Aza Mianjera
Vahao ireo olona madinidinika ankehitriny mba hisorohana ireo olana goavana amin’ ny hoavy.
Efa hatramin’ ny fahakeliny i Andrei no tia fiaramanidina. Kanefa raha maro ny manofinofy ny hanamory fiaramanidina dia tsy mba izany no ao anatin’ ny eritreritr’ i Andrei fa ny mahaliana azy dia ny fanamboarana ny fiaramanidina sy ny pitsopitson’ ny maotera mampandeha azy. Mianatra mba ho tonga mpahay momba ny maoteran’ ny fiaramanidina ity Romaniana 16 taona ity.
Any Romania ny tanora dia afaka misafidy ny hianatra any amin’ ny sekoly ambaratonga faharoa mba hiomana hiditra any amin’ ny oniversite na hiditra any amin’ ny sekoly ianarana asa manokana iray. Mora tamin’ i Andrei ny nisafidy ny hiditra tany amin’ ny sekoly ianarana asa manokana mikasika ny fiaramanidina noho ny fitiavany fiaramanidina.
Tsy hoe manamboatra izay simba amin’ ny fiaramanidina fotsiny no ataon’ ireo mpahay momba ny maoteran’ ny fiaramanidina. Ny iray amin’ ireo zavatra manan-danja indrindra ataon’ izy ireo dia ny manara-maso sy mikolokolo ny fiaramanidina mba tsy ho simba. Manara-maso tsy tapaka ny zavatra rehetra ao amin’ ny fiaramanidina izy ireo, manomboka any amin’ ny hélice ka hatrany amin’ ny kodiarana hahazoan’ ny fiaramanidina mipetraka ary ny fitaovana tsirairay eo anelanelan’ izany.
“Mety ho sarotra ny mahita ilay olana kely izay mety hiteraka ny fianjeran’ ny fiaramanidina,” hoy i Andrei. “Kanefa mora kokoa ny fitadiavana izany noho ny fanandramana hamerina manambatra fiaramanidina iray manontolo.”
Ny fametrahana fotoana hanaovana fikolokoloana tsy tapaka sy ny fandavana ny tsy fanaovana izany dia zava-dehibe—na ho an’ ny fiaramanidina na ho an’ ny mpikamban’ ny Fiangonana—mba hahafahana mamantatra sy manitsy ireo olana alohan’ ny tsy hahalasa izany ho loza mitatao ho an’ ny fiainana na ara-mekanika na ara-panahy.
Fikolokoloana ara-panahy
Mipetraka any Bucarest i Andrei, izay tanàna iray misy mponina manakaiky ny roa tapitrisa eo. Na dia izany aza dia mbola azo lazaina fa vaovao ihany ny Fiangonana any Romania ary vao mpikambana mahafeno sampana roa monja no misy ao Bucarest. Mipetraka lavitra an’ ireo mpikambana hafa ao amin’ ny sampana misy azy i Andrei sy ny fianakaviany. Mahatsapa ireo herintsinton’ izao tontolo izao izay manodidina tanteraka azy any an-tsekoly sy eo anivon’ ireo namany i Andrei. Fantany fa mora tokoa ny mianjera—eo amin’ ny lafiny ara-panahy—raha toa ka tsy manohy ara-dalàna ilay fikolokoloana ara-panahy.
Mety hanahirana tokoa ny fiainana. Manokana fotoana hivavahana, hifadiana hanina, handalinana ny soratra masina ary hanatanterahana ny andraikiny amin’ ny maha-mpisorona azy i Andrei ankoatra ireo fotoana laniany amin’ ny fianarana, ny baolina kitra ary ny fianarana solosaina. Ataony koa izay tsy maintsy “handehanany” manao seminera, izay ataony amin’ ny alalan’ ny internet noho ny halaviran’ ny toerana misy azy.
Ny fanaovana ireo zavatra ireo dia tafiditra ao anatin’ ny fikolokoloana ara-panahy fanao tsy tapaka izay manampy amin’ ny famantarana sy fanitsiana ireo fahalemena alohan’ ny hahatongavan’ izany ho lasa fianjerana mampididoza ara-panahy.
“Misy zavatra sasantsasany izay tsy maintsy ataonao tsy tapaka—lasa mamorona fahazarana mihitsy,” hoy izy. “Tsy afaka mamela ny fiainana hifehy anao ianao.”
Fianjerana ara-panahy
Nianatra i Andrei fa raha tsy manao ny fikolokoloana ara-panahy tsy tapaka isika dia ho resin’ ireo hery toy ny faharerahana ara-tsaina na ny fitarihan’ ireo tanora mitovy amin’ ny tena ilay tanjaka hanoherantsika ny fakam-panahy. Rehefa mitranga izany dia tsy ela dia tsy hahita ny lalana tokony haleha isika, ho very ny fifehezan-tenantsika ary amin’ ny farany dia ho very ny herintsika ara-panahy.
Rehefa manota isika dia tahaka ny fiaramanidina tsy manana hery izay mihamilatsaka tsikelikely, ka dia mihavery ny herintsika sy ny haavon’ ny aim-panahintsika ary mihamanalavitra amin’ ny lanitra isika ary izany dia mitarika na ho ela na ho haingana any amin’ ny fianjerana ara-panahy.
Na dia vitan’ ny Sorompanavotan’ ny Mpamonjy aza ny mamerina antsika araky ny tokony ho izy indray aorian’ ny fianjerana dia tsara kokoa raha miantehitra amin’ ny Heriny isika mba hanampy antsika hamaha ireo olana rehefa mbola kely izany—alohan’ ny hahatongavan’ izany ho zava-doza ara-panahy.
Ny Loza ateraky ny Tsy fanaovana zavatra iray
Tsy mba nandalo ny sain’ i Andrei velively ny tsy hanao ny fikolokoloana ny maoteran’ ny fiaramanidina. Tsy safidy mihitsy ny tsy fanaovana izany. “Misy lalàna mikasika izany,” hoy izy. Kanefa raha tsy manao izany fikolokoloana izany—indray mandeha fotsiny—dia miaiky izy fa “mety tsy hisy zavatra hitranga.”
Ny mety ho tena olana lehibe indrindra ao anatin’ ilay hoe tsy manao fikolokoloana dia tsy ilay hoe hianjera avy hatrany akory ilay fiaramanidina fa ilay hoe tsy hianjera ilay izy. “Raha tsy misy zavatra ratsy mitranga androany rehefa tsy nanao izany aho dia ho mora kokoa amiko ny ho azon’ ny fakam-panahy tsy hanao izany indray rahampitso,” hoy izy.
Rehefa tsy atao matetika intsony ny fikolokoloana dia hiteraka tsy fetezan-javatra na ho ela na ho haingana ilay hery sy faharerahana manenika ilay fiaramanidina—na manenika antsika. “Amin’ ny farany dia hianjera isika,” hoy izy.
Izany no antony nanomezan’ Andriamanitra antsika lalàna mikasika ny fikolokoloana ara-panahy tsy tapaka koa. “[Aoka ianareo] hihaona [any am-piangonana] matetika” (3 Nefia 18:22; nampiana fanantitranterana). Mivavaha mandrakariva (jereo ny 3 Nefia 18:19). Halalino amim-pahazotoana ny soratra masina (jereo ny 3 Nefia 23:1–5). “Aoka handravaka tsy ankijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy” (F&F 121:45; nampiana fanamafisana). Mandehana any amin’ ny tempoly matetika.1
Ny fanajana ireo lalàna ireo sy ny fanaovana fikolokoloana ara-panahy tsy tapaka dia hanao izay hisidinantsika any amin’ ny lalana tokony haleha.
“Natao hiala amin’ ny tany ny fiaramanidina, handao an’ izao tontolo izao,” hoy i Andrei. “Izany no zavatra tian’ ny Ray any an-danitra ho tanterahantsika. Amin’ ny alalan’ ny fikolokoloana tsy tapaka dia ho tonga soa aman-tsara any amin’ ny toerana izay tiantsika haleha isika—miverina any an-danitra.”