2012
Zanakavavy ao amin’ny Fanjakako
Martsa 2012


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Martsa 2012

Zanakavavy ao amin’ny Fanjakako

Halalino ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Zanakavavin’ny Ray any an-danitra izahay. Fantany izahay, tia anay Izy, ary manana drafitra ho anay Izy. Tafiditra ao anatin’izany drafitra izany ny fahatongavana eto an-tany mba hisafidy ny tsara amin’ny ratsy. Rehefa misafidy ny hitandrina ny didin’Andriamanitra isika, dia manaja Azy ary miaiky ny maha-zanakavavin’Andriamanitra antsika. Ny Fikambanana Ifanampiana dia manampy antsika hahatsiaro izany lova avy any an-danitra izany.

Ny Fikambanana Ifanampiana sy ny tantarany dia mampahatanjaka sy manohana antsika. I Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nilaza hoe: “Amin’ny maha-zanakavavin’Andriamanitra anareo, dia miomana amin’ilay fanendrena mandrakizay ianareo, ary ny tsirairay aminareo dia manana ny maha-izy azy ary manana toetra miavaka sy andraikitra amin’ny maha-vehivavy azy. Ny fahombiazan’ny fianakaviana, sy ny fiaraha-monina, sy ity Fiangonana ity, ary ny drafitry ny famonjena sarobidy dia miankina amin’ny fahatokianareo. … Ny Fikambanana Ifanampiana dia nataon’ny [Raintsika any an-danitra] hanampy hamolavola ny olony ary hanomana azy ireo handray ny fitahian’ny tempoly. Nanorina ny [Fikambanana Ifanampiana] Izy mba hanohanan’ny zanakavaviny ny asany sy hitondran’izy ireo ny fanampiany amin’ny fananganana ny fanjakany sy ny fanamafisan’orina ireo tokantrano ao Ziona.”1

Ny Raintsika any an-danitra dia nanome antsika asa miavaka eo amin’ny fitondrana fanampiana eo amin’ny fanorenana ny fanjakany. Nanome antsika fanomezam-pahasoavana ara-panahy koa izy izay ilaintsika mba hanatanterahana ity asa miavaka ity. Amin’ny alalan’ny Fikambanana Ifanampiana isika dia manana tombontsoa hampiasa ireo fanomezam-pahasoavantsika hanamafisan’orina ny fianakaviana, sy hanampiana ireo izay sahirana, ary hianarana ny fomba tokony hiainana amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika.

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia niresaka momba ny maha-mpianatra nanao hoe: “Amin’ny alalan’ny fandehanana amim-paharetana eo amin’ny lalan’ny maha-mpanara-dia, dia asehontsika amin’ny tenantsika ny halehiben’ny finoantsika sy ny fahavononantsika hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra fa tsy ny antsika.”2

Aoka isika hahatsiaro fa zanakavavin’Andriamanitra isika ary miezaka ny hiaina toy ny mpanara-dia Azy. Rehefa manao izany isika, dia hanampy amin’ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra ety an-tany ary ho lasa mendrika ny hiverina eo anatrehany.

Avy amin’ny Soratra Masina

Zakaria 2:14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:1, 10, 16; 138:38–39, 56; “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo izao” (Liahona sy Ensign, Nôv. 2010, 129)

Avy amin’ny Tantarantsika

Tamin’ny 28 Aprily 1842 ny Mpaminany Joseph Smith dia niteny tamin’ireo rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana hoe: “Ankehitriny ianareo dia napetraka ao anatin’ny toe-javatra iray izay ahafahanareo manao asa arak’ireo fahatsapana izay napetrak’Andriamanitra ao [aminareo]. … Raha manaja ireo tombontsoa nomena anareo ianareo, dia tsy hisy hanakana ny anjely tsy hiara-dia aminareo.”3

I Zina D. H. Young, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany fahatelo, noho ny fahafantarana ny herin’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanompoana ny hafa sy hanampiana ny tsirairay hampitombo ny finoany, dia nampanantena ny rahavavy tamin’ny taona 1893 hoe: “Raha toa ka mangady lalina ao am-ponao ianao dia hahita, miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahin’ny Tompo, ilay voahangy lafo vidy, dia ny fijoroana ho vavolombelona momba ity asa ity izany.”4

Fanamarihana

  1. Julie B. Beck, “‘Daughters in My Kingdom’: The History and Work of Relief Society,” Liahona, Nôv. 2010, 112, 114.

  2. Dieter F. Uchtdorf, “Ny Lalan’ny Maha-mpanara-dia,” Liahona, Mey 2009, 76.

  3. Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 4:605.

  4. Zina D. H. Young, “How I Gained My Testimony of the Truth,” Young Woman’s Journal, Apr. 1893, 319.

Inona no Azoko Atao?

  1. Ahoana no ahafahako manampy ny rahavaviko hanatratra ilay hery anaty ananany amin’ny maha- zanakavavin’Andriamanitra azy ireo?

  2. Ahoana no ahafahako mampihatra eo amin’ny fiainako ilay torolalana sy ireo fampitandremana omena ny vehivavy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25?

Hamoaka printy