2013
Ny Feon’ ny Tompo
Janoary 2013


Hafatra avy amin’ ny Fiadidiana Voalohany, Janoary 2013

Ny Feon’ ny Tompo

Sary
Nataon’ ny Filoha Henry B. Eyring

Manasa ny olon-drehetra na aiza na aiza hihaino ny feon’ ny Tompo Jesoa Kristy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (jereo ny F&F 1:2, 4, 11, 34; 25:16). Feno hafatra sy fampitandremana ary famporisihana mifono fankaherezana avy Aminy izany izay nomena tamin’ ny alalan’ ny fanambarana tamin’ ireo mpaminany nofinidiny. Afaka mahita ny fomba ahafahan’ Andriamanitra mamaly ireo vavaka nataontsika tamim-pinoana amin’ny alalan’ny hafatra mifono torolalana, sy fiadanana ary fampitandremana isika ao amin’ ireo fanambarana ireo.

Mikatsaka ny hahafantatra ny zavatra tian’ Andriamanitra hataontsika isika ao anatin’ny vavaka ataontsika, ary ireo zavatra tokony hataontsika mba hahitana fiadanana sy fahasambarana eto amin’ ity fiainana ity sy any amin’ ny fiainan-koavy ary ireo zavatra miandry antsika atsy ho atsy. Feno valiny ho an’ ny fanontaniana toy izany izay napetraky ny olon-tsotra sy ireo mpaminany tamin’ ny alalan’ ny vavaka feno fanetren-tena ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Afaka ny ho mpitari-dalana sarobidy izany, izay hampianatra antsika ny fomba handraisana ny valin’ ireo fanontaniana mikasika ny zavatra mahasoa antsika ara-nofo sy ny famonjena antsika mandrakizay.

Ny fanetren-tena sy ny finoana an’ i Jesoa Kristy Tompo no fanalahidy. Nandray valiny avy tamin’ ny Tompo i Oliver Cowdery mikasika ny faniriany hanampy amin’ ny fandikana ny Bokin’ i Môrmôna: “Tsarovy fa raha tsy misy ny finoana, dia tsy mahavita na inona na inona ianao. Aza hamaivanina ireto zavatra ireto; aza mangataka izay tsy tokony hangatahinao” (F&F 8:10).

Miverimberina hatrany ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny fitakian’ ny Tompo finoana sy fanetren-tena alohan’ ny hanomezany ny fanampiany. Ny antony iray mahatonga izany dia satria mety tsy ho tonga araka ny fomba antenaintsika azy ny valiny avy Aminy. Ary tsy ho mora koa ny hanaiky ny valiny izay omeny.

Maneho ny fahamarinan’ izany ny tantaran’ ny Fiangonana sy ny zavatra niainan’ireo razambentsika. Nivavaka mafy i Henry Eyring, rain’ ny raibeko, mba hahafantatra izay tokony hataony rehefa nampianarina ny filazantsara naverina tamin’ ny laoniny izy tamin’ ny 1855. Tonga tamin’ ny nofy ny valiny.

Nanonofy izy hoe nipetraka teo amin’ ny latabatra iray niaraka tamin’ ny Loholona Erastus Snow izay tao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo sy niaraka tamin’ ny elder iray antsoina hoe: William Brown. Nampianatra ny fitsipiky ny filazantsara nandritra ny teo amin’ ny adiny iray teo ny Loholona Snow. Dia hoy ny Loholona Snow avy eo hoe: “Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, mandidy anao aho ho atao batisa ary ity lehilahy ity [Elder Brown] … no hanao batisa anao.”1 Feno fankasitrahana ny fianakaviako noho ny nananan’ i Henry Eyring finoana sy fanetren-tena mba ho ataon’ ny Elder Brown batisa tamin’ ny 7:30 maraina tao amin’ ny dobon-dranon’ orana iray tao St. Louis, Missouri, Etazonia.

Tsy tonga tamin’ ny feo mafy avy tamin’ ny Tompo akory ny valim-bavaka azony. Tamin’ ny alalan’ ny fahitana sy nofy nandritra ny alina, tahaka ny nitranga tamin’ i Lehia no nahatongavan’ izany (jereo ny 1 Nefia 8:2).

Nampianatra antsika ny Tompo fa mety amin’ ny alalan’ ny fahatsapan-javatra koa no hahatongavan’ ny valim-bavaka. Ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia nampianatra an’ i Oliver Cowdery Izy hoe: “Eny indro, hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina izay ho tonga ao aminao sy hitoetra ao am-ponao” (F&F 8:2).

Ary dia nankahery an’ i Oliver araka izao fomba izao Izy: “Tsy nilaza fiadanana tamin’ ny sainao va Aho momba izany? Inona no vavolombelona lehibe kokoa mety ho azonao noho izay avy amin’ Andriamanitra?” (F&F 6:23).

Nampianatra ahy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, sy ny tantaran’ ny Fiangonana ary ireo tantara izay noraketin’ i Henry Eyring nandritra ny asa fitoriany fotoana fohy taorian’ ny batisany fa mety hiseho amin’ny alalan’ny fahatsapana fampitandremana ary koa fiadanana ny valim-bavaka.

Nanatrika fihaonambe tany Oklahoma, Etazonia ankehitriny ny Loholona Parley P. Pratt tao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ ny volana Aprily 1857. Noraketin’ i Henry Eyring fa “heniky ny hakiviana ny sain’ ny [Loholona Pratt] … , ary toa tsy afaka ny hamantatra ny hoavy na izay lalana hahafahana ho tafavoaka amin’ izany izy.”2 Noraketin’ i Henry tao aorian’ izany avy hatrany ilay vaovao mampalahelo mikasika ny naha-maty maritiora an’ io Apôstôly io. Nandeha nanatontosa ny diany ny Loholona Pratt na dia teo aza ny fahatsapany loza nanambana azy, tsy misy hafa amin’ ny nataon’ ny Mpaminany Joseph raha nandeha nankany Carthage.

Mijoro ho vavolombelona aho fa mamaly ny vavaka mifono finoana natao tamim-panetren-tena foana ny Tompo. Mampianatra antsika ny fomba hahafantarana ireo valim-bavaka ireo sy hanaiky izany amim-pinoana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ireo zavatra niainantsika manokana, na izany torolalana, na izany fanamafisana ny fahamarinana na fampitandremana. Mivavaka aho mba hihaino sy hamantatra foana ilay feo feno fitiavan’ ny Tompo isika.

Fanamarihana

  1. “The Journal of Henry Eyring: 1835–1902” (rakitsoratra tsy navoaka manokana eo am-pelatanan’ ny mpanoratra).

  2. “The Journal of Henry Eyring: 1835–1902.”

Fampianarana avy amin’ ity Hafatra ity

1. Vakio miaraka ireo andinin-tsoratra mikasika ny vavaka ato amin’ ity hafatra ity. Eo am-pamakiana izany dia angataho ireo olona ao amin’ ny fianakaviana mba hihaino tsara ny fomba hamalian’ Andriamanitra ny vavaka. Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny maha-zava-dehibe ny vavaka.

2. Feno valin’ireo fanontaniana napetraky ny olona tao anatin’ny vavaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Inona no mitranga raha toa ka tsy voarakitra an-tsoratra ny valin’ ireo fanontaniana napetrak’ izy ireo (ny fanambarana)? Amporisiho hianatra hamantatra sy hanaraka ny bitsiky ny Fanahy ilay fianakaviana. Azon’ izy ireo atao koa ny mirakitra ao anatin’ ny diariny izay eritreritra sy ny fahatsapana ananany mikasika ny vavaka.

Hamoaka printy