2013
Asa fampahavitrihana
Martsa 2013


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Martsa 2013

Asa fampahavitrihana

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao. Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Namporisika antsika ny mpaminanintsika, Filoha Thomas S. Monson, mba “handeha hamonjy ireo mila ny fanampiantsika ary hampiakatra azy ireo eo amin’ny lalana ambonimbony kokoa sy tsaratsara kokoa. … Tadidio fa asan’ny Tompo izy ity, ary rehefa manompo ny Tompo isika, … dia mahazo ny fanampian’ny Tompo.”1

Taona maro lasa izay, dia nitsidika rahavavy malaindaina iray i LaVene Call sy ny mpiara-mitsidika aminy. Nandondona teo am-baravarana izy ireo ary nahita reny vao herotrerony nanao akanjo fitondra avy mandro. Toa tsy salama ny fijery azy kanefa tsikaritr’izy ireo fa toaka no olany. Nipetraka sy niresaka tamin’ilay reny vao herotrerony manana olana ireo mpamangy isan-tokantrano.

Rehefa lasa izy ireo dia nilaza hoe: “Zanakavavin’Andriamanitra izy. Manana andraikitra mba hanampy azy isika.” Nitsidika azy matetika izy ireo noho izany. Isaky ny mamangy izy ireo dia nahita sy nahatsapa fiovana tsara teo aminy. Nangatahan’izy ireo mba hanatrika ny Fikambanana Ifanampiana ilay rahavavy. Na dia nisalasala aza izy dia nanatrika tsy tapaka izany ihany tamin’ny farany. Taorian’ny famporisihana dia niangona izy sy ny vadiny ary ny zanany. Nahatsapa ny Fanahy Masina ny vadiny. Hoy izy hoe: “Handeha hanao ilay torohevitra nomen’ny eveka aho.” Ankehitriny dia mazoto ato am-piangonana izy ireo ary nofehezina tany amin’ny tempoly.2

Avy amin’ ny Soratra Masina

3 Nefia 18:32; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:106; 138:56

Avy amin’ny Tantarantsika

Efa ampahany iray ao anatin’ny maha Olomasin’ny Andro Farany sy mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana hatrizay ny fanampiana ireo izay nivily lalana mba hiverina amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nilaza ny Filoha Brigham Young (1801–77) hoe: “Ndeha isika hifaneho fangorahana, … ary aoka ireo mahita hitarika ireo jamba mandra-pahitan’izy ireo ny lalany manokana.”3

Nankasitraka ny ezaka nataon’ireo rahavavy tao Ogden, Utah, USA i Eliza R. Snow, filoha faharoan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, tamin’ny fifamafisan’orina nataon’izy ireo. “Fantatro tsara fa tena lehibe tokoa ny fotoana atokana [eo amin’ny lafin’ny asa fanompoana] izay tsy ho voarakitra velively daholo ao anaty boky [firaketana],” hoy izy. Kanefa noho ny fahafantarany fa voarakitra any an-danitra ny asan’ireo rahavavy rehefa manampy ireo fo nihanangatsiaka izy ireo, dia hoy izy hoe: “Nilaza ny Filoha Joseph Smith fa ity fikambanana ity dia natao hamonjy fanahy. … Misy boky iray hafa mirakitra ny finoanareo, ny hatsaram-panahinareo, ny asa soa ataonareo ary ireo teny fankaherezana zarainareo. … Tsy misy zavatra ho very.”4

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “The Sacred Call of Service,” Liahona, Mey 2005, 55, 56.

  2. Taratasy nalefa ho an’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany avy tany amin’ny zanakavavin’i LaVene Call.

  3. Brigham Young, ao amin’ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’oeuvre de la société de secours (2011), 119.

  4. Eliza R. Snow, ao amin’ny Filles dans mon royaume, 93-94.

Inona no Azoko Atao?

  1. Matoky tena ve aho manasa rahavavy malaindaina iray hiaraka hanatrika ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana amiko?

  2. Moa ve mahazo aina ireo rahavavy iandraiketako rehefa mametraka fanontaniana momba ny filazantsara amiko?

Hamoaka printy