Matokia an’i Jehovah
Hatreo amin’ny halehiben’ny fahavononantsika hametraka ny fitokiantsika amin’ Andriamanitra ihany no ahafahan’ny fifandraisantsika Aminy hitombo.
Indraindray manao ilay kilalao antsoinay hoe “Fianjerana amim-pitokiana” ny fianakavianay. Mety efa nanao io kilalao io ihany koa ianareo. Misy olona roa mijoro, misy elanelana kely ary mifanome lamosina. Mianjera mankany aoriana ilay olona eo aloha mba ho tantazan’ilay namany rehefa manome toromarika ilay olona ao aoriana.
Fototry ny fifandraisana rehetra ny fitokiana. Ny fanontaniana tokony hipetraka alohan’ny hifandraisana amin’olona iray dia hoe: “Afaka matoky io olona io ve aho?” Rehefa manam-piniavana hametraka fifampitokisana ihany ny olona vao miforona ny fifandraisana. Tsy azo antsoina hoe fifandraisana ny hoe ny olona iray matoky tanteraka kanefa ilay iray tsy toy izany.
Fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny Ray any An-danitra isika tsirairay avy. Kanefa na dia misy fototra aza avy amin’izany tetiarantsika ara-panahy izany dia tsy mampisy ho azy fifandraisana manan-danja amin’ Andriamanitra izany. Rehefa misafidy ny hametraka fitokiana Aminy ihany isika vao afaka misy fifandraisana miorina.
Maniry ny hanorina fifandraisana manokana ary akaiky amin’ireo zanany ara-panahy tsirairay ny Ray any An-danitra. Nilaza izany faniriana izany i Jesoa rehefa nivavaka nanao hoe: “Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao Aminao, mba ho ao amintsika koa izy.” Fifandraisana tena akaiky sy manokana ny fifandraisana tadiavin’ Andriamanitra amin’ny zanaka fanahy tsirairay avy, hany ka ho afaka ny hizara izay rehetra ananany sy izay rehetra maha-Izy Azy Izy. Tsy mitombo izany karazana fifandraisana lalina sy maharitra izany raha tsy aorina eo ambony fitokiana tanteraka izay tonga lafatra.
Raha ny anjarany manokana, ny Ray any An-danitra dia efa nampahafantatra hatrany am-piandohana ny fitokiany tanteraka amin’ny fahafahan’ny zanany tsirairay ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Fitokiana no ifotoran’ilay drafitra izay natolony mialoha ny niaviantsika teto an-tany mba hivoarantsika sy hitomboantsika. Hampianatra lalàna mandrakizay antsika Izy, hamorona tany, hanome vatana mety maty antsika, hanome antsika fahafahana hisafidy ho an’ny tenantsika, ary hamela antsika hianatra sy hivoatra amin’ny fanaovantsika ny safidintsika. Iriany ny hanaovantsika safidy mba hanaraka ireo lalàny sy hiverina hisitraka ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy sy ny Zananilahy.
Fantany fa tsy hanao safidy tsara hatrany isika, koa nanomana lalana ho antsika ihany koa Izy mba hahafahantsika hiala amin’ireo vokatry ny safidy ratsy. Nomeny Mpamonjy isika, dia i Jesoa Kristy Zananilahy izany, mba hanonitra ireo fahotantsika ka hahatonga antsika hadio indray raha toa mibebaka. Manasa antsika Izy mba hampiasa ilay fanomezana sarobidy dia ny fibebahana tsy tapaka.
Fantatry ny ray aman-dreny rehetra fa sarotra ny matoky tanteraka ny zanaka iray sy hamela azy handray fanapahan-keviny manokana, indrindra rehefa fantatr’ilay ray na ilay reny fa mety hanao fahadisoana ilay zanaka ary hijaly vokatr’izany. Ny Ray any An-danitra anefa dia matoky antsika hanao ireo safidy izay hanampy antsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra! Araka ny nampianarin’ny Loholona Dale G. Renlund hoe: “Ny tanjon[y] eo amin’ny fitaizana dia tsy ny hanao izay hahatonga ireo zanany hanao ny marina; fa ny hanao izay hahatonga ireo zanany hisafidy ny hanao ny marina ary ho tonga tahaka Azy amin’ny farany.”
Na dia matoky antsika aza Andriamanitra, dia hatreo amin’ny halehiben’ny fahavononantsika hametraka ny fitokiantsika Aminy ihany no ahafahan’ny fifandraisantsika Aminy hitombo. Isika miaina anaty tontolo izay lavo no fanamby, ary samy efa niaina fivadiham-pitokisana vokatry ny tsy fahamarinan-toetra, ny fanararaotana, ny fanerena na toe-javatra hafa isika. Mety ho sarotra amintsika ny hatoky indray rehefa tratry ny fivadiham-pitokisana isika. Mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahavononantsika hatoky ny Raintsika any An-danitra izay tonga lafatra mihitsy aza ireo zava-dratsy niainana momba ny fitokiana tamin’ny olombelona izay tsy tonga lafatra.
Taona maro lasa izay dia nisy namako anankiroa, i Leonid sy i Valentina, nilaza ho liana ny ho lasa mpikamban’ny Fiangonana. Nahita i Leonid fa sarotra ho azy ny nivavaka rehefa nanomboka nianatra ny filazantsara izy. Efa nijaly noho ny fanambakana sy ny famehezana nataon’ireo lehibeny i Leonid taloha, hany ka lasa nanana tsy fitokiana tamin’ny olona manam-pahefana. Nisy fiantraikany teo amin’ny fahafahany nanokatra ny fony sy naneho ny fahatsapany manokana tamin’ny Ray any An-danitra ireo zavatra niainana ireo. Nitombo ny fahatakaran’i Leonid ny toetran’ Andriamanitra ary nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra izy rehefa nandeha ny fotoana sy ny fandalinana nataony. Taty aoriana, dia lasa fomba mandeha ho azy nentiny naneho fisaorana sy ilay fitia tsapany ho an’ Andriamanitra ny vavaka. Nitarika azy sy i Valentina hanao fanekempihavanana masina hanamafisana orina ny fifandraisan’izy ireo tamin’ Andriamanitra sy teo amin’izy samy izy ny fitomboan’ny fitokisany an’ Andriamanitra nony farany.
Miangavy anao mba hanaraka ny ohatra nasehon’i Leonid raha misakana anao tsy hatoky an’ Andriamanitra ny fahaverezam-pitokisana tany aloha tany. Tohizo amim-paharetana ny fianarana misimisy kokoa ny momba ny Ray any An-danitra, ny toetoetra mampiavaka Azy, ary ireo toetrany sy ny tanjony. Katsaho ny hahatsapa ny fitiavany sy ny heriny eo amin’ny fiainanao ary raiso an-tsoratra izany. Nampianatra ny mpaminanintsika velona, ny Filoha Russell M. Nelson, fa arakaraka ny hianarantsika momba an’ Andriamanitra no mahamora ny fitokiantsika Aminy.
Indraindray ny matoky an’Andriamanitra no fomba tsara indrindra hianarana ny fitokiana Aminy. Tahaka ilay kilalao “Fianjerana amim-pitokiana,” dia mila manana fahavononana ny hianjera mankany aoriana sy mamela Azy hitanty antsika fotsiny isika indraindray. Fitsapana ny fiainantsika eto an-tany. Tonga matetika ireo fanamby izay manosika antsika hanao mihoatra noho izay zava-bitantsika. Rehefa tsy ampy ny fahalalantsika sy ny fahatakarantsika, dia mitady tsotra izao ireo loharanom-pahalalana mba hanampy antsika isika. Tsy lanilaniana ny loharanom-pahalalana, eto amin’ity tontolo feno fampahalalana miavosa ity, izay mampahafantatra ny vahaolana atolotr’izy ireo hamahana ny olantsika. Na izany aza, dia manome antsika ny torohevitra tsara indrindra ilay torohevitra tsotra, voaporofon’ny fotoana ho mahomby, izay hita ao amin’ny Ohabolana hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra.” Maneho ny fitokiantsika amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fianteherantsika Aminy aloha rehefa miatrika ireo olana eo amin’ny fiainana.
Niatrika ilay fanapahan-kevitra manan-danja mikasika ny toerana hiasana sy hanorenana ny toeram-ponenanay ny fianakaviako rehefa vita ny fianarako ny taranja lalàna tao Utah. Rehefa avy nifampidinika izahay ary nila hevitra tamin’ny Tompo, dia tsapanay fa nahazo fitarihana hamindra ny fianakaviany tany amin’ny faritra antsinanan’i Etazonia izahay, lavitra ireo ray aman-dreny sy ireo iray tam-po aminay. Nandeha tsara ny zava-drehetra tamin’ny voalohany, ary nahatsapa fanamafisana izahay tamin’ny fanapahan-kevitra noraisinay. Niova anefa ny toe-draharaha nony avy eo. Nahena ny isan’ny mpiasa tao amin’ilay orinasa, ary niatrika ny mety hisian’ny tsy fananana asa na fiantohana aho tamin’ny fotoana nahaterahan’i Dora zanakay vavy indrindra izay nanana olana ara-pahasalamana sy nilàna fanampiana manokana mandritry ny fotoana maharitra. Nomena antso izay nitaky fotoana sy fanolorantena lehibe aho tamin’ny fotoana niatrehana ireo olana ireo.
Tsy mbola niatrika fanamby toy izany aho hatrizay ka dia nahatsapa ho novesaran-javatra tokoa. Nanomboka nisalasala ny amin’ny fanapahan-kevitra noraisinay sy ilay fahatsapana fahazoana antoka ny amin’ilay izy aho. Natoky ny Tompo izahay, ka dia tokony handeha tsara ny zavatra rehetra. Nianjera nankany aoriana aho, kanefa toa tsy misy na iza na iza hitanty ahy tamin’izay.
Indray andro dia tonga mazava tsara tao an-tsaiko sy tao am-poko ny teny hoe : “Aza manontany hoe fa nahoana, fa manontania hoe inona no zavatra tiako hianaranao.” Vao mainka aza nisavorovoro ny saiko. Tamin’ilay fotoana naha sahirana ahy tamin’ny fanapahan-kevitro tany aloha iny indrindra no nanasan’ Andriamanitra ahy hatoky Azy bebe kokoa. Rehefa manao jery todika aho dia fotoana tena nanan-danja teo amin’ny fiainako izany—io no fotoana izay nahatonga saina ahy fa ny matoky an’ Andriamanitra tsotra izao no fomba tsara indrindra hianarana matoky Azy. Tao anatin’ireo herinandro manaraka dia talanjona aho nijery rehefa nampahafantarin’ny Tompo tsikelikely tamin’ny fomba mahagaga ny drafiny hitahiana ny fianakavianay.
Mahafantatra ireo mpampianatra sy mpampiofana mahay fa tsy mitranga ny fitomboana ara-paharanitan-tsaina sy ny hery ara-batana raha tsy rehefa ampiasaina mafy ny saina sy ny hozatra. Tahaka izany koa, dia manasa antsika Andriamanitra mba hitombo amin’ny fitokiana ny fomba fampianarany ara-panahy amin’ny alalan’ireo zavatra iainana izay mampivelatra ny fanahy. Noho izany dia afaka mahazo antoka isika fa misy traikefa mitaky fampiasana fitokiana mafy mbola miandry, na manao ahoana na manao ahoana ny fitokiana nasehontsika tamin’ Andriamanitra taloha. Mifantoka amin’ny fitomboantsika sy ny fivoarantsika Andriamanitra. Izy no ilay Mpampianatra Lehibe, ilay mpampiofana feno izay mampiasa mafy antsika hatrany mba hanampiana antsika hahatakatra kokoa ny fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Tafiditra ao anatin’izany hatrany ny fanasana amin’ny ho avy mba hatoky Azy kokoa.
Mampianatra ny lamina ampiasain’ Andriamanitra hampiasana antsika mafy mba hanorenana fifandraisana mafy orina amintsika ny Bokin’i Môrmôna. Vao haingana isika no nandalina tao amin’ny Avia, hanaraka Ahy ny fomba nitsapana ny fitokisan’i Nefia an’ Andriamanitra rehefa nodidiana izy sy ireo rahalahiny mba hiverina any Jerosalema haka ireo takela-barahana. Nilavo lefona ireo rahalahiny, ary vonona ny hiveri-maina tsy mitondra ireo takelaka rehefa tsy nahomby ilay andrana voalohany. Kanefa nisafidy ny hametraka tanteraka ny fitokisany tamin’ny Tompo i Nefia ary nahita fahombiazana tamin’ny fahazoany ireo takelaka. Inoana fa nampahatanjaka ny fitokisan’i Nefia an’ Andriamanitra izany traikefa izany, rehefa simba ny tsipíkany ka niharan’ny tsy fisian-tsakafo ny fianakaviany tany an-tany foana. Teo ihany koa dia mbola nisafidy ny hatoky an’ Andriamanitra i Nefia, ary avotra ny fianakaviany. Nanome an’i Nefia fitokiana matanjaka kokoa an’ Andriamanitra ireo traikefa nifanesy ireo mba hanaovana ilay asa goavana hohatrehany atsy ho atsy izay nila nampiasana fitokiana mafy mba hanamboatra sambo.
Nanamafy ny fifandraisany tamin’ Andriamanitra i Nefia tamin’ny alalan’ny fitokisanytsy niova ary tsy tapaka Taminy tamin’ny alalan’ireo traikefa ireo. Mitovy amin’izany koa ny ataon’ Andriamanitra amintsika. Manolotra fanasana manokana ho antsika Izy mba hampahatanjaka sy hampahalalim-paka ny fitokisantsika Azy. Mitombo ny fitokisantsika an’ Andriamanitra isaky ny manaiky ny fanasany isika ary manao izay ilay lazain’ilay fanasana. Mitsahatra ny fivoarantsika mandra-pahavononantsika hamaly fanasana vaovao indray, raha ataontsika tsinontsinona na lavintsika ilay fanasana.
Ny vaovao tsara dia hoe afaka ny misafidy isika, ankehitriny sy amin’ny androntsika sisa rehetra, ny hatoky an’ Andriamanitra na manao ahoana na manao ahoana fitokiana izay mety nosafidiantsika na tsy nosafidiantsika mba hapetraka amin’Andriamanitra. Mampanantena aho fa isaky ny manao izany isika, dia ho eo Andriamanitra hitanty antsika, ary hihahatanjaka ny fifandraisantsika amim-pitokiana mandra-pahatonga ilay andro hahatonga antsika ho iray Aminy sy ny Zanany. Dia ho afaka ny hanambara tahaka an’i Nefia isika hoe: “Tompo ô, efa natoky Anao aho ary mbola hatoky Anao mandrakizay.” Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.