Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?
Nanao ny zavatra rehetra izay ilaina amin’ny diantsika mandritra ny fiainana an-tany mankany amin’ilay toerana hahatongavana voalaza ao amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra i Jesoa Krsty.
Nandritra ny fivoriana sabotsy hariva tamin’ny fihaonamben’ny tsatòka iray taona maro lasa izay dia nihaona tamin’ny vehivavy iray izay aho izay nilaza fa nangataka azy hiverina ato am-piangonana ny namany iray taorian’ny taona maro nampalaindaina azy, saingy tsy nahita antony tokony hanaovany izany izy. Mba hamporisihana azy dia hoy aho hoe: “Rehefa eritreretinao ireo zava-drehetra nataon’ny Mpamonjy ho anao, dia manana antony maro hiverenana hitsaoka sy hanompo Azy ianao.” Gaga aho rehefa namaly izy hoe: “Fa inona no nataony ho ahy?”
Inona no nataon’i Jesoa Kristy ho antsika tsirairay avy? Nanao ny zavatra rehetra izay ilaina amin’ny diantsika mandritra ny fiainana an-tany mankany amin’ilay toerana hahatongavana voalaza ao amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra Izy. Hiresaka mikasika ny efatra amin’ireo lafin-javatra fototra ao amin’io drafitra io aho. Ny Zanany Lahitokana, Jesoa Kristy no mitana anjara asa fototra ao amin’ny tsirairay avy amin’izany. Manosika izany rehetra izany ny “fitiavan’ Andriamanitra izay miely patrana any am-pon’ny zanak’olombelona; noho izany dia io no mahatsiriritra indrindra amin’ny zava-drehetra” (1 Nefia 11:22).
I.
Izao aloha kelin’ny alahadin’ny Paska izao no fotoana mety tsara hiresahana voalohany indrindra momba ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Ny fitsanganana amin’ny maty no andry azo antoka ho an’ny tena manokana iankinan’ny finoantsika. Izany dia mampisy lanja ny fotopampianarantsika, hery mandrisika ny fitondran-tenantsika, ary fanantenana ho an’ny hoavintsika.
Noho isika mino ny famariparitan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ara-bakiteny dia ekentsika koa ireo fampianarana maro ao amin’ny soratra masina fa hisy fitsanganana amin’ny maty mitovy amin’izany hihatra amin’ireo olombelona rehetra niaina teto an-tany hatrizay.1 Nampianatra i Jesoa hoe: “Satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo” (Jaona 14:19). Ary nampianatra ny Apôstôliny fa “ny maty hatsangana tsy ho lo intsony” ary “[h]itafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity” (1 Korintiana 15:52, 54).
Fa ny fitsanganana amin’ny maty dia manome antsika mihoatra io fanomezana antoka ny amin’ny tsy fahafatesana io. Manova ny fomba fiheverantsika ny fiainana an-tany izany.
Ny fitsanganana amin’ny maty dia manome antsika fomba fijery sy tanjaka ahafahana mahazaka ireo olana eto an-tany atrehantsika tsirairay sy atrehan’ireo olon-tiantsika. Manome antsika fomba vaovao hiheverana ireo tsy fahatomombanana ara-batana, na ara-tsaina, na ara-pihetseham-po ananantsika amin’ny fahaterahana na azontsika mandritra ny fiainana an-tany izany. Manome antsika tanjaka hahazakana ny alahelo, ny tsy fahombiazana ary ny fahasorenana izany. Koa satria efa azo antoka ny hahazoan’ny tsirairay amintsika ny fitsanganana amin’ny maty dia fantatsika fa izany tsy fahatomombanana iainana eto an-tany sy fifanoherana izany dia mandalo fotsiny ihany.
Ny fitsanganana amin’ny maty koa dia manome antsika famporisihana mahery vaika hitandrina ireo didin’ Andriamanitra mandritra ny fiainantsika eto an-tany. Rehefa mitsangana amin’ny maty isika ary miatrika ilay fitsarana antsika farany nambaran’ny faminaniana, dia iriantsika ny ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana tsara indrindra ampanantenaina an’ireo olona nitsangana tamin’ny maty.2
Ankoatra izay, ilay fampanantenana fa ny fitsanganana amin’ny maty dia mety hahitana fahafahana ho tafaraka amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika, ny vady, ny zanaka, ny ray aman-dreny, ary ny taranaka, dia famporisihana mahery vaika mba hanatanteraka ireo andraikitsika ao amin’ny fianakaviana eto amin’ny fiainana an-tany. Manampy antsika koa izany hiara-hiaina amim-pitiavana eto amin’ity fiainana ity ary mampionona antsika amin’ny fahafatesan’ireo olona lalaintsika. Fantatsika fa mandalo fotsiny ihany ireo fisarahana eto an-tany ireo, ary manantena fihaonana sy fiarahana am-pifaliana amin’ny ho avy isika. Ny fitsanganana amin’ny maty dia manolotra antsika ny fanantenana sy ny tanjaka mba hanana faharetana eo am-piandrasantsika. Manomana antsika ihany koa izany hanana ny herim-po sy ny fahamendrehana hiatrehana ny fahafatesantsika manokana, na dia fahafatesana izay mety ho antsointsika hoe tonga alohan’ny fotoana aza.
Ireo vokatry ny fitsanganana amin’ny maty rehetra ireo dia ampahany amin’ny valinteny voalohany ho an’ilay fanontaniana hoe “Inona no nataon’i Jesoa Kristy ho ahy?”
II.
Ho an’ny ankamaroantsika, ny fahafahana ho voavela amin’ny helotsika no hevitra fototra fonosin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Amim-piderana no hihirantsika amim-panajana hoe:
Niaritra fijaliana tsy takatry ny saina ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika mba ho lasa sorona ho an’ny fahotan’ny olombelona rehetra izay mibebaka. Io sorona fanavotana io dia nanolotra ny faran’izay tsara indrindra, ilay zanak’ondry madio tsy misy kilema, ho an’ny ratsy lehibe indrindra, dia ny fahotan’izao tontolo rehetra izao. Nanokatra varavarana ho antsika tsirairay avy izany mba ho voadio amin’ny fahotantsika manokana ka ahafahantsika ho tafaverina indray eo anatrehan’ Andriamanitra, ilay Raintsika Mandrakizay. Natao ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra io fahafahana ho voadio io. Rehefa midera isika dia mihira hoe:
Mahagaga, nandao ny lapan’Izy ho ahy,
Mba hamonjena ireo toa ahy ratsy fanahy,
Natolony ho ahy ‘lay fitiavan-dehibe.4
Ilay fiantraikany lehibe sy tsy takatry ny saina avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mifototra amin’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika tsirairay avy. Izany dia manamarina ilay fanambarany fa “lehibe ny hasarobidin’ny [fanahy]” dia ny an’ny olona tsirairay, “eo imason’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10). Ao amin’ny Baiboly i Jesoa Kristy dia nanazava izany tamin’ny firesahana momba ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Nambaran’i Jesoa Kristy Mpanavotra antsika ao amin’ny fanambarana maoderina fa Izy dia “tia fatratra izao tontolo izao, ka nomeny ny ainy mba ho tonga zanak’ Andriamanitra izay rehetra mino” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:3).
Tsy mahagaga noho izany raha toa ny Bokin’i Môrmôna, izay “Testamenta iray hafa momba an’i Kristy” ka mifarana amin’ilay fampianarana hoe mba hahatongavana ho “tanteraka” sy “hamasinina ao amin’i Kristy”, isika dia tsy maintsy “tia an’ Andriamanitra amin’ny heri[ntsika], ny sai[ntsika] ary ny tanja[tsika] rehetra” (Môrônia 10:32–33). Ilay drafiny izay atosiky ny fitiavana dia tsy maintsy raisina amin’ny fitiavana.
III.
Inona koa no nataon’i Jesoa Kristy Mpamonjintsika ho antsika? Tamin’ny alalan’ny fampianaran’ireo mpaminaniny sy tamin’ny alalan’ny fanompoany manokana no nampianaran’i Jesoa ny drafitry ny famonjena. Tafiditra ao anatin’io drafitra io ny fahariana, ny tanjon’ny fiainana, ny antony ilàna ny fifanoherana, ary ny fanomezana ny fahafahana misafidy. Nampianariny antsika ihany koa ireo didy sy fanekempihavanana tokony hankatoavintsika ary ireo ôrdônansy tsy maintsy tanterahantsika mba hitondra antsika hiverina any amin’ireo ray aman-drenintsika any An-danitra.
Vakintsika ao amin’ny Baiboly ilay fampianarany hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12). Ary vakintsika ao amin’ny fanambarana maoderina ny hoe: “Indro, Izao no Jesoa Kristy, … hazavana izay tsy azo afenina ao amin’ny haizina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:9). Raha manaraka ireo fampianarany isika dia manazava ny lalantsika eto amin’ity fiainana ity Izy ary manome antoka ny amin’izay toerana hiafarantsika amin’ny ho avy.
Koa satria tiany isika dia mampanao fanamby antsika Izy mba hifantoka Aminy, fa tsy amin’ireo zavatra eto amin’ity tontolo mety maty ity. Nampianarin’i Jesoa ao amin’ilay toriteniny lehibe momba ny mofon’aina fa tsy tokony ho isan’ireo izay voasarika be indrindra amin’ireo zavatr’izao tontolo izao isika, ireo zavatra izay mahavelona eto an-tany saingy tsy manome ilay sakafo mahavelona mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay.5 Nanasa antsika foana foana i Jesoa hoe: “Manaraha ahy.”6
IV.
Farany, ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa tao anatin’ny Sorompanavotana nataony i Jesoa Kristy dia “[n]iaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony Izy” (Almà 7:11).
Nahoana ny Mpamonjintsika no niaritra ireo olana “isan-karazany” ireo? Manazava i Almà hoe: “Ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:12).
Ny Mpamonjintsika dia mahatsapa sy mahafantatra ny fakam-panahy mahazo antsika, ny adintsika, ny ratram-pontsika, ary ny fahoriantsika, satria niaina izany rehetra izany an-tsitrapo Izy tao anatin’ny Sorompanavotany. Misy soratra masina hafa manamarina izany. Manambara ny Testamenta Vaovao fa “satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy” (Hebreo 2:18). Nampianatra i Isaia hoe: “Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; … mampahery anao Aho sady mamonjy anao” (Isaia 41:10). Ireo rehetra izay mijaly noho ireo karazana rofy rehetra eto amin’ny fiainana an-tany dia tokony hahatsiaro fa ny Mpamonjintsika ihany koa dia efa niaina izany karazana fanaintainana izany ary amin’ny alalan’ny Sorompanavotany no hanolorany amintsika tsirairay avy ny hery mba hizakana izany.
Nofintinin’ny Mpaminany Joseph Smith ao amin’ny fanekem-pinoantsika fahatelo izany rehetra izany hoe: “Mino isika fa noho ny Sorompanavotana nataon’i Kristy dia azo vonjena ny olombelona rehetra, amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara.”
“Inona no nataon’i Jesoa Kristy ho ahy?” hoy ilay anabavy nanontany. Tao anatin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra no “[nahariany] ny lanitra sy ny tany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:9) mba hahafahan’ny tsirairay avy amintsika mahazo ireo traikefa ilaina eto amin’ny fiainana an-tany mba hikatsahana ny toerana masina hiafarantsika. Ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra, ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia nandresy ny fahafatesana mba hanomezana antoka ny hahazoantsika tsirairay avy ny tsy fahafatesana. Ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manome antsika tsirairay avy ny fahafahana hibebaka amin’ny fahotantsika sy hiverina madio any amin’ny fonenantsika any an-danitra. Ny didiny sy ny fanekempihavanany dia maneho antsika ny lalana, ary ny fisoronany dia manome ny fahefana hanatanterahana ireo ôrdônansy ilaina mba hahatongavana any amin’izany toerana izany. Ary niaina an-tsitrapo ireo fanaintainana sy rofy rehetra eto amin’ny fiainana an-tany ny Mpamonjintsika mba hahafantarany ny fomba hampatanjahana antsika ao anatin’ny fahoriantsika.
Nataon’i Jesoa Kristy izany rehetra izany satria tiany ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Ny fitiavana no manosika izany rehetra izany, ary efa toy izany hatrany am-boalohany. Nolazain’ Andriamanitra antsika tamin’ny fanambarana maoderina fa “nahary ny olona, lahy sy vavy Izy, tahaka ny endriny … ary nomeny azy ireo ny didy ho tia sy hanompo Azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:18–19).
Mijoro ho vavolombelona momba izany rehetra izany aho ary mivavaka mba hahatsiarovantsika rehetra ny zavatra nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika tsirairay avy, ary mba ho tia sy hanompo Azy isika rehetra, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.