Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny Mpamonjy antsika manokana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


8:30

Ny Mpamonjy antsika manokana

Noho ny sorona fanavotana nataony, dia manana ny hery ny Mpamonjy hanadiovana sy hanasitranana, ary hampatanjahana antsika tsirairay avy.

Feno fankasitrahana aho miaraka aminareo amin’ity maraina mahafinaritry ny Paska ity. Rehefa mieritreritra ny Paska aho dia tiako ny mamerina ao an-tsaiko ireo teny nolazain’ireo anjely tamin’ireo izay teo amin’ny Zaridainan’ny fasana manao hoe: “Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona? Tsy ato Izy fa efa nitsangana.”1 Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa avy any Nazareta dia efa nitsangana ary velona Izy.

Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy?

Efatra amby telopolo taona lasa izay izaho sy ny mpiara-mitory tamiko no nihaona tamin’ny lehilahy avarapianarana iray izay mpanoratra tao amina gazety iray teo an-toerana tao Davao Renivohitra, any Philippines ary nampianatra azy. Nankafizinay ny nampianatra azy noho izy nanana fanontaniana be dia be ary tena nanaja ireo zavatra inoanay. Ny fanontaniana tsy hay hadinoina indrindra napetrany taminay dia ny hoe: “Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy?”2 Mazava ho azy fa tamim-pientanentanana tokoa no nizaranay ireo fahatsapana sy fijoroana ho vavolombelona nanananay momba an’i Jesoa Kristy. Taty aoriana izy dia namoaka lahatsoratra momba io lohahevitra io mihitsy izay nahitana teny sy andian-teny mahatalanjona momba ny Mpamonjy. Tsaroako ho niaiky volana aho saingy tsy nahatsapa ho nentanim-panahy. Nahitana fampahalalana tsara ilay izy saingy toa poaka aty sy tsy nisy hery ara-panahy.

Mihamahafantatra Azy kokoa

“Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy?” Tsapako amin’izao fotoana izao fa ny fomba ahafantarako manokana ny Mpamonjy dia miantraika amin’ny fahafahako mihaino Azy ary koa ny fihetsiko sy ny ataoko ho Azy. Taona vitsivitsy lasa izay ny Loholoha David A. Bednar no nametraka ireto fanontaniana manaraka ireto tao anatin’ireo teny nataony: “Moa ve isika mahafantatra fotsiny ny mombamomba ny Mpamonjy, sa ve isika lasa mihamahafantatra Azy kokoa? Amin’ny fomba ahoana no mahatonga antsika lasa mahafantatra ny Tompo?”3

Rehefa nandalina sy nisaintsaina aho dia nanana fahatongavan-tsaina nazava fa ny zavatra haiko momba ny Mpamonjy dia nihoatra lavitra noho ny fahafantarako Azy. Nanapa-kevitra aho ny hanao ezaka misimisy kokoa hahafantarana Azy. Feno fankasitrahana tokoa aho ny amin’ireo soratra masina sy fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo lehilahy sy vehivavy mahatoky mpanaradia an’i Jesoa Kristy. Ireo ezako manokana nataoko hahafantarana kokoa ny Mpamonjy tao anatin’ireo taona vitsy lasa izay dia nitondra ahy tamina karazana lohahevitra nenti-mandalina sy zava-baovao maro. Mivavaka aho mba hampitan’ny Fanahy Masina aminareo anio hafatra iray izay manan-danja lavitra kokoa noho ireo teny nosoratako.

Voalohany, mila miaiky isika fa ny mahafantatra ny Mpamonjy no zava-katsahina manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika. Tokony ho apetraka ho ambon’ny zavatra hafa rehetra izany.

“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.”4

“Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”5

“Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.”6

Faharoa, rehefa lasa mihamahafantatra kokoa ny Mpamonjy isika dia ho lasa manan-danja amin’ny tenantsika manokana ireo andalan-tsoratra masina sy ireo tenin’ny mpaminany hany ka hanjary ho tenintsika manokana izy ireny. Tsy dia hoe any amin’ny fakana tahaka teny, sy fahatsapana, sy zavatra niainan’ny hafa izany fa mifantoka kokoa amin’ny hoe lasa mahafantatra ho an’ny tenantsika, amin’ny fombantsika manokana, amin’ny alalan’ny fanandramana ny teny7 sy ny fandraisana tenivavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina. Araka ny nambaran’ny mpaminany Almà hoe:

“Moa tsy heverinareo va fa mahalala ny momba an’ireny zavatra ireny ny tenako? Indro, manambara aminareo aho satria fantatro fa ireny zavatra izay efa voalazako ireny dia marina. Ary ahoana no iheveranareo fa fantatro ny maha-azo antoka ireny zavatra ireny?

“Indro lazaiko aminareo fa ampahafantarina ahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masin’ Andriamanitra ireny. Indro, efa nifady hanina sy nivavaka andro maro aho mba hahazoan’ny tenako mahafantatra ireny zavatra ireny. Ary ankehitriny, mahalala ny tenako fa marina ireny; fa ny Tompo Andriamanitra dia efa naneho ireny tamiko tamin’ny alalan’ny Fanahy Masiny; ary izany no fanahin’ny fanambarana izay ao amiko.”8

Fahatelo, ny fahatakarana mitombo fa mihatra amintsika manokana sy amin’ny tsirairay avy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hanampy antsika hahafantatra Azy. Matetika no mora kokoa ho antsika ny mieritreritra sy miresaka ny amin’ny Sorompanavotan’i Kristy amin’ny teny ankapobeny mihoatra ny hoe mahafantatra ny dikan’izany manokana eo amin’ny fiainantsika. Tsisy fetra sady mandrakizay ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary mahafaoka ny zava-drehetra sy ny olon-drehetra ary koa miantraika amintsika amin’ny fomba tena manokana sady amin’ny tsirairay. Noho ny sorona fanavotana nataony, dia manana ny hery ny Mpamonjy hanadiovana sy hanasitranana, ary hampatanjahana antsika tsirairay avy.

Ny hany fanirian’ny Mpamonjy, ny hany tanjony, hatrany am-piandohana, dia ny manao ny sitrapon’ny Ray. Ny fanirian’ny Ray dia ny hanampiany amin’ny “[fanatanterahana] ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona”9 amin’ny fahatongavana ho “Solovava ao amin’ny Ray” ho antsika.10 Noho izany, “dia nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy.”11

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany. …

“Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po, … mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.

“… Ny Zanak’ Andriamanitra dia miaritra araka ny nofo mba hahazoany maka ho eo Aminy ny fahotan’ny olony, mba hahazoany mamafa ny fandikan-dalàny araka ny herin’ny fanafahany.”12

Te hizara zavatra niainana tsotra iray aho izay maneho ny tolona izay atrehantsika indraindray mba hahatsapana ny maha-natao ho an’ny tena manokana ny Sorompanavotan’ny Tompo.

Taona maro lasa izay, noho ny fanasan’ny mpitarika ahy, dia namaky ny Bokin’i Môrmôna nanomboka tamin’ny voalohany ka hatramin’ny farany aho, ka nanisy marika ireo andininy izay manondro ny Sorompanavotan’ny Tompo. Nasain’ilay mpitarika ahy ihany koa aho mba hanomana famintinana iray pejy ny amin’ny zavatra nianarako. Ka niteny irery aho hoe: “Iray pejy ve? Azo antoka fa mora izany.” Tsy nampoiziko anefa fa tsapako ho sarotra dia sarotra tokoa ilay asa nampanaovina, ary tsy vitako.

Hatramin’io dia tonga saina aho fa tsy nahomby satria tsy takatro ny tanjon’ilay fanasana ary nanana fiheveran-diso aho. Voalohany, noheveriko hoe natao hitaona ny olon-drehetra ilay famintinana. Natao ho ahy ilay famintinana fa tsy ho an’olon-kafa. Natao haneho ireo fahatsapana sy fihetseham-po nananako momba ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony ho ahy ilay izy hany ka isaky ny mamaky izany aho dia hampivoitra zavatra niainana mahafinaritra sy misy fiantraikany ara-pihetseham-po lalina ary manokana.

Faharoa, niandrandra aho hoe ho miezinezina sy mipetrapetraka tsara ary ahitana teny sy andian-teny sarotra ilay famintinana. Tsy nisy nifandraisany tamin’ny fampiasana voambolana sarotra mihitsy ilay izy. Natao ho fanambarana mazava sy tsotra mikasika ny zavatra inoana ilay izy. “Fa finaritra amin’ny fahazavan-tsaina ny fanahiko; fa amin’izany fomba izany no iasan’ny Tompo Andriamanitra eo anivon’ny zanak’olombelona. Fa manome fahazavana ho an’ny faharanitan-tsaina ny Tompo Andriamanitra.”13

Fahatelo, noheveriko hoe ho tonga lafatra ilay izy, famintinana faran’izay tsara indrindra, dia famintinana faratampony tsy azon’iza na iza anampiana ary tsy tokony hampiana. Kanefa izany dia asa soratra mivoatra hatrany izay azoko ampiana teny na andian-teny eo am-pivoaran’ny fahatakarako ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Fijoroana ho vavolombelona sy fanasana

Fony aho zatovolahy dia nianatra zavatra maro aho tamin’ireo resaka nifanaovana tamin’ny evekako. Nandritra ireny taona tsy nahamaoty ireny dia nianatra nitia ireo teny avy amina hira fihirana iray tiako indrindra aho:

Mahagaga ahy ny fitiavan’i Jesoa,

Ny famindram-po ‘zay nomeny ho ahy tokoa.

Tsy zakako ny misaina ny fijaliany,

Hoe izaho no anton’ny fahoriany.

Endrey mahagaga re, fitiavan-dehibe

Nomeny ny ainy re.

Endrey mahagaga re, mahagaga re!14

Nanasa antsika ny mpaminany Môrônia: “Ary ankehitriny aho dia manafatrafatra anareo hikatsaka ity Jesoa ity izay efa nosoratan’ny mpaminany sy ny apôstôly ny Aminy.”15

Nampanantena ny Filoha Russell M. Nelson fa “raha manohy mianatra izay rehetra azontsika ianarana momba an’i Jesoa Kristy [isika], … dia hitombo ny fahafahan[tsika] miala amin’ny fahotana. Hitombo izay tsy izy ny fanirian[tsika] hitandrina ireo didin’ Andriamanitra.”16

Amin’izao alahadin’ny Paska izao, dia enga anie isika hifoha avy ao amin’ny torimaso ara-panahy misy antsika ka hiala avy ao amin’ireo rahona manakona ny fahazavam-pinoana, ny tahotra mangeja, sy ny fanapozinan’ny avonavona, ary ny fahadontoan’ny tsy firaikana, tahaka ny nivoahan’ny Mpamonjy avy tao amin’ny fasam-bato nisy Azy. Velona i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra. Mijoro ho vavolombelona momba ny fitiavana tonga lafatra ananan’Izy ireo ho antsika aho. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.