Mahita ny Fifaliana avy amin’ ny Paska
-
Tiako ny fofom-boninkazo!
Tsara endrika ery izy ireo!
-
Moa ve mientanentana hiatrika ny Paska ny rehetra?
Eo ho eo ihany.
Tsy tena izany.
-
Nieritreritra aho hoe ianareo roa dia nankafy ny fotoam-pialan-tsasatra.
Mankafy izany izahay ka! Ny fotoam-pialan-tsasatra tiako indrindra dia ny Krismasy.
Izany koa no tena tiako! Tiako ny mahazo fanomezana.
-
Nahoana ianareo no tsy mba mientanentana rehefa Paska?
Ka andro mampalahelo ny Paska. Momba ny fotoana nahafatesan’ i Jesoa izany.
-
Tsaroanareo ve ny zava-nitranga tamin’ ny Alahadin’ ny Paska?
-
Haiko! Velona indray i Jesoa!
Ary afaka ny ho velona indray koa isika.
-
Marina izany! Fotoam-pialan-tsasatra mahafinaritra ny Paska izay ankalazana ny Fitsanganan’ i Jesoa tamin’ ny maty.
-
Tiako ny Paska.
Izaho koa.