2012
Ilay Vavaka Nataoko Tamim-pinoana
Febroary 2012


Ho an’ny Tanora

Ilay Vavaka Nataoko Tamim-pinoana

Fony aho 18 taona, dia niasa toy ny mpivarotra tao amin’ny trano fivarotana fanaka iray. Tena henjana ny fandaharam-potoan’ny asako. Niasa nanomboka tamin’ny 8 ora maraina aho ka hatramin’ny 10 ora alina ny Alatsinainy ka hatramin’ny Asabotsy. Nalahelo aho satria tsy mba afaka nandray anjara tamin’ny Institiota na ny fiaraha-mientan’ny Fiangonana.

Nanomboka nivavaka tamim-pinoana lehibe tamin’ny Ray any an-danitra aho mba hangataka Azy hanampy ahy hahita asa izay tsy mampiasa Asabotsy mba hahafahako manatrika ny Institiota sy ireo fiaraha-mientana hafa.

Indray andro dia nanampy lehilahy iray aho tany am-piasana. Nanomboka nifampiresaka izahay, ary nilaza izy fa miasa any amin’ny banky lehibe iray. Nanontany aho hoe, ahoana no ahafahako mahazo fahombiazana amin’ny tolotr’asa iray hita ao amin’izany sehatr’asa izany. Nomeny ahy ny anarany sy ny laharan’ny telefaoniny ary nasainy niantso ilay mpampiditra mpiasa aho ary hilaza hoe mahafantatra azy aho. Nandeha tany amin’ilay banky aho ary nanatanteraka ny fanadinana nilaina. Afaka tamin’izany aho ary nanomboka niasa adiny enina isan’andro nanomboka ny Alatsinainy ka hatramin’ny Zoma, ary avo telo heny tamin’ny karamako teo aloha no noraisiko.

Fantatro fa mitarika antsika ny Tompo rehefa maniry ny hametraka Azy alohan’ny zava-drehetra isika. Mitarika ahy Izy na hatramin’izao aza. Fantatro fa marina ny fitsipiky ny vavaka.

Hamoaka printy