Ho an’ny Tanora
Afaka Namela ny Alaheloko Hiala Aho
Avy any Taïwan ny mpanoratra.
Heniky ny hafaliana aho rehefa natao batisa tao amin’ny paroasinay ireo namako dia Rahalahy Chen sy ny vadiny izany. Nofehezina tany amin’ny tempoly izy ireo herintaona taorian’ny batisan’izy ireo, ary nofehezina tamin’izy ireo ny zanak’izy ireo lahy izay nodimandry talohan’ny nidiran’izy ireo ho mpikamban’ny Fiangonana. Nahafinaritra ny nahita ny Fianakaviana Chen nitombo tao amin’ny filazantsara.
Maty tamin’ny lozam-piarakodia avy eo Rahalahy Chen ny taona manaraka. Taorian’ilay loza dia toa tao an-tsaiko mandrakariva ny fahafatesany ary nanofy matetika momba izany aho. Nifoha tamin-dranomaso aho ary nanontany hatrany hatrany hoe: “Nahoana? Nahoana no avelan’ny Tompo hitranga ny loza tahaka izao? Nahoana no tsy maintsy nitranga tamin’ity fianakaviana mahafinaritra ity ny zavatra toa izany?” Indray andro, rehefa sahiran-tsaina tamin’ireo fanontaniana ireo aho dia nandray boky torolalana iray misy lesona ary namaky ireto teny avy amin’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) ireto:
“Raha toa ka jerentsika ho toy ny fetran’ny fisiana ny fiainana an-tany, dia ho antambo lehibe ny fanaintainana, ny alahelo, ary ny fiainana fohy. Fa rehefa jerentsika ho toy ny zavatra mandrakizay izay mihitatra hatrany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana tany aloha tany ary mitohy mankany amin’ny hoavy mandrakizay aorian’ny fahafatesana ny fiainana, dia ho hita amin’ny fijery tsara kokoa ny zava-mitranga rehetra. …
“Moa va isika tsy misedra fakam-panahy mba hitsapana ny tanjatsika, aretina mba hianarantsika faharetana, fahafatesana mba hahatonga antsika ho tsy mety maty sy omem-boninahitra?”1
Nanapa-kevitra aho tamin’izay fotoana izay ny hamela ny alaheloko hiala ary hitodika amin’ny hoavy nampanantenaina sady azo antoka. Azoko sary an-tsaina Ralahahy Chen tafaraka amim-pifaliana amin’ny fianakaviany. Nitondra fiadanana ho ahy izany fahitana izany. Fantatro fa hanome antsika fahendrena sy risi-po ny Ray any an-danitra hiatrehantsika ireo fahoriana.