2012
Mpiambina ny Tokantrano
Febroary 2012


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Febroary 2012

Mpiambina ny Tokantrano

Halalino ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

“Ianareo no mpiambina ny tokantrano,” hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) tamin’izy nampahafantatra ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao” nandritra ny fivoriamben’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany tamin’ny 1995. “Ianareo no mpiteraka ny zanaka. Ianareo no mpamelona azy ireo ary mametraka ao anatin’izy ireo ireo fahazarana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Tsy misy asa hafa izay masina mihoatra ny famelomana ny zanakalahy sy ny zanakavavin’Andriamanitra.”1

Tao anatin’ny 17 taona izao no nanamafisan’ity fanambarana ity fa ny andraikitsika lehibe indrindra dia mifantoka amin’ny fanamafisan’orina ny fianakaviana sy ny tokantrano—na inona na inona toe-javatra iainantsika amin’izao fotoana izao. I Barbara Thompson, izay mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany ankehitriny, dia tao amin’ny Tabernakelin’i Salt Lake tamin’ny namakian’ny Filoha Hinckley voalohany izany fanambarana izany. Hoy izy nahatsiaro hoe: “Fotoan-dehibe tokoa izany.” “Tsapako ny lanjan’ilay hafatra. Nieritreritra koa aho hoe:‘Tena fitarihana lehibe ho an’ny ray aman-dreny izany. Andraikitra goavana ho an’ny ray aman-dreny ihany koa izany.’ Nieritreritra tao anatin’ny fotoana fohy aho hoe tsy dia mahakasika ahy loatra izany satria aho sady tsy manambady no tsy manan-janaka. Kanefa dia nieritreritra haingana aho hoe: ‘Tena mahakasika ahy izany. Izaho dia mpikambana ao anatin’ny fianakaviana iray. Zanakavavy aho, rahavavy, nenitoa, zanaky ny mpiray tampo, ary zafikelivavy. Manana andraikitra—sy fitahiana aho—satria mpikambana ao anatin’ny fianakaviana iray. Na raha toa aza ka izaho irery sisa no olona sisa velona ao anatin’ny fianakaviako, dia mbola mpikambana ao amin’ny fianakavian’Andriamanitra ihany aho, ary manana andraikitra hanampy amin’ny fanamafisan’orina an’ireo fianakaviana hafa.’”

Soa ihany, fa tsy irery isika ao anatin’ny ezaka ataontsika. “Ny tena fanampiana lehibe indrindra izay ho azontsika,” hoy ny Rahavavy Thompson, “eo amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviana dia ny mahafantatra sy manaraka ny fotopampianaran’i Kristy ary miantehitra Aminy mba hanampy antsika.”2

Avy amin’ny Soratra Masina

Ohabolana 22:6; 1 Nefia 1:1; 2 Nefia 25:26; Almà 56:46–48; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40

Avy amin’ny Tantarantsika

“Rehefa nanompo tamin’ny naha-filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany fahaefatra ny Rahavavy Bathsheba W. Smith [nanomboka tamin’ny 1901 ka hatramin’ny 1910]dia hitany ny antony hilàna ny fanamafisana orina ny fianakaviana, ary dia nanao lesona fanabeazana ny reny ho an’ireo rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana izy. Tafiditra ao anatin’ny lesona ny torohevitra mikasika ny fanambadiana, ny fikarakarana ny reny bevohoka, ary ny fanabeazana ny ankizy. Ireo lesona ireo dia manamafy ny fampianaran’ny Filoha Joseph F. Smith momba ny fanampian’ny Fikambanana Ifanampiana ny vehivavy eo amin’ny andraikitr’izy ireo ao an-tokantrano:

“‘Na aiza na aiza no ahitana tsy fahalalana na farafahakeliny tsy fahatakarana momba ny fianakaviana, ny adidin’ny fianakaviana, sy ny andraikitra tsy maintsy atao izay tokony hisy sy tena misy araka ny rariny sy ny hitsiny eo anivon’ny mpivady sy eo anivon’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, dia misy hatrany ity fikambanana ity na eo akaiky eo, ary amin’ny alalan’ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy voajanahary sy ny fitaomam-panahy izay an’ilay fikambanana dia voaomana izy ireo ary vonona ny hanome ny torolalana mikasika izany adidy manan-danja izany.’”3

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, “Stand Strong against the Wiles of the World,” Ensign, Nôv. 1995, 101.

  2. Barbara Thompson, “I Will Strengthen Thee; I Will Help Thee,” Liahona sy Ensign, Nôv. 2007, 117.

  3. Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society (2011), 153.

Inona no Azoko Atao?

  1. Ahoana no ahafahako manampy ny rahavavy izay iandraiketako mba hanamafy orina ny fianakaviana?

  2. Ahoana no ahafahako ho olona mitarika amin’ny tsara ao amin’ny fianakaviako?

Hamoaka printy