Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany
“Nitsangana Tamin’ny Maty Izy”
Fijoroana ho Vavolombelon’ny Mpaminany Iray
“Ny antso lehibe an’ny Kristiana,” izay nambaran’ny Filoha Thomas S. Monson dia ny hoe, nitsangana tamin’ny maty i Jesoa avy any Nazareta. “Ny fisian’ny Fitsanganana amin’ny maty dia mitondra fiadanana izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” (jereo ny Filipiana 4:7).1
Ao anatin’ireto andinin-tsoratra manaraka ireto, ny Filoha Monson dia mizara ny fijoroany ho vavolombelona sy ny fankasitrahany ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny Maty ary manambara fa noho ny fandresen’ilay Zanakalahy ny fahafatesana dia ho velona indray ireo zanak’Andriamanitra rehetra tonga eto an-tany.
Fiainana ankoatry ny Fiainana eto an-tany
“Mino aho fa tsy misy amintsika afaka mahatakatra ny tena lanjan’ny zavatra nataon’i Kristy ho antsika tao Getsemane, saingy feno fankasitrahana isan’andro aho eo amin’ny fiainako noho ny sorompanavotana nataony ho antsika.
“Afaka nihemotra Izy tamin’ny fotoana farany. Saingy tsy nanao izany Izy. Nidina tambanin’ny zava-drehetra Izy mba hahafahany mamonjy ny zavatra rehetra. Rehefa nanao izany Izy dia nanome antsika fiainana any ankoatr’ity fiainana eto an-tany ity. Novonjeny tamin’ny Fahalavoan’i Adama isika.
“Mankasitraka lalina Azy ny foko. Nampianatra antsika ny fomba tokony hiainana Izy. Nampianatra antsika ny fomba hahafatesana Izy. Nanao izay hampilamina ny famonjena antsika Izy.”2
Manaisotra ny Haizin’ny Fahafatesana
“Ao anatin’ny toe-javatra sasantsasany, toy ny rehefa ao anatin’ny fijaliana sy aretina lehibe dia tonga toy ny anjely mitondra famindram-po ny fahafatesana. Saingy amin’ny ankapobeny dia eritreretintsika ho toy ny fahavalon’ny fahasambaran’ny olombelona izany.
“Azo esorina foana amin’ny alalan’ny hazavan’ilay fahamarinanana nambara ny haizin’ny fahafatesana. ‘Izaho no fananganana ny maty sy fiainana,’ hoy ilay Mpampianatra. ‘Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray: Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.’
“Izany fanamafisana ny toky nomena izany—eny, fanamafisana masina mihitsy—mikasika ny fiainana any ankoatry ny fasana dia afaka manome tsara ilay fiadanana nampanantenain’ny Mpamonjy tamin’Izy nanome toky ny mpianany nanao hoe: ‘Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo: tsy tahaka ny fanomezan’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.’”3
Tsy Ato Izy
“Velona indray ilay Mpamonjy antsika. Niseho ilay zavatra tena faran’izay lehibe sy mitondra fankaherezana ary fanamafisan-toky indrindra tao anatin’ny zava-niseho rehetra teo amin’ny tantaran’ny olombelona—dia ny fandresena ny fahafatesana izany. Voaesotra ilay fijaliana sy fahoriana tao Getsemane sy Kalvary. Voalamina ny famonjena ny olombelona. Niseho ny famonjena tamin’ny Fahalavoan’i Adama.
“Ilay fasana foana tamin’izany maraina voalohan’ny Paska izany dia namaly ny fanontanian’i Joba: ‘Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy?’ Ho an’ny olona rehetra izay maheno ny feoko dia ambarako hoe, raha maty ny olona dia ho velona indray izy. Fantatsika izany satria manana ny hazavan’ny fahamarinana isika. …
“Ry rahalahy sy anabavy malala, ao anatin’ny fotoam-pahoriantsika lalina dia afaka mahazo fiadanana lehibe avy amin’ny tenin’ilay anjely tamin’izany andro maraina izany isika: ‘Tsy ato Izy, fa efa nitsangana.’”4
Ho Velona Indray ny Olona Rehetra
“Isika dia mihomehy, mitomany, miasa, milalao ary mitia sy miaina. Ary avy eo isika dia maty. …
“Ary dia nitoetra tao anatin’ny fahafatesana foana isika raha toa ka tsy nisy ilay Lehilahy iray sy ny asa nanirahana Azy, dia tsy iza fa i Jesoa avy any Nazareta izany. …
“Hasandratro miaraka amin’ny foko iray manontolo sy ny fientanentanan’ny fanahiko ny feoko mba hijoro ho vavolombelona amin’ny maha-vavolombelona manokana ahy ary hanambara fa velona Andriamanitra. I Jesoa dia Zanakalahiny, ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray ao amin’ny nofo. Mpanavotra antsika Izy ary Mpanelanelana antsika amin’ny Ray. Izy ilay maty teo amin’ny hazo fijaliana mba hanonitra ny fahotantsika. Lasa santatry ny Fitsanganana amin’ny maty Izy. Satria maty Izy dia ho velona indray isika.”5
Fijoroana ho Vavolombelona Manokana
“Manambara ny fijoroako ho vavolombelona manokana aho fa resy ny fahafatesana sy ny fasana. Enga anie ka ho lasa tena fahalalana marina ho an’ny rehetra ireo teny izay nataony lasa masina noho Izy nahatanteraka azy ireo. Tsarovy izy ireo. Tiavo izy ireo. Hajao izy ireo. Nitsangana Tamin’ny Maty Izy.”6