2013
Fizakan-Tena
Septambra 2013


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Septambra 2013

Fizakan-Tena

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao. Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Sary
Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Fahafahana, fanoloran-tena ary ezaka hanome izay mahasoa ara-panahy sy ara-batana ho an’ny tenantsika sy ho an’ny fianakaviantsika ny fizakan-tena.1

Manana fahafahana hikarakara ny mahantra sy ny sahirana ary hanampy ny hafa hahay hizaka tena mba hahafahan’izy ireo miaritra ireo fotoam-pahoriana isika rehefa mianatra sy mampihatra ireo fitsipiky ny fizakan-tena ao an-tokantranontsika sy eo amin’ny fiaraha-monina.

Manana ny tombontsoa manokana sy ny adidy hampiasa ny fahafahantsika misafidy isika mba hahay hizaka tena ara-panahy sy ara-batana. Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo rehefa niresaka mikasika ny fizakan-tena ara-panahy sy ny fiankinantsika amin’ny Ray any an-danitra manao hoe: “Manjary miova fo sy mizaka tena ara-panahy isika rehefa miaina amim-bavaka ireo fanekem-pihavanantsika—amin’ny alalan’ny fandraisana amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo, amin’ny alalan’ny fahamendrehana hanana fahazoan-dalana mankany amin’ny tempoly, ary ny fahafoizan-tena amin’ny fanompoana ny hafa.”2

Nanoro hevitra antsika hahazaka tena eo amin’ny ara-nofo ny Loholona Hales, “anisan’izany ny fandrantoana fianarana eny amin’ny oniversite na fanarahana fiofanana ara-teknika hianarana asa, ary ny fiainana araka izay eo am-pelatanantsika. Omanina amin’ny fanompoana amin’ny fotoana maharitra ato amin’ny Fiangonana amin’ny ho avy isika rehefa miala amin’ny trosa sy mitahiry vola amin’izao fotoana izao. Ny hitondra ny tenantsika amin’ny toerana avo kokoa mba hahafahantsika manarina ny hafa izay mila izany no tanjon’ny fizakan-tena eo amin’ny ara-nofo sy ny fizakan-tena ara-panahy.”3

Avy amin’ ny Soratra Masina

Matio 25:1–13; 1 Timoty 5:8; Almà 34:27–28; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 44:6; 58:26–29; 88:118

Avy amin’ny Tantarantsika

Taorian’ny nivondronan’ny Olomasin’ny andro farany tao amin’ny lohasahan’i Salt Lake, izay tany foana nitokantokana, dia tian’ny Filoha Brigham Young hiroborobo sy hanorina trano honenana maharitra izy ireo. Nidika izany fa nilain’ny Olomasina ny nianatra fahaiza-manao izay hahatonga azy ireo hizaka tena. Nanana fahatokiana lehibe tamin’ny fahaiza-manao, ny talenta, ny fahatokiana, ary ny fahavononan’ireo vehivavy ny Filoha Young tamin’ity ezaka natao ity, ary namporisika azy ireo tamin’ireo adidy manokana teo amin’ny ara-nofo izy. Tsy miova ireo fitsipika raha toa kosa ka, matetika dia samihafa ireo adidy manokan’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ankehitriny:

  1. Mianara mitia asa ary ialao ny fidonanaham-poana.

  2. Ataovy izay hananana toe-tsaina vonona ny fahafoizan-tena manokana.

  3. Ekeo ny andraikitry ny tena manokana amin’ny tanjaka ara-panahy, ny fahasalamana, ny fianarana, ny asa, ny fitantanam-bola, ny sakafo ary ireo zavatra hafa ilaina andavanandro.

  4. Mivavaha mba hanana finoana sy faherezana amin’ny fiatrehana ireo fanamby.

  5. Ampahatanjaho ireo hafa izay mila fanampiana.4

Fanamarihana

  1. Jereo ny Manuel 2: Administration de l’Église (2010), 6.1.1.

  2. Robert D. Hales, “Coming to Ourselves: The Sacrament, the Temple, and Sacrifice in Service,” Liahona na Ensign, Mey 2012, 34.

  3. Robert D. Hales, “Coming to Ourselves,” 36.

  4. Jereo ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2011), 51.

Inona no azoko atao?

  1. Ahoana no hanampiako ireo rahavavy izay eo ambany fiahiako mba hahita vahaolana amin’ireo filàny ara-batana sy ara-panahy?

  2. Mampitombo ny fizakan-tena ara-panahy ve aho amin’ny alalan’ny fiomanana amin’ny fanasan’ny Tompo sy fahafoizan-tena hanompo?

Hamoaka printy