dia kely aza, na fotoana iray hahatsapana fanaintainana tsy hay zakaina?
Nanohy nanazava i Amy hoe: “Ny fambaran’aretiko dia niharatsy tsikelikely ka nihafara tamin’ny hoe tsy nanana afa-tsy iray na roa andro-azo nihoriranana-isam-bolana aho tamin’ny ankapobeny [izay] nahafahako niaina tahaka ny olombelona manan’aina. Tamin’ireny andro ireny no nitadiavan’ny fianakavianay fomba hanompoana ny hafa.”
Tamin’ny iray tamin’ireo andro ireo ny fianakavian’i Amy dia nizara amboaram-pitaovana fanaovana chimio tamin’ireo marary hafa, amboaram-pitaovana nofenoina zavatra mba hampaherezana olona sy hanamaivanana ireo fambaran’aretina. Rehefa tsy nahita tory i Amy dia nieritreritra fomba hanatsarana ny andron’ny olona hafa. Nitaky asa betsaka ny fomba sasany, fa ny maro tamin’izany dia soratanana kely na hafatra an-tsoratra maneho fampaherezana sy fitiavana. Rehefa mafy tokoa ny fanaintainany ka tsy nahitany tory tamin’ireo alina ireo dia nidaboka teo am-pandriany niaraka tamin’ny tablette izy ka nitady ireo ôrdônansy nilaina novitaina ho an’ireo razambeny efa nodimandry. Nahagaga fa nisinda ho azy ny fanaintainana tamin’izany ary afaka niaritra izany izy.
Nijoro ho vavolombelona i Amy hoe: “nanavotra ny aiko ny asa fanompoana. Ny hafaliana nanjary tsapako tamin’ny fiezahana hanamaivana ny fijalian’ireo olona manodidina ahy no nahazoako ny hery handrosoana hatrany taty aoriana. Niandry fatratra tamim-pifaliana lehibe sy fanantenana ireo fandaharan’asa hanaovana asa fanompoana nomaninay aho. Mandrak’androany dia toy ny fifanoherana hafahafa izany. Mety hieritreritra ianareo hoe ny olona iray izay sola, voapoizina, ary miady mafy ho an’ny ainy dia manana ny rariny raha mieritreritra hoe: “ny tenako ihany aloha hatreto no tokony hanahiran-tsaina ahy.” Kanefa rehefa nieritreritra ny tenako sy ny toe-javatra niainako ary ny fijaliako sy ny fanaintainako aho dia lasa maizin-kitroka sy nampikorontan-tsaina ny tontolo. Rehefa nifantoka tamin’ny hafa aho dia nisy hazavana, fanantenana, tanjaka, herim-po, ary fifaliana. Fantatro fa afaka ny hisy izany noho ny hery manohana sy manasitrana ary mampivoatra ananan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”
Lasa natoky ny Tompo i Amy rehefa lasa nahafantatra Azy. Raha niankina tamin’ny fahalalany izy na dia kely fotsiny aza dia mety ho nolaviny ilay hevitra mba hanompoany. Ny asa fanompoana dia nanome fahafahana azy hizaka ny fanaintainany sy ny fahoriany ka hiaina ity soratra masina ity: “Rehefa eo amin’ ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”6
Nandresy izao tontolo izao i Jesoa Kristy. Ary noho Izy, noho ny Sorompanavotany tsy misy fetra, dia manana antony lehibe itokisana isika rehetra satria fantatsika fa ho tsara ny zavatra rehetra amin’ny farany.
Ry rahavavy, afaka matoky ny Tompo ny tsirairay amintsika fa tsy hiankina amin-javatra hafa. Afaka mampifantoka ny fiainantsika amin’ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny famantarana Azy, dia handamina ny lalantsika Izy.
Eto an-tany isika mba haneho ilay fahatokiana Azy izay namela antsika hanohana an’i Jesoa Kristy rehefa nanambara Izy hoe: “Inty Aho, iraho Aho.”7
Ry rahavavy malalako, nijoro ho vavolombelona ny Filoha Thomas S. Monson fa “tsy hay refesina ny fitahiana nampanantenaina antsika. Na dia manangon-drahona toy ny inona aza ny oram-baratra ary na hirotsaka toy ny inona aza ny orana, ny fahalalantsika ny filazantsara sy ny fitiavantsika ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika dia hankahery sy hanohana antsika … rehefa mandeha amin’ny fahitsiana isika. … Tsy hisy zavatra izay afaka handresy antsika eto amin’izao tontolo izao.”8
Hamafisiko amin’ny fijoroako ho vavolombelona ny tenin’ny mpaminany malalantsika. Raha mahatoky ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjintsika isika ka tsy miankina amin’ny fahalalantsika dia handamina ny lalantsika Izy ireo ary haninjitra ny sandrin’ny famindram-po amintsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.
Fanamarihana: Tamin’ny 1 Aprily 2017, dia nisaorana tamin’ny naha mpanolotsaina faharoa azy tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany ny Rahavavy Cordon ary nantsoina ho mpanolotsaina voalohany.