2013
Mangina, mitsahara
Martsa 2013


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Martsa 2013

Mangina, mitsahara

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Indray andro taona vitsivitsy lasa izay, rehefa avy namita asa tany amin’ny birao aho dia nisy zavatra nanosika ahy mafy hitsidika mananotena lehibe iray izay marary notsaboina tao amin’ny toeram-pikarakarana be antitra iray ao Salt Lake City. Nandeha fiara nankany avy hatrany aho.

Rehefa tonga tao amin’ny efitranony aho dia tsy nisy olona tao. Nanontany mpiasa iray mikasika ny toerana mety ahitako azy aho ary dia nasaina nankeny amin’ny toerana fandraisam-bahiny iray. Hitako tao ilay mananotena mahafinaritra miaraka amin’ny rahavaviny sy namana iray hafa. Nahafinaritra ny resaka nifanaovanay.

Rahe teo am-piresahana izahay dia nisy lehilahy iray niditra ilay varavarana mba hividy ranom-boankazo teo amin’ilay milina mpizara zava-pisotro. Nanopy maso taty amiko izy sady niteny hoe: “I Tom Monson ianao e?”

“Eny,” hoy aho. “Ary ianao dia toa iray amin-dry Hemingway.”

Nanaiky izy fa i Stephen Hemingway, zanakalahin’i Alfred Eugene Hemingway, izay efa mpanolotsaiko fony aho eveka taona maro lasa izay ary i Gene no fiantsoako azy. Nilaza tamiko i Stephen fa ao amin’io trano fikarakarana be antitra io koa ny rainy ary efa eo am-bavahaonan’ny fahafatesana. Niantso ny anarako i Gene, ary te hifandray tamiko ny fianakaviana saingy tsy nahafantatra ny laharana an-tariby hiantsoana ahy.

Nangata-dalana teo no ho eo ihany aho ary niaraka tamin’i Stephen nankany amin’ny efitrano nisy ilay mpanolotsaiko fahiny, izay efa nahitana ny sasantsasany tamin’ireo zanany tafavory teo koa. Efa maty taona maro lasa ny vadiny. Ny fihaonako tamin’i Stephen tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny dia noraisin’ireo olona tao amin’ny fianakaviana ho valim-bavaka avy amin’ny Ray any an-danitra noho ny fanirian’izy ireo lehibe mba hahitako ny Rainy alohan’ny hahafatesany sy mba hamaliako ny antsony. Nahatsapa koa aho fa izany tokoa ny zava-nitranga, satria raha tsy niditra ilay efitrano izay nitsidihako olona tamin’ny fotoana marina nidirako tao i Stephen, dia tsy ho fantatro akory hoe tao amin’io toerana io i Gene.

Nomenay tsodrano izy. Nanjaka ny fanahin’ny fiadanana. Nahafinaritra ny fitsidihana nataonay taminy ary lasa aho taorian’izany.

Nandray antso an-tariby aho ny ampitso maraina izay nanambara fa nodimandry i Gene Hemingway—20 minitra monja taorian’ny nandraisany tsodrano avy tamin’ny zanany lahy sy tamiko.

Nanolotra vavaka fisaorana tamim-pahanginana ho an’ny Ray any an-danitra aho tamin’ny fitarihany, izay nanosika ahy hitsidika ilay toerana fikarakarana be antitra ary nitarika ahy hahita ilay namako malala Alfred Eugene Hemingway.

Tiako ny maka sary an-tsaina hoe nanakoako tao an-tsain’i Gene Hemingway tamin’izany hariva izany—rehefa nahatsapa ny Fanahy izahay, nanao vavaka tamim-panetren-tena ary nanonona tsodranon’ny fisoronana—ny tonon’ilay fihirana hoe: “Tompo ô! Mifofofofo ny tafio-drivotra”:

Ry Mpanavotra, miaraha amiko!

Aza avelanao irery aho,

Ary enga anie ho tafita soa aman-tsara

Ka hiala sasatra eo amin’ny morony tony.

Mbola tiako izany fihirana izany ary mijoro ho vavolombelona mikasika ny fankaherezana entiny:

Na mifofofofo aza ny tafio-drivotry ny ranomasina mitroatra

Na ny ratsy na ny olombelona, na inona na inona izany,

Tsy hisy haharendrika ny sambo itoeran’ilay

Tompon’ny ranomasimbe sy ny tany ary ny lanitra.

Hanaiky tsara ny sitraponao ny rehetra:

Mangina, mitsahara!1

Ao anatin’ny ranomaso sy fitsapana, ao anatin’ny tahotra sy alahelo, ao anatin’ny ratrampo sy fanirery noho ny fahalasan’ireo olon-tiana dia misy ny fanomezan-toky fa ho mandrakizay ny fiainana. Ny Tompo sy Mpamonjy antsika no vavolombelona velona fa zava-misy izany.2 Ampy ireo teny ao amin’ny soratra masina hoe: “Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra” (Salamo 46:10). Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany fahamarinana izany aho.

Fanamarihana

  1. “Maître, la tempête lance,” Cantiques, no. 56.

  2. Jereo ny Richard L. Evans, “So Let Us Live to Live Forever,” New Era, Jolay 1971, 18.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Afaka mankahery ireo izay namoy olon-tiana noho ny fahafatesana na ireo izay mandalo fitsapana ity hafatra ity. Ho fanampin’ny hafatry ny Filoha Monson dia zarao ny iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto izay mifototra amin’ny zavatra ilain’ireo olona ampianarinao: Joba 19:25–26; 1 Korintiana 15:19–22; Môsià 24:13–15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7–9. Raha tarihin’ny Fanahy ianao dia afaka mijoro ho vavolombelona mikasika ilay fiadanana natolotry ny Mpamonjy anao nandritra ny fitsapana nolalovanao.

Hamoaka printy