2012
Entano Izy ireo Hivavaka
Febroary 2012


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Febroary 2012

Entano Izy ireo Hivavaka

Fony mbola zazakely aho, dia nampianatra ahy nivavaka tamin’ny alalan’ny ohatra nasehony ireo ray aman-dreniko. Izany dia natomboko tamin’ny alalan’ny fametrahana tao an-tsaiko ny sarin’ny Ray any an-danitra izay lavitra be tokoa. Rehefa nihamatotra aho, dia niova ny traikefako momba ny vavaka. Ilay sary tao an-tsaiko indray dia lasa Ray any an-danitra izay tena akaiky tokoa, izay voarakotry ny hazavana mamirapiratra, ary tena mahafantatra ahy tokoa.

Izany fiovana izany dia tonga rehefa nandray ny fijoroako ho vavolombelona azo antoka aho fa marina ny zavatra niainan’i Joseph Smith tamin’ny taona 1820 tao Manchester, New York:

“Nahita andrim-pahazavana aho teo ambonin’ny lohako indrindra, nihoatra ny famirapiratan’ny masoandro, nidina tsikelikely teo amboniko.

“Raha vantany vao niseho izany, dia hitako fa nafahana tamin’ny fahavaloko izay efa nihazona ahy aho. Rehefa nijanona teo amboniko ilay hazavana, dia nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!Joseph Smith—Tantara 1:16–17).

Ny Ray any an-danitra dia tao anatin’izany ala kely izany tamin’io andro iray tao anatin’ny lohataona mahafinaritra io. Nantsoiny tamin’ny anarany i Joseph. Ary dia nampahafantariny fa “Zanaka Malalany” ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao izay efa nitsangana tamin’ny maty. Na aiza na aiza ary na rahoviana na rahoviana ianao no mivavaka, ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izany zava-niseho tena lehibe izany dia afaka hitahy anao.

Ny Ray izay ivavahantsika dia ilay Andriamanitra be voninahitra izay nahary an’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Zanaka Malalany. Henony ny vavaka ataontsika tahaka ny nahenoany ny vavak’i Joseph—amin’ny fomba mazava toy ireny hoe atolotra eo anatrehany ireny izany. Tena tia antsika Izy ka nanome ny Zanany ho Mpamonjy antsika. Tamin’ny alalan’izany fanomezana izany no nanaovany izay ahazoantsika ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay. Ary Izy dia manome antsika amin’ny alalan’ny vavaka atao amin’ny anaran’ny Zanany, ilay fahafahana hifandray Aminy eto amin’ity fiainana ity isaky ny misafidy ny hanao izany isika.

Ny mpihazona ny fisoronana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana andraikitra masina mba “hamangy ny tranon’ ny mpikambana tsirairay ary manentana azy hanao tonom-bavaka sy hivavaka mangina” (F&F 20:47; nampiana fanamafisana).

Maro ireo fomba hanentanana ny olona iray mba hivavaka. Ohatra, afaka mijoro ho vavolombelona isika fa Andriamanitra dia mandidy antsika mba hivavaka mandrakariva, na koa isika afaka maneho ohatra avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ny zavatra niainantsika mikasika ireo fitahiana izay azo avy amin’ny vavaka feno fankasitrahana, sy fitalahoana, ary fangatahana. Ohatra, afaka mijoro ho vavolombelona aho fa fantatro fa ny Ray any an-danitra dia mamaly vavaka. Nahazo fitarihana sy fankaherezana avy amin’ny teny tonga tao an-tsaiko aho, ary fantatro tamin’ny alalan’ny Fanahy fa ireo teny ireo dia avy amin’Andriamanitra.

Ny Mpaminany Joseph Smith dia niaina izany toe-javatra izany, ary afaka miaina izany koa ianao. Nandray ity valiny ity izy tamin’ny alalan’ny vavaka natao tamin’ny fo:

“Anaka, fiadanana anie ho an’ ny fanahinao; ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy;

“Ary rehefa izany, raha iaretanao tsara izany, dia hanandratra anao ho amin’ ny avo Andriamanitra” (F&F 121:7–8).

Izany dia fanambarana avy amin’ilay Ray be fitiavana ho an’ilay zanany mahatoky tao anatin’ny fahakiviana lehibe. Ny zanak’Andriamanitra rehetra dia afaka mifandray Aminy amin’ny alalan’ny vavaka. Nisy fiantraikany goavana tamiko mihoatra noho izay mety fanentanana hivavaka ny fahatsapana fitiavana sy ny fahazavana izay tonga miaraka amin’ny valim-bavaka natao tamim-panetren-tena.

Mahazo fijoroana ho vavolombelona mikasika izay mety ho didin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fitandremana izany didy izany (jereo ny Jaona 7:17). Tena marina ilay didy izay milaza fa tokony hivavaka atao am-bava sy any amin’ny toerana mitokana mandrakariva isika. Amin’ny maha-mpampianatra sy namanareo ahy, dia mampanantena anareo aho fa Andriamanitra dia mamaly ny vavaka ataonareo ary amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, dia azon’ny tenanao manokana fantarina fa avy Aminy izany valiny izany.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

  • “Ny sary dia fitaovana manan-danja entina hanamafisana ny hevi-dehiben’ny lesona” (Teaching, No Greater Call [1999], 176). Mampisehoa sary hosodoko iray ahitana an’i Joseph Smith na ny Fahitana Voalohany. Ifanakalozy hevitra ny zavatra niainan’i Joseph Smith mikasika ny vavaka. Ahoana no hahatonga ny vavakao hanan-danja bebe kokoa rehefa alainao sary an-tsaina hoe “ny Ray any an-danitra dia … eo akaiky eo,” tahaka ny nataon’ny Filoha Eyring?

  • Araka ny torohevitry ny Filoha Eyring, dia ataovy izay hizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny vavaka, amin’ny alalan’ny famariparitana ireo fitahiana izay azonao avy amin’ny alalan’ny vavaka, na ny fizarana soratra masina mikasika ny vavaka.

Hamoaka printy