2010
Fanavaozana ny Fanekempihavanana amin’ny alalan’ny Fanasan’ny Tompo
Jona 2010


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Jiona 2010

Manavao ny Fanekempihavanana amin’ny alalan’ny Fanasan’ny Tompo

Ampianaro ireo soratra masina sy teny nindramina ireo, na raha ilaina, dia mampianara fitsipika iray hafa izay hitahy ireo rahavavy vangianao. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fotopampianarana. Asao ireo izay ampianarinao mba hizara ny zavatra tsapany sy nianarany.

Nampiorina ny Fanasan’ny Tompo i Jesoa Kristy

“Nandray ny mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: ‘Raiso, hano’ (Matio 26:26). ‘Ity ny tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy’ (Lioka 22:19). Nitovy tamin’io fomba io koa no nandraisany ny kapoaka nisy divay, izay mitapo-drano araka ny nentim-paharazana, ary nanao vavaka ho fisaorana izany Izy, dia nizara izany tamin’ireo izay niara-nivory Taminy ary nilaza hoe: ‘Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako,’ ‘izay alatsaka … ho famelan-keloka.’ ‘izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.’ …

“Nanomboka tamin’izay fotoana tany amin’ny efitrano ambony rihana izay, izay nialoha an’i Getsemane sy Golgota, dia teo ambanin’ny fanekempihavanana mba hahatsiaro ny sorona nataon’i Kristy amin’ity fomba vaovao sy manan-danja kokoa ary masina sy an’ny tena manokana ity ireo zanaky ny fampanantenana.”1

Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Manavao ny Fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Batisa Isika amin’ny alalan’ny Fanasan’ny Tompo

“Rehefa atao batisa isika dia mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy. Ny fitondrantsika ny Anarany dia anisan’ny traikefa lehibe indrindra ananantsika eo amin’ny fiainana. …

“Isan-kerinandro mandritra ny fivoriana Fanasan’ny Tompo dia mampanantena isika fa hahatsiaro ny sorompanavotan’ny Mpamonjy rehefa manavao ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa. Mampanantena ny hanao toy ny nataon’ny Mpamonjy isika—hankatò ny Ray ary hitandrina lalandava ny didiny. Ny fitahiana azontsika ho valin’izany dia ny fananana lalandava ny Fanahiny miaraka amintsika.”2

Loholona Robert D. Hales avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

“Niaraka tamin’ny ankizivavy valo taona iray aho tamin’ny andron’ny batisany. Rehefa nifarana ny andro dia hoy izy tamim-pahatokiana tamiko hoe: ‘Natao batisa nandritra ny andro manontolo aho ary tsy nanota mihitsy na dia indray mandeha aza!’ Saingy ilay andro nahalavorary azy dia tsy naharitra mandrakizay ary mino aho fa fantany ankehitriny toy ny ahafantarantsika rehetra fa na dia miezaka mafy toy ny inona aza isika dia tsy voatery hahasoroka ny toe-javatra ratsy rehetra sy ny safidy ratsy rehetra. …

“… Tsy vita ny manao fanovana tanteraka amin’ny alalan’ny herintsika irery fotsiny. Tsy ampy ny fahavononantsika sy ny fikasantsika izay tsara. Rehefa manao hadisoana isika na manao safidy ratsy, dia tsy maintsy mila ny fanampian’ny Mpamonjy mba hiverenana amin’ilay lalana marina. Mandray ny Fanasan’ny Tompo isika ao anatin’ny herinandro mifandimbindimby mba hanehoana ny finoantsika fa ny heriny dia afaka hanova antsika. Mibaboka ny fahotantsika isika ary mahafoy izany.”3

Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.

Fanamarihana

  1. Jeffrey R. Holland, “This Do in Remembrance of Me,” Ensign, Nôv. 1995, 67.

  2. Robert D. Hales, “The Covenant of Baptism: To Be in the Kingdom and of the Kingdom,” Liahona, Jan. 2001, 8.

  3. Julie B. Beck, “Remembering, Repenting, and Changing,” Liahona, Mey 2007, 110–11.

Fanampiana ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano

Rehefa mahafantatra tsara ny rahavavy iray sy ny fianakaviany ianao, dia mitadiava fomba izay mety ahafahanao manampy azy hanavao ny fanekempihavanany amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo. Raha tsy manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo izy dia afaka manasa azy mba hanatrika izany ianao na manome fanampiana azy mba hanatanterahany izany (fitaovam-pitaterana, fikarakarana ny ankizy, fitadiavana namana hipetraka eo akaikiny sy ny sisa)?

Fiomanan’ny Tena Manokana

Lioka 22:7--20

1 Korintiana 11:23–28

3 Nefia 18:1–12

Hamoaka printy