2013
Mihaino ireo Bitsika
Janoary 2013


Tanora

Mihaino ireo Bitsika

Nitsoaka ny trano ny zanakavavikelin’ny havanay ka dia nikoropaka nikaroka azy aho. Teny am-pamiliana fiara dia nivavaka aho ny mba hanampian’ ny Fanahy ahy. Nahafantatra aho fa hamaly ny vavaka nataoko sy hitarika ahy Andriamanitra ary dia niezaka nihaino ireo bitsiky ny Fanahy aho. Saingy rehefa tsy nahatsapa na inona na inona aho dia nanomboka nahatsiaro ho kivy ary nieritreritra fa tsy nibitsika tamiko ny Fanahy.

Na dia te-handeha lavidavitra kokoa aza aho mba hikarohana azy dia nahatsapa fa tokony hijanona teo amin’ ny faritra manodidina ny tranon’ ilay zanaky ny havako. Ka dia nanapa-kevitra ny hitondra fiara manodidina an’ilay faritra indray mandeha indray aho. Rehefa nijanona teo amin’ ny sampanana fifanenan-dalana iray aho dia nahatazana lavidavitra bikabikan’ ankizivavikely iray mandeha an-tongotra. Hitako ilay zanakavavin’ ny havanay!

Rehefa nivoaka ny fiara aho ary nihazakazaka nanatona azy dia tsapako fa nitarika ahy foana ny Fanahy tamin’ ny alalan’ny fanampiany ahy hahatsapa fa tokony hijanona teo amin’ ilay faritra ihany aho. Saika tsy nahare ny bitsiky ny Fanahy aho satria nifantoka tamin’ ny fihainoana feo iray tony sy malefaka. Takatro nanomboka teo fa tsy handre feo foana isika ny ankamaroan’ ny fotoana, fa hahatsapa zavatra ao am-pontsika.

Tena feno fankasitrahana aho noho ny fitarihan’ ny Fanahy. Tena eo foana tokoa Izy! Hoy ny soratra masina hoe: “Ny Fanahy Masina no ho namanao lalandava” (F&F 121:46).

Raha toa ka mendrika ny fitarihan’ ny Fanahy isika sy mihaino tsara dia afaka ho tonga fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra mba hanao soa amin’ny olona maro. Ho fantatsika ny lalana tokony halehantsika rehefa manana ny Fanahy ho namana lalandava isika.

Hamoaka printy