Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


11:11

Ny fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana

Rehefa mihalalim-paka ny finoantsika an’i Kristy dia mandray fahazavana mahery vaika mitovy fatra amin’izany koa isika mandra-panaisoran’izany ny haizina rehetra izay mety hiangona manodidina antsika.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako isany, miara-mifaly aminareo aho amin’ity alahadin’ny Paska feno fitahiana ity amin’ny fandinihana ny fahazavana be voninahitra izay niposaka teto an-tany niaraka tamin’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika tamin’ny maty.

Fony Izy nanompo tety an-tany dia nilaza i Jesoa hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.”1 Ny Fanahin’i Kristy dia “ao amin’ny zava-drehetra, [ary] manome aina ny zava-drehetra.”2 Mandresy ny haizina izay ho nandrakotra antsika izany.

Taona maro lasa izay, ho fikatsahana zava-baovao hiainana, dia niaraka tamina andian-jatovolahy ho any amin’ny Zohy Mierona izaho sy ireo zanako roalahy; nantsoina toy izany ilay zohy noho ny feo nanakoako nivoaka tamin’izany tamin’ny fotoana anankiray. Io zohy io dia ahitana lalana mijidina mitondra amina toeram-bato any amin’ny 55 metatra any ambany tany any, dia ny toeram-bato lehibe indrindra ao Californie izany.

Zohy Mierona

Roa ihany no fomba hidinana any ambany: ny lalana miendrika tohatra mihodina izay azo antoka na ny fidinana any amin’ny gorodon’ilay toeram-bato amin’ny alalan’ny tady; nisafidy ny tady izaho sy ireo zanako lahy. Ny zanako lahimatoa no nidina voalohany ary ninia nandeha farany mihitsy izaho sy ilay zandriny mba hahafahanay miara-midina.

Rehefa nanome torolalana sy namatotra anay tsara tamin’ny tady sy tamin’ny fitaovana fianihana ireo mpitari-dalana dia nikisaka tsimoramora izahay nandra-pahatonga anay teo amin’ny faritra kely azo nijoroana hiomananay tsara, ka teo no nahafahanay niodina farany ary teo no faritra farany nahafahanay nahita tara-masoandro avy amin’ny vavan’ilay zohy.

Ny dingana nataonay manaraka dia nampitsoraka anay nidina tao amina toeram-bato avo dia avo sy midadasika ka mety ho antonona ny Statue de la liberté. Nihantona tsimoramora teo izahay ary nizatra tamin’ilay haizina tsy dia nampaninona ny masonay. Rehefa nanohy ny fidinana izahay dia nanazava ny rindrina nanjelanjelatra feno stalagmites sy stalactites ny hazavan’ny fanilo mandeha amin’ny herinaratra nampiasanay.

Tampoka teo dia maty ireo fanilo nanazava ireo. Teo am-pihantonana teo izahay no tafalatsaka tanaty haizin-kitroka tanteraka ka na ny tananay mihazona ny tady eo anoloanay aza dia tsy hitanay. Teo no eo dia nisy feo niantsoantso hoe: “Dada a, dada a, aiza ianao?”

“Ito aho ry zanako, ito aho,” hoy aho namaly.

Ny tsy fananana hazavana tampoka teo dia natao hanehoana fa raha tsy misy herinaratra dia tsy azo nidirana ilay zohy. Nahomby izany satria “tsapanay” tokoa ilay haizina. Rehefa tafaverina ny hazavana dia lefy tanteraka avy hatrany ilay haizina, satria tsy maintsy lefy hatrany foana ny haizina, na dia amin’ny alalan’ny hazavana bitika aza. Mitamberina amiko sy amin’ireo zanako ny fahatsiarovana momba ilay haizina izay tsy mbola niainanay hatrizay, ny fankasitrahana kokoa ny fahazavana izay tsy hohadinoinay mihitsy, ary ny fanomezan-toky fa tsy irery na oviana na oviana isika ao anatin’ny haizina.

Azo lazaina fa ny fidinanay tao amin’io zohy io dia fanoharana momba ny diantsika eto an-tany. Nandao ny hazavana feno voninahitry ny lanitra isika ka nidina niampita voalin’ny fanadinoana mba hitoetra amin’ny tontolo maizina iray. Tsy namela antsika ho ao amin’ny haizina ny Raintsika any An-danitra fa nampanantena antsika fahazavana ho an’ny diantsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakalahiny.

Fantatsika fa iankinan’ny aina rehetra ety an-tany ny tara-masoandro. Iankinan’ny aintsika ara-panahy torak’izany koa ny fahazavana izay miposaka avy amin’ny Mpamonjintsika. Ao amin’ny fitiavany tonga lafatra, Andriamanitra dia manome ny fahazavan’i Kristy ho an’ny olombelona rehetra “izay tonga eo amin’izao tontolo izao”3 mba “hahazoany manavaka ny tsara amin’ny ratsy”4 ary mba hitaomana azy “hanao ny tsara lalandava.”5 Izany fahazavana izany, izay miseho amin’ny alalan’ilay antsointsika matetika hoe feon’ny fieritreretana, dia manasa antsika hatrany mba hitondra tena tsara kokoa sy mba ho tsara kokoa, mba ho isika amin’ny endriny tsara indrindra.

Rehefa mihalalim-paka ny finoantsika an’i Kristy dia mandray fahazavana mahery vaika mitovy fatra amin’izany koa isika mandra-panaisoran’izany ny haizina rehetra izay mety hiangona manodidina antsika. “Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana; ary izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’ Andriamanitra dia handray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro.”6

Ny fahazavan’i Kristy dia manomana antsika handray ny fitaomana manompon’ny Fanahy Masina, izay ny “herin’ny fandresen-dahatr’ Andriamanitra … ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara.”7 Ny Fanahy Masina, ny mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra “[dia manana] vatana Fanahy.”8 Ny loharanom-pahazavana lehibe indrindra zarain’ny Ray any An-danitra amintsika mandritra ny fiainana ety an-tany dia tonga amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ka ny fitaomany dia “hanazavana ny sain[tsika ary] hameno fifaliana ny fanahin[tsika].”9

Ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia atao batisa asitrika amin’ny alalan’ny fahefam-pisoronana naverina tamin’ny laoniny ho famelana ny fahotanao ianao. Dia ametrahan-tanana eo ambonin’ny lohanao ianao ka raisinao ilay “fanomezana tsy hay lazaina”10 dia ny Fanahy Masina izany.

Manomboka amin’izay fotoana izay, rehefa mifantoka amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana ny fanirianao sy ny zavatra ataonao, dia hanambara sy hijoro ho vavolombelona fahamarinana ny Fanahy Masina amin’ny maha-fahazavana ao anatinao Azy11 hampitandrina ny amin’ny loza, hampionona12 sy hanadio13ary hitondra fiadanana14 ho an’ny fanahinao.

Koa satria “ny fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana,”15ny fiarahana lalandava amin’ny Fanahy Masina dia hitarika anao hanao safidy izay hampirona amin’ny fijanonanao ao amin’ny fahazavana; mifanohitra amin’izany koa, ireo safidy raisina tsy araka ny fitaoman’ny Fanahy Masina dia hampirona amin’ny fandehanana ao amin’ny fisavorovoroana sy ny haizina. Araka ny nampianarin’ny Loholona Robert D. Hales hoe: “Rehefa misy ny fahazavana dia tsy maintsy resy ary tsy maintsy miala ny haizina. Rehefa eo ny fahazavana ara-panahin’ny Fanahy Masina dia miala ny haizin’i Satana.”16

Mba te handroso hevitra aho hoe, izao angamba no fotoana hanontaniana tena hoe: Moa ve aho manana izany “fahazavana” izany eo amin’ny fiainako? Raha tsy izany no izy dia oviana aho no nanana izany farany?

Toy ny tara-masoandro mandrakotra isan’andro ny tany mba hanaovazana sy hanomezana aina izany dia azonao atao mamirapiratra ilay hazavana anatinao rehefa misafidy ny hanaraka Azy ianao.

Miampy kely hatrany ny tara-masoandro azonao isaky ny mikatsaka an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka ianao; alalino ny soratra masina mba “[hihainoana Azy]”;17 mandraisa andraikitra eo anatrehan’ireo torolalana sy fanambarana avy amin’ireo mpaminanintsika velona; ary mankatoava sy mitandrema ireo didy mba “handeha araka ny ôrdônansy rehetra an’ny Tompo” ianao.18

Hanasa taramasoandro ara-panahy ao anaty fanahinao sy fiadanana eo amin’ny fiainanao ianao isaky ny mibebaka. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro ianao, mba handray ny anaran’ny Mpamonjy ho eo aminao, sy hahatsiaro Azy mandrakariva ary hitandrina ny didiny ianao, dia hamirapiratra ao aminao ny fahazavany.

Hisy tara-masoandro eo amin’ny fanahinao isaky ny mizara ny filazantsara sy ny fijoroanao ho vavolombelona ianao. Isaky ny mifanompo tahaka ny nataon’ny Mpamonjy ianao dia hahatsapa ny hafanany ao am-ponao. Ny hazavan’ny Ray any an-danitra dia mitoetra ao amin’ny tempoliny masina sy eo amin’ireo rehetra miditra ny Tranon’ny Tompo. Ny hazavany ao anatinao dia mihamatanjaka rehefa maneho hatsaram-po, faharetana, famindram-po, fiantrana ary miseho amin’ny endrikao ravoravo. Etsy ankilany kosa, mandeha ao amin’ny maizina isika rehefa mora misafoaka na rehefa tsy mamela ny hafa. “Rehefa mampifantoka ny tenanao amin’ny tara-masoandro ianao dia tsy afaka ny tsy hivarina any aorianao ny haizina.”19

Rehefa manana fiainana mendrika ny fiarahana amin’ny Fanahy Masina ianao dia tena “hampitombo [marina] ny fahafahanao ara-panahy mandray fanambarana.”20

Ahitana fanamby sy fahadisoam-panantenana ny fiainana, ary tsy maintsy hiatrika andro maloka sy tafio-drivotra isika rehetra. Manoloana izany rehetra izany, raha “[m]amela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika”21 isika, ny fahazavan’ny Fanahy Masina dia hanambara fa mifono tanjona sy manan-danja ny fitsapana antsika, ary amin’ny farany izy ireny dia hanova antsika ho olona tsara kokoa, olona tanteraka kokoa manana finoana tsy azo hozongozonina kokoa sy fanantenana mamirapiratra kokoa ao amin’i Kristy, mahafantatra fa niaraka tamintsika foana Andriamanitra nandritra ireo andro maizina nantrehantsika. Araka ny torohevitra nomen’ny Filoha Nelson hoe: “Ny haizina mihamitombo izay miara-dalana amin’ny fahoriana dia vao mainka mampamiratra kokoa ny fahazavan’i Jesoa Kristy.”22

Ny vanim-potoana samihafa eo amin’ny fiainantsika dia mety hitarika antsika ho amin’ny toerana tsy nampoizina sady tsy nirina. Raha nitondra anao teo ny fahotana dia esory ny haizina mandrakotra ary atombohy izao ny fanatonana amim-panetrentena ny Rainao any An-danitra amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina, dia mibebaha. Hihaino ny vavaka amin-kitsim-po ataonao Izy. Amin-kery no “[h]anakaikez[o] [Azy] dia hanakaiky ana[o Izy] ”23 anio. Tsy ho lavitry ny hery manasitran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany velively ianao.

Nateraka ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo razambe mahatoky aho izay namaly ny fahazavan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, ka izany dia nitahy ny fiainan’izy ireo ary nampitsiry tanjaka ara-panahy tamin’ireo taranaka nifandimby. Miresaka matetika momba an’i Milo T. Dyches rainy ny dadako; zarainy amiko ny hoe fahazavana taminy andro aman’alina ny finoany an’ Andriamanitra. Mpiambina ala i Dadabe ary matetika izy no mitaingina saovaly irery any amin’ny tendrombohitra, mametraka tanteraka ny ainy eo an-tanan’ Andriamanitra.

Indray hariva tamin’ny fotoam-pararano iray dia irery tany amin’ny tendrombohitra avo i Dadabe. Efa nanomboka niseho ny ririnina raha niakatra teo ambonin’ny iray amin’ireo saovaliny tiany indrindra izy, dia ingahy Printsy izany, nitaingina nankany amina toeram-panatsofana hazo mba handrefy vatan-kazo mialoha ny hanatsofana izany.

Nahavita ny asany izy raha nanomboka maizina iny ny andro ka dia nitsambikina teo ambonin’ny soavaliny izy handeha hody. Tamin’izay fotoana izay dia efa nidina be ny maripana ary nandrakotra tanteraka ny tendrombohitra ny oram-panala mahery vaika. Koa satria tsy nisy hazavana na lalana nitarihana azy dia natodiny tamin’ny lalana izay neritreretiny hitondra azy hiverina any amin’ny tobin’ny mpiambina ala i Printsy.

Milo Dyches mandeha anaty oram-panala

Rehefa nandeha kilaometatra maro tao amin’ny haizina i Printsy dia nandeha miadana kokoa, dia nijanona avy eo. Namporisika imbetsaka an’i Printsy mba handroso i Dadabe saingy tsy nety nandroso intsony ilay saovaly. Nanodidina azy tamin’izay ny oram-panala tsy nahafahana nahita na inona na inona ka dia tonga saina i Dadabe fa nila ny fanampian’ Andriamanitra izy. Araka ny efa nataony nandritra ny fiainany manontolo dia “[n]angataka [tamim-panetrentena] amin’ny finoana izy ka tsy [n]iahanahana akory.”24 Namaly azy ny feo tony sy malefaka hoe, “Milo a, avotsory ny lamboridin’i Printsy.” Nankatò i Dadabe ary raha teo am-pamotsorana ilay lamboridy iny izy dia nitodi-dalana i Printsy ary nanjoy lalana hafa. Ora vitsivitsy taty aoriana dia nijanona indray i Printsy ary nanondrika ny lohany. Raha namakivaky ny oram-panala izy ireo dia nahita i Dadabe fa tonga soa aman-tsara teo am-bavahadin’ny tobin’ny mpiambina ala izy ireo.

Tamin’ny alalan’ny masoandron’ny maraina dia afaka namerina nanoritra ny dian’i Printsy tao amin’ny lalana rakotra oram-panala i Dadabe. Taitra be izy rehefa nahita ny toerana namotsorany ny lamboridin’i Printsy: dia teo am-bavahoan’ny hantsana iray tao amin’ilay tendrombohitra, ka ny dingana iray monja nandroso dia ho nandatsaka ny saovaly sy ny mpitaingina izany ho faty ho any amin’ireo vato mikitoantoana tany ambany tany.

Avy amin’izany zavatra niainana izany sy ny maro hafa dia matetika i Dadabe no manome torohevitra hoe “ny namana lehibe sy tsara indrindra ho azonao amin’ny fiainana dia ny Rainao any An-danitra.” Tsaroako fa rehefa mitantara ny tantaran’ny Dadabe ny raiko dia mampiasa soratra masina:

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao.

Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny lalanao.”25

Jesoa mihazona jiro

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Fahazavana mandrakizay izay mbola “mamirapiratra ao amin’ny maizina.”26 Tsy misy izany hoe haizina afaka ny hanafoana, hamono, handresy, na handavo izany Fahazavana izany. Manolotra izany Fahazavana izany maimaimpoana ho anao ny Raintsika any An-danitra. Tsy ho irery mihitsy ianao! Maheno sy mamaly ny vavaka rehetra Izy. “Niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga” Izy.27 Rehefa miantso ianareo, manao hoe: “Ray ô! Ray ô! aiza ianao?” Hamaly anao hatrany Izy ka hanao hoe: “Inty aho, ry zanako; inty aho.”

Mijoro ho vavolombelona aho fa nanatanteraka ny drafitry ny Ray any An-danitra amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Azy i Jesoa Kristy;28 Izy no fahazavana sy fiainana ary lalana ho antsika. Tsy hihalefy mihitsy ny fahazavany,29 tsy hitsahatra mihitsy ny voninahiny, ary mandrakizay ny fitiavany ho anao, omaly sy anio, ary mandrakizay. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.