2013
Entanin’ny Finoana
Jolay 2013


Ho an’ny Tanora

Entanin’ny Finoana

Mipetraka any Caroline du Nord ao Etazonia ny mpanoratra.

Tsy ho hadinoko velively ny fitsangantsanganana teo amin’ny faritr’i Winter Quarters, Nebraska, États-Unis, izay toerana niainan’ireo mpamaky lay taona maro lasa izay. Tsapa fa masina ilay faritra, toy ireny nitsidika ny tokontanin’ny tempoly ireny aho.

Vonton’ny ranomaso ny masoko ka nanjavozavo ny fahitako. Nahita tsangam-bato iray aho saingy nanjavozavo tamiko ny endriny. Rehefa nofafako ny ranomasoko dia nahita lehilahy iray sy vehivavy iray aho izay feno fahoriana ny endriny. Rehefa nijery akaikikaiky kokoa aho dia nahita zazakely mandry eo amin’ny lava-pasana teo an-tongotr’izy ireo.

Niteraka fihetseham-po maro tato amiko izany zavatra hitako izany: alahelo, hatezerana, fankasitrahana ary fifaliana. Te-hanaisotra ny fanaintainana tsapan’ireo Olomasina ireo aho, kanefa nankasitraka ihany koa etsy andaniny noho ny fahafoizan-tena nasehon’izy ireo ho an’ny filazantsara.

Ny zavatra niainako tany Winter Quarters dia nanampy ahy hahatakatra fa manome ny filazantsara ho an’ireo zanany ny Ray any an-danitra ary mamela azy ireo hampiasa ny fahafahany misafidy araka ny nahim-pony. Afaka nisafidy lalam-piainana mora kokoa ny ray aman-drenin’izany zaza izany. Nitaky ny fahavononan’ireo mpamaky lay handroso hatrany ny fanarahana ny mpaminany sy ny fiainana ny filazantsara na dia nidika aza izany hoe hamoy ny zanany izy ireo. Kanefa nisafidy ny handray ny filazantsara teo amin’ny fiainany izy ireo ary nanaiky ny fotoan-tsarotra natrehiny. Takatro fa ny fanoloran-tenan’ireo Olomasina ho an’ny filazantsara sy ny toetra tsy mihambahamban’izy ireo handroso hatrany dia nentanin’ny finoana sy fanantenana—fanantenana hoavy mamiratra sy finoana fa fantatry ny Tompo izy ireo ary afaka hanamaivana ny fanaintainany Izy.

Hamoaka printy