Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Miezaka hanatratra ny marika
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


8:19

Miezaka hanatratra ny marika

Tsy dia any amin’ny hoe inona no mahazo antsika eo amin’ny fiainana no olana fa hoe lasa olona manao ahoana kosa isika.

Teo am-pamakiana ny bokin’ny Asan’ny Apostoly sy ireo epistilin’i Paoly aho dia talanjona amin’ny hoe voatosiky ny fitiavana sy ny fankasitrahana i Paoly rehefa nanompo sy nampianatra ary nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Ahoana no nahafahan’ny olona toa azy nanompo tamin’ny fitiavana sy fankasitrahana toy izany, indrindra rehefa mandinika ireo fijaliana lehibe nianjady taminy? Inona no nanosika an’i Paoly hanompo? “Eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’ Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jeso[a].”1

Ny hoe miezaka hanatratra ny marika dia ny manohy amim-pahatokiana eo amin’ilay “lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay”2 miaraka amin’ny Mpamonjintsika sy ny Raintsika any An-danitra. I Paoly dia nahita fa ireo fahoriany dia “tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika.”3 Ny taratasin’i Paoly ho an’ny Filipiana izay nosoratany tamin’izy voafatotra tany am-ponja dia taratasy mifono fifaliana sy firavoravoana sesehena ary fankaherezana ho antsika rehetra, indrindra amin’izao fotoan-tsarotry ny fiahiahiana ny amin’ny hoavy izao. Mila mahazo toky sy fanantenana avy amin’i Paoly isika rehetra: “Ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jeso[a] Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy.”4

Rehefa mandinika ny asa fanompoan’i Paoly isika dia mahazo hery sy tanjaka avy amin’ireo “paolintsika” manokana amin’izao androntsika izao, izay manompo sy mampianatra ary mijoro ho vavolombelona ihany koa amim-pitiavana sy fankasitrahana na dia eo aza ny fanamby atrehan’izy ireo eo amin’ny fiainany sy eo amin’ny fiainan’ny olona akaiky azy ireo. Ny zavatra iray niainako sivy taona lasa izay dia nanampy ahy ho tonga saina ny amin’ny lanjan’ny hoe miezaka hanatratra ilay marika.

Tamin’ny 2012, raha vao sambany hanatrika ny fivoriam-piofanana ho an’ny mpitarika mialoha ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aho dia tsy nety afaka tamiko ny fahatsapana ho mavesatra sy tsy mahay. Tao an-tsaiko dia nisy feo namerimberina tsy tapaka hoe, “Tsy misy toerana ho anao eto! Fahadisoana goavana no natao!” Raha iny aho niezaka nitady toerana ipetrahana iny dia nahatsikaritra ahy ny Loholona Jeffrey R. Holland. Nanatona ahy izy dia nilaza hoe, “Ry Edward, mahafinaritra ny mahita anao eto,” dia nosafosafoany tamim-pitiavana ny tarehiko. Nahatsiaro ho toy ny zazakely aho! Ny fitiavany sy ny fandraisany dia nitondra hafanana tamiko ary nanampy ahy hahatsapa ho voaray tsara, hahatsapa ny fanahin’ny firahalahiana. Ny ampitson’iny dia tsikaritro ny Loholona Holland nanao tsy misy hafa amin’ilay zavatra nataony tamiko ny omaly saingy tamin’ny tarehin’ny Loholona Dallin H. Oaks, izay zokiny!

Tamin’izay fotoana izay dia tsapako ny fitiavan’ny Tompo tamin’ny alalan’ireo lehilahy ireo izay tohanantsika ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Ny Loholona Holland dia nanampy ahy, tamin’ny alalan’ny fihetsiny feno fitiavana sy mivantana, handresy ilay fifantohako be loatra tamin’ny tenako sy ny fahatsapako ho tsy mahay. Nampiany aho hifantoka amin’ilay asa masina sy feno fifaliana izay niantsoana ahy—dia ny hitondra fanahy ho ao amin’i Kristy izany. Tahaka an’i Paoly fahiny dia nampitodika ahy izy mba hiezaka hanatratra ny marika.

Mahaliana tokoa fa mamporisika antsika hibosesika handroso i Paoly no miantso antsika koa mba hanadino ny lasa—ireo tahotra tamin’ny lasa, ny zavatra nifantohana tamin’ny lasa, ny tsy fahombiazana tamin’ny lasa, ary ireo alahelo tamin’ny lasa. Manasa antsika izy, tsy misy hafa amin’ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson, “hampihatra fomba iray vaovao kokoa sy masina kokoa.”5 Tena misy ilay fampanantenan’ny Mpamonjy hoe: “Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.”6

Tamin’ny lahateniko voalohany tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia nizara ny zavatra niainako fony aho nampianarin’ny reniko niasa tany an-tsaha aho. “Aza mijery ny any aoriana mihitsy,” hoy izy. “Fa banjino ny zavatra mbola ilaintsika atao eo anoloantsika.”7

Rehefa dila hifarana ny fiainany, tamin’i Neny nitolona tamin’ny homamiadana, dia nipetraka niaraka tamiko sy i Naume izy. Indray alina dia reko mitomany tao amin’ny efitrano fatoriany izy. Tena mafy izaitsizy ny fanaintainany, na dia vao adiny roa aza izy no nandray ilay morphine farany tokony omena azy isan’andro.

Niditra tao amin’ny efitranony aho ary niara-nitomany taminy. Nivavaka tamin’ny feo mafy ho azy aho mba hahazoany fitsaharana amin’ilay fanaintainana nahazo azy. Ary teo izy dia nanao ilay zavatra izay nataony tany an-tsaha taona maro lasa izay: niato izy ary nampianatra lesona ahy. Tsy ho hadinoiko mihitsy ny tarehiny tamin’io fotoana io: marefo, ory, ary ampijalian’ny fanaintainana, mandinika amim-pangorahana an’ilay zanany vonton’alahelo. Nitsiky izy tao anatin’ny ranomasony, dia nijery ahy tamin’ny masoko, ary nilaza hoe: “Tsy miankina aminao na amin’olon-kafa, fa miankina amin’ Andriamanitra ihany ny hoe ho foana sa tsia izao fanaintainana izao.”

Nipetraka tamim-pahanginana aho. Nipetraka tamim-pahanginana koa izy. Mbola mazava tsara ato an-tsaiko io fotoana io. Io alina io ny Tompo dia nampianatra ahy, tamin’ny alalan’ny reniko, lesona iray izay hitoetra amiko mandrakizay. Rehefa naneho ny fanekeny ny sitrapon’ Andriamanitra ny reniko dia tsaroako ny antony nijalian’i Jesoa Kristy tao amin’ny Saha Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana tao Golgota. Hoy Izy: “Indro efa nomeko anareo ny filazantsarako, ary izao no filazantsara izay efa nomeko anareo—fa tonga teo amin’izao tontolo izao Aho mba hanao ny sitrapon’ny Raiko, satria ny Raiko no naniraka Ahy.”8

I Kristy tao Getsemane

Mahatsiaro ireo fanontanian’ny mpaminany napetraky ny Filoha Nelson malalantsika ho antsika tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo aho. Nanontany ny Filoha Nelson hoe: “Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanao? Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona anao indrindra eo amin’ny fiainanao? … Moa ve hoavelanao ho lohalaharana eo amin’ny zavatra hafa rehetra ny feony? Vonona ve ianao hanao izay hahavoatelina ny sitraponao ao amin’ny sitrapony?”9 Ny reniko dia ho namaly izany tamin’ny “eny” feno fihetseham-po nefa entitra, ary mpikamban’ny Fiangonana mahatoky maro hafa manerana izao tontolo izao no hamaly izany ihany koa amin’ny “eny” feno fihetseham-po nefa hentitra. Ry Filoha Nelson, misaotra nankahery sy nampatanjaka anay tamin’ny alalan’ireo fanontaniana mifono faminaniana ireo.

Vao tsy ela izay no nifampiresahako tany Pretoria, Afrika Atsimo tamina eveka iray izay nandevina ny vadiny sy ny zanany vavy efa olon-dehibe tao anatin’ny iray andro. Nodimandry noho ity valanaretina coronavirus ity izy ireo. Nanontany azy aho hoe nanao ahoana izy izay. Ny valin-tenin’ny Eveka Teddy Thabethe dia nankahery ny fanapahan-kevitro hanaraka ireo teny sy torohevitra avy amin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara avy amin’ny Tompo. Namaly Eveka Thabethe fa misy foana ny fanantenana sy ny fampiononana amin’ny fahafantarana fa ny Mpamonjy dia efa nitondra teo Aminy ny fanaintainan’ny olony, fa Izy dia mahalala ny fomba hanampiana antsika.10 Nijoro ho vavolombelona tamin’ny finoana lehibe izy hoe: “Feno fankasitrahana aho noho ny drafitry ny famonjena, ny drafitry ny fahasambarana.” Dia napetrany tamiko izao fanontaniana izao avy eo: “Moa ve tsy izao no niezahan’ny mpaminanintsika nampianarina antsika tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany iny?”

Rehefa tonga amintsika rehetra amin’ny fomba isan-karazany ny olan’ny fiainana an-tany dia aoka isika hifantoka amin’ny tanjontsika ny “[h]iezaka hanatratra ny marika,” dia ny “lokan’ny fiantsoan’ Andriamanitra any ambony” izany.11

Ny fanasako amim-panetrentena ho antsika tsirairay dia ny mba tsy hilavo lefona na oviana na oviana! Voantso isika “hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika, mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jeso[a] Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy.”12

Tsy dia any amin’ny hoe inona no mahazo antsika eo amin’ny fiainana no olana fa hoe lasa olona manao ahoana kosa isika. Ahitana fifaliana ny fiezahana hanatratra ny marika. Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy izay nandresy ny zava-drehetra dia hanampy antsika rehefa mitodika Aminy isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.