2013
Olomasina amin’ny Fizaran-taona Rehetra
Septambra 2013


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Septambra 2013

Olomasina amin’ny Fizaran-taona Rehetra

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

Manana fahatsiarovana tamin’ny fahazazana izay maneho ny ampahany amin’izao tontolo izao aho, izay tena nahafinaritra tokoa nandritra ireo fizaran-taona efatra tao anatin’ny taona. Tena tsara fatratra sy nahafinaritra ny volana nifanesy. Nandritra ny andro ririnina tena lafatra iray dia nanafotsy ny tendrombohitra sy ny lalana ao amin’ny tanàna ny ranomandry mangatsakatsaka vao nirotsaka. Ny lohataona dia nitondra orana mpanadio sy hazo ary zavamaniry mamoa maintso mavana. Nibaliaka teo amin’ny lanitra tony sy mangan’ny fahavaratra ny masoandro. Ary nanova ny natiora tamin’ny alokaloka volomboasary sy mavo ary mena ny fararano mahatalanjona. Tiako ny fizaran-taona tsirairay fony aho mbola zaza, ary tiako hatramin’izao fotoana izao ny toetoetra sy izay mampiavaka ny tsirairay amin’izany.

Manana fizaran-taona ihany koa isika eo amin’ny fiainantsika. Mafana sy mahafinaritra ny sasany. Tsy toa izany kosa ny hafa. Mahafinaritra toy ny sary amin’ny kalandrie ny andro sasany eo amin’ny fiainantsika. Kanefa mbola misy andro sy toe-javatra miseho izay miteraka aretim-po sy mety hitondra fahatsapana fahakiviana, lolom-po, ary ngidy lalina eo amin’ny fiainantsika.

Azoko antoka fa tsy maintsy nisy fotoana nieritreretantsika hoe tsara kokoa ny nonina tany amin’ny tany tsy misy afa-tsy andro feno sary tonga lafatry ny fizaran-taona ary mandositra ireo fotoana tsy mahafinaritra eny anelanelan’izy ireny.

Saingy tsy azo atao izany. Tsy maha te hanana ihany koa izany.

Rehefa mijery ny fiainako manokana aho dia hitako mibaribary fa ny ankamaroan’ny fotoam-pivoarana lehibe indrindra dia tonga tamiko rehefa nandalo fotoan-tsarotra aho.

Fantatr’ilay Raintsika any an-danitra feno fahendrena fa mba hitomboan’ny zanany ho amin’izay tiany hahatongavan’izy ireo dia mila miaina fotoam-pahoriana mandritra ny fivahinianany eto ambonin’ny tany izy ireo. Nilaza ny mpaminany Lehia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa raha tsy misy fifanoherana dia “tsy azo notanterahina ny fahamarinana” (2 Nefia 2:11). Marina tokoa fa ny ngidin’ny fiainana no mamela antsika hahafantatra, hampitaha, ary hankafy ny fahamamiany (jereo ny F&F 29:39; Mosesy 6:55).

Toy izao no nilazan’ny Filoha Brigham Young izany tamin’ny fomba hafa: “Tsy maintsy mandalo ny fitsapana natokana handalovan’ny olona ny olona rehetra izay hosatrohina satrobonihanitra, ny tsy fahafatesana, ary ny fiainana mandrakizay mba hahazoan’izy ireo ny voninahiny sy ny fisandratany. Hiaretana avokoa ny antambo rehetra izay tonga amin’ny olona mety maty … hanomanana azy ireo hankafy ny maha eo anatrehan’ny Tompo. … Ilaina amin’ny fanavotana anao ny fisedrana sy traikefa tsirairay izay nandalovanao.”1

Ny fanontaniana dia tsy hoe hiaina fotoam-pahoriana ve isika, fa hoe ahoana no ho fihetsitsika amin’izany fahoriana izany. Ny mihazona mafy amin’ny tenin’Andriamanitra izay mahatoky no fahafahana lehibe indrindra ananantsika mandritra ny fizaran-taonan’ny fiainana izay tsy mitsaha-miova, satria tsy natao hanampiana antsika hiaritra ny fahasarotan’ny fiainana fotsiny ihany ny toroheviny fa hitarika antsika ihany koa aorian’izy ireny. Nanome ny teniny tamin’ny alalan’ny mpaminaniny ny Raintsika any an-danitra—fahalalana sarobidy natao hitarika antsika mandritra ireo fanambin’ny fotoan-tsarotra mankany amin’ilay hafaliana tsy hay lazaina sy hazavana mamiratry ny fiainana mandrakizay. Ampahany manan-danja ao anatin’ny fiatrehantsika ny fiainantsika ny mampitombo tanjaka, risi-po, ary fahatokiana amin’ny fihazonana mafy ny fahamarinana sy ny fahitsiana na dia eo aza ny fahasarotana mety iainantsika.

Ireo izay niditra tamin’ny ranon’ny batisa sy nandray ny fanomezan’ny Fanahy Masina dia nametraka ny tongotr’izy ireo teo amin’ny lalan’ny mpanara-dia ary nanaiky ny hanaraka amim-pahatokiana ny dian’ny Mpamonjy antsika.

Nampianatra ny Mpamonjy fa ny masoandro dia miposaka “amin’ny ratsy fanahy sy tsara fanahy ary … ny ranonorana [milatsaka] amin’ny marina sy ny tsy marina” (Matio 5:45). Tsy takatsika indraindray hoe nahoana ny zava-tsarotra, tsy rariny aza, no mitranga eo amin’ny fiainana. Kanefa amin’ny maha mpanara-dia an’i Kristy antsika dia mahatoky isika fa rehefa “mitady am-pahazotoana, mivavaka mandrakariva, ary mino, … ny zava-drehetra [dia] ho tombontsoan[tsika], raha mandeha araka ny hitsiny [isika] (F&F 90:24; nampiana fanamafisana).

Manompo am-pifaliana sy an-tsitrapo amin’ny toetrandro rehetra sy ny fizaran-taona rehetra isika amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonany antsika sy amin’ny maha Olomasina antsika. Ho feno finoana nohamasinina, fanantenana fahasitranana, ary fiantrana avy any an-danitra ny fontsika rehefa manao izany.

Na izany aza, dia tsy maintsy handalo ireo fizaran-taona rehetra isika—na mahafinaritra izany na manaintaina. Na fizaran-taona inona anefa izany na inona, dia mametraka ny fanantenantsika eo amin’i Jesoa Kristy isika rehefa manatona ny hazavany amin’ny maha mpanara-dia Azy antsika.

Raha fintinina dia Olomasin’Andriamanitra isika, natao hianatra avy Aminy, sy hitia Azy ary hitia ireo namantsika. Mpivahiny eo amin’ilay lalana masina voatahy ho an’ny mpianatra isika, ary handeha tsy ho voahongozona mankany amin’ilay tanjontsika any an-danittra.

Koa aoka isika ho Olomasina mandritra ny lohataona, fahavaratra, fararano, ary ririnina. Aoka isika mba ho Olomasin’ny fizaran-taona rehetra.

Fanamarihana

  1. Enseignements des Présidents de l’Église: Brigham Young (1997), 261 – 62.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Nampianatra ny Fiadidiana Voalohany fa “Ny sasany amin’ireo toriteny lehibe indrindra dia torina aminy alalan’ny fihirana” (Fihirana, ix). Rehefa mifanakalo hevitra mikasika ity hafatra ity ianao dia miaraha mihira amin’ireo izay ampianarinao an’ireto fihirana ireto na hira hafa momba ny fiaretana fisedrana: “Fototra mafy orina” (lah. 12); “L’Eternel est mon berger” (lah. 57); na “’Ndao handroso hatrany” (lah. 20). Miresaha fotoana izay niovan’ny fotoan’oram-baratra iray ho fahasoavana teo amin’ny fiainanao, raha toa ka mahatsapa fitaomam-panahy hanao izany ianao.

Hamoaka printy