2013
Mila mpamaky lay ankehitriny izao tontolo izao
Jolay 2013


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Jolay 2013

Mila mpamaky lay ankehitriny izao tontolo izao

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Ho an’ny maro dia tsy nanomboka tao Nauvoo, Kirtland, na Far West, na New York ny dian’ny mpamaky lay, fa nanomboka kosa tany Angleterre, na Écosse, na Scandinavie, na Allemagne lavitra tany. Tsy takatr’ireo ankizy madinika loatra ny finoana mahery vaika izay nanentana ireo ray aman-dreniny hahafoy ny fianakaviana, namana, fiainana milamina ary ahitana fandriampahalemana.

Mety nanontany ny ankizy madinika iray hoe: “Neny a! Maninona isika no handao ny fonenantsika? Handeha ho aiza isika?”

“Ndeha sombiniako, ndeha ho any Ziona, ilay tanànan’ny Andriamanitsika.”

Nitsangana teo anelanelan’ny fandriampahalemana hita tany an-tokantrano sy ny fampanantenan’i Ziona ny fahasiahan’ny ranomasimbe makadirin’i Atlantika izay mety hampidi-doza. Iza no afaka mandrefy ny tahotra izay nanenika ny fon’ny olona nandritra izany fiampitana mampidi-doza izany? Natoky an’Andriamanitra ireo Olomasina mpamaky lay ireo ary nanao ny dian’izy ireo an-tsambo rehefa natosiky ny bitsika manginan’ny Fanahy sy notohanan’ny finoana tsotra sy maharitra.

Tonga tao Nauvoo ihany izy ireo tamin’ny farany, saingy mba hiatrika indray fitsapana hafa teo amin’ny lalany. Hita nandrakotra ireo fasana teny amin’ny lalana rehetra avy any Nauvoo hatrany amin’ny tanànan’i Salt Lake ireo rambiazana vahiny sy vatom-pasana. Toy izany no sarany nefain’ireo mpamaky lay sasantsasany. Nalevina mba handry amim-piadanana ny vatan’izy ireo saingy velona mandrakizay kosa ny anarany.

Niraiki-pamindra ireo omby reraka, nikatrokatroka ireo kodiaran-tsarety, nifofotra mafy ireo lehilahy mahery fo, nidobodoboka ireo amponga fitondra an’ady ary ninaonaona ireo amboa dia. Kanefa nanohy ny diany ireo mpamaky lay izay natosiky ny finoana sy niaina fotoan-tsarotra. Matetika izy ireo no nihira hoe:

Ndao ry Olomasina mba hiasa;

Tohizo re ny dia.

Na sarotra aza re ny andronao,

Omeny soa, havotra. …

Tsara re! Tsara re!1

Tsaroan’ireo mpamaky lay ireo ny tenin’ny Tompo manao hoe: “Tsy maintsy sedraina amin’ ny zava-drehetra ny vahoakako mba ho voaomana izy ny handray ny voninahitra izay ananako ho azy, dia ny voninahitr’ i Ziona.”2

Ny fandehanan’ny fotoana dia mahatonga antsika hanadino sy hampihena ny fankasitrahantsika ireo izay niatrika ilay dia sarotra sy namela lalana misy dian-dranomaso ahitana fasana maro tsy fantatra anarana. Kanefa manao ahoana indray ireo fotoan-tsarotra amin’izao andro izao? Moa ve tsy misy lalana mikitoantoana diavina, tendrombohitra mideza hanihana, hantsambe hodikaina, lalana sokafana, renirano hiampitana? Na tena ilaina tokoa ve amin’izao fotoana izao ny fanahin’ny mpamaky lay mba hitarika antsika hanalavitra ireo loza izay manambana antsika ary hitarika antsika any amin’ilay Ziona mandry fahalemana?

An-taonany maro izay nanomboka tamin’ny Ady Lehibe faha- II, dia nihanihen-danja hatrany ny fenitry ny fahadiovana ara-pitondran-tena. Tsy mitsaha-mitombo ny heloka bebe vava; mitontonganana ny fahamaotinana. Maro ireo olona misetrasetra amin’ny fiainana, mikatsaka ireo zavatra mitondra fahafinaretana amin’izao fotoana izao ka mahafoy ny fifaliana amin’ny mandrakizay. Vokatr’izany dia mamoy ny fiadanana isika.

Adinontsika ny nanjakan’ireo Grika sy Rômana tamin’ny fomba mahagaga teo amin’ilay tontolo baribariana sy ny niafaran’izany fandresena izany—ary ny nitondran’ny hakamoany sy ny fahalemeny azy ireo tany amin’ny faharavana. Tamin’ny farany, raha toa ka nikatsaka mafy fahafahana, fandriampahalemana sy fiainana feno fiadanana izy ireo dia namoy izany rehetra izany—fiadanana sy fandriampahalemana ary fahafahana.

Aza manaiky hiroboka ao amin’ny fanangolen’i Satana fa mijoroa mafy kosa amin’ny fahamarinana. Tsy ho tanteraka velively amin’ny alalan’ireo fikatsahana fifaliana tsy misy fiafarana eo anivon’ireo zava-misy mahataitra sy ny faharatsiana ireo fanirian’ny fanahy izay tsy mety afa-po. Tsy mitondra velively any amin’ny hatsaran-toetra ny faharatsiana. Tsy mitondra fitiavana na oviana na oviana ny fankahalana. Tsy manome herim-po velively ny hakanosana. Tsy mampisy finoana velively ny fisalasalana.

Sarotra ho an’ny sasany ny mizaka ireo fanesoesoana sy fanaratsiratsiana ataon’ny olona tsy manan-tsaina izay manabanty ny fahadiovam-pitondrantena, ny fahamarinan-toetra ary ny fankatoavana ireo didin’Andriamanitra. Saingy efa nambanian’izao tontolo izao hatramin’izay ny fanarahana fitsipika. Rehefa nomena toromarika hanao sambofiara i Noà dia nanesoeso sy nihomehimehy ireo vahoaka tsy manan-tsaina raha nijery ny lanitra manga dia manga—mandra-piavian’ny orana.

Moa ve tsy tokony hianatra lesona manan-danja toy izany foana isika? Miova ny fotoana saingy ny marina tsy mba miova. Raha tsy nahay nandray lesona avy amin’ireo zavatra niainana tamin’ny lasa isika dia tsy maintsy hiverina hiaina azy ireny miaraka amin’ny ratram-po sy ny fijalijaliana ary ny fahoriana aterany. Moa ve isika tsy mba manam-pahendrena hankatò Azy. Izy ilay mahafantatra ny fiandohana sy ny fiafarana—ilay Tompontsika, izay nandrindra ny drafitry ny famonjena—toy izay hankatò ilay menarana, izay mankahala ny hatsarany?

Nofaritan’ny rakibolana iray ho “olona iray izay mandeha mialoha manomana na manokatra ny lalana ho an’ny hafa izay hanaraka aoriana” ny hoe mpamaky lay.3 Moa ve isika tsy afaka maka tahaka ny risi-po sy fifantohana amin’ny tanjona izay nampiavaka ireo mpamaky lain’ny andro taloha? Moa ve izaho sy ianao, amin’izao toe-javatra iainana izao, afaka ny ho mpamaky lay?

Fantatro fa afaka isika. Tena mila mpamaky lay mafy izao tontolo izao ankehitriny!

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Nanazava ny soratra masina fa ny mpampianatra isan-tokantrano dia natao “hampitandrina, hanazava, hanentana ary hampianatra sy hanasa ny rehetra hanatona an’i Kristy” (F&F 20:59). Hamafiso amin’ireo olona izay tsidihinao ireo fampitandremana sy fanasana voarakitra ato amin’ity hafatry ny Filoha Monson ity. Azonao ifanakalozana hevitra amin’izy ireo ny fomba hamantarana sy hanarahana ohatra tsara, ny fomba hisorohana ny famitahana ary ny fomba hianarana zavatra avy amin’ny fahadisoana nataon’ireo hafa. Anontanio an’ireo izay ampianarinao ny fomba ahafahan’izy ireo ho lasa mpamaky lay ankehitriny.

Hamoaka printy