2013
Asa Fitoriana
Janoary 2013


Hafatra ho an’ ny Famangiana Isan-tokantrano, Janoary 2013

Asa Fitoriana

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ ny rahavavy izay vangianao izany. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavinao sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ ny fiainanao. Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny www.reliefsociety.lds.org.

Sary
Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Ny Olomasin’ ny Andro Farany dia nantsoina “mba hiasa ao amin’ ny tanimboalobo[ky ny Tompo] ho famonjena ny fanahin’ ny olona” (F&F 138:56), ary ao anatin’ izany ny fanaovana asa fitoriana. Tsy mila mandray antso hitory manokana isika vao afaka hizara ny filazantsara. Manodidina antsika ireo olona hafa izay ho voatahy amin’ ny alalan’ ny filazantsara ny fiainany ary rehefa miomana isika, dia hampiasa antsika ny Tompo. Afaka mandray ny andraikiny ara-panahy ireo mpamangy isan-tokantrano sy manampy amin’ “ny [f]anatantera[hana] ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ ny olona” (Mosesy 1:39).

Rehefa nanangana ny Fikambanana Ifanampiana ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ ny 1842 dia nilaza izy fa tsy natao hikarakara ireo mahantra fotsiny ireo vehivavy fa natao hamonjy fanahy koa.1 Mbola tanjontsika ihany izany.

“Manome fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fahamarinana an’ ireo izay hizara izany amin’ ny hafa … ny Tompo,” hoy ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ ny Fiadidiana Voalohany. “Ambonin’izany, ny Tompo dia miandrandra ireo mpikamban’ny Fiangonana mba ‘[hanokatra] ny vavan’ [izy ireo] amin’ ny fotoana rehetra, ka [hanambara] ny filazantsara[ny] amin’ ny feom-pifaliana’ (F&F 28:16). … Indraindray ny fehezan-teny iray monja ao anatin’ny fijoroana ho vavolombelona dia afaka miteraka toe-javatra izay misy fiantraikany mandrakizay eo amin’ny fiainan’ny olona iray.”2

Avy amin’ ny Soratra Masina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:20–23; 18:15; 123:12

Avy amin’ ny Tantarantsika

Ohatra iray amin’ny fanaovan’ny mpikambana asa fitoriana filazantsara avy ao amin’ny tantaran’ ny Fikambanana Ifanampiana ato amintsika ny tantaran’i Olga Kovářová avy any Tchécoslovaquie fahiny. Tamin’ny taona 1970 teo ho eo dia mpianatra nanomana doctorat i Olga ary nanam-paniriana hanana fiainana ara-panahy lalina kokoa. Nahatsikaritra an’ i Otakar Vojkůvka, 75 taona, izay Olomasin’ny Andro Farany iray izy. Hoy izy hoe: “Ho ahy izy dia dimy amby fitopolo taona raha ny taonany saingy valo ambin’ny folo taona izy ao amin’ny fony ary feno fifaliana.” “Tsy zavatra nahazatra loatra izany tany Tchécoslovaquie izay tao anatin’ny fotoana nitsipahana ny fitsipi-pitondrantena.”

Nanontanian’i Olga an’ i Otakar sy ny fianakaviany hoe ahoana no fomba nahitan’ izy ireo fifaliana. Nampahafantarin’ izy ireo tamin’ ny mpikambana hafa tao amin’ ny Fiangonana izy ary nomen’ izy ireo Bokin’i Môrmôna iray. Namaky izany tamim-pahavitrihana izy ary tsy ela dia natao batisa sy noraisina ho mpikambana. Nanomboka tamin’io fotoana io dia nitondra zava-tsoa i Olga tao anatin’ ny tontolo iray nahitana famoretana ara-pôlitika sy fanenjehana ara-pivavahana. Efa filohan’ny Fikambanana Ifanampiana tao amin’ny sampana kely nisy azy izy ary nanampy tamin’ny famonjena ny fanahin’ny hafa tamin’ny alalan’ny fitondrana azy ireo ho amin’i Kristy.3

Inona no Azoko Atao?

  1. Moa ve manaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina aho rehefa mizara ny fijoroako ho vavolombelona amin’ireo rahavavy izay tsidihiko?

  2. Ahoana no fomba hanampiako ireo rahavavy izay iandraiketako mba hianatra ny filazantsara?

Fanamarihana

  1. Jereo ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 453.

  2. Dieter F. Uchtdorf, “Miandry eny amin’ilay Lalana Mankany Damaskosy,” Liahona, Mey 2011, 76–77.

  3. Jereo ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’œuvre de la Société de Secours (2011), 92–95.

Hamoaka printy