Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Tsy manam-pandresena ny fasana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


9:18

Tsy manam-pandresena ny fasana

Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana manavotra sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty be voninahitra dia azo sitranina ny fo torotoro, afaka ny ho tonga fiadanam-po ny alahelo, ary ho tonga fanantenana ny fahakiviana.

Amin’ity alahadin’ny Paska be voninahitra ity dia mihira am-pifaliana ireo zanatsika manao hoe: “Indray lohataona [mamiratra], velon’i Jesoa. Nandao ny fasana Izy ka nitsangana indray.”1

Feno fankasitrahana isika noho ny fahalalantsika momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Kanefa hisy fotoana eo amin’ny fiainantsika hahatsapantsika ho vaky fo rehefa mamoy olona iray tena akaikin’ny fontsika isika. Maro tamintsika no namoy olona akaikin’ny fontsika nandritra ity valanaretina mipaka eran-tany ity—na olona ao amin’ny fianakaviana izany na namana.2 Mivavaka ho an’ireo izay miaina fahoriana toy izany isika.

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Tsy an-kanavaka taona, misaona ireo izay tiana sy nafoy isika. Fanehoam-pitiavana lalina ny fanehoana alahelo. …

“Ankoatra izany, tsy afaka ny hankafy tanteraka ny fihaonantsika indray any aoriana isika raha tsy misy fisarahana mampalahelo amin’izao. Ny hany fomba tsy mba hahatsapana alahelo angamba amin’ny fahafatesana dia rehefa tsy mba nanam-pitiavana teo amin’ity fiainana ity.”3

Nisaona an’i Jesoa ireo vehivavy mpanaradia.

Azontsika sary an-tsaina ny tsapan’ireo naman’i Jesoa, izay nanaraka Azy sy nanompo Azy,4 rehefa nanatri-maso ny nahafatesany.5 Fantatsika fa “nisaona sy nitomany” izy ireo.6 Tamin’ny andro Fanomboana, raha tsy nahafantatra izay hitranga ny alahady izy ireo, dia tsy maintsy ho heniky ny fahakiviana, nanontany tena ny amin’ny fomba hanohizan’izy ireo miaina tsy eo intsony ny Tompon’izy ireo. Na izany aza dia nanohy nanompo Azy izy ireo, eny na dia tao amin’ny fahafatesana aza.

Nitalaho tamin’i Pilato i Josefa avy any Arimatia mba hanome azy ny vatamangatsiakan’i Jesoa. Nalainy ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio, dia naleviny tao amin’ny fasany vaovao, ary nanakodia vato lehibe ho eo amin’ny varavaran’ny fasana izy.7

Nitondra miora sy hazo manitra kosa i Nikodemosy. Nanampy an’i Josefa izy haka ilay faty sy hamono izany tamin’ny lambam-paty mbamin’ny zava-manitra.8

Nanaraka an’i Josefa sy Nikodemosy i Maria Magdalena sy vehivavy hafa, nijery ny toerana nametrahan’izy ireo ny fatin’i Jesoa, ary nanamboatra zava-manitra sy menaka manitra ahosotra ny vatamangatsiakany.9 Araka ny lalàna entitra tamin’izany andro izany dia niandry izy ireo mialohan’ny hanaovana fanomanana sy fanosorana fanampiny tamin’ilay vatana satria Sabata ny sabotsy.10 Avy eo, vao mangiran-dratsy ny marainan’ny alahady dia nankeny am-pasana izy ireo. Rehefa hitan’izy ireo fa tsy teo ny vatan’ny Mpamonjy dia lasa izy ireo nilaza tamin’ireo mpianatra, izay Apôstôlin’i Jesoa. Nankeo amin’ny fasana niaraka tamin’izy ireo ny Apôstôly ary nahita fa foana izany. Nandeha avokoa ny rehetra, nanontany tena ny amin’izay nitranga tamin’ny fatin’ny Mpamonjy, ankoatra an’i Maria Magdalena.11

Nijanona irery teo am-pasana i Maria. Vao roa andro lasa izay no nahitany ny fahafatesana mahatsiravin’ilay namany sy Mpampianany. Izao dia foana ny fasany, ary tsy fantany izay nisy Azy. Tsy takany hoe inona no ny zava-nitranga koa dia nitomany izy. Tamin’izay fotoana izay indrindra no tonga teo aminy ny Mpamonjy izay efa nitsangana tamin’ny maty ary nanontany azy ny antony hitomaniany sy izay olona notadiaviny. Nihevitra izy fa ny mpikarakara ny saha no niresaka taminy ka nanontaniany ny toerana nasiany ny fatin’ny Tompo raha toa ka izy no naka izany mba hahafahany maka azy.12

Maria Magdalena

Azoko sary an-tsaina fa mety navelan’ny Tompo nisaona sy naneho ny fanaintainany i Maria Magdalena.13 Avy eo dia nantsoiny tamin’ny anarany izy, dia nitodika tany Aminy i Maria ka nahafantatra Azy. Nahita ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty izy ary vavolombelon’ny Fitsanganany tamin’ny maty be voninahitra.14

Toa anao, izaho koa dia mahatsapa ny fahoriana tsapan’i Maria Magdalena sy ireo namany rehefa nisaona ny fahafatesan’ny Tompony izy ireo. Fony aho sivy taona dia namoy ny zokiko lahy nandritra ny horohorontany iray nandravarava. Satria tsy nampoizina ny nitrangan’izany dia ela be aho vao tonga saina tamin’ny zavatra tena nitranga. Vaky fo noho ny alahelo aho, ary nanontany tena hoe: “Inona no nitranga tamin’ny anadahiko? Aiza no misy azy? Lasa aiza izy? Mbola hahita azy indray ve aho?”

Tsy mbola nahafantatra momba ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra aho tamin’izany, ary nanana faniriana ny hahafantatra hoe avy aiza isika, inona no tanjon’ny fiainana, ary inona no mitranga amintsika aorian’ny ahafantesantsika. Moa ve tsy manana ireo fanontaniana ireo isika rehetra rehefa mamoy olon-tiana na rehefa mandalo fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainantsika?

Taona vitsy taty aoriana dia nanomboka nieritreritra momba ny anadahiko tamin’ny fomba niavaka aho. Toa azoko tsindrimandry izy nandondona ny varavaranay. Nanokatra ny varavarana hono aho dia nijoro teo izy, ary niteny tamiko hoe: “Tsy maty aho. Velona aho. Tsy afaka nanatona anao aho teo, saingy hijanona hiaraka aminao izao ary tsy handao anao intsony.” Izany eritreritra izany, saika ho nofy mihitsy, dia nanampy ahy hizaka ny fanaintainana tsapako tamin’ny namoizana azy. Nitamberimberina tao an-tsaiko foana ny eritreritra hoe hiaraka amiko izy. Indraindray aza aho nibanjina ny varavarana dia nanantena fa handondona izy ka hahita azy indray aho.

Teo amin’ny 40 taona taty aoriana, nandritra ny vanimpotoan’ny Paska, teo am-pandalinana momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty aho ka nanomboka nieritreritra momba ny anadahiko. Tamin’izay fotoana izay dia nisy zavatra tonga tampoka tao an-tsaiko. Tsaroako ny fotoana nieritreretako azy hoe tonga namangy ahy.

Tsapako tamin’izay fa nanome fampiononana ho ahy ny Fanahy nandritra ny fotoan-tsarotra iray. Nahazo tenivavolombelona aho fa tsy maty ny fanahin’ny anadahiko, velona izy. Mbola mivoatra ao anatin’ny fisiany mandrakizay izy. Fantatro izao fa “hitsangana ny anadahi[ko]”15 amin’ilay fotoana mahatalanjona izay hitsanganantsika rehetra amin’ny maty, noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Ankoatra izay dia nataony izay hahafahantsika rehetra ho tafaray ao amin’ny fianakaviana ary hanana fifaliana mandrakizay eo anatrehan’ Andriamanitra raha misafidy ny hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina miaraka Aminy.

Nampianatra ny Filoha Nelson hoe:

“Singa iray manan-danja ao anatin’ny fisiantsika mandrakizay ny fahafatesana. Tsy misy mahalala ny fotoana ahatongavan’izany, saingy ampahany ilaina amin’ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana izay an’ Andriamanitra izany. Noho ny Sorompanavotan’ny Tompo dia zavatra tena misy ny fitsanganana amin’ny maty any aoriana any ary afaka hahazo ny fiainana mandrakizay ny olombelona rehetra. …

“… Ho an’ireo olon-tiana malahelo izay nilaozana … dia ho lasa malefaka ny fanindronan’ny fahafatesana noho ny finoana tsy mihozongozona an’i Kristy, sy ny fanantenana mamirapiratra tanteraka, sy ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra, ary ny faniriana lalina hanompo azy ireo. Izany finoana, izany fanantenana, ary izany fitiavana izany no hahatonga antsika ho mendrika hijoro eo amin’ny fanatrehana masin’ Andriamanitra ary hiaraka Aminy mandrakizay mbamin’ny vadintsika sy fianakaviantsika mandrakizay.”16

Zaridainan’ny Fasana

Mijoro ho vavolombelona aho fa “raha tsy nitsangana tamin’ny maty i Kristy, na tsy nanapatapaka ny famatoran’ny fahafatesana mba tsy hahazoan’ny fasana fandresena ary tsy hananan’ny fahafatesana fanindronana, dia tsy ho nety nisy ny fitsanganana amin’ny maty.

“Nefa misy ny fitsanganana amin’ny maty, noho izany ny fasana dia tsy manana fandresena ary ny fanindronan’ny fahafatesana dia efa voatelina ao amin’i Kristy.

“Izy no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao; eny, fahazavana tsisy fiafarany izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana; eny, ary koa fiainana izay tsisy fiafarany mba tsy hisian’ny fahafatesana intsony.”17

Ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty

I Jesoa mihitsy no nanambara hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy ny fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.”18

Mijoro ho vavolombelona aho fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotana manavotra sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty be voninahitra dia azo sitranina ny fo torotoro, afaka ny ho tonga fiadanam-po ny alahelo, ary ho tonga fanantenana ny fahakiviana. Afaka mamihina antsika amin’ny sandrin’ny famindram-po Izy, mampionona, manome hery ary manasitrana antsika tsirairay avy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.