Dian-tongotry ny Paska
Nanao asa manan-danja tany amin’ ireo toerana manokana nandritra ireo andro maromaro i Jesoa talohan’ ny nanomboana Azy sy nitsanganany tamin’ ny maty. Araho ny dian-tongotra mba hahitana ny toerana nalehany sy ny zavatra nataony.
Sary nataon’ i Adam Koford
1. Nampianatra ny vahoaka teo amin’ ny havoana antsoina hoe: Tendrombohitra Oliva i Jesoa.
2. Nitaingina boriky i Jesoa rehefa niakatra nankany Jerosalema. Maro ireo olona no faly rehefa nahita Azy.
3. Nanasitrana ny marary teo amin’ ny tempoly i Jesoa.
4. Nivavaka tamin’ ny Ray any an-danitra sy nijaly noho ny otantsika tao amin’ ny Sahan’ i Getsemane i Jesoa.
5. Nohomboana tamin’ ny hazofijaliana i Jesoa.
6. Nitsangana tamin’ ny maty i Jesoa.