2012
Manokana Fotoana Hiresahana sy Hihainoana
Aprily 2012


Ny Tokantranontsika, ny Fianakaviantsika

Manokana Fotoana Hiresahana sy Hihainoana

Avy amin’ny lahateny iray nandritra ny fihaonamben’ny tsatòka natao tao Salt Lake City tamin’ny 24 Ôktôbra 2010 izay nampitaina tamin’ny alalan’ny zanabolana.

Ilay ezaka ataontsika amin’ny fo mba hifandray tsara kokoa ankehitriny dia hitahy ny fianakaviantsika mandrakizay.

Rosemary M. Wixom

Ao anatin’ny tontolo iray tonga lafatra, ny ankizy rehefa mandeha mody avy any an-tsekoly dia ho tsenaina amin’ny lovia iray misy mofomamy misy sôkôla izay vao avy natao miaraka amin’ny vera lehibe iray misy ronono mangatsiaka ary eo ilay reny dia vonona ny hanokana fotoana hiresahana sy hihainoana ny fandehan’ny andron’ilay zanany. Tsy miaina ao anatin’ny tontolo izay tonga lafatra anefa isika, ka dia azo dinganina ilay mofomamy sy ronono, raha tianao, saingy aza dinganina ilay hoe “manokana fotoana hiresahana sy hihainoana.”

Sivy amby roapolo taona lasa izay, ny Filoha James E. Faust (1920–2007), Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia naneho alahelo noho ny hakelin’ny fotoana iarahan’ny fianakaviana. Eritrereto izany—29 taona lasa izay—dia nilaza an’izao izy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana: “Ny iray amin’ireo olana lehibe eo amin’ny fianakaviana ankehitriny dia ny fitomboan’ny fahakelezan’ny fotoana iarahantsika. … Ny fotoana iarahana dia fotoana sarobidy—fotoana ilaina mba hifampiresahana, hifampihainoana, sy hifankaherezana ary hifanehoana ny fomba hanaovana zavatra.”1

Rehefa manokana fotoana iarahana isika sy ifampiresahana amin’ny zanatsika dia lasa mahafantatra azy ireo isika ary lasa mahafantatra antsika izy ireo. Ireo laharam-pahamehantsika sy ireo zavatra tsapantsika marina ao anatin’ny fontsika dia ho lasa anisan’ny votoatin’ny resaka ifanaovantsika amin’ny zanatsika.

Inona no hafatra manan-danja indrindra avy ao am-ponao izay hofidianao mba hozaraina amin’ny zanakao?

Ny mpaminany Mosesy dia mampianatra antsika ao amin’ny Deoteronomia hoe:

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.

“Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao:

“Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho na mipetraka ao an-trano hianao, na mandeha any an-dalàna, na mandry na mifoha” (Deoteronomia 6:5–7; nampiana fanamafisana).

Ary mamela ahy hanampy anankiray hafa hoe: “Ary na rehefa miara-misakafo eo ambonin’ny latabatra ianareo.”

Raha toa ka maniry ny iarahan’ny fianakaviantsika mandrakizay isika dia mila atombontsika androany izany dingana izany. Ny fanokanana fotoana iresahana amin’ny zanatsika dia firaiketam-po amin’ilay fianakaviantsika mandrakizay rehefa mandeha amin’ilay lalana mitondra antsika any amin’ny fiainana mandrakizay isika.

Nisy renim-pianakaviana iray avy tany Illinois, Étas-Unis izay nizara ny fomba nanokanany fotoana mba hiresahana amin’ny zanany:

“Fony mbola kely ny zanakay dia nanana fahazarana nijery fandaharana vitsivitsy tena tiako tamin’ny fahitalavitra aho. … Indrisy anefa fa ireo fandaharana ireo dia mandeha amin’ilay fotoana handehanan’ny ankizy matory.

“… Nisy fotoana aho nahatsapa fa napetrako tany an-tampon’ny lisitr’ireo laharam-pahamehako ireo fandaharana ireo ary tany ambanimbany ny zanako. Nandramako nandritra ny fotoana fohy ny namaky tantara vakiana alohan’ny hatory sady alefa ny fahitalavitra, saingy fantatro tao am-poko fa tsy izay no fomba tena tsara. Rehefa nieritreritra an’ireo andro sy herinandro very aho noho ny fahazarako nijery fahitalavitra dia nanomboka nahatsapa ho meloka aho ary nanapa-kevitra ny hiova. Nitaky fotoana ela ny fandresena lahatra ny tenako fa afaka mamono tokoa ny fahitalavitra aho.

“Roa herinandro taorian’ny namonoako ny fahitalavitra dia tsapako toy ny nisy enta-mavesatra nesorina izany teo amiko. Tsapako ho toy ny nahazo aina kokoa aho sy toy ny nadio kokoa izany aza ary fantatro fa nanao safidy tsara aho.2

Fotoana tena tsara ifampiresahana ilay fotoana alohan’ny hatoriana.

Hoy i Helamàna mikasika an’ireo zatovolahy miaramila hoe: “Ary naveriny tamiko ny tenin’ny reniny manao hoe: Tsy miroanahana izahay, nahafantatra izany ny reninay” (Almà 56:48).

“Ny tenin’ny renin’izy ireo” no nampianatra azy ireo. Rehefa niresaka tamin’ireo zanany ireo reny ireo dia nampianatra ny tenin’Andriamanitra.

Miaro ny Fifandraisana Manokana

Zavatra mahasoa maro no tonga avy amin’ny alalan’ny fifampiresahana ary fantatr’ ilay fahavalo tsara ny herin’ny teny nambara. Te-hampihena mafy ilay fanahy izay tonga ao amin’ny tokantranontsika izy rehefa mifampiresaka sy mifampihaino ary mifankahery isika ary miaraka manao zavatra.

I Satana dia nanandrana, nefa tsy nahita fahombiazana, nanakana ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy rehefa nanandrana nanakana ny fifampiresahana nisy teo amin’i Joseph Smith sy ny Ray any an-danitra ary ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy.

Hoy i Joseph hoe: “Nisy hery nangeja ahy avy hatrany izay nandresy ahy tanteraka sady nanana fahefana mahagaga tamiko, izay namatotra ny lelako, hany ka tsy afaka niteny aho” (Joseph Smith—Tantara 1:15).

Te-hamehy mafy ny lelantsika ny fahavalo—na zavatra hafa mba hanakanana antsika tsy hanambara mivantana amin’ny alalan’ny vavantsika ireo zavatra tsapan’ny fontsika. Izy dia tia ny fifanalavirana sy ny firiorion-tsaina. Izy dia tia ny tabataba sy ny fifandraisana tsy ahitana fanehoana fihetseham-po—izay mety ho zavatra hanakanana antsika tsy hahazo ilay hafanan’ny feo sy ilay fahatsapana manokana avy amin’ny firesahana mivantana.

Mihaino ny Fon’ireo Zanatsika

Ny fihainoana dia zava-dehibe toy ny firesahana ihany. Hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Raha mihaino amim-pitiavana isika dia tsy hanana ahiahy ny amin’izay tokony holazaina. Homena antsika izany … amin’ny alalan’ny Fanahy.”3

Rehefa mihaino isika dia mahita ny ao am-pon’ireo izay manodidina antsika. Manana drafitra ho an’ny zanany tsirairay ny Ray any an-danitra. Alaivo sary an-tsaina izany hoe afaka mahita ny drafitra manokana ho an’ny zanatsika tsirairay isika. Ahoana raha toa ka afaka mampivoatra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahin’izy ireo isika? Ahoana raha toa ka afaka mahafantatra ny fomba hamporisihana ny zanaka iray hanatratra ilay hery ananany isika? Ahoana raha toa ka afaka mahafantatra ny fomba hanampiana ny zanaka tsirairay hanova ilay finoana ho lasa fijoroana ho vavolombelona isika?

Ahoana no ahafantarantsika izany?

Afaka manomboka mahafantatra isika amin’ny alalan’ny fihainoana.

Nisy raim-pianakaviana Olomasin’ny Andro Farany iray izay nilaza hoe: “Mahavita zavatra tsara maro kokoa aho rehefa mihaino ny zanako noho ny hoe miresaka amin’izy ireo. … Nahafantatra miandalana aho fa ny zanako dia tsy mila valinteny izay efa nomanina sy mahomby nandritra ny taona maro ary valinteny mifono fahendrena. … Ny fahafahana mametraka ireo fanontaniany sy ny firesahana ireo olany no zava-dehibe kokoa ho azy ireo noho ny fandraisana valiny. Matetika rehefa miresaka eo izy ireo ka nihaino maharitra tsara aho, dia tsy dia mila loatra ny valinteniko izy ireo. Efa hitan’izy ireo ny valiny.”4

Mitaky fotoana ny fifantohana amin’ny zavatra izay tena manan-danja. Tsy tonga dia miseho haingana ny fifampiresahana sy ny fifampihainoana ary ny fifankaherezana. Tsy azo atao maimaika na atao amin’ny fotoana iray manokana izany—fa arakaraky ny fisehon-javatra eny no maha-tena tsara ny fitrangany. Mitranga izany rehefa miaraka manao zavatra isika: miara-miasa, miara-mamorona zavatra sy miara-milalao. Mitranga izany rehefa hajanontsika ny haino aman-jery ary ireo fialambolin’ izao tontolo izao ary mifampifantoka isika.

Zavatra sarotra atao izany ankehitriny. Rehefa mitsahatra isika ary mamono ny zavatra rehetra dia tsy maintsy miomana amin’ny zavatra hitranga manaraka. Amin’ny voalohany dia mety tsy mampahazo aina ilay fahanginana. Mety hiteraka fahatsapana ho very izay manelingelina izany. Manana faharetana, miandrasa segondra vitsivitsy dia ankafizo izany. Afantohy tanteraka amin’ ireo manodidina anao ny sainao amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana momba azy ireo ary dia mihainoa amin’izay. Ry ray aman-dreny resaho ny zavatra iray mahaliana ny zanakao. Ihomehezo ny lasa—ary nofinofiso ny hoavy. Ny resaka adaladala aza dia mety hivadika ho fifanakalozan-kevitra manan-danja.

Manao ho Laharam-pahamehana Ilay Tanjontsika Mandrakizay

Tamin’ny lohataona farany teo raha namangy ny kilasin’ny zatovovavy aho dia nangataka ny mpianatra mba hanoratra laharam-pahamehana miisa 10 ny mpampianatra. Nanomboka nanoratra haingana aho. Tsoriko fa ny eritreritro voalohany dia nanomboka tamin’ny “Laharana 1: manadio ilay vatasarihana ahitana pensilihazo ao an-dakozia.” Rehefa vita ny lisitra nataonay dia nangatahan’ilay mpitarika ny Zatovovavy izahay mba hizara ny zavatra nataonay. I Abby izay vao feno 12 taona vao haingana dia nipetraka teo akaikiko. Ity ny lisitra nataon’i Abby:

  1. Mandeha any amin’ny oniversite.

  2. Lasa mpanaingo ny aty trano.

  3. Mandeha manao asa fitoriana any Inde.

  4. Manambady any amin’ny tempoly olona iray efa nahavita asa fitoriana.

  5. Manan-janaka dimy sy tokantrano iray.

  6. Mandefa ny zanako manao asa fitoriana sy mianatra any amin’ny oniversite.

  7. Lasa renibe “mpanome mofomamy.”

  8. Mampihanta ny zafikely.

  9. Mianatra bebe kokoa momba ny filazantsara ary mankafy ny fiainana.

  10. Miverina miara-miaina amin’ny Ray any an-danitra.

Hoy aho hoe: “Misaotra ry Abby.” Nampianatra ahy momba ny fomba hananana fahitana an’ilay drafitra nomanin’ny Ray any an-danitra ho antsika rehetra ianao. Rehefa fantatrao fa mandeha amin’ny lalana iray ianao na dia mety hitranga aza ireo fiolankolanana dia tsy haninona ianao. Rehefa mifantoka any amin’ ilay tanjona faratampony ny lalanao—dia ny fisandratana sy ny fiverenana any amin’ny Ray any an-danitra izany, dia ho tonga any ianao.

Taiza no nahazoan’i Abby izany fananana fisainana mifantoka amin’ny tanjona mandrakizay izany? Miantomboka any an-tokantranontsika izany. Manomboka any amin’ny fianakaviantsika izany. Nanontaniako izy hoe: “Inona no ataonareo ao amin’ny fianakavianareo mba hananana laharam-pahamehana toy izany?

Izao no navaliny: “Ankoatry ny famakiana ny soratra masina dia mandalina ny Torio ny Filazantsarako izahay.” Dia nanampy izy hoe: “Mifampiresaka matetika izahay—mandritra ny takarivan’ny mpianakavy, sy mandritra ny fotoam-pisakafoanana hariva ary any anaty fiara rehefa eny am-pandehanana eny.”

Nanoratra i Nefia hoe: “Miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy.” Nahoana?” “Mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.” (2 Nefia 25:26).

Ny fifampiresahana, ny fifampihainoana, ny fifankaherezana ary ny fiarahana manao zavatra amin’ny maha-fianakaviana dia hampanakaiky antsika kokoa amin’ny Mpamonjy izay tia antsika. Ny ezaka ataontsika amin’ny fo mba hifandray tsaratsara kokoa amin’izao fotoana izao—amin’ity andro anio ity mihitsy—dia hitahy ny fianakaviantsika mandrakizay. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa miresaka an’i Kristy isika, dia mifaly koa ao amin’i Kristy ary ao amin’ilay fanomezan’ny Sorompanavotana. Ny zanatsika dia hahafantatra “ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”

Fanamarihana

  1. James E. Faust, “Enriching Family Life,” Ensign, Mey 1983, 41.

  2. Susan Heaton, “Talk Time Instead of TV Time,” Ensign, Ôkt. 1998, 73.

  3. Jeffrey R. Holland, “Witnesses unto Me,” Liahona, Jolay 2001, 16.

  4. George D. Durrant, “Pointers for Parents: Take Time to Talk,” Ensign, Apr. 1973, 24.

Sarin-dRahavavy Wixom © Busath Photography; sary nataon’i Bradley Slade