2013
Mampianatra sy Mianatra ny Filazantsara
Jolay 2013


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Jolay 2013

Mampianatra sy Mianatra ny Filazantsara

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao. Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Mpampianatra mahay i Jesoa Kristy. Nanome ohatra mba ho alaintsika tahaka Izy rehefa “nampianatra vehivavy maro nitambatra sy vehivahy nandeha nitokantokana, rehefa nampianatra teny an-dalambe sy teny amoron-dranomasina, teny am-pantsakana ary tany an-tokantranon’izy ireo. Nampiseho hatsaran-toetra tamin’izy ireo Izy ary nanasitrana azy ireo sy ireo olona tao amin’ny fianakaviany.”1

Nampianatra an’i Marta sy i Maria Izy ary “nanasa azy ireo ho tonga mpianany sy handray ny famonjena, ‘ilay anjara tsara’ [Lioka 10:42] izay tsy hoesorina velively amin’izy ireo.”2

Ao amin’ny soratra masin’ny andro farany izay ampiasaintsika dia nandidy antsika ny Tompo mba “hifamp[ianatra] ny fotopampianaran’ ny fanjakana” (F&F 88:77). Nilaza toy izao i Cheryl A. Esplin, mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany, raha niresaka mikasika ny fampianarana sy fandalinana fotopampianarana: “Ny fianarana hahatakatra feno ireo fotopampianaran’ny filazantsara dia dingana atao mandritra ny androm-piainana manontolo ary tonga ‘andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely’ (2 Nefia 28:30).”3

Rehefa mianatra, mandalina ary mivavaka isika dia hampianatra amin’ny herin’ny Fanahy Masina, izay hitondra ny hafatra avy amintsika “hankany am-pon’ ny zanak’ olombelona [lahy sy vavy]” (2 Nefia 33:1).

Avy amin’ ny Soratra Masina

Almà 17:2–3; 31:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:12–13; 84:85

Avy amin’ny Tantarantsika

Nampahatsiahy antsika ireo mpaminanintsika teo aloha fa manana anjara toerana lehibe eo amin’ny maha mpampianatra antsika ao an-tokantrano sy any am-piangonana isika vehivavy. Tamin’ny Septambra 1979 ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) dia nangataka antsika mba ho “rahavavy mahay soratra masina.” Hoy izy hoe: “Aoka ho lasa manam-pahaizana amin’ny soratra masina ianareo—tsy entina hanambaniana ny hafa fa hampitrakana azy ireo kosa! Kanefa iza moa no tena mila ‘mitahiry’ ny fahamarinan’ny filazantsara (izay azony ianteherana amin’ny fotoana mahasahirana azy) mihoatra noho ny vehivavy sy renim-pianakaviana izay mitaiza sy mampianatra be tokoa?”4

Sady mpampianatra no mpianatra isika rehetra. Afaka manampy ny hafa hanatona an’i Kristy isika rehefa mampianatra avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminantsika velona. Afaka mahita ny valiny izay mifanentana amin’ny zavatra ilaintsika isika rehefa mirotsaka ao amin’ny dingan’ny fianarana amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana matotra ary amin’ny alalan’ny fihainoana avy eo.

Inona no Azoko Atao?

  1. Inona no fiomanana ataoko mba hahatonga ahy ho mpampianatra tsaratsara kokoa?

  2. Moa ve mizara ny fijoroako ho vavolombelona amin’ireo rahavavy izay iandraiketako aho?

Fanamarihana

  1. Filles dans Mon Royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2011), 3.

  2. Filles dans Mon Royaume, 4.

  3. Cheryl A. Esplin, “Mampianatra ny zanatsika mba hahatakatra,” Liahona sy Ensign, Mey 2012, 12.

  4. Spencer W. Kimball, ao amin’ny Filles dans mon royaume, 50.

Hamoaka printy