2010
Kanaria Misy Loko Volombatolalaka eny amin’ny Elany
Jona 2010


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Jiona 2010

Kanaria Misy Loko Volombatolalaka eny amin’ny Elany

Efa ho 60 taona lasa izay no nahafatesan’i Kathleen McKee, izay mananotena iray tao amin’ny paroasiko, fony aho eveka mbola herotrerony. Tamin’ireo fananany dia nahitana kanaria telo taman-trano. Ny roa izay niloko mavo tsara tarehy dia nasainy nomena ny namany. Ny fahatelo dia i Billie, izay niloko mavo fa nosimbain’ilay loko volombatolalaka eo amin’ny elany. Nosoratan-dRahavavy McKee tao amin’ilay taratasy nataony ho ahy hoe: “Afaka mampiantrano azy ve ianao sy ny fianakavianao? Tsy izy no tsara tarehy indrindra saingy ny hirany no tsara indrindra.”

Rahavavy Mckee dia nitovy be tamin’ilay kanaria mavomavo misy loko volombatolalaka eo amin’ny elany. Tsy mba nanana hatsaran-tarehy izy na fahatokian-tena na taranaka. Saingy ny hirany dia nanampy ny hafa ho vonona kokoa hilanja ny enta-mavesany sy ho afaka hanatanteraka bebe kokoa ny andraikiny.

Izao tontolo izao dia feno kanaria mavomavo misy loko volombatolalaka eo amin’ny elany. Ny mampalahelo dia tena vitsy monja no mba mahay mihira. Ny sasany dia tanora izay tsy mahafantatra hoe iza moa izy ireo, afaka ho lasa inona izy ireo na koa hoe te ho lasa inona. Ny hany mba iriany dia ho lasa olona manana ny maha izy azy. Ny hafa dia navonkon’ny taona, na vesaran’ny olana na feno ahiahy—miaina fiainana izay latsaka ambany lavitra noho ny azon’izy ireo atao.

Mba hananana fiainana feno tsara dia tokony hampivelarintsika ny fahaizana miatrika ny olana amim-pahasahiana, sy ny fahadisoam-panantenana amim-pifaliana ary ny fandresena amim-panetrentena. Manontany ianao hoe: “Ahoana no ahafahako manatanteraka ireo tanjona ireo?” Dia valiako hoe: “Amin’ny alalan’ny fananana fahalalana mitombina hoe iza marina moa isika!” Zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra velona isika ary nohariana tahaka ny endriny. Eritrereto izany hoe: nohariana tahaka ny endrik’Andriamanitra. Tsy afaka ny hino tanteraka izany isika raha tsy miaina fahatsapana lalina vaovao hoe nahazo tanjaka sy hery.

Eto amin’ity izao tontolo izao misy antsika ity matetika ny hatsaran-toetra dia toa latsa-danja raha oharina amin’ ny hatsaran-tarehy na ny herin-tsintona. Saingy efa ela no nanakoako ilay torohevitry ny Tompo tamin’i Samoela mpaminany hoe: “Fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo” (1 Samoela 16:7).

Raha nitady olona manam-pinoana ny Mpamonjy dia tsy mba nofidiany teo anivon’ireo vondron’olona mihevi-tena ho marina izay hita tsy tapaka any amin’ny synagoga izy io, fa kosa niantso azy avy teo anivon’ireo mpanaraton’i Kapernaomy. Lasa Petera Apôstôly manam-pinoana ilay Simôna be ahiahy sy tsy nandia fianarana ary mpivatravatra. Kanaria mavomavo iray misy loko volombatolalaka eo amin’ny elany no mendrika ny fahatokiana fenon’ilay Mpampianatra sy ny fitiavany tsy miova.

Raha nifidy misiônera mazoto sy mahery ny Mpamonjy dia tsy teo anivon’ireo mpanohana Azy no nahitany izany fa kosa teo anivon’ireo fahavalony. Ilay Saoly mpanenjika dia lasa Paoly mpitory.

Nifidy olona tsy lavorary ny Mpanavotra mba hampianatra ny fomba hahazoana ny fahalavorariana. Nataony izany tamin’izany fotoana izany. Mbola manao izany Izy ankehitriny—na dia kanaria mavomavo misy loko volombatolalaka aza eo amin’ny elany. Antsoiny izaho sy ianao hanompo Azy ety ambany ety. Tokony ho tanteraka ny fanoloran-tenantsika. Ary ao anatin’ny olana isika dia aoka hitalaho hoe: “Tariho izahay, ô mba tariho izahay ry Mpahary lehibe ho tafavoaka ny haizina mba hilofosanay indray mandeha indray.”1

Ny vavaka ataoko dia ny mba hanarahantsika ny ohatr’Ilay Lehilahy tany Galilia, izay hita nifangaroharo tamin’ny mahantra, ny voan’ny tsindry hazo lena, ny voateritery sy ny malahelo. Enga anie hisy hira marina hivoaka avy amin’ny fontsika rehefa manao izany isika.

Fanamarihana

  1. “Fight Song,” Sekoly Ambaratonga Faharoa Yonkers.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Rehefa mampianatra ianao … , dia matetika manampy ny mampijery na mampihaino ny mpianatra zavatra voafaritra tsara iray” (Enseignement, Pas de Plus Grand Appel [1999], 55). Mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakaviana hahatakatra ny hafatry ny Filoha Monson, dia angataho izy ireo mba hiomana hizara ny zavatra nianarany taorian’ny fiarahana namaky ilay hafatra. Asao ny olona tsirairay mba hizara lafin-javatra iray izay tsapany ho manan-danja ao amin’ilay lahatsoratra. Farano amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny hafatra nataon’ny Filoha Monson izany.

Ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra araka ny nanomezana azy tamin’ny alalan’ny mpaminaniny dia afaka manana fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainan’ireo izay ampianarintsika (jereo Enseignement, Pas de Plus Grand Appel, 50). Milaza ny Filoha Monson fa misy tanjaka sy hery amin’ny fahafantarana fa zanak’Andriamanitra isika. Aorian’ny famakiana ity lahatsoratra ity dia angataho ny fianakaviana mba hizara ny zavatra izay manampy azy ireo hahatsiaro hoe iza izy ireo.