2012
Nahoana Isika no Mila Mpaminany?
Martsa 2012


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Martsa 2012

Nahoana Isika no Mila Mpaminany?

Noho ny fitiavan’ny Ray any an-danitra ny zanany, dia tsy navelany izy ireo hamakivaky ity fiainana an-tany ity tsy ho eo ambany fitarihana sy fitantanana. Ny fampianaran’ny Raintsika any an-danitra dia tsy zavatra efa mahazatra, na azo vinavinaina, na tsotsotra ara-poto-kevitra izay azonao alaina any amin’ny faritra misy ny boky kely misy fonony manify any amin’ny tranom-boky. Izy ireo dia fahendren’ilay Olona selestialy manana ny hery sy fahalalana rehetra izay tia ny zanany. Ny tsiambaratelo tsara indrindra no voafonon’ny teniny—dia ny fanalahidin’ny fahasambarana eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny tontolo ho avy.

Ny Ray any an-danitra dia manambara izany fahendreny izany amin’ny zanany ety an-tany amin’ny alalan’ny mpanompony dia ireo mpaminany (jereo ny Amosa 3:7). Niteny tamin’ireo zanany Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo mpitondra hafatra notendreny izay nomena andraikitra mba hanambara ny sitrapony sy hanoro hevitra ny hafa efa hatramin’ny andron’i Adama. Ireo mpaminany dia mpampianatra entanim-panahy ary vavolombelon’i Jesoa Kristy manokana foana (jereo ny F&F 107:23). Ny mpaminany dia tsy miteny fotsiny ho an’ireo olona amin’ny vanim-potoana iainany, fa miteny ihany koa ho an’ny olona amin’ny vanim-potoana rehetra. Manakoako mandritra ireo taon-jato maro hatrizay sy hatramin’izao ny feon’izy ireo toy ny testamentan’ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny zanany.

Ny ankehitriny dia tsy miavaka amin’ny fahiny. Tsy tian’ny Tompo bebe kokoa mihoatra ny olona amin’izao androntsika izao ny olona tamin’ny andro fahiny. Ny iray amin’ireo hafatra lehibe ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia ny filazana fa mbola manohy miresaka amin’ny zanany Andriamanitra. Tsy miafina any an-danitra any Izy fa miresaka amin’izao fotoana izao tahaka ny nataony fahiny.

Ny ankamaroan’ireo zavatra ambaran’ny Tompo amin’ny mpaminaniny dia natao mba hisorohana ny fahoriana mety hitranga amintsika tsirairay sy amin’ny maha-fiaraha-monina antsika. Rehefa miteny Andriamanitra, dia manao izany Izy mba hampianarana sy hanentanana ny fanahin’ny zanany ary hanadiovana sy hampitandremana azy ireo. Rehefa tsy miraharaha ny torolalan’ny Ray any an-danitra ny tsirairay sy ny fiaraha-monina, dia mety ianjadian’ny fitsapana, sy ny fahoriana ary ny fijaliana izy ireo.

Tia ny zanany rehetra Andriamanitra. Izay no mahatonga Azy mitalaho mafy amintsika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny. Tahaka ny fikatsahantsika ny tsara indrindra ho an’ireo olon-tiantsika, no hikatsahan’ny Ray any an-danitra izay tsara indrindra ho antsika. Izay no mahatonga ny torolalany ho manan-danja tokoa ary indraindray dia tena maika. Izany no mahatonga Azy tsy mandao antsika ankehitriny fa manohy hatrany manambara ny sitrapony amin’ny alalan’ireo mpaminaniny. Ny hoavintsika sy ny hoavin’izao tontolo izao dia miankina amin’ny fihainoana sy ny fanarahana ireo tenin’Andriamanitra nambara ho an’ireo zanany.

Ireo torolalana tsy voavidy vola avy amin’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra dia hita ao amin’ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy. Ankoatr’izany, ny Tompo dia miteny amintsika amin’ny alalan’ireo mpanompony, tahaka ny ho ataony indray amin’ny fihaonamben’ny fiangonana manaraka ho avy izao.

Ho an’ireo rehetra izay miahiahy raha tena misy ny zavatra toy izany—izay mety hanontany hoe: “Moa ve tena mbola miteny amintsika Andriamanitra amin’izao fotoana izao?”—amin’ny foko iray manontolo no hanasako anareo hoe: “tongava mba hahita” (Jaona 1:46). Vakio ny tenin’Andriamanitra izay hita ao amin’ny soratra masina. Henoy ny fihaonamben’ny fiangonana, amin’ny sofina vonona ny handre ny feon’Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpaminaniny amin’ny andro farany. Tongava, dia henoy sy jereo amin’ny fonareo! Satria raha mikatsaka “amin-kitsimpo ianareo, omban’ ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’ i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’ izany aminareo [Andriamanitra] amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina” (Môrônia 10:4). Amin’ny alalan’izany hery izany, no hahafantarako fa velona i Jesoa Kristy ary mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny mpaminany, dia ny Filoha Thomas S. Monson.

Ry rahalahy sy rahavavy, tena miteny amintsika Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Ary maniry ny zanany rehetra Izy hihaino sy hankatò ny feony. Rehefa manao izany isika, dia hitahy antsika ny Tompo ary hanohana be dia be antsika, na eto amin’ity fiainana ity na any amin’ny tontolo ho avy.

Hamoaka printy