2012
Fitaovana Vaovao Izay Manampy Ireo Mpikambana Hanomana Ireo Anaran’ny Fianakaviana
Nôvambra 2012


Fitaovana Vaovao Izay Manampy Ireo Mpikambana Hanomana Ireo Anaran’ny Fianakaviana

Tao anatin’ny taratasy iray tamin’ny 8 Ôktôbra 2012 dia nanasa ireo mpikambana ny Fiadidiana Voalohany—ny zatovo sy ireo tanora tokan-tena indrindra indrindra—mba handray ireo fitahiana feno any amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fanomanany ireo anaran’ny fianakaviany manokana mba ho entina any amin’ny tempoly.

Ankoatra izany, ireo izay manana “anaran’ny fianakaviana maro izay nanaovana famandrihana [dia entanina] mba handefa haingana ireo anarana ireo mba hahafahana manatanteraka ireo ôrdônansy ilaina.”

Mba hanampiana ireo mpikambana hanatanteraka ny antso nataon’ny Fiadidiana Voalohany dia namokatra loharano sy toe-javatra vaovao izay hita amin’ny fiteny 10 ny Fiangonana ao amin’ny familysearch.org.

Ny zavatra vaovao nampidirina vao haingana tao amin’ny new.familysearch.org izay antsoina hoe Family Tree, ohatra, dia manome antsika fomba tsara kokoa hikarakarana ny tantaram-pianakaviantsika amin’ny alalan’ny fanomezana fahafahana an’ireo mpampiasa (1) hifandray sy hiara-hiasa eo amin’ny lafin’ny tetiarana ifampizarana, (2) hampiditra fampahalalana sy hanala izay diso, ary (3) hampiditra ny anaran’ireo razambe hanaovana ôrdônansy any amin’ny tempoly. Ireo mpampiasa koa dia afaka mahita horonantsary mikasika ny “Fandefasana Anarana any amin’ny Tempoly” ary fanofanana hafa ao amin’ny familysearch.org/treetraining.

Hamoaka printy