Ny zavatra rehetra ho soa ho antsika
Amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny mandrakizay, ny tanjon’ny Fahariana sy ny toetran’ Andriamanitra Izy Tenany dia ny hitondra ny zava-drehetra ho soa ho antsika.
6 aprily anio, tsingerintaona namerenan’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny Fiangonany amin’ny andro farany—ary ampahany amin’ny vanim-potoan’ny Paska izay hijoroantsika ho vavolombelona amim-pifaliana momba ny fiainana lavorary sy ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary ny Fitsanganany tamin’ny maty feno voninahitra.
Misy tantara sinoa iray izay miantomboka amin’ny fahitan’ny zanaky ny lehilahy iray soavaly tsara tarehy.
“Sambatra ianareo”, hoy ireo mpiara-monina.
“Ho hitantsika eo”, hoy ilay lehilahy.
Avy eo dia nianjera avy teo ambonin’ilay soavaly ilay zanany ka nitondra takaitra.
“Mampalahelo ianareo”, hoy ireo mpiara-monina.
“Ho hitantsika eo”, hoy ilay lehilahy.
Tonga ny mpanao fitsarana miaramila fa tsy naka ilay zanany misy kilema.
“Sambatra ianareo”, hoy ireo mpiara-monina.
“Ho hitantsika eo”, hoy ilay lehilahy.
Ity tontolo mikorontana ity dia matetika toa hahatsapana tafio-drivotra, tsy azo antoka, indraindray sambatra, ary—matetika loatra—mampalahelo. Na izany aza, eto amin’ity tontolo feno fahoriana ity, dia “fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra.” Marina tokoa fa rehefa mandeha amim-pahamarinana sy mahatsiaro ny fanekempihavanantsika isika dia “hiara-miasa ny zava-drehetra ho soa ho anareo.”
Ny zavatra rehetra ho soa ho antsika.
Akory ny halehiben’izany fampanantenana izany! Fanomezan-toky mampahery avy amin’ Andriamanitra Izy Tenany! Amin’ny fomba mahagaga, ny tanjon’ny Fahariana sy ny toetran’ Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Zanany dia ny hahalala ny fiandohana sy ny fiafarana, hahatanteraka izay rehetra mahasoa antsika; ary hamonjena sy hanandratana antsika rehefa nohamasinina sy masina tamin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.
Afaka manafaka sy manavotra antsika amin’ny fahotana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Kanefa i Jesoa Kristy koa dia mahatakatra manokana ny fanaintainantsika, ny fahoriantsika, ny aretintsika, ny alahelo sy ny fisarahana. Ny fandreseny ny fahafatesana sy ny helo dia afaka manitsy ny zava-drehetra amin’izao fotoana izao sy amin’ny mandrakizay. Manampy amin’ny fanasitranana ireo voatorotoro sy noharatsiana Izy, mampihavana ireo tezitra sy mizarazara, mampionona ireo manirery sy ireo natoka-monina, mankahery ny tsy azo antoka sy tsy lavorary, ary mitondra ireo fahagagana izay afaka ny hisy rehefa miaraka amin’ Andriamanitra irery ihany.
Mihira hoe Haleloia sy mihiaka hoe Hosana isika! Afaka miara-miasa ny zava-drehetra ho soa ho antsika ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana rehefa miaraka amin’ny hery mandrakizay sy ny hatsaram-panahy tsy manam-petra. Afaka miatrika ny fiainana amim-patokiana fa tsy amin’ny tahotra isika.
Raha avela irery isika dia mety tsy hahafantatra ny mahasoa antsika. Rehefa “mifidy ny tenako aho”, dia misafidy ireo fetrako sy fahalemeko ary ireo tsy fahatomombanako manokana. Amin’ny farany, mba hahavitantsika izay tsara indrindra dia tokony ho tsara isika aloha. Satria tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra ihany, dia mikatsaka ny fahatanterahana ao amin’i Jesoa Kristy isika. Lasa ilay marina sy tsara indrindra vitantsika isika rehefa manaisotra ilay lehilahy na vehivavy araka ny nofo, ary miova tahaka ny ankizy eo anatrehan’ Andriamanitra noho ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.
Miaraka amin’ny fahatokiantsika sy ny finoantsika an’ Andriamanitra dia azo hatokana ho soa ho antsika ireo fitsapana sy fahoriana. I Josefa izay namidy ho andevo tany Egypta dia namonjy ny fianakaviany sy ny vahoakany tatỳ aoriana. Nampianatra an’i Joseph Smith ny fanagadrana azy tao amin’ny Fonjan’i Liberty fa “ireo zavatra rehetra ireo dia hanome [azy] traikefa ary ho soa ho [azy] izany.” Afaka mitahy antsika sy ny hafa amin’ny fomba tsy noeritreretintsika mihitsy ny fiainana amin’ny finoana, ireo fitsapana sy fahafoizan-tena izay tsy ho nofidintsika na oviana na oviana.
Mampitombo ny finoana sy ny fahatokiana ny Tompo isika fa afaka miara-miasa ny zava-drehetra hahasoa antsika rehefa manana fomba fijery mandrakizay isika; mahatakatra fa mety ho “fotoana fohy” ny faharetan’ireo fitsapana lalovantsika; manaiky fa azo atokana ho soa ho antsika ny fahoriana; manaiky fa ampahany amin’ny fiainana an-tany ny loza, ny fahafatesana aloha loatra, ny aretina mikiky, ary ny aretina ; ary matoky fa tsy manome fitsapana mba hanasaziana na hitsarana ny Raintsika any An-danitra be fitiavana. Tsy hanome vato ilay olona nangataka mofo Izy, na menarana ho an’ilay nangataka hazandrano.
Ny hanana olona hihaino antsika sy hiaraka amintsika no iriantsika indrindra matetika rehefa tonga ny fitsapana. Mety tsy manampy ireo valin-teny fandre matetika amin’ny fotoana toy izany, na dia ny hampionona aza no fikasantsika. Indraindray isika maniry mafy ny hanana olona iray izay hiara-malahelo sy mitomany amintsika; aoka isika hamoaka ny fanaintainana, fahasorenana, fahatezerana mihitsy aza; ary hiara-hanaiky isika fa misy zavatra tsy fantatsika.
Rehefa matoky an’ Andriamanitra sy ny fitiavany antsika isika, na ireo ratram-po lehibe indrindra atrehantsika aza dia afaka miara-miasa hahasoa antsika amin’ny farany.
Tsaroako ny andro naharenesako lozam-piarakodia mahatsiravina iray izay nahakasika olona ankamamiako. Afaka miara-miteny amin’i Joba isika amin’ny fotoana toy izany, ao anatin’ny alahelo sy ny finoana, hoe: “Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’i Jehovah.”
Tsatòka sy distrika miisa 3.500 eo ho eo ary paroasy sy sampana miisa 30.000 eo ho eo no manome fialofana sy fiarovana, manerana ny Fiangonana maneran-tany. Kanefa fianakaviana sy olona mahatoky maro ao anatin’ireo tsatòka sy paroasy misy antsika no miatrika fanamby sarotra na dia fantany aza (kanefa mbola tsy fantany hoe amin’ny fomba ahoana) fa hiara-hiasa ny zava-drehetra mba hahasoa azy ireo.
Tany Huddersfield, Angletera, dia nahitana homamiadana amin’ny ambaratonga fahefatra ny Rahalahy Samuel Bridgstock fotoana fohy talohan’ny nahazoany ny antso ho filohan’ny tsatòka vaovao. Noho ny aretina mafy nahazo azy dia nanontany an’i Anna vadiny izy hoe inona no mbola antony handehanany any amin’ilay dinika sy tafa.
“Satria,” hoy ny Rahavavy Bridgstock, “hantsoina ho filohan’ny tsatòka ianao.”
Raha nolazaina fa nanana herintaona na roa taona hiainana tamin’ny voalohany, ny Filoha Bridgstock (izay manatrika eto androany) dia ao anatin’ny faha-efa-taona nanompoany amin’izao. Miaina andro tsara sy andro sarotra izy. Ny tsatòkany dia mivondrona miaraka amin’ny finoana sy fanompoana ary hatsaram-panahy tsy mitsaha-mitombo. Tsy mora izany saingy miaina amim-pinoana, fankasitrahana, ary alahelo takatry ny saina izay hananan’izy ireo toky fa ho lasa fifaliana mandrakizay amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay mamerina amin’ny laoniny, ny vadiny sy ny fianakaviany.
Rehefa mangina sy miaiky ary maneho fanajana isika dia mety hahatsapa ny hatsarana sy ny tanjona ary ny fahatonian’ilay fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana izay atolotry ny Tompo. Mandritra ireo fotoana masina dia mety hamela antsika hahita topimaso ny zava-misy mandrakizay lehibe kokoa Izy izay ahitana ny fiainantsika andavanandro ka ahitana zavatra kely sy tsotra miara-miasa mba hahasoa ireo mpanome sy ireo mpandray.
I Rebekah izay zanakavavin’ny filohan’ny misiônako voalohany dia nizara ny fomba namalian’ny Tompo ny vavaka nataony mba hahazoana fampiononana tamin’ny alalan’ny fahafahana tsy nampoizina hamaliana ny vavaka nataon’olon-kafa.
Indray hariva raha nalahelo noho ny fahafatesan’ny reniny vao haingana i Rebekah dia nanana fahatsapana mazava tsara mba handeha hividy lasantsy ho an’ny fiarany. Rehefa tonga teo amin’ny tobin-tsolika izy dia nifanena tamina vehivavy zokiolona iray sahirana nifoka rivotra tamina fitoerana oksizena lehibe iray. Afaka nanolotra ilay vehivavy ny milina oksizenina an-dreniny, izay azo afindrafindra, i Rebekah tatỳ aoriana. Hoy io anabavy io tamim-pankasitrahana hoe: “Naverinao tamiko ny fahafahako.” Miara-miasa tsara ny zavatra rehetra rehefa manompo tahaka an’i Jesoa Kristy isika.
Nanazava ny raim-pianakaviana iray izay notendrena niaraka tamin’ny zanany lahy izay mpampianatra, ho mpiara-manompo hoe: “Ny atao hoe fanompoana dia rehefa isika mpifanolo-bodirindrina mpitondra mofomamy lasa namana azo itokisana, sy mpamaly voalohany ny antso ara-panahy.” Ny fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana ao amin’i Jesoa Kristy dia mampionona, mampifandray ary manamasina.
Na dia ao anatin’ny loza aza, ny fiomanana ara-panahy dia mety hampahatsiahy antsika fa fantatry ny Raintsika any An-danitra ny fotoana nahatsapantsika ho tena marefo sy irery. Ohatra, ny fianakaviana iray izay nanan-janaka nentina tany amin’ny hôpitaly dia nahita fampiononana taty aoriana rehefa nahatsiaro fa ny Fanahy Masina dia nibitsibitsika mialoha ny zavatra hitranga.
Indraindray ilay zava-misy maharitra mandrakizay izay avelan’ny Tompo ho tsapantsika dia ahitana ireo fianakaviana any ambadiky ny voaly. Nahita fifaliana tamin’ny fiovam-po tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny rahavavy iray. Nisy dona roa izay nisy fiantraikany lalina teo amin’ny fiainany—ny nanatrehany lozam-pifamoivoizana an-tsambo iray ary ny namoizany tamin’alahelo lehibe ny reniny izay namono tena.
Nandresy ny fatahorany rano anefa io rahavavy io ka natao batisa asitrika. Ary tamin’ilay andro izay nanjary ho andro heniky ny fifaliana dia nahita olona iray nisolo tena ny reniny nodimandry natao batisa tao amin’ny tempoly izy. “Nanasitrana ny reniko ny batisa natao tao amin’ny tempoly, ary nanafaka ahy izany,” hoy ilay rahavavy. “Io no fotoana voalohany nahatsapako fiadanana hatramin’ny nahafatesan’ny reniko.”
Ny hira masintsika dia akon’ny fanomezan-toky avy Aminy fa ny zava-drehetra dia afaka miara-miasa hahasoa antsika.
Ny Bokin’i Môrmôna dia porofo azontsika hazonina fa i Jesoa no Kristy ary Andriamanitra dia manatanteraka ireo faminaniany. Ny Bokin’i Môrmôna izay nosoratana mpaminany nentanim-panahy izay nahita ny androntsika, dia manomboka amina tantara mampientanentana: fianakaviana iray miatrika fahasamihafana lalina. Kanefa rehefa mandalina sy misaintsaina ny 1 Nefia 1 ka hatramin’ny Môrônia 10 isika dia voasarika hanatona an’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona mafy orina fa ny zava-nitranga tao sy tamin’izany dia afaka mitahy antsika eto sy ankehitriny.
Miara-miasa ho soa ho antsika ireo fitahian’ny tempoly rehefa ampanakaikezin’ny Tompo any amin’ny toerana maro kokoa ireo tranon’ny Tompo, amin’ny alalan’ny mpaminaniny velona. Mankany amin’ Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy isika, amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ôrdônansy, ary mahazo fomba fijery mandrakizay momba ny fiainana an-tany. Manolotra ho an’ireo olona mamintsika ao amin’ny fianakaviana—ireo razambe—ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ireo fitahiana avy amin’ny fanekempihavanana izay tanterahina tsirairay sy isaky ny anarana isika, araka ny lamin’ny Tompo momba ireo mpamonjy eo an-Tendrombohitr’i Ziona.
Ny fahafoizana azontsika atao any amin’ny tempoly dia ny mikatsaka ny fahamasinana ao an-tranon’ny Tompo matetika kokoa, rehefa manakaiky antsika ny tempoly any amin’ireo toerana maro. Nandritra ny taona maro dia namonjy sy nanao drafitra ary nahafoy tena mba ho any amin’ny tempoly isika. Ankehitriny, raha mamela izany ny toe-javatra iainana, dia mba tongava manatona ny Tompo matetika kokoa ao amin’ny tranony masina. Avelao ny fitsaohana sy ny asa fanompoana tsy tapaka any amin’ny tempoly hitahy sy hiaro ary hanentana ny fanahinao sy ny fianakavianao—ilay fianakaviana anananao sy ny fianakaviana izay hanananao ary hahatongavanao indray andro any.
Ary mba hevero ny fitahiana azo avy amin’ny fananana ny fitafian’ny tempoly anao manokana, raha mamela izany ihany koa ny toe-javatra iainanao. Nisy renibe iray avy amin’ny fianakaviana tsotsotra anankiray izay nilaza fa amin’ireo zava-drehetra eto amin’izao tontolo izao dia ny fitafian’ny tempoly an’ny tenany manokana no tiany ananana indrindra. Hoy ny zafikeliny hoe: “Nibitsibitsika i Bebe hoe: -Hanompo miaraka amin’ny fitafian’ny tempoly izay ahy manokana aho, ary rehefa maty aho dia halevina miaraka amin’izany.-” Ary rehefa tonga tokoa ny fotoana, dia izay no natao taminy.
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny zava-drehetra inoantsika sy ny fampanantenana rehetra nataon’ Andriamanitra tamin’ireo olon’ny fanekempihavanany dia mifantoka any amin’ny tempoly.”
Amin’izao andro izao sy mandrakizay, ny tanjon’ny Fahariana sy ny toetran’ Andriamanitra Izy Tenany dia ny hitondra ny zava-drehetra ho soa ho antsika.
Izany no tanjona mandrakizain’ny Tompo. Izany no fomba fijeriny mandrakizay. Izany no fampanantenany mandrakizay.
Rehefa misavoritaka ny fiainana ary tsy mazava ny tanjona, rehefa te hanana fiainana tsara kokoa ianao nefa tsy fantatrao hoe amin’ny fomba ahoana; raha sitrakao, manatòna an’ Andriamanitra ilay Raintsika sy i Jesoa Kristy. Matokia fa velona Izy Ireo, tia anao ary maniry ny zava-drehetra hahasoa anao. Mijoro ho vavolombelona aho fa manao izany Izy Ireo, tsy manam-petra ary mandrakizay, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.