2010
Inona no atao hoe Tena Hatsarana?
Jona 2010


Ho an’ny Tanora

Inona no atao hoe Tena Hatsarana?

Ny Filoha Monson ao amin’ity hafatra ity dia manambara hoe: “Eto amin’ity izao tontolo izao misy antsika ity matetika ny hatsaran-toetra dia toa latsa-danja raha oharina amin’ny hatsaran-tarehy na ny herin-tsintona.” Ny zatovovavy dia mety ho sahirana amin’ny fomba fijerin’izy ireo ny hoe iza moa izy ireo ary afaka ho tonga inona. Diniho ireto hevitra ireto izay mahakasika ny tena hatsarana avy amin’ny Loholona Lynn G. Robbins ao amin’ny Fitopololahy:

  • Ny zatovovavy iray izay feno haravoana ny endriny sady feno fifaliana sy hatsaran-toetra, dia mamirapiratra ny hakantony avy ao anaty.

  • Ny tsiky feno hatsaran-toetra dia tena tsara rehefa miseho amim-pahatsorana tanteraka izany. Izany tena hatsarana izany dia tsy azo lokoina fa fanomezan’ny Fanahy.

  • Ny fahamaotinana dia marika ety ivelany ary zavatra takian’ny hatsarana anaty.

  • Raha kivy amin’ny bika aman’endrikao ianao, dia hanampy anao izany hahita ny tenanao amin’ny alalan’ny mason’ireo izay tia anao. Ny hatsarana miafina izay hitan’ireo olon-tiana dia mety ho fitaratra hitondra fampivoarana ny tena manokana.

  • Ny karazana lehilahy izay tian’ny vehivavy tsara toetra iray ho vadiana koa dia “tsy mijery” araka ny fijerin’ny olona araka ny nofo (jereo 1 Samoela 16:7). Ho voasarika izy ho amin’ilay tena hatsarana avoakany avy amin’ilay fo madio sy falifaly. Mitovy amin’izany koa ny an’ny zatovovavy izay mitady zatovolahy tsara toetra.

  • Ny Raintsika any an-danitra dia manantena ny zanany rehetra mba hifidy ny tsara izay hany fomba ahazoana fifaliana maharitra sy hatsarana anaty.

  • Tsy misy fifaninanana miaraka amin’ny Tompo. Ny rehetra dia samy manana tombontsoa mitovy dia ny fananana ny endriky ny Tompo voasokitra eo amin’ ny tarehin’izy ireo (jereo Almà 5:19). Tsy misy hatsarana marina kokoa noho izany.

Raha hamaky ilay hafatra iray manontolo dia jereo ny Lynn G. Robbins, “True Beauty,” New Era, Nôv. 2008, 30. Afaka mahita torohevitra mitovy amin’izany koa ny zatovolahy ao amin’ny Errol S. Phippen, “Ugly Duckling or Majestic Swan? It’s Up to You,” Liahona, Ôkt. 2009, 36.

Hamoaka printy