2010
Hirao ny Hira Tianao Indrindra
Jona 2010


Ho an’ny Ankizy

Hirao ny Hira Tianao Indrindra

Nitantara momba ireo kanarian-dRahavavy McKee ny Filoha Monson. Mavo tanteraka ny lokon’ny anankiroa. Tena tsara izy ireo! Tsy dia tsara loatra ilay fahatelo satria nisy maramara miloko volombatolalaka ny elany. Nefa tian-dRahavavy McKee tokoa izy io satria tena nahay nihira.

Ny olona sasany dia mihevitra fa tsy mba tsara tarehy na mahira-tsaina toy ny hafa izy ireo. Nefa ny olona tsirairay dia manan-danja eo anatrehan’ny Tompo. Afaka ny ho mahatoky sy be herim-po isika ary hampiasa ny talentantsika mba hanompoana ny hafa. Dia ho toy ilay kanaria mavomavo misy loko volombatolalaka eo amin’ny elany isika. Tsy lavorary isika saingy mihira ny hirantsika tsara indrindra!

Manorata fomba telo ahafahanao mihira ilay hiranao tsara indrindra ho an’ny Tompo.

Afaka mihira ho an’ny Tompo ilay hirako tena tsara indrindra aho amin’ny alalan’ny:

Hamoaka printy