2012
Tarihin’ny Mpaminany Velona Iray
Martsa 2012


Ho an’ny Tanora

Tarihin’ny Mpaminany Velona Iray

Fony aho 16 taona no nananako fahafahana hoe mba sambany hanatrika mivantana ny fihaonamben’ny fiangonana. Nipetraka tany andrefan’i Oregon, États-Unis ny fianakaviako tamin’izany, ary nandeha nitondra fiara ho any Utah izahay hanatrika ny fihaonambe sady nanatitra ny zokiko lahy ho any amin’ny foibe fanofanana misiônera.

Namonjy ny fihaonambe aho niaraka tamin’ny faniriana ho ampianarin’ny Fanahy Masina. Vokatr’izany, dia nahazo fahatsapan-javatra avy tamin’ny Fanahy Masina aho izay mety tsy ho voaraiko raha toa ka tsy niomana aho.

Nandritra ny iray tamin’ireo fivoriana dia nitsangana ny olon-drehetra ary nihira ny “Vers Sion, cité promise” ny mpanatrika. Rehefa nihira iny izahay, dia toa nahatsapa mazava aho hoe tokony hijery manodidina ny tao anatin’ny foiben’ny fihaonambe. Nijery tokoa aho ary talanjona tamin’ny herin’ny firaisan-kinan’ireo olona an’arivony nanatrika teo rehefa niara-nanandratra ny feonay izahay nidera an’Andriamanitra.

Avy eo aho dia niaina zavatra izay nahatsapako ho toa an’i Nefia tamin’izy nahita ilay fahitana ny hazon’aina, satria niteny tamiko ny Fanahy hoe: “Jereo” (jereo ny 1 Nefia 11–14). Nijery ny Filoha Thomas S. Monson aho ary nahatsapa fa misy ny firaisan-kina eo amin’ny Fiangonana satria tarihin’ny mpaminany velona isika. Amin’ny alalan’ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina no hahafantarako fa ny Filoha Monson dia mpaminany marina amin’izao androntsika izao, ary fantatro fa i Jesoa Kristy dia mitarika ity Fiangonana ity amin’ny alalany.

Hamoaka printy