Ilay Mpikarakara
Ho hatanjahana ianareo ary koa hahazo fanentanam-panahy hamantarana ny fetra sy ny fahafahanareo manompo.
Feno fankasitrahana aho amin’ny fiarahako aminareo eto anio hariva. Nandroso lasa vondron’ ny rahavavy, izay faritan’ny renin’ ny Mpaminany Joseph Smith, i Lucy Mack Smith amin’ireto teny ireto, ireo vehivavin’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy: “Tokony hifankatia isika, hifampiahy, hifanohana ary handray fampianarana, mba hahafahantsika rehetra hiara-hipetraka any an-danitra.”1
Misy lafin-javatra telo ao anatin’izany famaritana miavaka izany izay mikasika ireo zavatra takiana mifandray amin’ny toetry ny fahasambarana miaraka amin’Andriamanitra. Ny iray dia mifampiahy. Ny iray dia mifampianatra sy ampianarina. Ary ny fahatelo dia ny miara-mipetraka miaraka amin’Andriamanitra.
Ny tanjoko anio hariva dia ny hanampy anareo hahatsapa ny fiderana sy fankasitrahana avy amin’ Andriamanitra noho ny zavatra izay efa nataonareo mba hifanampiana eo amin’ny fanatratrarana izany tanjona ambony dia ambony izany. Ary, ny tanjoko faharoa dia ny hamariparitra ny sasantsasany amin’ ireo zavatra izay mbola ho avy ao anatin’ny asa fanompoana iarahanareo manao.
Nanaiky ny antson’ ny Tompo mba hanamaivana ny fahorian’ ny hafa ianareo tahaka ny nataon’ ireo rahavavy tamin’ ny andro taloha. Nangataka ireo Olomasina handeha hamonjy ireo andian-tsarety tarihin-tanana izay nihitsoka tany amin’ ny tendrombohitra rakotry ny ranomandry ny mpaminany Brigham Young tamin’ ny 1856. Toy izao no nolazainy tamin’ny mpikambana nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana tao anatin’izany fotoam-pahasahiranana izany: “Tsy hamonjy na dia fanahy iray any amin’ ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra ny finoanareo, ny fivavahanareo, sy ny asa fitorianareo, raha tsy manatanteraka ity fitsipika izay ampianariko anareo izao ity ianareo. Mandehana ary ento aty ireo olona any amin’ ny lohasaha ireo, ary karakarao tsara ireo zavatra izay antsointsika hoe ara-nofo, … fa raha tsy izany dia zava-poana ny finoanareo.”2
An-jatony maro ireo vehivavy teto Utah no namaly ny antso. Na dia tao anatin’ ny fahantrany aza izy ireo dia nameno ireo sarety tamin’ ny zavatra izay azony nangonina sy ireo zavatra rehetra azon’izy ireo nangonina avy tany amin’ny hafa mba hanampiana ireo tao anatin’ ny fahasahiranana. Nanoratra toy izao ny iray tamin’ ireo rahavavy mahery fo ireo: “Tsy mbola nahatsapa fahafahampo, na azoko lazaina hoe, fahafinaretana toy izany tany amin’izay mety ho asa efa nataoko teo amin’ ny fiainako aho, satria tena misy ny firaisan-kina toy izany.”3
Rehefa vita ny famonjena ary nitsonika ireo ranomandry dia nanoratra ity fanontaniana avy amin’ilay fony feno fahatokiana io rahavavy io: “Inona indray ny zavatra manaraka azon’ireo vonona ny hanao asa ho atao?”4
Amin’ izao androntsika izao dia vondron’ ny rahavavy mahery fo maro manerana ny tany no maneho ny finoany amin’ny alalan’ny asa any amin’ ny toerana an-jatony maro. Ary dia manontany ao am-pony sy ao anatin’ny vavaka izany fanontaniana izany ihany koa izy ireo izay mikasika ny hoavin’ny fiainam-panompoany.
Miaina toe-javatra miavaka ianareo tsirairay ao anatin’ilay dianareo mankany amin’ ny fiainana mandrakizay. Manana traikefa an-taonany maro ny sasany, raha vao manomboka eo amin’ ny dian’ ny maha-mpianatra azy eto an-tany kosa ny hafa. Samy manana ny tantarany sy ny olany manokana ny tsirairay. Kanefa ianareo rehetra dia rahavavy sy zanakavavy malalan’ ny Raintsika any an-danitra, izay mahafantatra sy miahy anareo tsirairay avy.
Ny zavatra miavaka izay niarahanareo nanao dia ny mifankatia, mifampiahy ary mifankahery. Nanatri-maso izany fahagagana mifono zavatra telo izany aho vao iray volana monja izay tamin’ ny alalan’ny fanompoana nataonareo ho an’ ny rahavavy iray. Amin’ ny maha-rain’ izany rahavavy izany ahy dia misaotra anareo aho ary te-haneho koa aho fisaorana ilay Andriamanitra izay nitarika ny mpamangy isan-tokantrano iray.
Tao an-trano ny zanakay vavy Elizabeth sy ny zanany vavy telo taona, izay mipetraka any amin’ ny faritany hafa ary lavitra anay. Vao nanomboka ny herinandrony voalohany nanatrika ny sekolin’ny zaza madinika ny zanany iray hafa. Bevohoka enim-bolana i Elizabeth, ary miandry ny fahaterahan’ ny zanany fahatelo, izay mbola ho vavy ihany koa araka ny nolazain’ ny mpitsabo. Tany am-piasana ny vadiny, Joshua, tamin’ izay.
Rehefa nahita izy fa nandeha rà ary nitombo ny fandehanan’izany dia niantso an-tariby ny vadiny izy. Nasain’ny vadiny niantso fiaravonjimarary izy ary dia hovonjeny any amin’ny hôpitaly avy eo, izay 20 minitra miala ny tranony. Naheno olona nandondona tao am-baravarany izy raha mbola tsy nahavita niantso akory.
Gaga izy raha nahita ny namany mpanao famangiana isan-tokantrano miaraka aminy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Tsy nanana fotoana izy ireo tamin’ izay maraina izay. Nahatsapa fotsiny ilay namany fa tokony handalo hitsidika an’i Elizabeth.
Nampiany hiditra ny fiarany izy. Tonga tany amin’ ny hôpitaly minitra vitsy talohan’ ny nahatongavan’ i Joshua avy any am-piasany izy ireo. Nanapa-kevitra tao anatin’ ny 20 minitra latsaka ilay mpitsabo fa hamoaka ilay zaza amin’ny alalan’ny fandidiana mba hanavotana ny ain’ i Elizabeth sy ny an’ny zanany. Ka dia tonga teto an-tany ilay zazavavy kely izay nitomany mafy ary teraka 15 herinandro mialohan’ ny fotoana. Nilanja 765 g izy. Fa dia velona soa aman-tsara izy, ary toy izany koa i Elizabeth.
Tanteraka ny ampahan’ny tenin’ i Lucy Mack Smith tamin’ izay andro izay. Niahy, nitia ary nankahery ny rahavaviny ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra ny rahavavy mpikamban’ ny Fikambanana Ifanampiana mahatoky iray, rehefa nobitsihin’ ny Fanahy Masina. Tsy mahazo fotsiny ny fisaoran’ ireo izay nampian’ izy ireo sy ny fisaoran’ireo olon-tiany izany vehivavy izany sy ireo an’ arivony hafa izay nanao asa fanompoana tena lehibe toy izany nandritra ny fotoana maro nifandimby fa mahazo fisaorana avy amin’ ny Tompo koa.
Tsaroanareo angamba ny teny fankasitrahany ho an’ ireo izay mandray fankasitrahana kely noho ny asa an-tsitrapo nataon’izy ireo: “Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”5
Kanefa mitombo be dia be ilay fahagagana hoe rahavavin’ny Fikambanana Ifanampiana iray tonga hanampy amin’ny fotoana tena ilana azy amin’ ny alalan’ ny herin’ ilay vondron’ ny rahavavy miray hina. Ity ny ampahany ihany amin’ny hafatra nomen’ ny evekan’ i Elizabeth azy sy i Joshua tany amin’ ny hôpitaly ora maromaro taorian’ ny nahaterahan’ ilay zaza: “Voafehin’ ny filohan’ ny Fikambanana Ifanampiana ny zava-drehetra. Mandrindra lamina ho an’ny hoavy sahady izahay mba hanampiana ny zanakareo vavy any an-trano ka ho afaka hivezivezy any amin’ny hôpitaly i Elizabeth raha mbola mijanona any ilay zazakely mahafatifaty mbola tsy manana anarana. Efa nanao toy izany izahay taloha, nandritra ny fotoana naharitra, ary dia nanao izany tamim-pahazotoana tokoa ireo olon[tsika].
Hoy ilay eveka nanohy ny teniny, raha niresaka mikasika ny tenany sy ny paroasy: “Nandeha hatrany amin’ ny hôpitaly mihitsy aza izahay ary nijanona niaraka tamin’ ireo ankizy tao amin’ ny efitrano filalaovana rehefa tsy tian’ ny reniny ho apetraka any amin’ ny toerana hafa izy ireo.
Ary hoy izy avy eo hoe: “Tsy hanao izany anefa izahay raha tsy efa nifampiraharaha sy nahazo lalana avy aminareo. Tianay fotsiny ianareo mba tsy hiahiahy amin’ny zavatra izay afaka sy [azonay] atao.”
Ny zavatra nataon’ izy ireo tamin’ ny zanako vavy dia nahafahany nanana ilay fotoana sarobidy, izay nihazonany vao voalohany indrindra, ilay zanany vavikely.
Ary dia nofaranan’ilay eveka ny hafany ho an’i Joshua sy i Elizabeth tamin’ny taratasy iray nalefan’ny rahavavy amin’ ny fanoloran-tena manerana izao tontolo izao mba hanompo ny hafa ho an’ ny Tompo izany, manao hoe: “Tano ny finoana.”
Afaka milaza zavatra mikasika izay zavatra miandry anareo amin’ ny hoavy aho eo anatrehan’ireo fahasamihafana rehetra eo amin’ ireo toe-javatra iainanareo manokana sy ireo zavatra niainanareo taloha. Rehefa mihazona ny finoana ianareo dia matetika ho angatahin’ ny Tompo hanompo olona sahirana, indrindra amin’ ny fotoana toa sarotra ny hanatanterahana izany. Mety toy ny andraikitra tsy dia mahafinaritra izany ary angamba toy ny tsy ho azo tanterahana mihitsy aza. Rehefa tonga ny fotoana hanaovan-javatra iray dia toy ireny hoe tsy dia ilaina loatra ireny ianareo na misy olona hafa afaka manolotra mora foana ilay fanampiana.
Tsarovy fa rehefa asain’ ny Tompo mifanehatra amin’ ny olona mila fanampiana isika dia mankasitraka ny zavatra tsy mba nataon’ ilay Samaritana tsara fanahy sy ny zavatra tsara nataony koa. Tsy nandalo fotsiny izy na dia olon-tsy fantany ary mety ho fahavalo mihitsy aza ilay mpivahiny voavono teo an-dalana. Nataony izay rehetra azony natao hanampiana ilay lehilahy naratra ary avy eo nametraka lamina miavaka iray mba hanaovan’ny hafa bebe kokoa izy. Nataony izany satria takany fa mety hitaky zavatra bebe kokoa noho izay vitan’ ny olona iray ny fanampiana.
Afaka mitarika anareo ao anatin’ny zava-drehetra izay hitranga any amin’ ny hoavinareo ny lesona ao anatin’izany tantara izany. Ireo lesona ireo dia nisy nandritra ny fahazazanareo ary tao anatin’ny zavatra niainanareo vao haingana.
Farafahakeliny indray mandeha, ary angamba matetika mihitsy no tsy nanampoizanareo hifanena tamin’ny olona mila fanampiana. Mety ho ray aman-dreny izany, na ray aman-drenibe, na rahavavy, na zanaka, na mararin’ ny aretina na fahasembanana. Mandrakotra ilay fanirian’ ny olombelona hanananareo ny fahatsapanareo fangorahana. Noho izany dia manolotra fanampiana ianareo.
Tahaka ilay mpivahiny ao amin’ ny tantara ao amin’ ny soratra masina momba an’ ilay Samaritana tsara fanahy dia mety tena hivadika ho fanampiana mandritra ny fotoana maharitra kokoa noho izay azonao atao irery ilay fanampiana ilaina. Tsy maintsy nampitain’ilay Samaritana tany amin’ilay tompon’ ny tranom-bahiny ny fikarakarana an’ ilay mpivahiny. Ny drafitry ny Tompo mikasika ny fanompoana olona sahirana dia mitaky fiarahan’ny vondron’olona miasa.
Manasa foana ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hifanampy ny eveka sy filohan’ny Fikambanana Ifanampiana rehefa misy ilana izany. Misy antony maro mahatonga izany fitsipika izany. Ny antony manan-danja indrindra dia ny hanomezana olona maro kokoa ilay fitahian’ny fitiavana mitombo izay avy amin’ ny fifanompoana.
Efa nahita sy nahatsapa izany fitahiana izany ianareo. Nahatsapa fitiavana ho an’ ilay olona izay notompoinareo ianareo raha vantany vao nikarakara olona iray na dia tao anatin’ ny fotoana fohy aza. Mihamitombo ny fahatsapana fitiavana rehefa mihalava kokoa ny fotoana hanomezana ilay fanampiana.
Amin’ ny maha-olona mety maty antsika dia mety ho sembantsembanin’ny fahatsapana fahasorenana na harerahana izany fitomboan’ny fitiavana izany. Izany no antony iray hafa namelan’ ny Tompo ny hafa hanampy antsika eo amin’ ny fanompoana ireo mila fanampiana. Izany no antony namoronan’ ny Tompo ireo vondron’ ireo mpikarakara.
Herinandro vitsivitsy lasa izay dia nanatrika ny fitsanganan’ ny vehivavy mbola tanora iray mba hotohanana ho mpandrindra mpanampy eo amin’ny fikarakarana ny famangiana isan-tokantrano nandritra ny fivoriana fanasan’ ny Tompo aho, antso iray izay tsy fantatro ny fisiany. Nanontany tena aho raha mba fantany ny halehiben’ ny fanehoam-pankasitrahan’ny Tompo azy. Noho ny tsy nampitombona ny zanany teny an-tsandriny, dia tsy maintsy nandao ilay fivoriana izy talohan’ ny nahafahako niteny taminy hoe ny Tompo dia tena ho tia sy hankasitraka tokoa ny fanampiana mandritra ny ezaka ataon’ireo mpianatr’i Kristy.
Mitaky fiarahan’olona miasa sy vondron’olona be fitiavana sy miray hina ny fikarakarana ireo izay mila fanampiana. Izany no zavatra aorin’ ny Tompo eo anivonareo. Tiany ianareo amin’ izay anjara andraikitra sahaninareo.
Porofo iray maneho ny fankasitrahany ny famelan’ Andriamanitra anareo hahatsapa ny fitiavana tsy mitsaha-mitombo amin’ireo izay tompoinareo. Izany no antony mampitomany anareo mandritra ny fahafatesan’ ny olona iray izay notompoinareo nandritra ny fotoana maro. Tsapa ho toy ny fahaverezana lehibe kokoa aza ny tsy fahafahana mikarakara azy ireo noho ilay fisarahana mandritra ny fotoana voafetra. Izaho dia nandre vao haingana vehivavy iray—izay fantatro efa hatry ny ela—herinandro taorian’ ny nahafatesan’ ny vadiny, nijoro ho vavolombelona mifono fankasitrahana tamin’ny fananany fahafahana nanompo azy hatrany amin’ny fiarafan’ny androm-piainany. Tsy nahitana ranomaso izy fa hita taratra kosa ny fitsikiny feno fifaliana.
Na dia mandray valisoa goavana aza ny fanaovana fanompoana maharitra sy feno fitiavana, dia nianatra isika fa misy fetra ny zavatra vita ara-batana, ara-pihetseham-po ary ara-bola. Mety ho ilay olona nanome hery nandritra ny fotoana maharitra indray no lasa mila fanampiana.
Nanome torohevitra tena tsara ho an’ ireo mpikarakara torovana ny Tompo, izay Tompon’ ny Mpikolokolo ireo olona mila fanampiana, ao anatin’ireto teny nolazain’ny Mpanjaka Benjamina izay voarakitra ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna ireto: “Noho ny amin’ ny fitanana ny famelana ny fahotanareo … , dia mba tiako ny hizaranareo amin’ ny fanananareo amin’ ny mahantra, ny olona tsirairay dia araka izay ananany avy, toy ny famahanana ny noana, ny fanafiana ny mitanjaka, ny famangiana ny marary sy ny fiahiana ny fanampiana azy, na ara-panahy na ara-batana, araka ny filàny.”6
Kanefa dia notohizany tamin’ny fampitandremana ny sasany aminareo izany, izay mety tsy manaiky ilay zava-misy, dia ny hoe manohy ela loatra sy maharitra loatra ilay asa fanompoanareo feno fitiavana ianareo: “Ary ezaho izay hanaovanareo ireo zavatra rehetra ireo amin’ ny fahendrena sy ny filaminana; fa tsy takiana ny hihazakazahan’ ny olona iray [na mpikarakara iray] haingana kokoa noho izay tratry ny heriny. Ary koa ilaina izy mba hazoto, fa amin’ izany no mety hahazoany ny loka; noho izany, ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana.”7
Mety ho sarotra ny mampihatra izany torohevitra izany rehefa tsy maintsy maneho safidy ianareo eo amin’ny fomba handanjalanjana ny faniriana hanao izay rehetra vitanareo hanampiana ny hafa miaraka amin’ny fananana fahendrena mba hikarakara ny zavatra ilain’ny tena manokana mba mbola hananana hery hanompoana. Mety efa nahita olona sahirana nanoloana ireo safidy sarotra ireo ianareo. Ohatra iray amin’izany ny safidy ny hikarakara olona iray izay efa manakaiky ny fahafatesana ao an-tranonareo na any amin’ny toeram-pikarakarana iray kanefa mety efa ho trotraka koa ianareo.
Afaka ny ho mpitari-dalana anareo amin’ny safidy manahirana toy izany ny zavatra fantatrareo momba ny drafitry ny famonjena. Izay no iray amin’ireo antony nilazan’i Lucy Mack Smith tamim-pahendrena fa tokony “handray torolalana” ireo rahavavy.
Manampy amin’ny fananana faharesen-dahatra azo antoka mikasika ny tanjon’ny Tompo ho an’ny zanak’Andriamanitra tsirairay ao anatin’ny fotoam-pahasahiranana eto an-tany izany. Nampianariny ny tena hevitra fototry ny drafitry ny famonjena ny Mpaminany Joseph araka izao fomba izao, rehefa nanana fahasahiranana tamin’ny fahatakarana ireo fitsapana izay toa tsy nisy fetra izy: “Ary rehefa izany, raha iaretanao tsara izany, dia hanandratra anao ho amin’ ny avo Andriamanitra.”8
Ny safidy tsara indrindra hanampiantsika olona mandalo fitsapana dia ny fametrahana fanontaniana hoe: “Inona no fomba tokony harahako izay tena hanampy tsara ilay olona tiako sy tompoiko ‘[haharitra] tsara’?” Ny tanjontsika dia ny hanaovana izay tena mba hahafahany mampihatra ny finoana an’i Kristy, hihazona fanantenana mamirapiratra hahazo ny fiainana mandrakizay, hampihatra fiantrana sy ny fitiavana madion’i Kristy hatrany amin’ny fiafaran’ny fiainany.
Efa nahita ireo rahavavy ato amin’ny fanjakana nampifantoka ny zavatra ataony amin’ny Mpamonjy sy ny Tanjony aho. Eritrereto ireo fotoana izay nidiranareo ny efitrano fianarana taorian’ny nihaonan’ny Fikambanana Ifanampiana na Kilonga na ny Zatovovavy.
Mety tsy hita taratra mivaingana ny sarin’ny Mpamonjy na ny teniny, kanefa fantatrareo fa tsapa nandritra izany ora izany ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fisian’ny Sorompanavotana sy ny lanjany, toy ny nahatsapana izany tamin’ity hariva ity. Mety tsy misy sarin’ny tempoly masina ao na ireo teny hoe: “Afaka ny ho Mandrakizay ny Fianakaviana,” kanefa afaka mahita fanantenana eo amin’ny fitsikiny ianareo.
Ary efa nahita ianareo, tahaka ny efa nahitako, mpamangy isan-tokantrano feno fahendrena iray nampisy fahatokiana tao amin’ny rahavavy sahiran-tsaina iray, na dia tsy nahomby aza izy, fa ilaina sy sarobidy ny fanompoany olona iray hafa. Ireo filoha matanjaky ny Fikambanana Ifanampiana dia mahita fomba ahafahan’ireo izay mila fanampiana hanampy ny hafa. Mamorona fomba ahafahan’ireo rahavavy mba haharitra tsara amin’ny fitsapany izy ireo rehefa mifampiahy ao anatin’ny fitiavana madion’i Kristy. Tafiditra ao amin’izany ny fampitandremana am-pitiavana ireo mpikarakara torovana mba haka aina sy hanaiky handray fanampiana ataon’ny hafa.
Manao izay hitrangan’izany ireo rahavavy amin’ny alalan’ny tsy fitsaratsarana ireo olona izay mandalo fitsapana. Manomboka miahiahy ny amin’ny tenany sy ny lanjany ny ankamaroan’ireo olona mitondra enta-mavesatra. Manamaivana ny enta-mavesany isika rehefa manana faharetana amin’ireo fahalemeny sy midera izay mety hatsaran-toetra hitantsika eo amin’izy ireo. Manao toy izany ny Tompo. Ary afaka manaraka ny ohatra nasehony isika amin’ny maha-ilay mpikolokolo lehibe an’ireo izay mila fanampiana Azy.
Matetika isika miresaka ny tanjaka ao anatin’ny vondron’ireo rahavavy ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Hianatra hamantatra isika fa eo anivon’ilay vondrona hatrany ny Mpamonjy rehefa manasa Azy isika.
Hahita hatrany hatrany zanakavavin’Andriamanitra hanasa ireo rahavavy hiditra ao anatin’izany vondrona izany hiaraka amin’izy ireo isika. Rehefa miditra ao amin’ny fivoriana iray ireo rahavavy ary mitady seza ipetrahana dia haheno ireto teny malefaka ireto izy ireo, hoe: “Avia, miaraka mipetraka amiko eto.”
Haheno ireo teny ireo isika any amin’ilay andro ho avy izay hitan’i Lucy Mack Smith mialoha rehefa “hiara-hipetraka any an-danitra” ireo rahavavy. Tsy afaka miomana amin’izany andro izany ao anatin’ny fotoana fohy isika. Ho tonga avy amin’ny fifampikarakarana mandritra ny andro sy taona maharitra sy fitondrana ireo tenin’ny fiainana mandrakizay mitoetra lalina ao am-pontsika izany.
Maniry aho ny hiarahan’ny ankamaroantsika ao anatin’ilay fotoana lehibe izay mbola hoavy. Mijoro ho vavolombelona aho fa ho voamarina ny fanantenanareo an’ireo andro ireo. Nanao izay hahatanteraka izany ho anareo tsirairay avy ny Tompo Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy manam-petra. Mandre sy mamaly ny vavaka natao tamim-pinoana izay nangatahana fitarihana sy fanampiana mba haharetanareo ao amin’ny asa fanompoanareo Azy.
Nalefa ho any aminareo sy ireo izay karakarainareo ny Fanahy Masina. Ho hatanjahana ianareo ary koa hahazo fanentanam-panahy hamantarana ny fetra sy ny fahafahanareo manompo. Hankahery anareo ny Fanahy rehefa mety manontany tena ianareo hoe: “Moa ve ampy ny nataoko?”
Mijoro ho vavolombelona aho fa hiaraka aminareo ny Tompo ary homaniny sy hasiany marika ny lalanareo eo am-panompoanareo ireo olona tiany izay ao anatin’ireo fahasahiranana sy fitsapana. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.